Tena tiako be, torana aminy aho ...nefa izy ....

1. xxx ( 08/04/2010 12:07)
Mpianatra amina kolejy ray eto Tanà aho. Misy tompon'andraikitra, bandy mbola tanora l, tsy manambady... tena mahatorana ahy izy io, mila hahalasa adala ahy mihitsy, izy cool be, amin'ny rehetra na sipa na ny bandy ami'ny kolejy, tsotra be nefa manaja olona koa, vao tonga tao amin'io sekoly io aho de efa nanaitra ahy io bandy io. Saingy indrisy fa misy fetra tsy azo ihorana angamba noho ny toerana misy azy io....aho koa tsa sahy manantona azy akory, na vo hahita azy fotsiny aza de malemy aho. Ts'haiko, angamba tsy hianatra aho intsony aho hialako aminy...satria toa tsy ho possible velively ny hi-tenté chance amin'azy..
2. soanja ( 08/04/2010 12:17)
Ka amin'ny maha-tompon'andraikitra azy dia asany tokoa ny mifandray sy tsotra amin'ny rehetra (izay ve ilay hoe cool???) , satria tsy tazany ianao dia izany ve no ialanao ny fianaranao???? Afantoy amin'ny fianarana ny saina dia vetivety dia dify sy lefy izany olanao izany. Matetika anie ny "raha vao" dia mamiratra foana e. Raiso milamina ny zava-drehetra. Mahereza! Mianara tsara!
3. Mirananirina ( 08/04/2010 15:29)
mitovy hevitra aminy Soanja
4. xxx ( 08/04/2010 16:37)
misaotra am\'toro-hevitra...tsy hoe tsy hianatra tsony za, fa ilay sekoly no hialako angamba...Ka hitako marain-tsy hariva anie io olona io ry reto a!, vao maraina dia izy no tsy maintsy hita voalohany, mandritra ny andro tontolo de hita foana izy. Sady za kou ane hitany foana, na mifanena am\'couloir e...Fa ts\'haiko e, tena toro loatra. Efa nolazaiko tami\'neninay, dia ny fianarana ihany no asesiny htao tsara, nefa za ara tsy mety hifantoka...Ts\'haiko tsony.........................
5. soanja ( 09/04/2010 00:01)
xxx:

Efa nolazaiko tami\'neninay, dia ny fianarana ihany no asesiny htao tsara, nefa za ara tsy mety hifantoka...Ts\'haiko tsony.........................


Ndao ary atao hoe hitany tampoka indry ary manomboka miresaka ianareo ary mitory fitiavana amin-dry izy. Dia mino ve indry fa hilamina amin'izay ny saindry ary hifantoka amin'ny fianarana??? Tsy hinoako izany fa vao maika ho sahirana satria izao ara efa sahirana be ny momba azy.

Raha hianatra no aleha any ampianarana dia afantoy amin'izay fianarana ny saina fa manjary lany fotsiny ny vola sy herin'ny RAD sahirana mampianatra. Sa efa te hanambady indry? Ataovy toy ny hoe mahita paiso masaka eny an-tokotanin'olona sady mampite hihinana nefa tsy hitondra aiza afa tsy any ampoja raha toa hangalarina. Dia amboarina ny saina. Tadiavo ny lesona tena sarotra indrindra dia iny atao izay azahoana 19/20. Raha mandaitra izay dia handaitra koa ny hafa rehetra. Mehereza aky a.


6. lilyrose ( 09/04/2010 00:13)
:lol: :lol: Mampalahelo indry izany ! mbola lavitra retsy ny lalana an! miresaha aminy fotsiny de hita eo ny tohiny
korazy
7. diloo ( 11/04/2010 02:04)
Sali xxx,
Tanora mpianatra enao, tara amina zatovo mpianatra ihany koa.
Coups de foudre dans le sens unique no manjo anao, ary lasa dispersé ny état d'esprit-nao.
Amina maha zatovo vavy anao koa anefa, hiainanao ilay donan-kafom-panahy ao anatinao, izay mavaivay isaky ny mahita ilay namanao mpiara mianatra.Izany hoe ao anatin'ny "bonheur à l'état pur" na koa " Love at first sight "ianao.
Ny olana anefa, mahatsikaritra ny sentiment-nao ve ilay tanora io?
Raha tsia, dia lasa illusion fotsiny ny atim-pisainanao, any ka tsy mifantoka amin'ny fianarana firy ny fotoananao.
Mety tsy manana heritretra hanafangaro fianarana sy fitiavana koa ilay tovolahy.
Fa ny azy dia ny mitolona ho hanana fitaovana ara-tsaina entimanana manoloana
ny fiainana, indrindra fa ny fianarana no heveriny maha mendrika ny maha lehilahy azy.
Amin'izao vaninandro izao, maromaro ihany ny tanora mahatasapa, fa on ne peut pas vivre que d'amour et d'eau fraîche.
Araka izany, dia vaut mieux d'abord étre blindé par les acquis de la connaissance pour mieux s'épanouir par la suite.
Na dia izany aza, dia mi-comprendre-nao ihany koa aho.
Mety cool, bogany, sy respectueux ilay tary.
Mais comment faire sans que tu puisses te détacher de tes études?
Peut-étre tu peux attirer son attention dans le cadre méme de tes études.
Izany hoe, tu peux faire impression mandritran'ny fandraisanao anjara rehefa misy questions-réponses hapetraka ny mpampianatra ohatra.
Anjaranao no mijery ny point faible ilay tary.Mety hanantona anao izy indray andro mangataka soutien.Azonao atao dans le sens inverse koa.Izany hoe, raha misy matière maha havanana ilay zatovo lahy, dia eto no heveriko ho fotoana handraisanao occasion, juste pour faire connaissance aloha.Aza tonga dia mitsoraka, fa alaivo moramora ny confiance-ny.
Andraso kely hanao "pas" hikoty andry izy.Raha tsara resaka amin'izay ianareo, saingy ataovy resaka fianarana ihany, fa mandrary sirika sy tsy sincère intsony ndry.
Avy eo somary asio resaka fijerevana cinema.Raha d'accord izy, dia azo lazaina fa pezin-dry izy.
Raha tafaraka soa-aman-tsara ianareo roa kely, dia hendre tsara mikasika ny tenanao. Raha tsy maharitra, dia mampiasa satroka fiarovana.
Farany ny hafatra apetrako aminao, dia aleo mifidy ny fanantotosana ny fianarana pour ton avenir.
Pourquoi? Raha sanatria misy lehilahy mampijaly anao any aoriana, raha manana diploma ambony ianao, dia manana chance kokoa manana anton'asa sy ny fahaleovantenanao, hafahanao misitaka ny lehilahy "macho" ohatra.

L'amour n'est pas seulement un sentiment,
il est aussi un art.

Comment un homme ne peut étre attiré
Par les traits divins de sa beauté?
Comment un homme ne peut-il aimer
Le corps radieux de cette fille au coeur doré?

Je le souhaite pour Toi xxx.Bon courage. Et discernes bien ce qui est essentiel pour Toi. Ok miss. :-*
8. ravonjison ( 12/04/2010 13:36)
xxx:

misaotra am\\\'toro-hevitra...tsy hoe tsy hianatra tsony za, fa ilay sekoly no hialako angamba...Ka hitako marain-tsy hariva anie io olona io ry reto a!, vao maraina dia izy no tsy maintsy hita voalohany, mandritra ny andro tontolo de hita foana izy. Sady za kou ane hitany foana, na mifanena am\\\'couloir e...Fa ts\\\'haiko e, tena toro loatra. Efa nolazaiko tami\\\'neninay, dia ny fianarana ihany no asesiny htao tsara, nefa za ara tsy mety hifantoka...Ts\\\'haiko tsony.........................



Salut xxx an ! Amiko aloha dia tsy mampalahelo ianao, fa au contraire, sambatra ianao satria mandeha tsara y fizotry ny fiasan\' ny tenanao, ka mahatsapa tsara izany atao hoe : fitiavana sy raiki-pitia. Ny olona sasany manko manana olana mikasika izany ka maniry mafy mba hanana ilay fihetsem-po.

Experience personelle itý hevitra mba harosoko anao itý, fa avy @ coté iray indray.
Izaho koa t@ izaho nanao SN dia nampianatra t@ C.E.G iray ( 18 ans aho t@ izany ).
Kilasy efatra no notazoniko ( 6eme, 5eme, 4eme ). Tao @ kilasy de 5 eme iray dia nisy tovoavy kely tsaratsara izay, 15 ans izy, tena mba potika tamiko.
Izaho anefa tsy nahalala izany mihitsy, fa par hasard fotsiny no nahenoako izany avy @ rahavaviko.Izaho anefa bola tsy taitra ihany.
Fa afaka andro vitsivitsy dia nanoratra poezie tamiko izy. Tsy nisy resaka fitiavana izany tao fa juste hoe mahafinaritra azy hono ilay tononkalo ka izay no nanomezany azy ahy.....Teo aho vao somary tonga saina.
Dia novaliako tononkalo koa ilay tononkalony. Dia nifanoratsoratra teo izahay angamba 1 mois, dia niresaka fitiavana t@ izay ao, ary tsy nanda izy.
Nolazaiko azy fa any ampianarana dia tsy tokony hifapikasokasoka be loatra izahay , fa kosa isaky ny weekend dia hiaona foana izahay mba hiresadresaka sy hampiaraka. Izy koa moa nilaza fa tsy fantan\' ny Ray aman-rDreniny ny fiarahany ka tokony afeniny aloha. Dia samy nirespecter izany izahay( ...ny namany nahafantatra fa miaraka izahay, toy izany koa ireo anabaviko)
Toy izay ny fiarahanay nandritra ny 1 taona teo : nifanoratra mandritra ny alatsinainy ka hatr@ zoma, dia mihaona ny sabotsy na lahady. Rehefa nisy moa antsam-panahy, na activité tany ampiangonana dia fotoana en plus izany mba niresahana kely.
Izaho moa vao vita ny SN - ko dia lasa tatý andafy aho nianatra, ary rava teo koa ilay fitiavanay.

Ny tiako ho ampitaina angamba dia izao :
1- raha efa 15 ans miakatra ianao , dia sarotra ny hanakanana izany ato hoe fitiavan izany, satria tsy maintsy misy foana ny possibilité hanatanterahanao izany ( raha tsy hoe gadraina ao antrano angamba ianao)
2- ny hifindra sekoly dia tsy vahaolana, satria ao anatin\' ny fotoana tena \" fitsiriana \" ianao , ka possible ny hoe : any @ ilay sekoly vaovao dia misy bandy hafa indray mambabo ny fonao. Dia hifindra sekoly foana izany ianao ? Noho izany tsy vahaolana izany.
3- matetika, indaindray, ny fiarahana sy fanaovana sipa @ io fotoana io dia mijanona ho firesahana, fitsangatsanganana, bakely, fifampitantanana. Izany anefa dia miankina tanteraka @ bandy sy ny caractere-ny ( satria izy matetika no zokiny sy manana exprience kokoa ).

Raha ny fomba fijeriko manokana aloha dia : aleoko ilay fitiavana omena chance, sy tanterahina saingy kosa asiana harofanina ( asiana controle ), toy izay sakanana tanteraka ( vao maika ianao harary fo ary tsy havita hianatra eo).
Na sakanana io na tsy sakanana, tsy maintsy hieritreritra azy foana ianao. noho izany aleoko izy omena chance, ary possible hi -se calmer ianao rehefa azonao izy.

Noho izany , ny vahaolana azoko aroso anao dia itý :
1- anoraty taratasy izy, ianao anefa tsy hamboraka fitiavana velively, fa juste hoe mba misy zavatra tianao ka mba soratanao aminy ( tononkalo, sary, film, hira sns....). Anjarany no mieritreritra avy eo.
2- rehefa avy eo dia teneno @ neninao hoe : nanoratsoratra zavatra hoan\' ilay pampianatra ianao, mba ahafantarany fa misy contact mandeha any.

Izay dia miandry sisa no ataonao.
Raha sanatria negative ny valiny avy any aminy, dia efa afanenina ianao ,ary mitotoa koba hatavy. Possible efa manana olontiana izy fa tsy fantatrao.
Raha positive kosa ny valiny, dia tsara. ary ny neninao dia efa mahalala ny zavamisy, afaka mifanoro hevitra ianareo, ary izy koa tokony somary hanaramaso kely ny toetr\' ilay bandy. Raha ratsy fitondratena ilay mpampianatra dia anjaran\' ny neninao no mijery izany akaiky kokoa, ary tsy maintsy hiresaka mikasika izany ianareo.
9. Ratoa ( 12/04/2010 23:28)
mahagaga ahy ny toro-hevitra atoan'ny sasany momba ity fitiavana vao mitsiry.
Sao lahy hamingana ity tompon'andraikitra.
Eo anatrehan'ny lalàna dia fanodinana ny fiarahan'ny tompon'andraikitry ny sekoly amina mpianatra: abus de confiance envers une personne mineure sous tutelle.
Ny fitivanao dia mavaivay tokoa satria angamba voaloham-pitiavana ary indrindra indrindra, vao 15ans (moa?) ianao, adolescente.
Ny fitiavan'ny adolescent dia miredareda tahaky ny afo anefa koa mora levona tahaky ny afon-jozoro. Ny antony dia tsotra ihany: mbola eo ampanorenana ny maha ianao anao ianao - toetra, fombafomba, fijery ny fiainana, tarigetra sy fenitra , fomba itiavana ets...
Zavatra tena ara-dalàna (normal) no iainanao izao.
Raha tratry ny lehibeny kosa anefa izy fa mampiaraka amina mpianatra dia mety ho voaraoka amin'io sekoly io satria tsy te hahita romborombo ny tale. Tsy mila "détournement de mineur" izy.

Tianao ve izany? Tianao ho voaraoka amin'ny asany ve ilay olo-tianao? izay mety tsy ho tianao intsony raha afaka volana vitsivitsy.

Ny azo atao dia na
1°) manadino io fitiavana io ianao noho ireo antony voalazako; na
2°) manaraka ny toro-hevitry i ravonjison ianao, manao izay hahitany anao ka raha positif ny valiteny azonao, miovà sekoly fa tsy eken'ny lalàna raha miaraka ny mpianatra sy tompon'andraikitra ao antsekoly.
3°) mazava ny tenin'ny reninao. Tsy nibedy izy satria azony hevitra tsara ny manjo anao; ary fantany koa ny vokatra mety ho azo amin'izany, na hiaraka ianareo na tsy, fantany koa fa mbola fitiavana tsy maharitra ny anao na mavaivay aza.
4°) raha misy matsikaritra ny fiarahanareo dia mety hisy RAD hitory azy eny amin'ny fitsarana koa satria manome oha-dratsy izy. Tianao ve izay?

Raha vao miofana ny mpampianatra sy ny tompon'andraikitra dia izay ny famerana atao azy voaloahany indrindra: tsy misy fitiavan'ny mpifankatia eo amin'ny mpianatra sy ny tompon'andraikitra satria tsy ampy taona ny mpianatra .
Ary efa ampianarina handà izany izy ireo.
10. jhonsa ( 13/04/2010 18:09)
Ry xxx a, tsy dia mpiditra loatra amin'ty dinika 'ty za fa tafatsoropaka....raha azoko tsara ny fanazavanao dia ao Tanà ianao, tsy voalaza moa na sekoly katolika io na tsia...lazainao fa tsy manambady ilay tary, nefa lazainao famisy fetra tsy azo ihoarana araka ny terme-nao (inona io ?= noho izy tompon'andraikitra ve sa status mihitsy. Ny tiako hatongavana idd mantsy raha niresaka sekoly za, dia amin'ireny sekoly katolika ireny, dia tantanan-dry frera ireny, ka sao dia frera ilay tary io...amin'zay mazava aminay ny situ...Za tsy katolika fa nianatra tamin'ireny sekoly ireny, zalahy ireo manko toa tena minamana be amin'ny mpianatra, tsy aloha lerony na mba misy itongilan'ny fony ireo mpianatra zavavy maro be miserasera aminy, na koa ny mety ho lasa lavitra tsy haiko............Tena nahita io cas-nao io manko za, fa le joba tena tavela tamin'lery, lery koa sady bôgôsy no tsara fanahy rahateo, tena nitsotra tamiko io joba io no fika hiarahana aminy, tena mifampialona aza ny mpiaramianatra....Soa ihany fa tsy nateza tao le ranamana fa lasa ampitandrano, dia nangatsiaka teo ny tantara.....Ka raha io le cas-nao dia manahirana ny hanome sosn-kevitra, na koa mety handiso izay soson-kevitra omen'ny namana eto. Raha tena tianao izy araka ny hevitro, fa ny fo moa mitondra io, mianmpy ny éléments sasantsany efa voalaza dia aleo manary dia amin-javatra hafa....na fianarana, na koa ve tsy possible misy olon-kafa mba manaitra anao mpiara-mianatra , tsy bouche trou fa izay tena hampirona ny fonao....otraotrn'zay anagamba sa.....? courage akia a!
11. Tenio ( 14/04/2010 06:52)
mianara tsara aloha aki an, mbola lava anie ny fiainana e
12. mandrindra ( 20/04/2010 07:02)
any amin'ny kolejy, mbola minera mampigadra ianao izany. norma be raha toa ka tsy mitazana lery.
fa mianara tsara fa ny voalohany ao ampianarana misongadina ary tadidin'ny olona foana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3283