nahoana loatra re

21. xxx ( 19/02/2010 22:08)
zà indray hoy ianareo dia nahatsikaritra fa tsy nanao ny alliance-ny intsony ny vadiko! dia nanontaniako ampilaminana be mintsy izy oe! fa aiza ny peratrao? dia hoy izy oe! lasa tery dia nesoriko,fa andeha ampanamboariko!efa 1ans mahery kely eo angamba izay.dia inona ary no nataoko fa dia mba nohesoriko koa ny ahy!nisy nahatsikaritra ary ny tanako fa tsy nisy alliance intsony, satria zà miaraka miasa amina olona bedia be.misy ny manontany oe nisaraka tmin'ny vadinao angaha ianao sns..dia sady tsy mamaly oui zà na non,satria azoko antsaina fa il fait pareille.nisesy amizay re zao fikaotiana izao ka dia tena ni amuseé ahy tokoa.ka izay oa! zay ataony aminao dia mba valiana toy izay koa.
22. xxx ( 19/02/2010 22:14)
marina mihitsy io ambony io avereno aminy ny famerim-bolany :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
23. Mirananirina ( 20/02/2010 09:58)
zà indray hoy ianareo dia nahatsikaritra fa tsy nanao ny alliance-ny intsony ny vadiko! dia nanontaniako ampilaminana be mintsy izy oe! fa aiza ny peratrao? dia hoy izy oe! lasa tery dia nesoriko,fa andeha ampanamboariko!efa 1ans mahery kely eo angamba izay.dia inona ary no nataoko fa dia mba nohesoriko koa ny ahy!nisy nahatsikaritra ary ny tanako fa tsy nisy alliance intsony, satria zà miaraka miasa amina olona bedia be.misy ny manontany oe nisaraka tmin'ny vadinao angaha ianao sns..dia sady tsy mamaly oui zà na non,satria azoko antsaina fa il fait pareille.nisesy amizay re zao fikaotiana izao ka dia tena ni amuseé ahy tokoa.ka izay oa! zay ataony aminao dia mba valiana toy izay koa.
marina mihitsy io ambony io avereno aminy ny famerim-bolany
ka izany mihitsy hoa,betsaka mihitsy ny lhl no manala ny peratra mariaziny rehefa aty aoriana asa ,leo ve sa mbola te hikoty sipa ...tsy mahazaka kosa aloha raha vao misy peratra ny tanana eh!Enao ary efa manambady koa mbola hikoty ana....dia aleo esorina.......hihihi
24. soanja ( 20/02/2010 16:28)
Mirananirina:

Resaka PERATRA ve no olanareo? Marivo be zany! Na hiperatra na tsy hiperatra ny olona iray rehefa tapakevitra ny sainy dia hanao izay ataony izy. Anjaranao no mikaroka ny momba ilay olona fa tsy ny peratra no ametrahana ny fitokisana rehetra, ny momba anareo sy ny ho avy!

25. xxx ( 20/02/2010 20:20)
soanja! mba fantarao ve aloha ny tena signification'ilay atao oe peratra? tsy natsofitsofika fahatany angamba izy io, fa niarahana nifanékéna sns..ka raha hoy ianao hoe marivo be lay resaka peratra!dia hitako koa oe ambany be ny tsy mba hanomezana fanazavana sincère @ vadinao ny antony tsy hitondranao azy intsony.
26. ikaretsaka ( 20/02/2010 21:15)
Fa tsy ny peratra no nifanekena fa ny fifanajana mariazy...ka na peratra no natsofoka. Io na ecrou na inona rehefa Ny saina sy ny toky no tsy hajaina de any foana.
Ko na hanao peratra firy kilao izy fa hanitsakitsaka ny tokatranony...hisy lanjany inona ilay peratra?
27. soanja ( 20/02/2010 21:36)
xxx:

soanja! mba fantarao ve aloha ny tena signification'ilay atao oe peratra? tsy natsofitsofika fahatany angamba izy io, fa niarahana nifanékéna sns..ka raha hoy ianao hoe marivo be lay resaka peratra!dia hitako koa oe ambany be ny tsy mba hanomezana fanazavana sincère @ vadinao ny antony tsy hitondranao azy intsony.

Ilay marivo be tiako resahina dia ny fanalana ilay peratra any aminao satria izay no heverinao fa hampiodina ilay tokatrano sy hampaharitra azy ve? Mahavariana izany!

Satria ve tsy nitondra peratra efa ho iray taona izy dia nanala ny anao ianao???? Ka naninona raha mba niteny taminy ianao hoe "ndeha ary fa hampanamboariko ilay izy sao mbola sahirana ianao" toy izay hiandry azy hanao step nefa ny handefa eritreritra lavitra sy manimba ny tokatrano, dia hita eo izay havaliny. Dia mitohy ny resaka. Fa tsy hoe ndeha esoriko koa ny ahy satria.... aiza koa zany ilay fifanomezan-toky tamin'ny andron'ny mariazy hoe na amin'ny mora na amin'ny sarotra!!!!

Ny peratra amiko dia tsy dia zavadehibe loatra. Indraindray aho manao, indraindray aho tsy manao. Tsy important amiko koa na manao ny azy ny vadiko na tsia. Resaka commercial ireny amiko. Tsy iny no iankinan'ny tokatrano velively. Ny hany fantatro dia atokisako ny vadiko satria FANTATRO IZY.

Ny fikotina olona lavareny amiko dia toetsaina ambany tokoa, ny famelana ny tenanao hatao izany matetika ka ahazoana hafaliana nefa olona manambady dia dia heveriko fa mirefarefa ihany koa. Ny fihetsika atao ety ivelany no mahatonga ny olona iray hirona hanao fihetsika tsy mendrika amin'ny hafa matetika! Fa raha fantany fa mendrika ianao dia tsy hisaina izany akory izy fa hanaja anao. Io ilay soatoavina resahiko amin'ny tanora indrindra ny ankizivavy.

Efa nisy sipakely izay nandalo teto indray mandeha dia nanontany hoe:" ahoana ary no atao hialana amin'ny fikotiana lavareny." Mora ny valiny MASO A MASO ny fihetsika tsy mitsiky,TSIA, STOP!no feo mivoaka! Hajao ny tenanao! Miana-desona ilay lehilahy moa ilay vehivavy manana hery mazava miaro ny tenany amin'ny feo hentitra sy mazava!

Fantaro ny vadinao dia milamina ianao ka na hisy peratra na tsy hisy tsy any ny olana.

28. xxx ( 20/02/2010 23:10)
ka izay indrindra no nahatonga ilay fitenenana oe! moramora ny mitsara rehefa tsy ianao no eo @ toeran'ny hafa! ny anao izany tonga lafatra be ka dia tant mieux pour toi! ary raha milaza ianao fa FANTATRAO NY VADINAO§ dia tena lainga be sy resaka tiana hatao ny anao,satria tsy misy olona mahafantatra ny tenany hafa tsy ny tenany.
29. soanja ( 20/02/2010 23:22)
xxx:

Tsy misy olona mahafantatra ny tenany hafa tsy ny tenany.

Afaka fantarinao tsara ny vadinao raha te hahalala azy ianao, ka hainao ny mifampiresaka manoloana izany. Misy fomba entina fanaovana izany fa tsy vitan'ny sendotra sy valifaty akory. Andramo anie raha tianao ny tokatranonao!

30. Mirananirina ( 22/02/2010 13:28)
Resaka PERATRA ve no olanareo? Marivo be zany! Na hiperatra na tsy hiperatra ny olona iray rehefa tapakevitra ny sainy dia hanao izay ataony izy. Anjaranao no mikaroka ny momba ilay olona fa tsy ny peratra no ametrahana ny fitokisana rehetra, ny momba anareo sy ny ho avy!
dray dray...raha tanana manao peratra kosa aloha betsaka ny tsy hahazoana sipa satria midiridiry eo fa manambady ilay olona,fa asakasak'izay mbola sahy miditra ihany avy eo.
Ko na hanao peratra firy kilao izy fa hanitsakitsaka ny tokatranony...hisy lanjany inona ilay peratra?
ny olona tamin'ity tantara ity anie dia ny tsy fahafantaran'ilay sipa fa manambady ilay bandy ehka raha nisy peratra ny tanany tsary niditra kala.
31. rakapy ( 22/02/2010 13:56)
I Tiger wood ohatra iray. Tsy nisy tsy mahalala ireo vhv niaraka taminy fa manam-bady aman-janaka izy fa eeee! lasa ihany
32. soanja ( 22/02/2010 15:14)
Mirananirina:

Resaka PERATRA ve no olanareo? Marivo be zany! Na hiperatra na tsy hiperatra ny olona iray rehefa tapakevitra ny sainy dia hanao izay ataony izy. Anjaranao no mikaroka ny momba ilay olona fa tsy ny peratra no ametrahana ny fitokisana rehetra, ny momba anareo sy ny ho avy!
dray dray...raha tanana manao peratra kosa aloha betsaka ny tsy hahazoana sipa satria midiridiry eo fa manambady ilay olona,fa asakasak'izay mbola sahy miditra ihany avy eo.
Ko na hanao peratra firy kilao izy fa hanitsakitsaka ny tokatranony...hisy lanjany inona ilay peratra?
ny olona tamin'ity tantara ity anie dia ny tsy fahafantaran'ilay sipa fa manambady ilay bandy ehka raha nisy peratra ny tanany tsary niditra kala.

Marina tokoa izany ry Miranirina. Raha toa ka miperatra ny lehilahy iray dia fantatra fa manambady izy. Ary aoka ny zatovovavy hijery tsara an'iny sy hanaja an'iny. Izay no faniriantsika saingy tsy voatery ho izay no zavamisy fa na miperatra aza ny lehilahy iray dia ka hisy vehivavy iray tia azy dia hiaraka ireo, satria tsy iny peratra iny akory no hahasakana izany. Zavamisy zany ao Mada fa tsy eritreritra fotsiny.

Ny tiako ambara ery ambony hoe peratra ve ny olanareo kosa dia ho an'ny vehivavy manambady. Efa mazava moa ny an'i xxx manambady fa izay ny tiany atao dia tsy manahy, fa ny hevitro kosa dia hiteny hoe raha sanatria ve ka bory ny rantsan-tanan'ny vadinao ka tsy afaka hanao peratra izy na hoe very ny peratra dia tsy afaka hividy intsony aloha ny fianakaviana fa sahirana dia izay ve no ndeha koa hanariako ny peratro eny amiko satria manombok'izay dia mba hitovy ny zavamisy eo aminay ary avelako ny tenako hokotian'olona amin'izay satria tsy misy azoko atao satria tsy miperatra ny vadiko? Tsy izay angamba fa mbola lalina noho izay ilay olana ao saingy tsy voatery ho fantantsika daholo izany. Tsy iny peratra iny no olana akory.

Ny valifaty dia tsy mba isan'ny hitondra filaminana amin'ny tokatrano velively. Ny fifampiresahana kosa ahalalana ny marina sy izay tokony atao manoloana ny zavamisy dia tena hitondra amin'ny fitiavana lalindalina kokoa aza raha sanatria tojo olana ny fiaina-tokatrano. Fantaro lalindalina ny zavamisy! Izay no tiako hambara tamin'iny fa ialako tsiny raha toa ka nanohina olona ny teniko hoe " marivo".

33. xxx ( 22/02/2010 17:58)
mirananirina! nahatsikaritra aho eto @ ity dinika ity fa mitovy hevitra itsika sy ianao.izaho koa dia manambady ary tsy afaka hiteny na oviana na oviana ny tenako fa mahafantatra tanteraka ny vadiko!izy no tompon'ny cervaeux-ny fa tsy izaho ka na hiteny amiko aza izy hoe ROSE nefa NOIR no anaty sainy dia ataoko angamba fa tsy hi-existe mihintsy izany hoe "fantatro ny vadiko".
34. soanja ( 23/02/2010 05:12)
Mety tsy hi-existe aminao tokoa izany ry xxx satria ianao mety tsy mahatoky ny vadinao fa rehefa tafiditra lalina sy miaina ao anaty fifampitokisana ianareo roa ary efa ela niara niaina dia ahita fa na fihetsiky ny maso/ny hozatry ny tarehy, na feo mivoaka na ny hevitra hiseho manoloana zavamisy/ mitranga iray dia azonao tokoa haminavinana ny ao am-pony ao sy izay mety hataony manaraka. Ka rehefa miverimberina io faminavinana io ka mitombina ny tsapanao hisy ka ataony dia hevero fa fantatrao izy satria izay no atao " fahafantarana ny vady"

Miankina amin'izay olona vadiana io fa tsy voatery ny rehetra afaka hahafantatra ny vadiny avokoa. Misy lehilahy be afinafina ary misy vehivavy be hevi-diso ka manelingelina ny vadiny sy manimba ny fitoniany. Raha ireo roa ireo fotsiny no horesahiko ohatra no tafaray dia tsy ahita mangirana izay fahafantarana vady ny tsirairay fa hikontringa ny fiainan-tokatrano ka zary hisy ny hijaly mangina na hanaonao foana any ambadika any.

35. Mirananirina ( 23/02/2010 08:36)
Tiger wood ohatra iray. Tsy nisy tsy mahalala ireo vhv niaraka taminy fa manam-bady aman-janaka izy fa eeee! lasa ihany
ireo indray dia efa fiainana no tadiaviny,efa hita fa manambady ve mbola hidirana ihany :( dia azy ny azy.
mirananirina! nahatsikaritra aho eto @ ity dinika ity fa mitovy hevitra itsika sy ianao.izaho koa dia manambady ary tsy afaka hiteny na oviana na oviana ny tenako fa mahafantatra tanteraka ny vadiko!izy no tompon'ny cervaeux-ny fa tsy izaho ka na hiteny amiko aza izy hoe ROSE nefa NOIR no anaty sainy dia ataoko angamba fa tsy hi-existe mihintsy izany hoe "fantatro ny vadiko
tsy ny vadinao ihany ny olombelona tsirairay.tsy misy mahalala izay tena ao andohany sy ao ampony.Mahagaga tokoa,ny fihetsika sy ny fiteny ary ny fomba fanao dia mihaiky aho fa fantatra.
miaina ao anaty fifampitokisana ianareo roa
misy tokoa ny fifampitokisana eo amin'ny mpivady...nefa nahoana no mbola misy ihany ny ady sns.....,raha matoky ny vadiko aho ohatra dia sur ve aho fa tsy mampirafy izy any hoany???Asa tsy fantatra izany,fa raha misy olona matoky na tsy miraharaha tsy misy ohatra ahy angamba,na mody alina na amin'ny firy....tsy misy dikany amiko,raha maneno ny tel..maika be izy handray azy..nefa ny azy tsy raisiko mandrakizay na manao bain aza izy...satria matoky azy aho.Dia midika ve fa haiko tanteraka ny ataony any ivelany any.
36. xxx ( 23/02/2010 21:26)
izay indrindra mantsy! fa ato mantsy ny zavatra tsikaritra dia morale no tena be dia be fa tsy misy compréhension mihintsy, na hoan'ilay mitaraina na hoan'ilay diso. fa toa lasa srmone lavarano be fotsiny le izy indraindray.
37. xxx ( 23/02/2010 21:48)
izay indrindra mantsy! fa ato mantsy ny zavatra tsikaritra dia morale no tena be dia be fa tsy misy compréhension mihintsy, na hoan'ilay mitaraina na hoan'ilay diso. fa toa lasa srmone lavarano be fotsiny le izy indraindray.
fa tokony iza hoy ianao ary no omena rariny eto e! mba somary omeo hoe ny hevitrao!
38. xxx ( 23/02/2010 22:21)
sao dia ianareo efa kalaza lahy sy vavy ato @ ity serasera ity ary no tena tiana ho resahina eto e!raha ny hevitro no tadiavinao dia izao fotsiny! tsy misy olombelona tanteraka eto ambonin'ity tany ity!ary izaho tsy genren'olona mpanao torinteny diso lava aman'olona koa.ka izay! mba miezaha manao neutre foana rehefa angatahin'olona hevitra .misaotra.
39. soanja ( 24/02/2010 07:36)
Mirananirina:

misy tokoa ny fifampitokisana eo amin'ny mpivady...nefa nahoana no mbola misy ihany ny ady sns.....Bold text,raha matoky ny vadiko aho ohatra dia sur ve aho fa tsy mampirafy izy any hoany???Asa tsy fantatra izany,fa raha misy olona matoky na tsy miraharaha tsy misy ohatra ahy angamba,na mody alina na amin'ny firy....tsy misy dikany amiko,raha maneno ny tel..maika be izy handray azy..nefa ny azy tsy raisiko mandrakizay na manao bain aza izy...satria matoky azy aho.Dia midika ve fa haiko tanteraka ny ataony any ivelany any.

Miankina ny antsoina hoe " ady" eo amin'ny sehatry ny tokatrano. Ny mifamaly ve antsoina hoe ady? sa ny samy tezitra? sa ahoana?

Isan-karazany ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpivady saingy tsy voatery antsoina hoe " ady" izany. Fa raha misy ny ady amiko dia afaka hilaza fa mety mpifahavalo ny roa tonta saingy amin'ny sehatra hafa no fisehony.

Isan'ny zavatra iray mampifamaly ny mpivady izao dia ny fitadiavana laharam-pahamehana eo amin'ny tokatrano. Samy milaza ny heviny eo, ao no somary sendotra satria tsy heno ny fitakiana, ao ny mahatsiaro miafy fa misy mibahana. Ohatra raisiko dia ny hoe te hividy fakantsary lafo vidy ramose nefa madama te hampiasa ilay vola hanaovana vacances. Dia samy mamoaka ny heviny eo. Ao anatin'io fifamaliana io ny fifampitokisana saingy eo amin'io fifamaliana io koa ny fifankafantarana hoe iza no tena manana hevitra mafonja mahatsara ny tokatrano sns sns... Ny tiako hambara dia afaka " miady" raha izay no fiteny azy ny mpivady iray mifampatoky fa tsy voatery hisy tahotra hisaraka na hoe tsy hanana ilay iray fa ho lasan'ny hafa ilay iray sns sns... rehefa io no misy dia tsy mifampatoky no anarany. Ny tahotra no mitondra ny tsy fifampitokisana.

Ny hoe fantatrao ve izay ataony any ivelany any dia raha mitantara aminao ny ataony izy ka mino azy ianao dia fantatrao zany no ataony. Raha tsy mitantara izy dia manontany ianao dia izay lazainy inoanao. Fa raha tsy mino azy ianao dia izay no atao hoe tsy mahatoky, noho izany tsy fantatrao izy satria anjambany ny fiheveranao izay ataony any! Ny teny no ifampitokisana ary arahin'asa avy amin'ny tsirairay izay teny izay! Io no atao hoe fifankatiavana!

Ilay hay tanteraka aloha tsy azoko tsara, inona avy moa no tena ilako hahafantarana 100% ny ataon'ny iray? Ny fahafantarako fa lasa niasa izy ary mikaroka izay mahasoa ny fianakaviana dia efa ampy ahy, fa raha hitady zavatra mihoatra noho izay dia filana kisa no fahitako izany satria sembanan'ny tahotra be loatra!

40. Mirananirina ( 24/02/2010 12:26)
Ilay hay tanteraka aloha tsy azoko tsara, inona avy moa no tena ilako hahafantarana 100% ny ataon'ny iray? Ny fahafantarako fa lasa niasa izy ary mikaroka izay mahasoa ny fianakaviana dia efa ampy ahy, fa raha hitady zavatra mihoatra noho izay dia filana kisa no fahitako izany satria sembanan'ny tahotra be loatra
zay mihitsy no tena izy.
Marina tokoa izany ry Miranirina. Raha toa ka miperatra ny lehilahy iray dia fantatra fa manambady izy. Ary aoka ny zatovovavy hijery tsara an'iny sy hanaja an'iny
amiko io tena important..satria tamin'ny fahatanorako dia mieritreritra aho fa tsy manambady ity ol ity ka miditra aho,..nefa loza fa efa voafitaka in-1 koa aho.ka raha misy manadala ahy ka fantatro hoe manambady dia mahazo vava maharary mihitsy.(taminy mbola tsy nanambady aho an)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4157