ramanonaka

1. Ratoa ( 14/02/2010 00:31)
te hin nana ramanonaka ity izaho anefa tsy manana lasitra (moule). Nataoko ary ny pâte ka nahidiko anaty lasitra fanaovana muffin efa nafanaina sy nasiana menaka ny vodiny.
Nahiditra anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ambesana tsara ny fahamasahany dia avadika. Miandry kely roa na telo minitra: vonona ary ny ramanonaka. Tandremo tsy ho maina loatra.
novalian'i Ratoa ny 03/11/2010 00:02
2. diamondra27 ( 16/02/2010 07:50)
saotra akia fa mba omeo le ingredient hoe raha azo atao dia mba omeo fatrany
dia firy degre ny four :-* :-*
3. Ratoa ( 18/02/2010 21:26)
saotra akia fa mba omeo le ingredient hoe raha azo atao dia mba omeo fatrany
jereo ny siten'i lemurbaby

afanaina aloha ny four dia avy eo ato afo malefaka. Ny ahy gradué de 1à 12 dia préchauffé 6, manamasaka 4 raha vao nahiditra lafôro ny lasitra. (7 no fanamasahako cake)
4. soanja ( 21/02/2010 14:25)
Ratoa:

jereo ny siten'i lemurbaby




Misaotra nanome io site io fa izay aho vao afakandro hahandro sakafo malagasy maro.


:-* :-*
5. ikaretsaka ( 27/02/2010 15:44)
soanja> ary mba atsipazo aty fa aza mihinandrery
6. pikatti ( 01/03/2010 21:16)
Sali Ratoa ,
Ty mba nolazain'ny akamantsika
http://razafimalala.free.fr/Recette/ramanonaka.htm
:-* :-*
7. Ratoa ( 01/03/2010 23:22)
slt pikatti
efafantatro io ka,
fa izaho tsy manana lasitra dia nandramako ny lafaoro mandeha gaz, dia nety dia nambaro teto hoe raha manina ny any aminay dia azo atao ny mahandro ramanonaka anaty lafaoro é! Tena manambaka ny vita amin'ny lasitra mihitsy, saingy ambenana dia ambenana
8. soanja ( 03/03/2010 03:32)
ikaretsaka:

soanja> ary mba atsipazo aty fa aza mihinandrery


Tsy mbola nanandrana ramanonaka aho fa ny mofogasy no efa vitan-drams milailay be. Rehefa mandalo akaiky tanana dia mivilia fa amin'izay angamba vao afaka mizara izay ato. Ireny koban-dravina na mofo "fatin-jaza" hozy ry zareo mpilaza azy ireny no tena tsy afako loatra. Asa na iza no mahay an'ireny?


9. Ratoa ( 03/03/2010 22:51)
manana recette aho fa saingy kamo be fa efa te hatory! hihihihihiihi!
10. Lejoba ( 15/10/2010 12:16)
Soanja> natao t@ lafaoro koa ve ilay mofogasy? Jereo ao anaty lemurbaby ihany fa misy io fanaovana koba "razana" io koa.
Ny indro keliny : 24 h vao masaka ny azy, sady tsy natory mihitsy izy satria toa nataony bain marie dia mila nanampy rano foana ilay olona.
Asa ny any Mada raha adiny firy
11. Ratoa ( 03/11/2010 00:02)
ny any Mada telo andro vao masaka satria lava be dia barika be no andrahoany azy. Izy anie azo vonoina ny afo dia mandeha matory. Ny mpanao koba anie ka matory.
Totoy ho vainga-baingana (concassé) ny voanjo efa nedasina.
manaova caramel tsy antitra laotra
Arotsahy ao ilay vonjo (concassé) asio tantely kely araka izay tianao
avelao ho matimaty azo raisina.
Ararao somary lavala anaty torchon madio sy lena (tsy manorika ny rano), volavolao ho lavalava (boudin)
Manaova pâte : koka ° rano + siramamy kely, tsy dia mandranoka loatra.
Ataovy anaty moule à cake efa misy papier sufurisé na aluminium ny atsasaky ny koba.
Apetraho ilay boudin dia sarony koba dia ataovy bain amrie amin'nizay.
Azo atao anaty lafaoro ny bain-marie.

mazotoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088