REGARDER VIDEO Mamy Andriamasomanana sur TV5 21 fév 2010

1. vatofototra ( 21/02/2010 13:29)
REGARDER VIDEO Mamy Andriamasomanana sur TV5 21 fév 2010

- Mamy Andriamasomanana est l'invité de Denise Epoté dans son émission bi-mensuelle TV5 ET SI VOUS ME DISIEZ TOUTE LA VERITE ?
- Thème abordé : la sortie de crise malgache à la faveur de l'accord que viennent de signer les trois tendances politiques.

http://www.vatofototra.com/topic1/index.html
novalian'i pikatti ny 24/02/2010 08:09
2. ndotofetsy ( 21/02/2010 17:26)
tsy misy si vous me disiez tout les mensonges angaha

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
3. pikatti ( 22/02/2010 00:04)
Masaka lesy ny kôzin'elah ry Mamy ,ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra,
Tsy ratsy misimisia ny Malagasy mba manipy hevitra hoatran'ireny e, le voalazan'i Pr Radanoara,
Mampalahelo fa ny oppositions any tanàna tsy mba havelan'y HAT hiteny malalaka @ haino aman-jery ,tena hadisoana be anefa io ,sa tena matahotra ny FAT???
4. terrywui ( 22/02/2010 09:14)
vatomifototra a......FILM ===== van damme full contact

tsy mirara ,tsy mirara , tsy mirara :-D :-D :-D :-D
5. terrywui ( 22/02/2010 09:54)
vatofototra dit Patrick RAHARIMANANA ajanony le fandefasana Video n'ny TV PLUS eto raha tsy nahazoana alalana fa "sady tsy azo adika no tsy azo alaintahaka ny fandaharanay ao " tsisy hon hon hon


misaotra anao !!
6. Annie2006 ( 22/02/2010 13:14)
Aleo aloha lazaina fa tsara no sady mazava ny famelabelaran-kevitry Mamy Andriamasomanana.
Mahafinaritra aloha, satria malagasy any andilam-bato no mba sahy miseho sehatra maneho hevitra mazava tsy misy "laingalainga" izay entina hanohanana olona fa kosa maneho ny analyse momba ny tokony hatao ao Madagasikara. Na dia misy aza ny tia sy ny tsi tia, fa ny hevitra narosony aloha dia "argumenté" ary "objectif".

Mahafinaritra koa satria mba miavaka amin'ny resaka mahazatra ny mpanao politika gasy izay tsy menatra ny mandainga na manohana ny hevitra lomorona na hita mibaribary fa mahamenatra.

Mahafinaritra ihany satria tena maromaro ihany ny hevitra mitombina izay nolazainy indrindra fa ny fahafantarana fa nosy iray ihany isika ka voa-eloka hiara-monina, ary koa "afrikana" ka tokony mahay miara-miaina @ afrikana aloha etsetra....

SAINGY...

Ny any tsy dia hitovizako hevitra kosa dia ny hanaovana ny fifidianana solom-bavam-bahoaka alohan'ny fifidianana filoham-pirenena SATRIA, hoy Mamy, hoa ilay vokatrin'ny fifidianana filoham-pirenena dia hanosika ny fifidianana rehetra hirona @ io vokatra io ihany ka tsy hisy ny "contre-pouvoir" izay tadiavina @ tany demokratika.

Hadinon'ny Mamy Andriamasomanana ve fa "ny FIloham-pirenena" mihitsy no hifoteran'ny olana amin'izao ady politika izao?

Na dia misy ny maha rariny ny fanaovana ny coup d'Etat raha mirongatra loatra ny jadona dia tokony hazakazahana ny fifidianana filoham-pirenena mba ahitana izay tena tian'ny vahoaka marina.

Tsy mitombina koa, amiko, ny filazana fa raha misy "filoha lany" eo dia lasa "hirona" any daholo ny solombavam-bahoaka ka lasa tsy misy contre pouvoir. APETRAHO tsara ny rafi-pifidianana, ny CENI (neutre), ny fanaraha-maso ny vola ampiasaina @ propagandy, ny fistipi-dalao mazava, fa ho hitantsika eo fa HIPETRAKA NY EQUILIBRE DE POUVOIR. Tsy ny fisianan'ny "majorité parlementaire" akory no hilazàna fa TSY MISY DEMOKRASIA, fa ny TSY FISIAN'NY fitsipika mazava mifehy ny fifidianana, ny asan'ny andrim-panjakana sy ny solombavam-bahoaka.

Izay no hitako tsy mampitombina ny fanazavan'ny Mamy Andriamasomanana.

Raha feheziko:
- Apetraho ny andrimpanjakana mazava sy tsy momba ny atsy sy momba ny aroa, HANOMANA ny fifidianana.
- Arosoy ny fifidianana filoham-pirenena izay hany fototra mahatonga izao krizy izao
- Apetraho ny fitsipi-dalao mifehy ny fanaovana politika ao Madagasikara ao, ny fitsipika mifehy ny fampiasam-bola @ politika....
- Apetraho ny fitsipika mampiroborobo ny société civile hanara-maso ny fanaoavana politika
- Apetraho ny lalàna handraràna ny miaramila tsy hanao politika ary ny mpanao politika tsy hampialokaloka miaramila

Fa hipetraka ny demokrasia sy ny "quilibre de pouvoir" eto Madagasikara.

Na izany aza dia hisaorana ihany Mamy andriamasomanana naneho ny heviny.
7. AndriambyII ( 22/02/2010 23:00)
Mba aiza i Oay é ?? :?: :?: sa najedak'i rahery tany @ takotakona tany ?? :?:
8. ndotofetsy ( 23/02/2010 21:34)
oay eee

mamo tampona de lasa nana desintoxication

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
9. pikatti ( 24/02/2010 08:09)
Mba aiza i Oay é ??
Tsy elah ihany ve rabilly iny aloha e??? :lol: ary penguin aiza koa ??? Raha ao ihany elah leisy de kôzio leisy bainn a, alefaso mangingina aty fotsiny fa tsisy mivoaka io,okay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.052