Hoy ny olon-dehibe hoe izao atao ? Mino izany ve nareo ?

1. niryna ( 07/04/2010 04:53)

Misy fiteny hoe antitra mampiady karajia ka ny antitra antitra ihany.Misy zavatra maro koa indraindray mba tsara ho fantatra fa ilay izy araka ny hinoana na tsia.Raha resaka sakafo no asiako teny eto dia izao no mba azoko zaraina kely
Toy ny reny: tsy mila fitsampana akory rehefa marary ny zanany dia atohany eo amin'ny molon'ilay zaza ny takolany dia fantany hoe misy hafanana ilay zaza

1- Hoy bebe na ny olon-dehibe hoe raha marary ny kibonao dia mihinana sakamalaho
Eny ,tokoa andramo anie e
2- ny fihinana paoma iray isan'andro dia manampy antsika tsy ho any amin'ny dokotera
Misy fahamarinany io satria misy antioxidant ao anatiny ao ary manampy ny olona voan'ny allergies,miady ny asthma,manampy ny tosidra hidina,raha te hihena koa anefa dia mihinana paoma maitso iray ihany koa
3- ny tantely dia manamaina ny fery haingana
marina koa io ,raha toa ka mianjera hianao ka mangana ny vatana dia hosory tantely anie e,na may koa dia osory tantely fa tsy manolatra mihitsy.toa izany

4- dia misy miteny hoe : asio dobera raha may ny vatana
Tsia ,tandremo fa tsy mitombona izany ,andramo ny tantely

5- aleo aloha maina ny lohako vao mivoaka ny trano aho fa mahavoan'ny sery ny volo lena
Tsia,tsy mitombina koa izany fa ny ahy volo lena no etiko mandehandeha na avy milomano aza aho dia iny no fatoraka eo fa tsy mitombona izany

6- Tsy azo atao ny milomano raha voky ny tena fa mahavoan'ny cramp
sady eny no tsia ny valiny ka mety ho voan'ny cramp ao anaty rano ao tokoa fa tandremo fa mety mahafaty mihitsy satria tsy mbola levona ny sakafo ka ny ra izay tokony andeha mandritra ny fandevonan-tsakafo dia mety ahavoa ny cramp tokoa ary mety hibolabola koa aza isika avy eo :D

7- ny fihinana chocolat dia maha be mony
tsy mitombina ilay izy ,saingy mety tsy ahita tory kosa raha mihinana chocolat alina be.Ny mety mahatonga ny mony dia ilay ronono na siramamy na zavatra atao ao anatin'ilay chocolat fa tsy ilay cacao akory.

Inona no sakafo lazain'ny olona mahavoa kanefa tsy marina akory ilay izy ?


novalian'i niryna ny 18/04/2010 22:02
2. Ratoa ( 07/04/2010 16:31)
Ny mety no fantatro fa ny tsy mety , tsy dia mpandre aho.
Tsy azo atao ny milomano raha voky ny tena fa mahavoan\'ny cramp
raha vantany ka lany ny sakafo ka milomano, dia tsy maninona satria mbolatsy nanonmboka ny fandevonan-kanina fa raha niandriandry kely ianao, dia aleo ho levona avokoa ny ao ambavony.
aleo aloha maina ny lohako vao mivoaka ny trano aho
raha sty eropa ianao ka ririnina ny andro dia mety hitombona izany satria mangatsiaka tampoka eny an-dalana ny loha sy ny vav\'orona.
ny fihinana chocolat dia
mahatsara ny fo ka miaro tsy ho voan\'ny infractus. Saingy chocolat mainty (be kakao) ka kely siramamy no hanina.
Ny édulcorant (aspartam) dia tena ratsy dia ratsy fa mamono mihitsy aza. Raha voan\'ny diabeta ianao, mifadia siramamy ka rehefa tena tsy tanty mihinana siramamy kely dia kely.
raha may ny vatana
Asio pétrole kely fa maina tsara, tsy manao cloque, ary rehefa faka andro vitsivitsy, tsy misy trace mihitsy, na koa asio pâte dentifirce (raha ivelany fotsiny no may).
ny fihinana paoma iray isan\'andro dia manampy antsika tsy ho any amin\'ny
ny dentiste.
raha marary ny kibonao dia mihinana sakamalaho
mandevokanina ny sakamalaho ary manafana kibo. Raha nihinana sakafo matavy be, misotroa jus de gingembre ( totoina izy dia asiana arano mba tsy hasiaka loatra dia mamio) na koa misotroa coc-cola.
3. soanja ( 08/04/2010 13:38)
Tsy mitovy ny tenan'olombelona sy ny fiatraikan'ny sakafo sns sns na dia samy olombelona tokoa aza. Miankina koa hoe inona no misy eo ampelatanana no ahafahana mamaha olana na manao zavatra. Ny fiainana dia natao koa ifampizarana. Izay no isian'ny boky sy ny maro hafa...Zany hoe ireo rehetra mifangaro: ny fianarana azo, zavanitranga efa nisy tamin'ny fiainanao nakanao lesona ary efa nisy teny amin'ny hafa hitanao sy nolazaina taminao, ny tenin'ireo izay efa ela netezana ary ny fikarohana ataonao manokana no mety hanome valiny ny fanontaniana manitikitika anao. Ny idiran'ny finoana amin'izany no tsy fantatro loatra?
4. xxx ( 12/04/2010 12:35)
izany ve! 8O :-D 8) ;-)
5. niryna ( 16/04/2010 05:22)
Tsy azo atao ny milomano raha voky ny tena fa mahavoan'ny cramp
Ratoa:
raha vantany ka lany ny sakafo ka milomano, dia tsy maninona satria mbolatsy nanonmboka ny fandevonan-kanina fa raha niandriandry kely ianao, dia aleo ho levona avokoa ny ao ambavony.

mbola tsy sendra ny patsa iray tokoa aho fa vao voky aho dia nanitsana kely dia nilomano fa tsy naninona

aleo aloha maina ny lohako vao mivoaka ny trano aho
raha aty eropa ianao ka ririnina ny andro dia mety hitombona izany satria mangatsiaka tampoka eny an-dalana ny loha sy ny vav'orona.
raha tena mangatsiaka be kosa ve tsy mila loza
ny fihinana chocolat dia ahatsara ny fo ka miaro tsy ho voan'ny infractus. Saingy chocolat mainty (be kakao) ka kely siramamy no haninaot
misaotra fa dia mihinana tokoa aho rehefa mahatadidy fa efa misy chocolat kely fiandry ato

Ny édulcorant (aspartam) dia tena ratsy dia ratsy fa mamono mihitsy aza. Raha voan'ny diabeta ianao, mifadia siramamy ka rehefa tena tsy tanty mihinana siramamy kely dia kely
inona izany fa tsy fantatro

.
raha may ny vatana
Asio pétrole kely fa maina tsara, tsy manao cloque, ary rehefa afaka andro vitsivitsy, tsy misy trace mihitsy, na koa asio pâte dentifirce (raha ivelany fotsiny no may)
ny tantely no nataoko ary na may ity na mangana dia mety tokoa
raha marary ny kibonao dia mihinana sakamalaho
mandevokanina ny sakamalaho ary manafana kibo. Raha nihinana sakafo matavy be, misotroa jus de gingembre ( totoina izy dia asiana rano mba tsy hasiaka loatra dia mamio) na koa misotroa coca-cola.
misaotra e
6. Ratoa ( 16/04/2010 23:57)
7gr en moyenne par jour ny chocolat fa tsy manara-po ah!!!! sao mivadika ho poizina indray!!!
ny aspartam dia zavatra simika (chimique) ampiasaina isolo siramamy, ny siramamy natokana ho an'ny dibétique dia misy aspartam daholo ary tena ratsy be mihitsy ny vokany rehefa ela ela . Izy tsy hita eo no eo okany ny vfa ny fitambarany aman'taona no tena ratsy.
7. niryna ( 18/04/2010 19:03)
Ratoa:

7gr en moyenne par jour ny chocolat fa tsy manara-po ah!!!! sao mivadika ho poizina indray!!!
misaotra e, hiezaka tsy angalampihinana aho an,kely ihany no hohaniko .
MIsy vovontsakay izay ,tsy fantatro ny filaza azy aminny teny gasy,manampy ny fiarovana ny cancer ilay izy ary io irery ihany koa ny sakay azo ohanin'ny olona marary vavony.(sakay mena na cayenne pepper no anarany)

ny aspartam dia zavatra simika (chimique) ampiasaina isolo siramamy, ny siramamy natokana ho an'ny dibétique dia misy aspartam daholo ary tena ratsy be mihitsy ny vokany rehefa ela ela . Izy tsy hita eo no eo okany ny vfa ny fitambarany aman'taona no tena ratsy.
hay ve e,misaotra nanazava


8. niryna ( 18/04/2010 19:07)
ny laisoa indray dia hoe tsy mahazo hohanin'ny olona marary vavony na aty fa mavesatra
ny laisoa manta miaraka ny ovy manta tsy miala ny hodiny anefa dia fanafody vavony(ny ranony no sotroina ) ary ny persily indray atao toy ny rano fisotro(ravimboafotsy ireny) na ampangotrahana ny rano dia tetehina madinika kely ny persily ary sotroina ho an'ny olona marary vavony izay misy fofombava.Manampy amin\ny fanalana fofombava ilay izy
9. Ratoa ( 18/04/2010 20:54)
sakay mena na cayenne pepper no anarany)
nysakay pili kely izany (na pilopilo) ireny sakaykey ordinaire ireny é!
10. niryna ( 18/04/2010 22:02)
Ratoa:

sakay mena na cayenne pepper no anarany)
ny sakay pili kely izany (na pilopilo) ireny sakay kely ordinaire ireny é!
tena tsy fantatro fa vovony ilay izy ary mampihevona be rehefa mihinana azy .Ny ahy ataoko ao anaty tavoahangy dia asiko vinaingotra kely fa tena kofona izay tratrany eo.
Raha sakay pilokely indray dia misy mony aho fa ilay sakay teneniko io asiko an'io daholo na variaminana,na sakafo rehefa ho masaka fa tsy mamoaka mony ilay izy.
io irery ihany no lazain'ny dokotera hoe azo hohanin'ny olona marary vavony kanefa sakay an.
mahavariana e .dia ny anay indray tsy mihinana sakay ny ato an-trano fa ny sakafo no asiko kely rehefa masaka,sitrany ahay hoy aho tsy tonga ny cancer :D na mary ilay izy raha vao mitsiry ao anaty ao :D eritreritra koa izan an ? dokotera no nilaza izany dia mba nataoko





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2006