afobe

41. rijadolly ( 13/03/2010 22:10)
o tantara io ange efa hoe fictif hoa e....tsy plus credible we e??? :D

ika:
Rija> tsy mpampirevy mparadisa no ataon-draika eto @ sera fa mizara sy manaitra ny fahitan'ny sasany le lasan-drevirevy fotsiny
ary tsy atao ve ny mizara sy manaitra izay matory eto amin' serasera?
rakapy:
Ilay izy koa anie tsy voatery hitaritana olona toy ny fanaon'ny fiangonana rehetra e! na dia ianao irery aza ka mahita fahasambarana dia efa paradisa izay.
Misaotra rakapy a! tsy voatery marina, fa azo atao ihany koa.
42. xxx ( 13/03/2010 23:33)
ikaretsaka:
ka io tantara io ange efa hoe fictif hoa e. fa-no-ha-rana..zavatra tsy nitranga io
diso ise raha ny tantaran'i Abrahama sy Lazarosy ary ilay mpanankarena no resahin'ise eto. Ivereno vakana ilay tantara fa tsy fanoharana velively io.

ikaretsaka:
fa ny mba plus credible dia zavatra nitranga...
tsy credible amin'ise izany ny tenin'i Jesoa?
43. LazaDaddy ( 13/03/2010 23:59)
xxx:
Inona no ataonao any @paradisa raha lasa any @afobe avokoa ny namanao na ny fianakavianao. Fa ianao irery ny lasa any @paradisa


Somary diso fipetraka ilay fanontaniana raha ny fahitako azy fa ezahiko valiana ihany.

1) Raha araka ny Tenin'Andriamanitra dia samihafa ny paradisa sy ny fanjakan'ny lanitra. Io no tsy hiraisako hevitra amin'ny fampianarana ofisialin'ny fiangonana protestanta sy katolika.

2) Raha lasa any amin'ny fanjakan'ny lanitra ianao dia mino aho fa hita soritra amin'ny fiainanao ety an-tany fa "zanak'Andriamanitra" ianao (marihiko tsara fa tsy midika ho olona tonga lafatra ny hoe "zanaka" ). Raha tsy maniry izany ireo antsoina fa "fianakaviana sy namana" ety an-tany dia tsy mbola tena fianakaviana na namana izy ireny. Ny fianakavianao dia ny "fianakavian'Andriamanitra".

3) Ny azoko antoka fa atao any amin'ny fanjakan'ny lanitra dia fiderana an'Andriamanitra amin'ny fo feno fifaliana (izay azo santarina ety an-tany tokoa).


44. ikaretsaka ( 14/03/2010 22:35)
xxx:

ka io tantara io ange efa hoe fictif hoa e. fa-no-ha-rana..zavatra tsy nitranga io
diso ise raha ny tantaran'i Abrahama sy Lazarosy ary ilay mpanankarena no resahin'ise eto. Ivereno vakana ilay tantara fa tsy fanoharana velively io.

fa ny mba plus credible dia zavatra nitranga...
tsy credible amin'ise izany ny tenin'i Jesoa?


1)asa na ianao no tsy mamahy sy tsy mamaky sy tsy mahazo tsara ny zavatra vakianao akory (azafady:tsimponinao)
Fanoharana io fa ra xxx no tsy namaky tsara... "parabole" io fa tsy nisy teo @ fiaraha monina sy teo @ fiainan'i Jesoa I Lazarosy sy Ilay mpanakarena a. Anisan'ny mampiavaka an'i Lioka @ evanjiliny ny fametrahana mazava tsara hoe taiza i Jesoa sy taiza ny tantara no nitranga... rehefa tantara tena nitranga marina teo @ fiainan'i jesoa no noresahina! ary manome dikan-teny momba ilay anarana sy toerana ara tantara aza izy! ohatra hoe tany kafarnaoma na tany jerosalema na tany Ejypta na tany Jordana sns...
Eto anefa dia tsy nolazainy hoe aiza ho aiza (jerosalema, nazareta sns) no nisy azy 2 lahy ireo fony fahavelony. Porofo maha fanoharana azy.

2)Credible amiko ny tenin'i Jesoa... fa tsy inoanoako foana sy fahatany koa anefa fa ilaina havahana kosa ny zavatra notantarain'i Jesoa, sy tantaram-piainany,


45. xxx ( 15/03/2010 01:43)
ikaretsaka> ivereno vakiana tsara r'ise fa diso ise a. Tsy fanoharana velively mihitsy io :)

ikaretsaka:
"parabole" io fa tsy nisy teo @ fiaraha monina sy teo @ fiainan'i Jesoa I Lazarosy sy Ilay mpanakarena a
Tsy teo amin'ny fiarahamonina niainany tokoa ireo, eny fa na i Abrahama aza satria efa maty ireo olona ireo (ivereno vakiana hoy aho). Tsy midika izany fa fanoharana na "parabole" ny momba ireo olona ireo (Lazarosy, Abrahama, ilay mpanankarena). Jereo fa nampiasa ny mari-potoana efa lasa i Jesoa.
46. ikaretsaka ( 15/03/2010 15:37)
"Parable of Lazarus and Dives" no dikan'io letsy fa vakio fa aza tsimponina a.. fa tadiavo ny sources rehetra


ny hoe taiza ary io no niseho? kafarnaoma? jerosalema? galilea? sns...
izao manko:
tsy i Lioka mihitsy no tsy hiteny hoe niseho de niseho fotsiny io raha tsy hoe parabole fotsiny io (tahakan'ny zaza mpandany ohatra... tsy nolazainy koa hoe taiza sy taiza satria parabole...)

nandany fotoana foana aza lery ( i Lioka) nanazava ny anaran-toerana sy ny dikany t@ izay zavatra nitranga nosoratany t@ fiainan'i Jesoa

Izay no ilazako foana hoe vakio fa aza tsimponina fotsiny! ianaro au moins ny style an'i Lioka mampiavaka azy @ Evanjelista sasany

De rehefa mi argue de asio porofo tsara...
47. fijo ( 16/03/2010 22:40)
ka eto dia miverina ilay olana eo aminn'y fomba famakian ailay boky.
efa resaka naneha efa tanyaloh atany io.
misy ny mandray ,ary mihevitra ,fa izay voasoratra rehetra ao anaty boky,dia zavatra nisy sy marina,ary tsimaintsy arahina arabakiteny daholo.

eo le misy "fahadisoana"amin'ilay fampianarana.satria razezo anie raha nampianatra ,ka nampiasa betsaka ny ohatra e.
48. niryna ( 17/03/2010 18:32)
fijo:

ka eto dia miverina ilay olana eo aminn'y fomba famakian ailay boky.
efa resaka naneha efa tanyaloh atany io.
misy ny mandray ,ary mihevitra ,fa izay voasoratra rehetra ao anaty boky,dia zavatra nisy sy marina,ary tsimaintsy arahina arabakiteny daholo.

eo le misy "fahadisoana"amin'ilay fampianarana.satria razezo anie raha nampianatra ,ka nampiasa betsaka ny ohatra e.


misy ny fanoharana,misy ny zavatra miseho ary misy azo raisika ara-bakiteny ary misy azo raisina araka ny hevitra tiana ho tenenina.
Ny teny dia tonga nofo ,nionona tety amintsika,nampitondraina azy ny teny ary nisy nandray ,ny tsy fandraisana azy tsy midika hoe tsy nisy izy.
Nampiseho antsika ny fisian'ny afobe izy ,anjaran'ny tsirairay no mandray azy na misy izy na tsy misy ary ny hoe omeo porofo lava,ny tsy mpino no mitady porofo satria misalasala ilay finoana kely ao anatiny ,ny mpino kosa efa nomena azy ny teny dia noraisiny .Vita tompoko -jereo ny tantaran'ilay mpanan-karena sy Larosy nalefako ao ambadika ao dia fankafankao ,avadibadio im-pito ilay tsimpona

:-* :-*
49. ikaretsaka ( 17/03/2010 18:57)
misy ny fanoharana,misy ny zavatra miseho ary misy azo raisika ara-bakiteny ary misy azo raisina araka ny hevitra tiana ho tenenina.

voalohany aloha dia tsara ny mahay manavaka an'ireo..
tsy @ alalan'ny tsimpona no ahafantarana an'io fa @ alalan'ny contexte
50. fijo ( 17/03/2010 22:25)
de hangina aho ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1549