nahoana loatra re

1. xxx ( 15/02/2010 14:57)
Ianareo lhl rehefa manambady mba asio peratra ny tanana fa be loatra ny vhv tanora kely voafitakareo!!! :cry: :cry: :cry: rehefa tafiditra lalina indray izy dia be ny mpanenjika hoe mpangala-badin'olona ,nefa ianareo no diso .Ataoko angamba fa raha mijery ny tanana misy peratra izy ireo tsy hiditra aminareo mihitsy.Jamais ianareo manko miteny fa hoe manambady aho :�) :�) :�)
2. Ratoa ( 15/02/2010 19:55)
Tsy ny peratra mihitsy ny olana ry xxx â! Fa ny fahaizan-dry zareo mandambolambo sy manome toky tovovavy kely matetika tsy ampy taona ary tsy manana expérience.
Ny adolescent sy postadolescent mitady izay fanomezan-toky sy fahatokisana izay ary noho izy ireo mbola tanora fanahy sy mihevitra fa madio saina tahaka azy daholo ny rehetra dia tafiditra anaty fitaka be izy matetika. Dia rehefa mifanojo amina lehihahy manambady izy izay tsy mahay manavaka ny lehilahy efa mahafantatra vehivavy sy manambady ary mahalala ny fomba hisarihana zazavavy amin'ny mpitovo, dia mihitsoka . Satria ny azy ny fitiavana matetika voaloham-pitia ka mahery ary koa, noho ny maha adolescent na postadolescent azy dia "sincère" ilay fitiavana.
Ka raha mandroso, maty raibe, hihemotra, maty renibe.
3. xxx ( 16/02/2010 08:37)
za lehilahy no manoratra ! manaiky aho fa parfois mba mampiresaka sipa na manadaladala kely fa za manokana dia miteny alohan'ny hiarahana na hinamanana na ny fifandraisana sy izay mety ho tohiny fa manambady aho ! ary tsy ataoko ambanin-javatra amiko ny vady aman-janako ! mazava izay !! ary za anefa tsy manao peratra; ny antony ?? mbola tsy vita mariazy tany ampiangonana izahay mivady fa vita soratra ara-dalana ! ka izay no antony tsy hanaovako peratra ! ny hany teniko amintsika lehl dia ny we : aza mamitaka vhv zany ! aleo mitsotra ny marina !
4. rakapy ( 16/02/2010 09:41)
Hoy xxx1
anareo lhl rehefa manambady mba asio peratra ny tanana fa be loatra ny vhv tanora kely voafitakareo!!! rehefa tafiditra lalina indray izy dia be ny mpanenjika hoe mpangala-badin'olona ,nefa ianareo no diso .Ataoko angamba fa raha mijery ny tanana misy peratra izy ireo tsy hiditra aminareo mihitsy.Jamais ianareo manko miteny fa hoe manambady aho

Nahoana kosa ary ny tovovavy tanora kely no voafitaka? Nahoana ary izy ireny no tia iharaka sy manaiky adalain'ny @ lhl efa hita fa zokiny lavitra nefa ny tovolahy tanorakely sahaza azy maro?

Mety tsy dia ilay peratra loatra angamba no olana na vahaolana fa ny fampahafantara sy faitaizana ary ny fampianarana ny tanora mba tsy ho matin-drendrarendra.

Matetika mantsy io rendrarendra sy fitia te ho ambony na hitovy @ namany izay mitovitovy taona sy mpiara-mianatra aminy io no maharoboka ny ankizivavy @ lhl tsy sahaza azy. Ifanenjehana ny lhl manan-bola sy anton'asa. Nefa mazana izy ireny dia efa lasan'olona.

Eto dia ny roa tonta( ankizivavy sy lhl) dia samy tompon'andraikitra @ zavatra ataony.
-Ny lhl efa manam-bady dia tokony hanaja ny tenany sy ny tokan-tranony.
-Ireo ankizivavavy mbola tanora kely kosa dia tsy tokony ho matin-drendrarendra.
5. navigo ( 16/02/2010 11:31)
fiainana dôly zany fa samy tokony hitandrina fotsiny mba tsy hisian'ny problema , satria sarotra ihany ny miala @ fakampanahy indraindray!! LOL
6. ni81 ( 16/02/2010 20:45)
sarotra ihany ny miala @ fakampanahy indraindray!! LOL
tena marina mihitsy
7. ikaretsaka ( 17/02/2010 00:52)
ka na lehilahy na vevavy koa ange raha misy peratra vo nesorina ange misy diditra foana eo @ ratsatanana eo e

fa nen-drakapy ity no hitako fa mitombina
Mety tsy dia ilay peratra loatra angamba no olana na vahaolana fa ny fampahafantara sy faitaizana ary ny fampianarana ny tanora mba tsy ho matin-drendrarendra.

Matetika mantsy io rendrarendra sy fitia te ho ambony na hitovy @ namany izay mitovitovy taona sy mpiara-mianatra aminy io no maharoboka ny ankizivavy @ lhl tsy sahaza azy. Ifanenjehana ny lhl manan-bola sy anton'asa. Nefa mazana izy ireny dia efa lasan'olona.
Eto dia ny roa tonta( ankizivavy sy lhl) dia samy tompon'andraikitra @ zavatra ataony.
-Ny lhl efa manam-bady dia tokony hanaja ny tenany sy ny tokan-tranony.
-Ireo ankizivavavy mbola tanora kely kosa dia tsy tokony ho matin-drendrarendra.
8. soanja ( 17/02/2010 06:28)
Ny ahy aloha dia tsotra.

Aza mora miantsampitsampy amin'ny hazo tsy fantatra fa izay efa nodinihinao ihany no iakarana hakana voany. Omeo fotoana ny tenanao handalina ilay olona. Io dia tena fitiavan-tena faratampony tsara indrindra atolotrao ny tenanao ary ny ho avy ny taranakao!
9. muro ( 17/02/2010 09:09)
Kaiz!
Tsy ny peratra no blem fa ianareo vhv mintsy no maika hanome fitiavana b, hany ka lasa mijabaka anjambany fotsiny, tokony mandinika tsara aloha ary manadihady fa tsy vao mahita kôfa mlay d misarangotra b!
10. Mirananirina ( 17/02/2010 11:29)
za lehilahy no manoratra ! manaiky aho fa parfois mba mampiresaka sipa na manadaladala kely fa za manokana dia miteny alohan'ny hiarahana na hinamanana na ny fifandraisana sy izay mety ho tohiny fa manambady aho ! ary tsy ataoko ambanin-javatra amiko ny vady aman-janako
=D> =D> =D> izay mihitsy no tokony hatao,dia asakasaka izay vhv miditra,satria misy ny tia io.
Nahoana ary izy ireny no tia iharaka sy manaiky adalain'ny @ lhl efa hita fa zokiny lavitra nefa ny tovolahy tanorakely sahaza azy maro
betsaka koa ny lhl tanora kely ,nefa manambady miteraka ary betsaka izy ireo.
Fa ny fahaizan-dry zareo mandambolambo sy manome toky tovovavy kely matetika tsy ampy taona ary tsy manana expérience
tena izany mihitsy no izy ary tena mahay manafina be mihitsy ry zalahy.
Aza mora miantsampitsampy amin'ny hazo tsy fantatra fa izay efa nodinihinao ihany no iakarana hakana voany. Omeo fotoana ny tenanao handalina ilay olona. Io dia tena fitiavan-tena faratampony tsara indrindra atolotrao ny tenanao ary ny ho avy ny taranakao!
alohan'ny iarahana amin'ny lhl izany dia mila fantarina aloha ny ray aman-dreniny,ny asany,ny momba azy rehetra vao miditra??Ataoko angamba fa vitsy ny manao izany hoe manadihady vao miditra,raha manadihady aza ianao tsy afaka hanontany ny raiaman-dreniny mihitsy hoe manambady ve io?fa ny namany angamba azonao anontaniana ,nefa izy ireo matetika tsy manome valiny mahafapo.
11. Ratoa ( 17/02/2010 13:18)
Ny ahy, tsy ny peratra na ny taona na ny harena no olana, fa ilay teny sy fietsika mamitaka. Mety hisy lehilahy lehibe tsy manambady na tsy manana intsony noho ny antony maro samihafa, ary mila sy mitady vady amin'ny fo madio. Tsy heloka izany. Tsyheloka ny taona sy ny harena. tsy heloka koa ny manambady lehilahy lehibe. Taloha izany mihitsy ny mazàna miseho: zokin-dramatoa folo taona en moyenne i rangahy. izany hono no mpivady mpifanentana ara-tsaina; satria hono ny vehivavy vetovety dia matotsaina. Fa ilay fitaka mihitsy no tsy izy.
Tsy hoe alohan'ny hiarahana fa eo ampiarahana no manadiady, olona vao mifanena ve dia tonga dia anontaniana hoe "manambady ve ianao?" Rehefa hita fa misy zavatra manomboka mitsimoka, izay vao mba manadiady kosa ka!
12. xxx ( 17/02/2010 14:27)
izao manko no nahavofitaka andrazazavavy
nilaza ranga fa tsy manam-bady amanjanaka,ny namany anontaniana manamafy,tsy misy fianakams eto France fa mbola mianatra eto ilay ranga kely.Tafiditra ary razazavavy satria libre izy afaka miaraka isan'andro.Efa 2 tona taty aoriana vao nisy nanasoketa hoe kala mpangalabadin'olona ity,vao gaga.diso ve i Kala hoy ianareo,izy aza tsy nahalala nefa manenjika azy daholo ny olona amin'izao.
13. ikaretsaka ( 17/02/2010 19:51)
Amiko tokony nanadihady araka ny voalazan'i soanja aloha le kala... ary tsy voatery ho ny kala ihany no victime an'io fa na. Bandy koa aza rehefa mahay mampiresaka ny ankilany
14. soanja ( 17/02/2010 22:58)
Misy fiteny Malagasy izay hoe:" Ny hanongonongoana ny maty dia ny tahotra ny handevim-belona." Fa saingy efa nanao izay mety ianao nefa tsy mbola nisy ny fitaka dia atao akory fa naman'ny vintan-dratsy ihany iny no nipaoka. Aza kivy e! Mbola be ny anjara. " Indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe?" mbola be ny tsy manambady ary mbola betsaka ny tsy mpamitaka. Aza manahy. Hadihadio foana amin'izay amin'ny manaraka tsy hisian'ny toy iny intsony.

Izay olona mpanaratsy olona koa anie ka tsy lany amin'ity fiainana ity. Raha misy milaza hoe ianao mpangalabadin'olona dia tsory aminy fotsiny fa tsy misy anenenana ny raharaha, ny anareo no ratsy loha hoe satria mpamitakolona. Aza avela poizin'izany olona izany ny sainao! :-* :-* :-*
15. Mirananirina ( 18/02/2010 10:45)
Mafy ihany kosa aloha raha sendra ny tsy fidiny eh!Betsaka loatra ny lhl mandainga ankehitriny milaza fa tsy manambady ,nefa manana.Ny vhv koa izao efa manomboka :wink:
16. xxx ( 18/02/2010 16:44)
za ndray mihevitra fa tsy ny tanora kely ihany no voafitaka fa izay tia dia adala e,
Rehefa tratra dia tsy mahalala na inona na inona na dia tenenina izao aza hoe tsy mety satria manambady ilay olona , entin'ny fo be loatra dia tsy voasakan'ny saina ilay izy
17. ikaretsaka ( 18/02/2010 17:41)
tsy lehilahy ihany io nany vehivavy ihany.. fa samy manao rehefa misy interet
18. xxx ( 18/02/2010 19:05)
ha!ha! zay ary lay resaka interet! dia inona anefa aloha no interet amzany nefa tot ou tard!tsy maintsy hivoaka ny verité! .tsorina aloha fa ny ankabeazan'ny sipa kely na seule tsy manambady koa! dia raha vao misy azahoandriràna kely na adala io na hendry dia hidirana daholy.ka samia milanja ny vokany e.
19. xxx ( 18/02/2010 19:43)
ka na vehivavy koa aza moa no manao izany! inona no tokony ho olàna! efa mitovy zo daholo izao fa tsy misy ambony sy ambany izany.
20. soanja ( 19/02/2010 02:28)
Ny tena izy dia mila mandalina lavidavitra kokoa ny antsoina hoe soatoavina amin'ny ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy ny tanora tsy ankanavaka satria io no tena tsy ampy tokoa tamin'ny fitaizana antsika taloha fa vitan'ny levilevy sy fibedesana ary fanambaniana ny saina no betsaka. Hadino sy very mihitsy ny atao hoe fitiavan-tena maharitra raha vao resaka fitiavana no resahina.
Heverina fa voa foana izay nialana. Tsia, raiso ho toy ny lesona iny, raha tsy nisy an'iny ianao mety tsy nahalala izay atao hoe fiarahana/ fitiavana ohatra. Ka na hisy hiteny hoe ianao mangalatra vadinolona dia teneno moramora izy hoe nahafinaritra be ilay fotoana niarahana tao saingy tsy anjara ny amin'iny. Mivadika indray ny pejy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5379