HOMAMIADANA ( CANCER)

1. xxx ( 30/04/2010 06:20)
Inona no mahatonga ny olona ho voan'ny cancer fa be dia be ankehitriny no voa an'io aretina io ? Ary inona no fiarovana sy fanafodiny ?
novalian'i niryna ny 04/05/2010 19:50
2. soanja ( 01/05/2010 23:01)
Mbola mikaroka hatramin'izao ka.
3. diamondra27 ( 03/05/2010 12:50)
samy manana cancer doly ny olona retra fa arakaraka ny olona le izy de mi se-developper miadana eny le izy.

4. niryna ( 04/05/2010 19:50)
mbola manao fikarohana tokoa ary ankehitriny dia fantatra fa misy ny miadana ary mety ho sitranina ary misy ny tsy mety ho sitrana intsony.Ny lehilahy izao dia saika misy prostate cancer kanefa dia tsy mihombo ilay izy ka arakaraky ny eritreritry ny manana ilay aretina na tsaboina dieny mbola tanora na koa hoe avela ao dia rehefa lehibe vao esorina.
misy maro karazany tokoa io cancer io ka saika ahitana azy na ny hoditra ,ny tendra ,ny atidoha,ny kibo ,ny tsinay sns ary misy koa aza aretina tokony ho tsaboina (fery maratra be ) raha tsy voatsabo dia mety hivadika ho cancer na aretina tokony ho tsaboina ka raha tonga ilay cancer sanatria dia vao maika tsy manana hery tokoa ny olona
Ny mba zavatra fantatro fotsiny dia misy koa azo atao ny miharo azy mialoha na rehefa voa ny olona dia mila mitsabo ary miaraka ny fihinana karazana sakafo mba hanome hery sy tanjaka ilay vatana miady an'io aretina io.
Ny sakafo misy any amintsika izao dia ny ampongabeandanitra,ny karoty ,ny celery,ny voaloboka,tsy aiko na sakay pilokely io na tsia (cayenne pepper),ny parsley(persily),betiravy sy ny raviny iny(endasina kely amin'ny tongolo gasy kely fotsiny ilay raviny rehefa avy notetehina madinika kely)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863