les parents les plus stricts du monde

1. sipagasy ( 23/03/2010 17:14)
mmhh fa hono hoa e!! fa ahoana marina ity mitaiza sy manabe ity e!!! inona ny fombanareo avy kay?, ahoana ny fitaizanareo ny zanakareo??


http://tele.premiere.fr/News-Tele/Les-Parents-les-plus-stricts-du-monde-A-Madagascar-et-en-Republique-Democratique-du-Congo-le-10-mars-sur-M6/(gid)/2220389
novalian'i onah ny 30/11/2010 12:42
2. tess ( 23/03/2010 18:10)
hummm ratée aho ry sipagasy , tsy nahita dia tsy mahita ambara :-P
3. sipagasy ( 23/03/2010 18:42)
mmhh tess tsy olana na tsy nahita ilay fandaharana aza kann, fa hoe ahoana ny fomba hitaizanareo sy itaizanareo ary hoe nitaizanareo ny zanakareo avy,??


ohatra izao ny ahyd ia hoe taizako hahatahotra an'Andriamanitra i maeva, ary koa hoe mba hahalala fa misy olona manodidina azy fa tsy tokana an-tany akory izy, mety tsy tonga lafatra izay fitaizako azy izay fa mba te hanontany anareo aho hoe ahoana kosa ny anareo???
4. tess ( 23/03/2010 19:22)
ny hitako alou dia tsy mety ny fitaizàna stricts be loatra.... misy vokany foana iny aty aoriana, huuuummmmmm tratra teo enay hihihi
5. tess ( 23/03/2010 19:24)
ny fahaizana miresaka malalaka amin'ilay zanako no zava-dehibe fa tsy ny fanangejàna azy amin'zao sy izao , izay aloha no mba azoko lazaina hatreto hihi
6. ikaretsaka ( 23/03/2010 21:36)
ahako koa aloha tsary nahita ilay fandaharana... fa na izany aza

ny fametrahana barriere eo amin'ny zanaka sy ray amandreny mba hisian'ny fifanajana dia samy miezaka tsy mandika an'iny na ilay Ray amandreny na ilay zanaka

ny fampahalalana ny zanaka hoe tsy azo atao izao @ taona ohatran'izao satria izao no vokany, raha manao dia izao no sazy.. karazana deal, dia izy koa afaka mitaky aminao ray amandreny raha misy zavatyra nampanantenainao azy nefa tsy tanterakao...

dia samy manaja ny toerany...de mifanaja amin'ny deal natao..

indraindray manko ilay stricte hoe tsy azo atao izao nefa tsy fantatr'ilay zaz akory hoe inona ny antony mahatonga ilay zavatra ho tsy azo atao no mainka mampi revolte anazy, na ilay ray amandreny tsy mijery hoe fa maninona ny zanany no te hanao an"izao mafy tokoa, fa faly handrara fotsiny
7. nannie ( 24/03/2010 06:58)
Tsy manan-janaka aho akory fa hitako tamin'izaho mbola kely : ny ray aman-dreny no ohatra tsara indrindra, ka izay ataony ihany no jeren'ny zanaka, sady hananan'ny ray aman-dreny fahefana tsara indrindra hitenenana ny zanany raha manao zavatra mifanohitra amin'ny mety ataony izy.
8. xxx ( 24/03/2010 09:03)
je ne crois pas we les parents les plus stricts du monde , les parents malgaches en font partis....

ny parents any congo no tena stricts , ny parents malgaches tena tsara satria raha tsy mitaiza ny zanany tahak'zany zareo an dé lasa inn ny zanany ???

zah kalou dé miteny foana we: heureusement tahaka zany ny nitezaina anaha stria raha tsy tahaka zany dé....asa re eh ?

et pourtant , pour vous dire we: mazana anié zany fitezaina anay zany tam mbola kely eh ! mais bon ! au moins , nos parents sont fiers de nous maintenant. :-* :-* :-* :-*
9. soanja ( 25/03/2010 05:16)
Miankina amin'ny taonan'ny zaza ihany ny fanabeazana azy amiko fa raha ny tena itovizana manomboka kely ka lehibe dia hoe mila mahalala manaja ny tenany izy sy ny hafa koa ary mila mahafantatra fa miaina ao anaty fiarahamonina.

Noho izany misy fetra ny zava-drehetra ary izay atao dia tomponandraikitra izy mahalala ny tokony ataony miankina amin'ny taonany.

Ezahina tsy sesefana zava-manimba ny zaza ka ny zavatra tsy voa control -ny ray amndreny amiko dia aleo aza tsy ampidirina kizo amin'izany ny zanaka. Na hoe mila guider-na izy fa izy zaza tsy hahalala izany mihitsy.

Ohatra,
Vao haingana aho zao nalahelo be fa nandany fotoana nijery catch ilay zazalahy kely vao 5 taona tato an-trano fa io no navelan'ny RAD-niny jereny. Voa tonga tany an-tokotany izy dia io no nampiharina tamin'ny zazalahy kely roa lahy, ny iraika tsy nahalala tonga dia nitomany moa ny iray tonga dia nidaroka tsy ankitsisty satria noheverina fa manafika azy ity raika lahikely ity nefa ny azy mba kilalao. Nony nifamaly ny ray amndreny vao fantatra hoe kay naharary an'ilay ray ilay daroka dia izay no nahatonga ny ady.

Inona moa ny olana eo fa dia ny tsy fahalalan'ny ray amndreny mahalala ny fetra hoe hatraiza ny zaza iray no mahalala fetra?
10. sipagasy ( 27/03/2010 19:03)
miarahaba

MMhhhh dia marina aby ny teninareo ireo e!!!! tena tsy mira tokoa ny mitaiza indrindra @ izao vanim-potoana feno 'tentation' izao eto an-tany, raha ho fehezina loatra ilay zaza, mety hoe tsy miaina anatin'ny fiaraha monina fa 'voasintaka tsinahy' raha atao hoe baranahiny indray, 'manara-damaody sns' @ lafiny rehetra io teneniko io fa tsy hoe lamôdy akanjo fotsiny ann, dia atahorana hoe tena tsy hisy fetra izany izy ity fa dia lasa izao!!!!!!!

tsy moa ihany ny toeran'ny ray aman-dreny @ izao fa dia mahereza mitaiza sy manabe @ izay tandrify azy daholo e!!!
11. sakaizakely ( 29/03/2010 08:33)
hitako tokoa ilay fandaharana ary nahafinaritra ahy ilay izy mivady, tsy ataoko hoe stricts araky ny anaran'ilay fandaharana fa manana valeurs tsotra fotsiny ary mahay mampihatra izany eo @ fiainana andavanandro sy ny fanabeazana. Io no hitako lesoka goavana @ fitaizambazaha ankapobeny, tsy manana valeurs loatra, tsy nahita modely tsara teo @ RAD koa angamba, miampy ny éclatement familial mitarika olana hafa koa ankoatrizay, dia tsy mahay izay tokony itondrana ny ankizy fa toa arahina ambokony avokoa ny sitrapony, hany ka mazana mandray ny kihony rehefa miha lehibe ny ankizy

Raha ny filazan'ireo pedo psy aloha dia diso stricts loatra ny RAD taloha ary nahatsapa izy ireo fa nisy fiantraika ratsy izany eo @ lafiny developpement/ épanouissement personnel, fa tsy eo @ toetra ankapobeny. Nony tonga ny mai 68, dia teo koa ny fandraisana mivilana ny théorie Dolto, dia noheverina fa tsara raha avela halalaka ny fitaizana fa hahita ny lalany naturellement ihany izy rehefa miha lehibe. Teo @ génération manaraka indray vao tsapa fa tsy nety ilay liberté malalaka b. Noho ny tsy fisian'ny model parental efficace dia manao fitaizana anjambany ny generation manaraka. Tsy hay intsony fa dia samy manao izay saimpatany.

Azo atao hoe very ny RAD ankehitriny, ary eo ireo izay matahotra ny tsy ho tianjanany raha stricts loatra, hany ka dieny mbola kely dia faly ery mampanarampo ireto ankizy, tsy sahy manome limites, na koa tsy hainy ny manome izany. Ny fiantraikany rehefa lehibe ny ankizy dia mihevitra fa izy ireo no mandidy, ny sitrapony no tokony arahina, tsy mahay maka andraikitra sns... Izay no hitako mahatonga ny ankizy aty "haditra" rehefa miha lehibe.

Raha ny hevitro manokana dia mila juste milieu ny fitaizana, ilaina ny mametraka limites dieny mbola kely. Mila mifampiresaka foana, dieny mbola kely dia efa tokony atao fomba mahazatra ilay miresaka, izay no andraisako ilay hoe zaro @ lalana tokony aleha izy.
nefa koa tsy ilaina mikizitina sy mikapoka na manasazy mafy toy ny taloha, fa atao souple ny fanasaziana. Ny ahy aloha tsy hitako hoe maditra, ary na manao mafy loha aza indray² dia azavaiko moramora ny zavatra tsy mety sy tsy azoko ekena, dia ry zareo indray aza no milaza hoe azoko tsara ny antony anasazianao ahy. Sazy kely anjorotrano tsy mihoatra ny 2 mn :-D tsy vitako ny mihoatra an'izay, ny zavadehibe amiko dia ny fahatsapany ny tsy nety. Tena tsy vitako ny mikiakiaka sy mikitakita, efa izay no fiainanay, dia hitako fa mora taizana be ry zareo, mora tenenina, mora baikona, tsy mamalivaly; dia izay aloha raha ny amin'izao taonany izao, dia ho hita miandalana eo rehefa mitombo taona
Asa raha mahavaly ny fanontanian'i sipagasy ilay fanazavana lavabe :-P

Dia mahereza daholo :-*
12. sakaizakely ( 29/03/2010 08:45)
ampiako kely indro kely, ny zanako 7 taona ilay voalohany, na inona ditra, tahaky ny mamaky entana na manimba zavatra dia tsy miandry fa tonga milaza avy hatrany ny zavatra simba, sady matahotra sy miondrikondrika ihany izy eo. na dia ny fipelipeliny aza no nahatonga ilay accident dia voalohanjavatra lazaiko azy hoe misaotra anao nilaza ny zava-misy. Dia miara-mandraoka izay raraka eo, avy eo izy ihany no mandeha manasazy tena anjorontrano, dia antsoiko vetivety foana :P
Tsy haiko hoe mety sa tsy mety ilay tsy mibedy, rare mihitsy aho mibedy zaza. Ny ahiako manko hoe raha bedesina b dia izay no mahatonga ilay manafinjavatra vao maika katastrof b. Betsaka ny tranga nahitako ankizy mitovy taona aminy na mbola kely, somary fetsifetsy mandainga, manafina, fa matahotra ho bedy sy voakapoka. Misy mpiaramianatra aminy nangalatahaka soniandreniny fa nahazo sazy tany ampianarana tokony ho soniavin'ny lehibe. Noho ilay tahotra no anton'izany.
Dia tsy bedesiko ny ahy, fa kosa tsy avelako am zao fa ataoko tsapany tsara ny hadisoany.
Misy manao tahaka ahy ve aminareo ? Mety sa tsia ? I Soanja angamba izao ho afaka mamaly an'io :-*
13. soanja ( 30/03/2010 00:29)
sakaizakely:


Raha ny hevitro manokana dia mila juste milieu ny fitaizana, ilaina ny mametraka limites dieny mbola kely. Mila mifampiresaka foana, dieny mbola kely dia efa tokony atao fomba mahazatra ilay miresaka, izay no andraisako ilay hoe zaro @ lalana tokony aleha izy.



Io ihany no fomba afahana mahazo ny fon'ny ankizy ka ahafahanareo mahazo azy koa hoe iza izy ilay zaza. Ny fetra apetraka dieny mbola zazabitika izy. Mbola tsy mahay miteny akory aza dia efa misy ny fetra apetraka amin'ny zaza, dia mitombo hatrany iny arakaraky ny taona sy ny faharanitan-tsainy ary ny fahasalamany.

Ny ankizy dia mahazaza bodo azy dia tsy mahalala izay ambony ambany amin'ny fiainana fa isika ray aman-dreny no antenainy hanome sy hanoro azy ny fiainany mba hilamina izy amin'ny ho avy. Isan'ny zavatra takian'ny atodohany ny fisian'ny manodidina misy azy milamina sy voalamina araka ny tokony ho izy ary miverimberina io filaminana (organisation) amin'izay mitombina ao an-tsainy hoe izao izany no atao hoe fiainana. Avy amin'iny ihany koa no ahafahany maka toky fa mahatoky ny toerana misy azy izy ary indrindra ianao ray aman-dreniny. Saingy raha ny fibedesana no feno ao anatin'izany fanabeazana izany dia io izany no fiainana hitany ao anaty atidohany dia lasa matahotra izy ary be ny hitranga any aoriana rehefa tonga ny tahotra be loatra.

Hanao diso ny zaza ary mety hiverimberina izany. Izany no mahazaza azy. Mbola mijery sy mitsapa ny fiainany izy. Noho io no fomba ahalalany hoe ahoana ny fiodin'ny zavatra iray. Amin'ny mahazaza azy dia tsy tokony hobedesina izy amin'izany satria na isika olondehibe aza manao diso ka maika ny zaza.

sakaizakely:



nefa koa tsy ilaina mikizitina sy mikapoka na manasazy mafy toy ny taloha, fa atao souple ny fanasaziana.


Tsy fanasaziana no atao raha manao diso ny zaza fa "Fanitsiana" . Zany hoe amin'ny teny Anglisy dia hoe tsy "punishment" no atao fa "redirection". Toroy ny zaza ny tokony atao, eny fa na dia miverimberina azy izany fanoroana izany fa indray andro any ho azony izany. Tsy sasatra ny ray aman-dreny mitia ny zanany sy manoro fa izay no atao hoe fitiavana. Aoka ny vokany natoraly no hitranga aminy raha tsy vonona hihaino izy satria tsara aminy koa mahalala hoe misy vokany ny zava-drehetra. Ezaho ny manodidina iainany tsy hanome azy fahadisoana loatra mba tsy handiso foana koa izy. Ohatra raha fantatrao fa tia mihazakazaka sy manipitsipy zavatra ny zanakao dia ezaho tsy hoe eo amin'ny toerana azon'ny tanany ny vazinao mora vaky sy tianao be satria fantatrao fa na ho ela na ho haingana dia ho vaky iny ary izy tsy mahalala izay tsapanao any amin'iny vazy iny. Raha tia manatsipy kopy izy ohatra dia teneno hoe iny natao hisotroana rano fa ity baolina ity no tsara atsipy ary an-tokotany. sns sns...

Ny zaza mamono ny namany na manao zavatra tena kiniana mihitsy hikapoka na hamely ny namany dia mila saziana satria ho voasazy rehefa lehibe raha manao izany. Tsara ho fantany izany. Saingy sazy mila tsy tiany no atao saingy tsy manimba azy ara-tsaina. Fa ankoatr'izay dia lazaina fa tsy mba diso (maditra) ny zaza fa fianarana daholo ny handraisany ny zava-drehetra.

Alohan'izany rehetra izany anefa dia mila mametraka ny atao hoe Fitiavana sy fiaraha-monina milamina eo amin'ny zanaka ny ray aman-dreny (socio -emotional) satria raha io tsy misy eo aminareo dia tsy hisy fifandraisana hitranga mahavokatra. Mila mahatoky anao ny zanakao fa tsy hamono azy ianao sy fantany ny momba anao, vao hino anao izy. Io anefa dia nandalovan'ny malagasy maro satria ny ray dia natao biby fampitahorana tokoa, mpanasazy foana, ary tsy mba manome fitiavana akaiky ny zanany indrindra rehefa miha mahazo taona ilay zaza.




14. sipagasy ( 30/03/2010 09:32)
misaotra anareo mirahavavy nandalo teto aloha,

ny hitako ihany koa dia ny hoe fiaraha monina ouuhh làlààààà, tena manahirana tokoa, na ny fifaneraseran'ny zaza samy any am-pianarana aza, tsy mitovy tsinona ny fitaizana, nefa any dia matetika manao fampitaha ny ankizy, fa ny ahy ny hany heriko, dia fidianay ny ataony namana, izany hoe na izy zaza (maeva) aza dia mahatsapa fa tsy dia mety loatra ny andraisana an'i xxx na i yyy ho namany, dia eo ihany koa ny tv, mmhhh, dia tena tsy misy zavatra manjary amiko ny hita eo kannnnn, ankoatran'ny hoe miala voly izy mijery dessin animé, fa raha resaka télé réalité sns dia mmhh na izy aza dia tsy tia hijery akory, (soa ihany hihihih), io koa moa ny anay dia zara raha jerena, nefa indraindray izy miteny hoe niresaka izao (ohatra: star ac izao ry neny ny ankizy dia zah tsy nahalala hoe iza izany xxx izany hihihi) tsy olana iznay hoy aho taminy fa teneno fotsiny ry zareo hoe tsy tia mijery izany aho, fa hitako ohatran'ny tsy nahafa-po azy ny valin-teniko nefa dia nangina izy tsy namaly ahy ary tsy nanontany hoe mba afaka mijery izany veh aho????


mmhhh mazotoa daholo indray ary mitaiza e!!!
15. RAJOTIANA ( 16/05/2010 12:02)
Raha ny fahitako azy aloha dia atao toy ny milalao fotaka ihany koa ny mitaiza zanaka,ny fahitako hoy aho satria ny zanako mbola kely dia mbola tsy dia mahalala ny tena fomba fitaizana aho.Raha ny niainako t@ fahazazako dia izay toy ny milalao fotaka izay no tena ilain'ny ankizy!Sady tsy gejaina be loatra izy no tsy avela hanara-po; dia anokanana fotoana mba hifampidinihana aminy in-dray mandeha isan-kerinandro fara-faharatsiny!
Dia mirary soa ho an'izay efa mitaiza tanora.
16. onah ( 30/11/2010 12:42)
Ny ahy ry reto ny zanako an, lahy kely 5 ans izy izao, fa tena mafy loha kely mihitsy, rehefa antsoina izy ka na dia henony izao aza fa antsoina izy dia tsy mamaly mihitsy izy rehefa variana mialalao, efa maniraka in3 ianao vô ajanony kilalaony, nefa izy any ampianarana no voalohany.
Tsy haiko hoe ahona no anovana azy, izy nefa miresaka tsara @nay mivady, vôtatara daholo ny rehetra ni passé totolon'ny andro. Tsy haiko hoe be lalao lôtra ve? Izy tsy manda izay lazainao, fa ny azy alou no ataony vô manao ny zavatra ampanaovinao azy izy.
Ny zavatra tsy tiany indrindra dia ny misakafo hany ka mahia kely,
Asa raha mba misy soso-kevitra azonareo omena ahy (Soanja)
Misaotra mialouh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2305