GUERRE DE RELIGION SILAMO SY KRISTIANINA

1. xxx ( 06/04/2010 08:30)
MBA MIANGAVY ANAREO AHO MBA HITADY HEVITRA TSY HISIAN'NY ADY EO AMIN'NY KRISTIANINA SY SILAMO FA TOA MITADY HIDITRA ETO MADAGASIKARA IZY IO ? (AZONTSIKA REHETRA VALIANA ITY LOHATENY ITY NA MPIVAVAKA NA TSIA)
novalian'i vonynive ny 24/09/2010 11:41
2. Mirananirina ( 06/04/2010 09:35)
hihihi..miangavy ahoana sy amin'iza moa ianao?rehefa samy mafana izay ny fo anie toa tsy azo sakanana izay,izao manko izao sady silamo no Kristianina dia ahona no ataoko?
3. rijadolly ( 06/04/2010 14:31)
MBA MIANGAVY ANAREO AHO MBA HITADY HEVITRA TSY HISIAN'NY ADY EO AMIN'NY KRISTIANINA SY SILAMO FA TOA MITADY HIDITRA ETO MADAGASIKARA IZY IO ? (AZONTSIKA REHETRA VALIANA ITY LOHATENY ITY NA MPIVAVAKA NA TSIA)
Alefaso ary aloha ny porofo
4. soanja ( 06/04/2010 15:17)
xxx:

MBA MIANGAVY ANAREO AHO MBA HITADY HEVITRA TSY HISIAN'NY ADY EO AMIN'NY KRISTIANINA SY SILAMO FA TOA MITADY HIDITRA ETO MADAGASIKARA IZY IO ? (AZONTSIKA REHETRA VALIANA ITY LOHATENY ITY NA MPIVAVAKA NA TSIA)


Hazavazavao ny zavatra hitanao ka mahatonga anao hilaza fa mety hitranga izany ady izany.

Aoka anefa tsy hanely tsaho fa izay hita ihany no lazaina.

Misaotra mialoha.


5. Ratoa ( 07/04/2010 00:13)
eny *e!
Lazao izay hita sy voaporofo fa misy fiantsiana ady avy amin'ny andaniny sy ankilany.
Ary raha samy mino an'Andriamnitra tokoa nie ka mivavak dia tsy afaka ampiely "guerre de religion" satria ireo fivavahana ireo dia samy mitory fitiava- namana sy famelan-keloka. Ary samy milaza ireo fa tsy ifanerena ny finoana sy ny fivavahana.
6. xxx ( 07/04/2010 11:25)
MISAOTRA ANAREO REHETRA IZAY NAMALY SY MBOLA TE- HAMALY. SATRIA MISY TENY NTAOLO MALAGASY IZAY MANAO HOE " NY HAMISAVISANA NY RATSY HONO NO HIAVIAN'NY SOA " ARY KOA RAHA MALINA AZA HONO MIFEHY HAZO TOKANA, KOA MBA HIAROVANA NY ARETINA TSY HIFINDRA DIA ALEO MISOROKA TOA IZAY MITSABO, IZAY NO NAHATONGA AHY NAMOSAKA IO HEVITRA IO; KA RAHA TSY DIA MAHASARIKA ANTSIKA LOATRA IZANY DIA AOKA IHANY HIJAONANA EO IHANY, KA ALEO HO AHY SAMY IRERY NY HEVITRO RAHA TSY METY. MIALA TSINY INDRINDRA E ! FA NY FANIRIAKO FOTSINY DIA ALEO ANGAHA NY HEVITRA TSY MITOVY TSY HATAO MAHARATSY FHIAVANANA. FA IZAY HEVITRA HITOVIZANA IHANY NO AMBARA.. ARY MBOLA MIALA TSINY INDRAY HO AN'IZAY METY HO TEZITRA TAMIN' ILAY LOHATENY FA ANGAMBA DISO NY FIPETRAKY NY FANONTANIAKO; FA ANGAMBA TSY HOE GUERRE NO TOKONY NATAOKO TEO FA HOE TSY FITOVIANKEVITRA; DIA MBOLA MAMERINA NY FIALANTSINY FARANY SATRIA SARO - PADY ITY RESAKA FIVAVAHANA ITY KA MILA MITANDRINA TSARA REHEFA MIRESAKA AZY. KOA MIANGAVY INDRINDRA ANAREO AHO MBA HAJANONA HATREO INY LOHAHEVITRA DISO INY; MANAO VELOMA SAMY HO TAHIN-DRANAHARY ANTSIKA JAIABY E !
7. niryna ( 07/04/2010 14:49)
xxx:

MISAOTRA ANAREO REHETRA IZAY NAMALY SY MBOLA TE- HAMALY. SATRIA MISY TENY NTAOLO MALAGASY IZAY MANAO HOE " NY HAMISAVISANA NY RATSY HONO NO HIAVIAN'NY SOA " ARY KOA RAHA MALINA AZA HONO MIFEHY HAZO TOKANA, KOA MBA HIAROVANA NY ARETINA TSY HIFINDRA DIA ALEO MISOROKA TOA IZAY MITSABO, IZAY NO NAHATONGA AHY NAMOSAKA IO HEVITRA IO; KA RAHA TSY DIA MAHASARIKA ANTSIKA LOATRA IZANY DIA AOKA IHANY HIJAONANA EO IHANY, KA ALEO HO AHY SAMY IRERY NY HEVITRO RAHA TSY METY. MIALA TSINY INDRINDRA E ! FA NY FANIRIAKO FOTSINY DIA ALEO ANGAHA NY HEVITRA TSY MITOVY TSY HATAO MAHARATSY FHIAVANANA. FA IZAY HEVITRA HITOVIZANA IHANY NO AMBARA.. ARY MBOLA MIALA TSINY INDRAY HO AN'IZAY METY HO TEZITRA TAMIN' ILAY LOHATENY FA ANGAMBA DISO NY FIPETRAKY NY FANONTANIAKO; FA ANGAMBA TSY HOE GUERRE NO TOKONY NATAOKO TEO FA HOE TSY FITOVIANKEVITRA; DIA MBOLA MAMERINA NY FIALANTSINY FARANY SATRIA SARO - PADY ITY RESAKA
FIVAVAHANA ITY KA MILA MITANDRINA TSARA REHEFA MIRESAKA AZY. KOA MIANGAVY INDRINDRA ANAREO AHO MBA HAJANONA HATREO INY LOHAHEVITRA DISO INY; MANAO VELOMA SAMY HO TAHIN-DRANAHARY ANTSIKA JAIABY E !

misaotra anao nanome ny hevitrao ary deraiko manokana ny fanetrehantenanao,raha toa izao daholo isika dia hilamina ny tany ary na ny liona sy ny ondry aza dia hiaraka ipetraka.Toy izany koa na ny mpino sy ny tsy mpino aza dia samy hiainana am-pifaliana.misaotra e

8. bor2lais ( 07/04/2010 15:20)
Voalaza teo :
"raha toa izao daholo isika dia hilamina ny tany ary na ny liona sy ny ondry aza dia hiaraka ipetraka.Toy izany koa na ny mpino sy ny tsy mpino aza dia samy hiainana am-pifaliana."
-----

-> Eny fa na dia ny "zanaka" aza angamba dia tsy hanao herisetra amin'ny mpivavaka intsony ! :D
9. ikaretsaka ( 07/04/2010 16:08)
Coexist ihany hoa
10. RAVJERGA ( 08/04/2010 07:24)
Tena misaotra anao nanazava ny antony nanoratanao ity lohahevitra iray ity, satria zava-misy any ivelan'i Madagasikara izy ity ka tsy misy velively porofo azonao omena eto amintsika. Misaotra anao koa niala tsiny satria ny NY TENY DISO HONO TSY MBA KABARY hoy ny Ntaolo Malagasy; noho izany dia aleo hajanona hatreo io lohahevitra nomenao io fa sarotra tokoa ny miresaka azy. Raha ny amiko manokana dia tsy misy tsiny izany, fa aleo izay hevitra hiraisana sy hitovitovizana ihany no apetratsika eto amin'ity serasera mamintsika ity. ENY FA NA DIA MISY HATRANY AZA NY TSY FITOVIANA EO AMIN'NY SAMY OLOMBELONA DIA TSY NATAO HANIMBA NY FIHAVANANA MALAGASY IZANY. Mahereza ry namana tia filaminana sy tia fahandriampahalemanana, ny Tompo anie homba antsika rehetra.


11. fijo ( 09/04/2010 18:40)
aza avy dia sakanana ny adihevitra rah amisy zavatra tsapa,fa avelao handeha,dia hilamina hoazy eo.
za aloh atsy mino hoe hisy ady resaka finoan aizany,satria mbola vitsy ny silamo,ka tsy sahy hanao izany.moa maro koa ny silamo no tsy mitady izany akory
12. soanja ( 09/04/2010 22:53)
RAVJERGA:

noho izany dia aleo hajanona hatreo io lohahevitra nomenao io fa sarotra tokoa ny miresaka azy.



Aleo izy hilaza izay fantany ka. Tsara ny mahalala izay fantatry ny hafa any. Tsy mety eto amin'ny forum ny fanapenam-bava!

RAVJERGA:

aha ny amiko manokana dia tsy misy tsiny izany, fa aleo izay hevitra hiraisana sy hitovitovizana ihany no apetratsika eto amin'ity serasera mamintsika ity. ENY FA NA DIA MISY HATRANY AZA NY TSY FITOVIANA EO AMIN'NY SAMY OLOMBELONA DIA TSY NATAO HANIMBA NY FIHAVANANA MALAGASY IZANY.


Mba lazaina anao indray izany fa ny hevitra tsy mitovy no tena mahatsara ity sehatra ifampizarantsika ity satria io no mampivoatra ny olona. Tandremo sao dia lasa robot amin'izay hevitra itovitovizana izany fa lasa manandevo ireny indraindray raha tsy voajery tsara.



13. rijadolly ( 11/04/2010 18:38)
14. vonynive ( 24/09/2010 11:41)
1/ tsy maninona raha ady eo @ samy réligion no misy eo @ silamo sy ny kristianiana, hevitra sy finoana no miady
2/ fa raha ny mpino silamo sy ny mpino kristiana kosa no miady de hafa ka :
raha kristianiana ianao dia hoy ny baiboly oe "tiava na dia ny fahavalonao aza", tsy natao hiady ny krsitianiana, mandefitra na @ tsy rariny aza tahaka an'i Jesosy. fa tsy ho vita anefa izany raha tsy manaiky hotarihin'ny Fanahy Masina isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2474