CENI sy fifidianana, hofitahina indray ny vahoaka

1. hery ( 27/03/2010 08:01)
Natsangan'ny HAT samy irery ny CENI mba hikarakara fifidianana hono. Amin'izao izany dia mizesta ny HAT hoe jereo fa efa manao izay hikarakarana fifidianana izahay.

Ny tena izy anefa dia tsy te hiala eo amin'io toerana io mihitsy ny HAT ary satriny mba ho lava dia lava ity tetezamita ity mba hahafahana mihinana sy mangorona.

Ny CENI, araka ny nolazain'ny mpikambana ao anatiny, dia tsy maintsy handresy lahatra ny Vondrona Iraisampirenena aloha vao afaka hanatanteraka fifidianana azo antoka. Tsy tonga dia hikarakara fifidianana akory izany ry zareo fa tsy maintsy hiandry Vondrona Iraisam-pirenena. Ny Vondrona Iraisam-pirenena anefa, mazava ho azy, dia tsy hanaiky mihitsy ny zavatra karakarain'ny CENI satria fanapahan-kevitra noraisin'ny HAT samy irery io fa tsy nitambarana tamin'ny ankolafin-kery rehetra.

Vokany, tsy hisy mihitsy ny fifidianana... dia mbola ho eo foana ny HAT.

Famahanan-dalitra ny vahoaka fotsiny ny filazana fa maika hiditra amin'ny Repoblika faha-4 ny HAT. Raha tena izany no nahamaika azy dia:
- Na izy nanatanteraka fifidianana unilateral tamin'ity volana marsa ity araka ny nolazainy, rehefa samy unilateral ihany. Fa tsy ahemotra isanandro lava izao.

- Na izy niaraka nanatanteraka fifidianana tamin'ny ankolafy politika hafa amin'izay mahazo fankatoavana avy amin'ny Vondrona iraisam-pirenena.

Raha ny iray tamin'ireo no natao dia efa vita ny resaka tetezamita tao Madagasikara.
novalian'i hery ny 30/03/2010 07:20
2. xxx1 ( 27/03/2010 08:16)
Efa amataona ianareo ra-hery no nimenomenomeno teto ....pour rien, nilaza ianareo fa hirodana haingana io....pour rien.

FA MANINONA HOA NO TSY ATAONAO ILAY ANTOKO VAOVAO NOLAZAINAO E????????

Io zao no hitako hoe vaha-olana mivaingana, azo ho tsapain-tanana raha ataonao. Izaho izay tsy TIM ary tsy maniry ny hiverenan'izany dia hanaraka anao anjambany raha misy izany satria tsy misy hinoko ireo antoko efatra ireo. Tsy fotoanan'ny fisafidianana izay tena tsara intsony izay fa fisafidianana izay tsy dia mitapy loatra.

Ra-HERY o! Tairo amin'izay e!! sa TSY SAHY INDRAY FA Lé MINENOMENO FOTSINY NO MAHAFINARITRA ANAO????
3. zakilinina ( 27/03/2010 09:04)
Tsy ampy fahamatorana ny resakao ry xxx1. Tsapa fa tsy misy azonao izay voalazan'i Hery. Tsapa koa fa maro ireo tsy matotra ara-politika miresaka politika ka manimba ny endriky ny fifanakalozan-kevitra.
4. rijadolly ( 27/03/2010 10:10)
Ny olona ao amin' CENI zany moa tokony ho iza avy raha tsy maha diso?

xxx1 a! ra ohatra te anontany an' Hery an' izany se dia mamorona lohahevitra hafa fa manjary miova b ilay ady hevitra, tsy misakana an' se tsy hilaza ny hevitry se akory izany teniko izany fa mandrisika aza. :-*
5. xxx1 ( 27/03/2010 11:44)
zakilinina:
Tsy ampy fahamatorana ny resakao ry xxx1. Tsapa fa tsy misy azonao izay voalazan'i Hery. Tsapa koa fa maro ireo tsy matotra ara-politika miresaka politika ka manimba ny endriky ny fifanakalozan-kevitra.


Ing. Hery zany no tena tiako hamaly ahy e.

Fa araka ny nolozaiko etsy ambony dia ilay mimenomenona be fahatany fotsiny no tena talenta eto fa tsy ilay hanome vaha-olana mihitsy nefa efa amataona izay ka mba noheveriko fa ho leo rehefa ela ny ela fa eeeeee.

Inona zany izao no mba vaha-olana azo tsapain-tanana aroson'i zakilinina, ankoatran'ity fitsikerana be tsy ahatafita an-dramalagasy ity????

Mora loatra re tompoko ilay mitsikera fotsiny. Vaha-olana aroso hiandintsika hevitra eto.
6. rijadolly ( 27/03/2010 12:50)
Misaotra xxx1 a! Izany ahay rangahy .

Na dia tsy voavaly aza ny fanontaniako ao ambony ao dia arosoko indray ty hevitro ity
Ra misy olana ao amin' tokatrano iray dia tsy afaka manapa-kevitra irery ny lehilahy ra tiana hiverina amin' laoniny ilay tokatrano.Ekena fa nisy ny opareny, totohondry, daka, Nefa ny tanjona dia iray mitovy. dia tsy inona izany fa ny Fiverenan' ilay tokatrano,ny hasiny mihitsy satria samy tia an' ilay tokatrano izy roa.Izany hoe ra vao i rangahy irery ihany no mandidy irery izay tiany na mametra irery ny lalàna mifehy ny tokatranon'izireo dia mbola ho rava ihany izany tokatrano izany.
7. xxx1 ( 27/03/2010 13:55)
Eny ary.

Marina tokoa ny anao hoe: tsy afaka ny hanapaka hevitra irery ra-lehilahy. Ary raha tohizana io dia ny hoe sarotra amin'ny olona efa samy ao anaty lavaka no hifanavotra. Fa mila olona hafa avy aty ambony mba hanipy tady azy ireo raha te ho voavonjy.

Ny tsy hitoviko hevitra aminao dia ity hoe samy tia ilay tokan-trano ry zareo. Ahoana re no hinoko fa i ratsiraka (mpamono olona,sns...); i ravalomanana (izay nanao an'i gasikara toy ny orinasan'ny manokana,sns...); sy ity zafy Albert (izay mpanao madaraid sy mitady andrangitra ny ady poko ity,sns...) no hiray latabatra amin'ny andry( izay tsy azo lavina koa ny fitapesany) no afaka hampandroso an'i madagasikara. Ny tenan-dry zareo fotsiny no tiany fa tsy misy hirarahin'ireo izay malagasy any.

Amiko manokana izany dia na tanteraka aza ny firesahan'izy ireo dia tsy hitondra vokan-tsoa ho antsika izany.

Ka eo indrindra no mampilaza ahy an'Ing. prezida hery hoe maninona raha atao amin'izay ilay antoko vaovaonao. Vava navokany teto io fa tsy noforoniko akory. Ary tsy hoe akory filana vaniny an-drahery io fa tanora te hanao zavatra ny tenako, ka vonona ny hanaraka izay olona vaovao eo izany. Eny fa na dia tsy tonga lafatra aza izany. Ny tsy hiraharaha fotsiny (izay zavatra afaka ataoko) sy hitsikera ety amin'ny sisiny fotsiny koa mantsy dia tsy safidiko.

Tsy mahavita tena irery re ny tenako nefa mba mahatsapa fa afaka ny hitondra ny anjara birikiny amin'ny firenena ihany e. Raha tena tiantsika nefa ny hisian'ny fiovana amin'ny fiainan-dramalagasy dia tsy maintsy ao amin'ny politika ao ihany no ovaina.
8. rijadolly ( 27/03/2010 14:22)
ok !

Ny tsy azo lavina ihany koa anefa dia tsy afaka hisy filaminana ny ao antokatrano ra bola misy ny tsy fifamelana. Moa ve efa nifamela ny mpivady? ra tsy, andao hifamela.Dia mety hiteny ianao heo tsy ireo olona efatra nolazainao ireo anie no afaka hamaha olana e! Nefa hoy aho hoe : tsy maintsy izay nahatonga ny olana no afaka mahama ny olana.Logique ra ohatra ka tsy sahy miseho ny olom-baovao araka ny fanirianao satria tsy maintsy mandoto azy izao fisehon' toe-draharaha izao. ary dia tsy ho tanteraka ilay fanirianao.
Vhaolana dia ny fifanatonany ireo izay nahatonga ny olana.Tsy misy afatsy izay ihany.
Tsy mahavita tena irery re ny tenako nefa mba mahatsapa fa afaka ny hitondra ny anjara birikiny amin'ny firenena ihany e. Raha tena tiantsika nefa ny hisian'ny fiovana amin'ny fiainan-dramalagasy dia tsy maintsy ao amin'ny politika ao ihany no ovaina.
Iraisako hevitra tanteraka, fa eo amin'ilay hoe " tsy maintsy ao amin' politika ao ihany no ovaina" dia izao ny hevitro, ra ny fanaovana politika dia io no mila ovaina.Esorina ao an- tsain' panao politika tanteraka ny tombotsoan 'tena sy ny akamakama manokana. Fa raha ny olona manao politika no ovaina dia tsy mety satria tsy azotsika tampenam- bava ny teo aloha, indrindra moa ka mila hevitra naha diso azy teo aloha isika na hoe izay zava- bitany tsara. Ary eo no maha tonga ahy milaza fa TSY MISY MAHAVAHA NY OLANA AFATSY IZAY NAHATONGA NY OLANA. :-*
9. AndriambyII ( 27/03/2010 18:25)
Ouaouaoua alou ny @ izay rahery !! Mbola miandry ny fanampahankevitry ny bevola! Pas de financement , pas d' election !! donc attendons voir !!
10. ndotofetsy ( 27/03/2010 23:18)
sao dia adino fa eto madagasikara no resahana fa tsy any @ sisiny ary ny gasy tsy lefera mandidy
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) :@ :@ :@ :@
11. hery ( 30/03/2010 07:20)
xxx1> Normal raha tsy arakao ny resaka politika :-)

tsy niteny aho hoe hamorona antoko politika fa hoe hanohana prezidà atolotry ny antoko politika izay hiseho atsy ho atsy. Ilay antoko politika efa niseho efa ela fa ilay olona harosony no vaovao. Ary izay no holazaiko rehefa ho tonga ny fifidianana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4801