Misy Diksionera gasy ve?

1. gasyjean ( 05/05/2010 12:13)
Saika mba hanontany hoe raha misy diksionera malagasy?Ny tiako ho lazaina dia diksionera gasy manazava ny teny gasy ,fa tsy hoe mandika azy amin'ny teny hafa tsy akory.Izay mba mahalala dia mba omeo ny anaran'ilay izy azafady mba hitadiavana azy.misaotra
novalian'i Ratoa ny 06/05/2010 22:26
2. Djhamhal ( 05/05/2010 12:42)
raha ny fahafantarako azy dia misy tokoa izy io fa efa ela be za no nahita azy , mitondra ny lohateny hoe : ny voambolana malagasy ! io aloha no itako fa mety misy hafa ankoatra an'io an ! eny @ librairie rehetra angamba mety ahitana azy io ! dia mahità é!
3. tyty ( 05/05/2010 13:56)
ie , tena misy kah ! rakibolana malagasy no anarany
mazotoa o!
4. xxx ( 06/05/2010 12:23)
misy ka , ilay misy sary voninkazo fuschia tsara tarehy iny ny fonony
5. diamondra27 ( 06/05/2010 17:26)
za koa nana boky fa momba ny ohabolana gasy ranoray fa very le izy
6. Ratoa ( 06/05/2010 22:26)
Misy betsaka mihitsy. Raha mijery eny amin'ny librairie ianao, indrindra ny librairie loteriana, dia hahita tokoa. Misy koa ny FIRAKETANA , Encyclopédie malagasy. Wikipédia koa misy amin'ny teny malagasy.
Mozotoa é!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.403