ADINTSAINA (ASA LOHA)

1. xxx ( 06/05/2010 08:43)
Mba omeo toro-hevitra fa be loatra ny adintsaina noho ny fahasarotan'ny fiainana. Be dia be ny tanjona no kendrena nefa tsy tanteraka daholo. Toa misy sakatsakana foana .
novalian'i niryna ny 08/05/2010 20:20
2. soanja ( 06/05/2010 13:47)
Ny fanaovana azy raha ny torohevitra aty amiko dia alaina tsiraidray ny zavamisy na ny olana. Dia iray aloha vahana vita iny vao mandeha indray ny faharoa rehefa vita tsara ny famahana ny voalohany sns sns...

Ezahina lalandava tadidiana fa ny androany ihany no andro tena izy sy mahatoky. Ny ampitso mbola zaza ambohokan'ny androany ary ny omaly efa angatry ny anio.
Tiavo ny tenanao dia ny hifalianao androany. Aza manahy ny ampitso. Ny ampitso Andriamanitra no mandahatra azy.

Ny fanalana stress tena fanaoko dia manao hiking na mitsangatsangana any anaty ala mifoka rivo-baovao. Raha misy ala ny manodidina anao dia io atao izay handehanana amin'iny farafaharatsiny in-3 isan-kerinandro. Mikarakara voninkazo. Miompia biby mety atao namana. sns sns.... Ary aza hadino ny mivavaka lalandava ametrahana ny olanao amin'Andriamanitra. Izy irery ihany no mpamaha olana.

Mahereza zany havako!
3. diamondra27 ( 06/05/2010 17:00)
arakaraka le adi-tsaina no hamahana azy sy hanomezana toro-hevitra.
Afaka lazainao ve le izy hoe inona?

Fa mialohan'izany dia mitovy hevitra am soanja za. Mila mivavaka aloha , dia mila tia ny tenanao sy matoky azy, tsy mihazakazaka am fiainana fa entina mora ilay izy. Donner 100% am zay zavatra ataonao androany fa tsy mijery ny ampitso na ny lasa. Mila maka fotoana kely anatin'ny 1 andro ho anao mi respirer sy manala ny enta-mavesatra tanaty ny andro 1= mi-vider le olana.
Hafa ny vavaka de hafa ny meditation kely majinijinika. Samy ilaina daholo ireo fa mifameno.
Aza manome fanafitohinana am fiainanao.
Izay zava-mavesatra sy mandany energie de avelao daholo, oh namana na havana sns. Izany hoe zay manalagy de adaboy. Ze tezitra de tezitra
De fais-toi plaisir ( zay raisonnable fa tsy plaisir hahatonga olana ndray koa an)
Apprendre a se faire plaisir fa tsy mi culpabiliser oh we te hihinana sokola de tsy minana fa sao de matavy. De tsy miletra koa anefa fa mi raisonne tsara.

be de be ny tor-hevitra fa teneno aloha le olana
4. xxx ( 07/05/2010 10:25)
Misaotra tamin'ny toro-hevitra. Ny tena olana dia ny tsy fahampian'ny vola entina manao zavatra. Izany no tena mampiasa saina be indrindra; Koa mba toroy hevitra e !
5. xxx ( 07/05/2010 14:16)
xxx:

Misaotra tamin'ny toro-hevitra. Ny tena olana dia ny tsy fahampian'ny vola entina manao zavatra. Izany no tena mampiasa saina be indrindra; Koa mba toroy hevitra e !


Ezaho prioriser-na ary aloha hoe inona no tena maika sy indispensable, dia ireo aloha tanterahina , dia hafa ho hitan'ny Tompo eo ihany, ny tsintsina kely aza hono tsimbinin'ny Tompo ka mainka fa ianao tahaky ny endriny io. Mivavaha dia manana finoana
6. soanja ( 07/05/2010 15:42)
xxx:

Misaotra tamin'ny toro-hevitra. Ny tena olana dia ny tsy fahampian'ny vola entina manao zavatra. Izany no tena mampiasa saina be indrindra; Koa mba toroy hevitra e !


Marina izany. Raha tsy ampy ny vola entimanana dia tsy afaka mandroso mihitsy aloha raha resaka asa sy aina ni resahina.

Lazao ary inona no zavatra eritreretinao tianao atao na hoe inona no hainao atao? Ianao ve vonona hiova tanana sy hianatra asa sns sns... Firy ny andraikitrao (zanaka sns )? Miady irery ve ianao amin'ny fiainana sa misy manampy ihany saingy ny zavamisy no tsy manome fahafaham-po?

Jerena daholo aloha hoe inona no tena possible dia izay vao mivadika amin'ireo izay hita fa tsy ;possible mihitsy raha tsy misy manampy.

Mazotoa indrindra fa efa nandalo izay fiainanao izay daholo angamba ny eto. Ary tsy mora izany, indrindra amin'izao fiainam-pirenena tsy milamina izao. Mivavaka lalandava anefa ny ho tafita. Aza hadino ilay manala stress.


7. diamondra27 ( 08/05/2010 14:02)
xxx: raha hiandry vola be aloha dia tsy hahavita na inona na inona e.

Izay eo am-pelatanana ihany no azo ampiasaina dia ampitomboina fa aza manantena ny tsy misy hoy ny fitenenana izay , ary koa hoy ny Tompo hoe: izay manan-talenta ka mampiasa izany dia hitombo foana izany fa izay manan-talenta nefa tsy mampiasa dia na ny kely eny an-tanany aza halana aminy.
KOa raha misy vola kely any dia eritrereto zay vitany dia hampiasaho am tokony ho izy.
Araka ny voalazan'i soanja io , fantaro hoe inona ny zavatra mety vitanao sy hainao sns
raha manambady aman-janaka mety ve ny mitady vola lavitra ka avela izy ireo , manao varo-mandeha izany toy ny ataon'ireny saofera ireny ohatra .

firy ny capital-nao izao, sao misy namana afaka manoro-hevitra am ze vitany.
8. niryna ( 08/05/2010 20:20)
soanja:

Ny fanaovana azy raha ny torohevitra aty amiko dia alaina tsiraidray ny zavamisy na ny olana. Dia iray aloha vahana vita iny vao mandeha indray ny faharoa rehefa vita tsara ny famahana ny voalohany sns sns...

miombokevitra koa aho ary izay tratra ihany koa fa tsy afaka anenjika bitro roa.
Ny manaraka ihany koa raha mbola tsy nino an'i kristy hianao dia ankino aminy ny fiainanao,ny ho avinao fa izy no andahatra izany.Mino fa Atra manoro lalana izy,Atra mahafantatra ny ho avintsika izy na dia mbola tsy mangataka aminy akory aza isika,ka maika fa ny mametraka ny fiainanao eo am-pelantanany.Mijoro vavolombelona amin'izany aho ary tsy menatra ny mijoro fa misy izy ary izay rehetra mametraka ny fiainany eo aminy dia ho sokafany tokoa ny varavarana ary anehoany fianana mahagaga tsy takatry ny saina izy.
mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0899