SAKAFO MAHA ELA VELONA

1. xxx ( 28/04/2010 09:07)
MBA ILAZAO KARAZANTSAKAFO MAHA ELA VELONA REOLONA RAHA MISY MAHAFANTATRA ? TOA NY VEGETARIEN HONO NO MARO SALAMA TOMADY MATANJAKA INDRINDRA , ARY ANY ASIE NO MISY OLONA ELA VELONA INDRINDRA. KOA RAHA MISY MAHAFANTATRA DIA LAZAO SAO MBA MAHASOA AINTSIKA MALAGASY.
novalian'i niryna ny 28/05/2010 03:55
2. xxx ( 28/04/2010 09:43)
trondro sy ny vokatra an-dranomasina
3. soanja ( 29/04/2010 01:16)
xxx:

MBA ILAZAO KARAZANTSAKAFO MAHA ELA VELONA REOLONA RAHA MISY MAHAFANTATRA ? TOA NY VEGETARIEN HONO NO MARO SALAMA TOMADY MATANJAKA INDRINDRA , ARY ANY ASIE NO MISY OLONA ELA VELONA INDRINDRA. KOA RAHA MISY MAHAFANTATRA DIA LAZAO SAO MBA MAHASOA AINTSIKA MALAGASY.


Raha ny fahenoko na ankalazaina fa tsy fantatra tokoa ny fahamarinany dia ny epinara, ny broccoli, ny miso soup, ny kale, ny ahitra toy ny wheat grass juice, ny voatabia nandrahoana ka masaka tsara, ny flax seed ary io voalaza eo ambony ny trondrondranomasina mbola madio tsy be mpampiasa toy ny oceana pasifika. Ialana lavitra ny hena sy ireo sakafo matavy manimba.

Ny misy any amintsika indray dia ny sakafo toy ny tsaramaso mena, ny vary mena, ireo voamaina isan-karazany ary ny zavoka.

Ny ranom-boankazo mangosteen dia isany tena miady amin'ny aretina maro tokoa ary manampy amin'ny tsy fahanteran'ny sela. Noho izany mahaela velona.

Ny Mandravasarotra dia isan'ny fanafody manampy manala koa ny loto sy izay zava-dratsy ao amin'ny ra.

Ny voanjohazo sy ny marogozy dia isan'ny tambavy tena manadio ny vavony ka manary ireo izay tsy levona sy mampitombo ny sela tsara hiaina kokoa.


4. niryna ( 28/05/2010 03:55)
Raha sakafo fotsiny angamba dia toa tsy ampy fa miankina amin'ny vatana iray manontolo koa io ka tafiditra amin'izany ireo fifoana sigara sy ny fisotroana toaka izay manimba ny vatana.Ny fihomezana lava satria ny olon-dehibe dia tsy dia mba mihomehy toy ny ankizy izany.Ny an'ny zaza ,zavatra kely tsy misy dikany dia mahatapa tsinay azy ary na dia averina imbetsaka aza ilay mampihomehy azy alina eo ny andro.Mila manana saina tony sy tsy mitebiteby na tsy mirotoroto lava koa .Tsara dia tsara ny ananana ireny namana manana fisaina mampiakatra ny moralen'ny tena ireny sy ireny olona manana positive attitude ireny fa tena manampy amin'ny fiainana mihitsy.Fadio ny miaraka amin'ireny olona tsy manantsaina afatsy ny mametraka ny tenany ambony noho ny hafa na mahita ho tsikeraina ny hafa ireny foana fa tena areti-mifindra ilay izy,ny mifosa sy ny mankahala olona moa dia elao toy ny afo mandifotra.Manaova fanantanjahantena na ny saina na ny vatana,ampiasao avokoa dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
Ny vatana sy ny saina dia miaraka hatrany ka rehefa miha antitra ny vatana ny saina anefa mety mbola mavitrika ihany dia lasa tsy maharaka intsony ny hozam-pe avy eo.
Ny torimaso mila ampy,ny rano mila sotroina ,ny manodidina mila filaminantsaina avokoa .Ho an'ny kristiana moa dia ny fametrahana ny olana rehetra ao amin'ny fiainany ho eo am-pelantanan'Atra dia tena zavatra lehibe sy tombotsoa lehibe tokoa ,miala ho azy ny tebiteby ,tsy matahotra intsony izay trangan-javatra fa mahay manampy ny tenany noho ilay finoana miboiboika ao anaty .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.747