JAUNISSE NA NGORONGOSY

1. xxx ( 01/04/2010 11:06)
SAO MBA MISY FANAFODY METY MAHASITRANA HAINGANA NY JAUNISSE NA NGORONGOSY FANTATRAREO NAMANA ,FA TENA ELE BE VAO AFAKA ILAY ARETINA ,ARY METY MAMONO MIHINTSY HONO ?
novalian'i bobone ny 09/06/2010 07:26
2. Ratoa ( 02/04/2010 19:30)
Ny jaunisse dia tsy aretina fa fanehoana aretina hafa miantra amin'ny aty (foie). Aretina MARO samihafano mety mahatonga ny jaunisse. Ka dia izay no tokony tadiavinao: ny fototra aretina manary ny afero (bile) any anatin'ny lalan-drĂ  fa tsy any anaty tsinay.
3. soanja ( 05/04/2010 22:43)
Ny nitsaboana zay cousin-ko izay taloha dia io ravin-jamala (vitsivitsy) any amintsika io no andrahoana miaraka amin'ny vary aminanana isa-maraina dia iny hanina. Sitrana aloha izy fa saingy mila tiliana ny zavamanjo vao tokony hitsabo, koa mila mitandrina na io hevitro io aza.
4. niryna ( 07/04/2010 03:27)
Araka ny tenenin'i Ratoa io dia misy antony no mahatonga ilay izy.Ny zanaka malagasy teraka any ivelany matetika dia tazomin'ny hopitaly herinandro fa misy an'io kely hono ao anatiny.
Misy izy tsy dia hita fa misy tonga dia mivandravandra tokoa ,mavo na ny faladia aza.

Ny fanafody any amintsika araka ny tenenin'ny ankizy eto dia hoe ravina rongony io no atao variaminanana.
Maro be ny antony mahatonga ny olona ho voan'io jaunisse io fa ny filazan'ny dokotera dia tsy ampy ra mena ilay olona fa izay ra tonga ao anaty ao dia lanin'ny ra fotsy avokoa ary mivadika ho anemika ilay olona.Tsy ampy ra.Matetika dia asian'ny dokotera mihinana hena mantamanta izy ,ny atikena omby no hainga be indrindra,lomana sira kely fotsiny dia avadika ambadika sy ambadika tsy atao elabe dia omena ilay olona.Tsara ny atikena fa rehefa tenenin'ny dokotera hoe tokony ho hanina dia lasa tsy tia azy intsony ilay olona. Hi,hi
Dia mihinana anandrano ihany koa na anana maintsy betsaka.
Mihinana betterave ihany koa ka raha misy masina fanaovana jus dia vao maika tsara raha ohanina manta ilay izy,na atao jus na tetehina madinika kely dia asiana voasarimakirana kely sy menaka toy ny manao salade.
Jereo fa misy olona voan'io kao noho ny aretina aty,pancreas,bile (tsy aiko ny milaza azy amin'ny teny gasy fa azafady)
Aza dia mihinana kartoy betsaka ihany koa raha toa ka voan'io aretina io fa ny fihinana karoty betsaka dia mampiova loko ny vatana sy ny rano maloto avoaka aty ivelany
Antony mety mahatonga an'ilay izy koa dia vokatry ny fihinanana fanafody izy misy lokony mavo na koa rehefa bevohoka ny olona dia matetika misy kely an'io ihany koa
5. niryna ( 07/04/2010 03:39)
Jereo ihany koa fa mety mandalo kely ilay izy ary mety maharitra.Ny mety ho mahavoa ilay olona koa dia tsy ampy ra hoy aho etsy ambony,izany hoe mandeha ra be ilay olona rehefa tonga fotoana ary raha tsy mihinana ireo karazana zavatra mampiakatra ra izy dia ambany be ny tosi-drany.
Misy fanambarana maromaro kosa anefa fa tsy hoe mavo fotsiny amin'izao toy ny hoe" mavo ny hodiny,ny maso,ny tanana,ny faladiha ,mety ho orange na mena koa ny pipiany,na manopy mavomangirana izany ny hodiny.
Mety ho kamo ihinankanina koa ilay olona,ary izay zavatra ao ambavany dia toa ratsy avokoa,feno volo ny lelany,toa maloiloy be foana koa ilay olona na mangididy foana ny hodiny,maidana be ny fitempon'ny fony.
Ireo no karazana zavatra mety hipoitra amin'ireny olona voan'ny jaunisse ireny.
6. niryna ( 07/04/2010 03:53)
Ireto misy karazana zavatra azo atao fa afaka manandrana ihany koa hianao
ravina papay potehina malemy tsara toy ny dentifrice dia maka antsasana sotrokely amin'iny dia asiana tantely eraky ny sotrokely
maka ravina radish totoina malemy tsara ihany koa dia 1/2 litatra amin'iny no omena ny olona voan'io ihany koa ,atao fisotra mandritra ny folo andro

Ranona voatabia masaka asiana sira kely sy dipoavatra kely koa dia fanafody iray ihany koa ,hohanina vao maraina mbola tsy mihinana na inona na inona io

Ranompary koa dia mety ihany koa diovina tsara ny fary dia iny no hihazana,mila madioa izany ilay izy fa tsy ireny vidiana eny amorondalana ireny an.
Voasarimakirana koa atao rano fisotro,miaraka amin'ny rano ilay izy fa fanafody aty hainga koa io satria misy aretina sasany vokatry ny aretina aty no mahatonga ilay jizy .
Ny tamotamo koa dia fanafody ihany koa:alaina ny tamotamo manta dia maka rano mafana dia kikisana ilay izy dia atao fisotro,manaova gant rehefa mikarakara azy fa mandoto tanana .
Ny zavatra fadiana koa dia ny mihinana zavatra be menaka sy kiendriendy ireny,ny fakofakotsakafo,ny sakafo izay sarotra levonina ary miampy izay koa ny fisotroana kafe,ny ditehe, ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifohana sigara
ireo no mba fantatro

7. bobone ( 09/06/2010 07:26)
Hoy Niryna:
Ny zavatra fadiana koa dia ny mihinana zavatra be menaka sy kiendriendy ireny,ny fakofakotsakafo,ny sakafo izay sarotra levonina ary miampy izay koa ny fisotroana kafe,ny ditehe, ny zava-pisotro mahamamo sy ny fifohana sigara

tena marina izany an! fa ny tiako marihina fotsiny dia izao tsy azo tsindronina ny olona voan'io aretina io ! ary tsy afaka io zaha tsy zavatra naturel ihany , zava-maniry ! tena marina ilay rongony , fa ny fampiasana azy mila mitandrina tsara sao mivadika lasa adala eo indray!!!
any koa misy izay zava-maniry izay ! Tananarivo no tena betsaka azy ! voambaradeda ny anarany : ary ohatrany vomanga ny vodiny ! dia io vodiny io no alaina hapangotrahana dia hatao rano fisotro, tsy misy effet secondaire io fa mahatonga ilay marary hipipy lava ary tena manadio ny organe rehetra io ! fa afaka ! andramo aloha e!
dia mirary soa sy fanasitranana ho anao ! aza hadino ny vavaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5292