be fanadinoana

1. xxx ( 07/05/2010 10:36)
Misy torohevitra ve azo omena ahy fa mora manadino be ilay zanako 5 taona. Ohatra raha ampianarina marika 1 + 1 = 2 , de adinony vetivety io. Na koa mamaky boky lecture : ohatra L + i , vakina Li de adinony ny famakiana azy.
novalian'i Ratoa ny 31/12/2010 17:43
2. soanja ( 07/05/2010 14:35)
Mbola kely izany zanakao izany ka tsy misy mahamaika akory ny fahalalany ankandrina.

Samy manana ny fahafaingana ny zaza tsirairay ary tsy misy hoe tara sy mahay be fa misy fotoana daholo ny fisokafan'ny zaza tsiraidray avy amin'ny fianarana.

Mila miezaka manome azy zavatra azo tsapain-tanana ianao ianarany ary tsy avy amin'ny ankandrina fa hita maso sy iainany isanandro ary tiany toy ny milalao ihany saingy misy fianarana ao anatiny. Ohatra raha omeko paoma iray ianao ary ampiako paoma iray firy no azonao? sady eo aminy ny paoma ireo hitany maso daholo. Mino aho fa ho hainy ny mianatra zavatra. Tsy ny fahaizana ankandrina akory no midika ny atao hoe fandraisana tadidy sy mahay. Fa misy isan-karazany no mahatonga an'io. Ampy torimaso ny zanakao? ampy sakafo? tsy variana amin'ny zavatra isankarazany tsy hampivoatra azy loatra: tele sns sns...

Raha hampianatra litera na mamaky teny dia mila atomboka lalandava amin'ny tsapan'ny tanana sy ny shape( endrika) ary ny zavatra mahavariana azy no ampifandraisina manome ireo endrika ireo ary manome ilay litera sy ny teny. Tadiavo hatrany ny zavatra tiany dia ho hitanao fa hainy ny tianao ampitaina raha hainao ny mampifandray an'ireo.

Aza dia bedesina loatra ny zaza rehefa mampianatra fa mampihemotra azy tokoa izany anefa. Ny fampaherezana azy sy ny fanomezana lanja izay kely aina no mampavitrika zaza hahay izay tiana hampitaina ary afanagaro lalao ilay izy fa tsy fianarana fe fianarana satria tsy manaitra azy izany.
3. niryna ( 28/05/2010 04:04)
Marina izany ,misy fetrany avokoa ny fisokatry ny sain'ny ankizy,mety misy votsa ary mety misy mailaka.Misy koa anefa tena taraiky be dia misy fampianarana manokana atao azy ireny.
Raha mbola tena kely izy dia zavatra ita-maso no ataovy ary mila averimberina vao azony,rehefa miha mihalehibe kosa izy dia afaka mampiasa ireny jeux de carte ireny hianao anaovana asa marika,ampilalaovina eo aloha izy ,araka izay tianao atao,miaraka millalao aminy eo dia avy eo dia ampidirina tsikelikely ny kajy.Tsara ho fantatra koa aloha fa rehefa ataony any am-pianarana ilay izy vao tena manomboka miaraka milalao aminy hianao fa tena malaky sy malady be ny sain'ilay zaza avy eo ary tena hoentina amin'ny fiainana mihitsy ilay izy.Lalao sy fampianarana no atao ny ankizy fa tsy tonga dia katrohana fianarana,hi,hi
4. petitpoucet ( 04/06/2010 11:13)


Misy torohevitra ve azo omena ahy fa mora manadino be ilay zanako 5 taona. Ohatra raha ampianarina marika 1 + 1 = 2 , de adinony vetivety io. Na koa mamaky boky lecture : ohatra L + i , vakina Li de adinony ny famakiana azy.


tsy concentré tsara izy zany
5. sipagasy ( 10/10/2010 16:58)
dia inona no hatao raha tiana ho 'concentré" izany ilay zaza @ fianarana??
6. radila ( 29/12/2010 14:37)
mba andramou kou we, misotro dité sojà foana isa-maraina fa reny no tena mampantanjaka sady mapiverina ny tadidy tsara mintsy, de atao matetika le izy, misy ankizy tsy tia anireny fa teneno azy fotsiny we mahasoa anao ty, sady hanampy anao @ fianarana kou
7. Ratoa ( 31/12/2010 17:43)
bjr,
ireo efa voalazan'i soanja sy niryna ireo no tokony hataonao. Mbola kely izy ka lalao no tena mbola mibahana ao an-tsainy. Dia atao somary kilalao daholo aloha ny fianarana fa any amin'ny faha 7 ny taonany any izy vao tena hifantoka amin'ny fianarana. Ary raha misy hainy sy vitany dia amafiso hoe: brao mahay ianao, averono indray hoe! Ary raha misy tsy hainy na tsy vitany dia lazoa "tsy maninona fa amin'ny manaraka ataontsika tsara kokoa noho ity".
Diplomatie ny fiainana na amin'ny zaza mbola kely dia kely aza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2256