tsy tiako

1. 3188 ( 23/02/2010 14:52)
tena mampalahelo ny toe-tsain'le gasy sasany aty americ fa tsy te ahalala ny tanana tsony.ohatra 1 ty /mijery clip malagasy ;lazainy fa tsisy dikany @ ndry shakira e! ekeko fa ambony ny american fa na izany aza tsy tokony isika gasy no hifanambany fa samy gasy.mba aona ny hevitrareo
novalian'i xxx ny 26/02/2010 08:25
2. Mirananirina ( 23/02/2010 15:00)
na gasy aiza na aiza dia misy foana ny manenjika sy manaratsy ny an'ny tena.Atao ahoana fa izay no hitany sy mety aminy.marina fa misy ny tsara ny an'ny vahiny ...fa tsy entina anaratsiana ny atsika gasy satria gasy.
3. ikaretsaka ( 23/02/2010 15:33)
arakarak le toetsaina io.
1) eo @ mpakafy ... misy le tena tonga de faly hampitovy zavatra tsy mbola afaka ampitovizina @ le kalitao

2) eo @ mpamokatra: misy ireo mpamokatra fatra panenjika le misy any @ tany mandroso nefa tsy hanana ny budget lanian'ireny mihitsy

->dia ny ahy ny conclusion ko de hoe rehefa resaka art ohatran'ny clip sns... de aleo mijanona @ le original any @ tanana.. asiana posiposy ohatra na sarety na fiainana normaly any fa tsy hivalandrivotra loatra hioatra ny fitombenana :�)
mainka aza lasa mijanona malaza sy classic ilay hira avy eo noho ilay mandalo de miserana
4. rakapy ( 23/02/2010 18:35)
Hoy i 3188
tena mampalahelo ny toe-tsain'le gasy sasany aty americ fa tsy te ahalala ny tanana tsony.ohatra 1 ty /mijery clip malagasy ;lazainy fa tsisy dikany @ ndry shakira e! ekeko fa ambony ny american fa na izany aza tsy tokony isika gasy no hifanambany fa samy gasy.mba aona ny hevitrareo

Angamba kosa tsy ny gasy rehetra any no nikozy an'izany fa kofboay 1 de ny gasy rehetra any AmeriC no kozinareo fa ratsy toe-tsaina ?
5. 3188 ( 23/02/2010 20:03)
o rakapy e!efa soritako tsara hoe ny sasany ,fa tsy miteny ny rehetra
6. xxx ( 23/02/2010 20:58)
ireny letsy ilay atao hoe "ny tapany ihany no tsy migobana a! hotran'ny hoe rehefa miresaka @ gasy izy dia mody miteny anglais be eny antenantenany eny nefa olona avy any and-AMBOROSY be ery.
7. mandrindra ( 23/02/2010 22:45)
3188, ianao aza dia efa milaza hoe ekenao fa ambony ny amerikana.
8. Ratoa ( 23/02/2010 23:29)
Ny ahy dia tsotra ihany ny filamatro na dia ekeoko aza fa tsy tonga lafatra faona ny kali-taontsika rehetra : "aza manasoketa ny tenanao na izay momba anao na zavakanto izany na ny tanàna na inona; satria efa misy olona maro be ao hanasoketa anao sy ny momba anao".
9. soanja ( 24/02/2010 07:19)
Ny fahitako azy indray zah malagasy avy aty Amerika dia hiteny hoe raha manasongadina ny mahaGasy anao ny zava-kantonao dia tsy afaka ny hampitovy anao amin'ny hafa aho, fa raha toa kosa mitomany ho Amerikanina na vazaha ny zavatra vokarinao, zany hoe zavamisy ao anatiny ohatra dia aoka aho hampitaha izay tsara aminareo roa. Samy manana ny hanitra ho azy avy tsinona ary samy manana ny mahaizy azy saingy raha hitomany randran'ny hafa dia tsy afa-miala koa ny fanakianana satria isika tsy ho izy ireo mihitsy fa isika dia isika ihany.
Ny teknolojia indray dia mazava fa tsy asian-teny fa ny efa lasa lavitra, tsy hitovy velively amin'izay vao miana-mamindra saingy deraina tokoa izay hatsarana hita mifanaraka amin'ny fivoarana misy eo an-toerana.

Izay tsara ihany no tokony tiavina amiko ary io tena soran-jandiana ka tsy misy ifanomezantsiny ny fitiavan'ny tsirairay. Samy manana ny tiahny ny ona! hoy izahay avy any anaty ala.
10. pikatti ( 24/02/2010 08:23)
Misy olona mety manakiana @ lafiny ara-teknika kanefa kosa mankafia ilay ezaka mamoka ny maha-Malagasy azy
Ny teknolojia indray dia mazava fa tsy asian-teny fa ny efa lasa lavitra, tsy hitovy velively amin'izay vao miana-mamindra saingy deraina tokoa izay hatsarana hita mifanaraka amin'ny fivoarana misy eo an-toerana.
=D :-*
11. rakapy ( 24/02/2010 09:11)
Hoy i 3188
o rakapy e!efa soritako tsara hoe ny sasany ,fa tsy miteny ny rehetra

Marina izany azafady fa tsy voavakiko tsara ilay size! :wink:

Fa ilay tenin'i Soanja dia marina tanteraka
raha manasongadina ny mahaGasy anao ny zava-kantonao dia tsy afaka ny hampitovy anao amin'ny hafa aho, fa raha toa kosa mitomany ho Amerikanina na vazaha ny zavatra vokarinao, zany hoe zavamisy ao anatiny ohatra dia aoka aho hampitaha izay tsara aminareo roa.


Dia mety avy @ zay no nahatonga ny akaman'i 3188 hilaza fa tsy misy dikany @ Shakira ny clip Gasy nasehonao azy ireo.

Raha mpanakanto mitana ny originalite Gasy aloha dia tsy afaka ny ampifampitahana @ mpanakanto amerikana mihintsy e! samy manana ny hanitra ho azy. Fa raha irony mpanakanto Gasy mitomany ho amerikana irony kosa, dia betsaka ny ho voatsako.
M.Jackson ve no hampitahanao @ Hazolahy???
12. nannie ( 24/02/2010 11:16)
Ratoa:

Ny ahy dia tsotra ihany ny filamatro na dia ekeoko aza fa tsy tonga lafatra faona ny kali-taontsika rehetra : "aza manasoketa ny tenanao na izay momba anao na zavakanto izany na ny tanàna na inona; satria efa misy olona maro be ao hanasoketa anao sy ny momba anao".



Marina loatra io !!! 5/5 ^:^
13. xxx ( 24/02/2010 12:40)
ka ireo olona ireo ihany angé ry nannie no tena manampy trotraka ilay fanasoketàna ataon'ny hafa e! rehefa avy eo anefa rehefa hiaran'ny racisme-nireo vahiny vao tonga saina haingana sy mahatsapa fa tsy ho amerikana na ho fotsy hoditra na oviana e!
14. Mirananirina ( 24/02/2010 12:42)
ny olona rehefa tsy tiany dia tsy maintsy haratsiany fa tsy midika akory hoe izay mozika gasy rehetra no tsy tiany..sa ahoana?manja ny mozika gasy eh!!fan tanteraka aho,ary tiako daholo.
15. njari ( 25/02/2010 07:48)
3188:

tena mampalahelo ny toe-tsain'le gasy sasany aty americ fa tsy te ahalala ny tanana tsony.ohatra 1 ty /mijery clip malagasy ;lazainy fa tsisy dikany @ ndry shakira e! ekeko fa ambony ny american fa na izany aza tsy tokony isika gasy no hifanambany fa samy gasy.mba aona ny hevitrareo



raha ny hevitro alou de zao e, raha zava-kanto orizinaly gasy no aseho sy ampifaninanana na de am zamerika aza de tsara fa andramo kosa anie le mampitaha film kung fu avoko sy jackie chan e!!! na koa i volatiana sy JLo, de hoy aho hoe le gasy no manambany tena fa tsy mifanambany akory satria tsy mba mahay mampiseho originalité fa mandika be fahatany fotsiny.....
fa le hoe ambony kosa alou ny amerikana a..... za kosa alou tsy ambaniny e, enao ngah mety ho nahatsapa-tena fa ny marina kosa ngamba de hoe mandroso izy e..... :x :x :x :x
16. AndriambyII ( 25/02/2010 08:30)
Raha resaka art musical no tiana havoitra dia ataoko fa ny an' ny malagasy no tena mbola authentique , tsy dia misy déformations apparentes , ary tena mbola mitazona ny maha-zavakanto azy ,raha atao hoe misy ambony sy ambany indray ny art , dia ataoko fa tsy azo ekena izany , tiako ny karazana mozika classique , ny rock , ny rap , ny rnb , fa rehefa tena mitady feo te hampilamina ny eritreritra aho dia aleoko ny feom-mbaliha sy sodina ary atranatrana tendrena eny ambodihazo eny ,fa tsy feona gitara miraraka @ na disto mitatatata tsy hifandrenesana , na gitara basse -batterie tendrena sy kapoana n' importe comment ! raha toa ka misy manana illusion @ fampitahana ny art amerikana na eropena na aziatika ho mandroso kokoa par % @ ny an' malagasy dia diso eritreritra .Resaka decibel handrovitana ny ampongan-tsofin' ny sasany fotsiny ireny . :lol: :lol:
17. muro ( 25/02/2010 11:44)
3188:

tena mampalahelo ny toe-tsain'le gasy sasany aty americ fa tsy te ahalala ny tanana tsony.ohatra 1 ty /mijery clip malagasy ;lazainy fa tsisy dikany @ ndry shakira e! ekeko fa ambony ny american fa na izany aza tsy tokony isika gasy no hifanambany fa samy gasy.mba aona ny hevitrareo


Kaiz! na eto dago na any am-pita tsy mety amiko ny toe-tsaina toy zany.Ny olona tia manaratsy be fahatàny no tena tsy misy atokona .Za aloha gasy e! fier d'étre gasy e! dia tiako ny vita malagasy e!raha isika aza tsy tia ny vitantsika dia iza ndray no antenaintsika ho tia azy eo? Rehefa misy ny tsy mety dia mila miarina na manarina e!désolé ho an'izay tsy mahatanty
18. xxx ( 25/02/2010 15:53)
ka eto misy miseho azy ho amerikana be nefa olona avy any anaty ala ko :-D :-D
19. 3188 ( 25/02/2010 16:50)
hoy i xxxka eto misy miseho azy ho amerikana be nefa olona avy any anaty ala ko [/i] iza no tianao lazaina eto
20. xxx ( 25/02/2010 17:00)
Ianao ka! :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0924