Hanambady vazaha ve?

1. xxx ( 26/04/2010 17:41)
Izaho izany lehilahy 32 taona. Efa fotoana tsara anambadiana. Dia misy vazaha vavy izay misipa amiko. Tena mahafinaritra ahy izy sady tsotra. Fa ny manahirana ahy dia ny fianakaviako. Ilay hiran'i Voangy "havako foana" iny. Complexé amin'ilay izy aho, fa satria izy mbola niaina niaraka tamin'ny parasy izany mihitsy nefa ny fianakaviako tambanivohitra daholo. Manelingelina ahy ilay izy satria raha ajanoko, tiako izy. Arosoko anefa saranga tsy mitovy. Izaho tsy tia hanaraka azy any andafy fa tsy tiako ilay manara-bady. :?:
novalian'i siga_soa ny 15/08/2011 11:09
2. maryline ( 26/04/2010 20:53)
Raharaha koa izany ny anao koa teneno izy hoe izao ny any aminay koa
3. fitia2006 ( 27/04/2010 13:55)
tena tian'ny vaza ny ambanivohitra kah fa mitondra fotsiny ody parasy refa mankany satria mety ho fay ny hodiny ra lanin'ny parasy
4. soanja ( 27/04/2010 16:14)
Nisy an'izay Peace Corps izay nihaona tamiko. Gaga be aho fa midorehitra mena nofaizan'ny parasy sy kongona tao ny hodiny. Izy amin'io mampalahelo fa mihaotraotra miresaka amiko eo. Fa maninona ianao zany hoy aho? Masaky ny parasy aho hoy izy. Mahafinaritra anao ve anefa aty? hoy aho ihany. Ie tiako be aty. Hay, indro izany fanafody ahositrao ny hoditrao hoy aho misy DEET io fa mino aho fa tsy hanelingelina anao intsony ry zareo. Nitsiky izy. Aminay PC dia tsy mahazo mampiasa fanafody simika mihitsy aty ambanivohitra. Dia hoy aho hoe mbola tsy niaina tao anaty parasy zany ireo tale milaza izany na efa fa tsy miaina izany intsony. Izay mahasalama anao aloha atao fa raha tsy salama ny vatana tsy afaka hanararaotra ny fahasambarana aty an-tany lavitra aty moa ny asa tsy vita. Nony tonga taty US izy nifampiresaka izahay hoe tsy misy afa tsy ny mivonona amin'ny zavatra tsy zakan'ny tena ihany. Ny filozofia eo ihany.

5. ikalapeta ( 27/04/2010 16:52)

Izaho izany lehilahy 32 taona. Efa fotoana tsara anambadiana. Dia misy vazaha vavy izay misipa amiko. Tena mahafinaritra ahy izy sady tsotra. Fa ny manahirana ahy dia ny fianakaviako. Ilay hiran'i Voangy "havako foana" iny. Complexé amin'ilay izy aho, fa satria izy mbola niaina niaraka tamin'ny parasy izany mihitsy nefa ny fianakaviako tambanivohitra daholo. Manelingelina ahy ilay izy satria raha ajanoko, tiako izy. Arosoko anefa saranga tsy mitovy. Izaho tsy tia hanaraka azy any andafy fa tsy tiako ilay manara-bady. :?:
________
Ianao koa anie izany manaiky mihaino vavan'oul e! :) iza no hiaina ilay fitiavana? ianao sa ny olona? ny anazy tsy misy miteniteny, sa efa niteniteny ny an-dry zareo ireo enao? raha izay dia hoe tout compte fait izany, lol!! :)..Ny fantatro aloha dia ny vazaha rehefa tia olona iray dia tiany daholona ny fombany rehetra aza, matoa izy niditra taminao dia efa fantany avokoa ny zavatra rehetra mety hitranga, matetika ny vazaha tsy miditra avy hatrany amin'olona iray raha tsy efa fantany ( ny vahiny no tiako resahana) ny mombamomba ilay olona, na koa tsy vahiny aza, matetika raha resaka relation sérieuse, hafa ny oe resaka mandalo, na resaka zavatr'hafa, lol!.. Eny e, mi s'inquiéter ihany ianao , normal alou , fa tsy tokony ataonao manakana ny fitiavanareo . Matetika aza anie isika Malagasy no be haingitraingitra e, tsy haiko aloha, fa mba zavatra hitako sy Tsapako fotsiny izany!! bonne chance!!


:wink:
6. ravonjison ( 28/04/2010 07:46)
ikalapeta:


Izaho izany lehilahy 32 taona. Efa fotoana tsara anambadiana. Dia misy vazaha vavy izay misipa amiko. Tena mahafinaritra ahy izy sady tsotra. Fa ny manahirana ahy dia ny fianakaviako. Ilay hiran'i Voangy "havako foana" iny. Complexé amin'ilay izy aho, fa satria izy mbola niaina niaraka tamin'ny parasy izany mihitsy nefa ny fianakaviako tambanivohitra daholo. Manelingelina ahy ilay izy satria raha ajanoko, tiako izy. Arosoko anefa saranga tsy mitovy. Izaho tsy tia hanaraka azy any andafy fa tsy tiako ilay manara-bady. :?:
________
..Ny fantatro aloha dia ny vazaha rehefa tia olona iray dia tiany daholona ny fombany rehetra aza, matoa izy niditra taminao dia efa fantany avokoa ny zavatra rehetra mety hitranga, matetika ny vazaha tsy miditra avy hatrany amin'olona iray raha tsy efa fantany ( ny vahiny no tiako resahana) ny mombamomba ilay olona, na koa tsy vahiny aza, matetika raha resaka relation sérieuse, hafa ny oe resaka mandalo, na resaka zavatr'hafa, lol!.. Eny e, mi s'inquiéter ihany ianao , normal alou , fa tsy tokony ataonao manakana ny fitiavanareo . Matetika aza anie isika Malagasy no be haingitraingitra e, tsy haiko aloha, fa mba zavatra hitako sy Tsapako fotsiny izany!! bonne chance!!


:wink:


Io voalazan' i Ikalapeta io dia azoko hamafizina tokoa , ny vazaha rehefa vonona dia vonona @ lafiny rehetra.
Misy tokoa mantsy ny vazaha tia tanan-dehibe, ao koa ny tia ambanivohitra, ao ny mahantra , ao ny manankarena, ao ny miavona , ao ny tsy miavona, ao ny mahatanty rytme ao ny kely endaka...sns....
Ny tokony ataonao izany dia izao : lazainao miandalana aminy ireo zavatra mampisy complexe anao sy izay zavatra hitanao fa mety hiteraka olana any aoriana. Izany hoe : aza manafina ny zavamisy na mandainga aminy ( indrindra ilay hoe : aiza ianareo no honina, ianao mantsy tsy te hanaraka azy !!!).
Anjarany avy eo ny mieritreritra sy manomana ny fiarahanareo any aoriana any ( raha tapa-kevitra izy)
7. Djhamhal ( 28/04/2010 08:18)
amiko dia ilay ohabolan'ny ntaolo oe:" aza miantsampy @ hazo tsy fantatra" no tsara ataonareo : zany oe fantaro tsara aloha ny momba azy sy izay fe- piaianiny ary lazao aminy tsara koa ny momba anao sy ny fianakavianao alohan'ny hirosoana lalindalina , ny an'ndry zare mantsy tsy dia mivaky loha loatra @ zay fianakaviana any fa refa tiany dia zay ,fa ny antsika malagasy no somary sarotsarotiny @ io resaka io ! ny tiako ahatongavana dia oe rehefa ampahafantarinao azy ao anatin'ny fahatsorana tanteraka ny situation nao sy ny fianakavianao dia ho afaka ilay complexe! dia mahereza é!
8. soanja ( 01/05/2010 23:00)
xxx:

Izaho tsy tia hanaraka azy any andafy fa tsy tiako ilay manara-bady. :?:


Mampanontany tena ahy hoe inona tokoa no tsapan'olona iray amin'io hevitra manarabady io? Ny tahotra mahafantatra hoe very ve ny momba ny tena rehetra sa hoe ilay iray arahina no lasa ambony kokoa noho ny tena sa hoe tsy fantatra ny any dia aleo tsy mankany fa ny mahazatra no tsara sa ahoana tokoa?


Ny atao hoe " vady" moa izany dia mbola tsy mahasakana io fefy io?



9. cute ( 14/05/2010 10:17)
maryline:

Raharaha koa izany ny anao koa teneno izy hoe izao ny any aminay koa



miombokevitra
10. cute ( 14/05/2010 10:20)
soanja:

Nisy an'izay Peace Corps izay nihaona tamiko. Gaga be aho fa midorehitra mena nofaizan'ny parasy sy kongona tao ny hodiny. Izy amin'io mampalahelo fa mihaotraotra miresaka amiko eo. Fa maninona ianao zany hoy aho? Masaky ny parasy aho hoy izy. Mahafinaritra anao ve anefa aty? hoy aho ihany. Ie tiako be aty. Hay, indro izany fanafody ahositrao ny hoditrao hoy aho misy DEET io fa mino aho fa tsy hanelingelina anao intsony ry zareo. Nitsiky izy. Aminay PC dia tsy mahazo mampiasa fanafody simika mihitsy aty ambanivohitra. Dia hoy aho hoe mbola tsy niaina tao anaty parasy zany ireo tale milaza izany na efa fa tsy miaina izany intsony. Izay mahasalama anao aloha atao fa raha tsy salama ny vatana tsy afaka hanararaotra ny fahasambarana aty an-tany lavitra aty moa ny asa tsy vita. Nony tonga taty US izy nifampiresaka izahay hoe tsy misy afa tsy ny mivonona amin'ny zavatra tsy zakan'ny tena ihany. Ny filozofia eo ihany.

hay ve njy aty US, aiza aty USA aky




11. cute ( 14/05/2010 10:22)
raha @ko manonkana aloha, raha resaka parasy no problemnao dia afaka amboarina tsara ny @iny, raha tena tianao izy tsy tokony homenatra ny niavinao ianao. lazao fotsiny izy hoe, za avy @ toerana tsy mahazatra anao, dia lazao ny situation @zay mivonona izy, ref tena tia tsy misy mahasakana izany !!
bon courage
12. rabaradaka ( 03/07/2010 10:14)
ENAO ve lé rasta any fort-dauphin?
13. Lejoba ( 11/08/2010 15:26)
"rabaradaka - 03/07/2010 12:14
ENAO ve lé rasta any fort-dauphin?"
tsy mahita afa-tsy ny eo ambany saokany koa rabaradaka .............;;;;;

Miteny gasy ve ilay sipa ary vonona hanana fiainana gasy? tairo fa fitiavana io, mety tsy hahita sipa gasy revenareo intsony ianareo aorian'io, na hanambady gasy noho ny fianakams aza, izay indray no hanorisory @ ilay vady satria misy fampitahàna @ ilay vazaha foana, dia hoe noho ianao no namoizako an'ilay tiako ets

14. siga_soa ( 15/08/2011 11:09)
Safidy io, ary rehefa tianao ilay olona dia aoka tsy hanafina ny aminao araka ny voalazan'i ravonjison ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2967