Asan-jiolahy mahagaga

1. zakilinina ( 08/05/2010 06:53)
Mirongatra tsy misy toa izany ny asan-jiolahy eto Madagasikara. Very tondroavaratra izy ireo satria tsy fantany intsony ny maodely tokony arahana.
Mahatsapa izy ireo fa tontolon'ny halatra no iainana eto.
Tsara angamba raha ny mpitondra fanjakana mihitsy no manome maodely tsara. Voalohany amin'izany ny famerenana amin'ny tompony ny fanjakana nangalarina.
novalian'i pikatti ny 09/05/2010 23:46
2. bonazy ( 08/05/2010 08:13)
Normaly izany ry zakilinina ,satria fanjakana nalaina tamin'ny fampiasan-kery toy ny asan-jiolahy rehatra ,dia aleo koa ny bebe saina sy sahisahy ary be ati-doha mba haka ny anjarany é!,koa atao akory fa dia ny vahoaka no mihinan'ny ... é!,izy ireo no nahatonga izao dia anjarany ny mamaha ny olana mba hisian'ny filaminam-bahoaka,
3. zefalahy ( 08/05/2010 08:20)
izahay no atao hoe fanjakana ka izay tianay no hampiharina eto ok
4. dadax ( 08/05/2010 08:22)
rehefa tiana hatavy ny resaka d zay tokoa ,kanefa tsy vao izao anie no nisy izany hoe asan-jiolahy zany e! ka raha averina am zay noheverinao fa tompony v ny fanjakana d averin ny jiolahy ireo zavatr'ol zay nalainy?
5. zakilinina ( 08/05/2010 08:28)
Tsy azon'i dadax ilay resaka. Tokony hampiseho maodely tsara ny fanjakana : miaiky heloka ary mamerina ny halatra mankany amin'ny tompony.
6. bonazy ( 08/05/2010 08:34)
Azafady ry zefalahy fa raha hoe ianareo no atao hoe "fanjakana"amin'izao fanamianao izao, dia hita hoe"olona tsy dia ,??????? loatra ianareo fanjakana izany" ary toa fanjakana tsy mahalala lalana akory!!!!misy fiteninay avy any atsimo any "fanjakana fahatany",satria ny vahoaka no mampisy ny fanjakana raha tsy fantatrareo ary mpiasam-bahoaka ianareo fa tsy mpiasan'ny mpitondra razefa,sao diso hevitra ary ianareo razefa fa efa 21 ie siekla anie isika izao é!!!
7. bonazy ( 08/05/2010 08:47)
ô ry zakilinina rares ary tena rares eto ambonin'ity tany ity izany hoe "mpitondra fanjakana hiaiky ny hadalana sy ny tsy mety ataony izany,satria ny olona na aiza na aiza ka mba manam-pahefana na mahazo kely dia mihevitena fa ambonin'ny lalàna dia manan-kery dia mirehareha ary tsy handefitra amin'ny zavatra maro, oh" ny miaramila gasy satria izireo no mitazona sy manana fahefana amin'ny fitaovam-piadian'ny firenena malagasy dia ahodiny izany hoan'ny tombotsoany sy izay mpiray tsikombakomba aminy ho tombotsoany manokana!!!!!lasa herim-pamoretana izy amin'izay,nefa tsy hanaiky ho diso izany mihitsy izy ireo ,satria ny hery sy ny basy no arangarangany dia mangina le reste satria mamy ny miaina!!!!!!
8. diloo ( 08/05/2010 10:45)
raha ny mpitondra fanjakana mihitsy no manome maodely tsara.

Raha ny mpitondra fanjakana "état de fait" @'izao fotoana izao no hiantefahan'ny ny jerikinanao sy ny fanirianao, dia tsy manankery:
Ahoana moa no hafahana hanaovana maodely, na koa hitaritana ny FAT mpamokatra sy miaina ao anatin'ny olitra hivaona @'io tarigetranao io.
Jereo fotsiny fa tsy azo atao ary tsy eken'izao tontolo izao ho atao maodely ny fanongonam-panjakana (Accord de Cotonou).
Koa vao miainga fotsiny ny fisian'ny FAT, satria fangalarana ny fitondrana ara-dalana voafidin'ny vahoaka, dia io endrika ny fangalarana fitondranam-pHATy io no ataon'ny mpomba azy maodely. Ary io maodelim-pHATy io no araraotin'ny mpitondra ankehintriny, indrindra fa ny mambra ny governemanta fopla, mangalatra: hanaovana trano, hividianana 4x4 Hammer, hividianana villa côté Nord Est de la France(Moselle-Lorraine),...

Ary izao, dia mangala-tahaka koa ny mpanao ratsy:

Vendredi, 07 Mai 2010 19:56
Tokony ho mailo ihany ny rehetra amin’izao fotoana izao, indrindra ireo izay maka vola amin’ireny toerana be olona ireny, sahala amin’ny banky, ohatra rehetra fandraisam-bolan’ny mpiasam-panjakana. Toa miverina indray mantsy amin’izao fotoana izao ny fomba fanaon’ireo mpanendaka sy mpisam tany aloha ela tany. Asiany marika izay olona hitany fa maka vole betsaka amin’ireny toerana ireny. Arahiny mora rehefa mivoaka eo ary raha vao mahazo takotakona izy dia endahany tsy misy indra fo, na koa anaovany fihetsika hafa mihitsy.

Ilay filamatrao tsara fa nofinofy raha rajoelina no antenainao. :wink:
9. bazylou ( 08/05/2010 17:39)
vive tgv
10. Noue ( 08/05/2010 20:17)
au diable bazilozotra sy ny foza tsisy anilaivana azy ee
11. pikatti ( 09/05/2010 23:46)
Maty hozatra ndray rabazilotra klé :-D :-D ialahy mantsy miteniteny foan hotran'ny adala koa aiza ialahy no tsy endasin'olona, mba hazavao ihany ny hevitra bainn a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0408