ca(z)iman la memy sozy=voay

1. diamondra27 ( 09/02/2010 07:08)
sendra mba nandehandeha teny ho eny aho ary nahatsikaritra fa any amin'ireny zoo ireny dia ahitana toerana misy voay, dia lasa ny saiko hoe: maninona aza misy vola madinika ao amin'ilayrano ipetrahan'ilay voay. Raha resaka finoana dia inona no inoana amin'izany ary inona no antenaina.
Rahaohatra ka efa ela no ni-existe io parc zoo io dia efa vola be dia be izany no azo tao, ka hoy ahohoe ilay vola atsipin'olona ao ve tsy ilay mpikarakara azy no maka azy dia ahoana ny fipetrak'ilay finoana @izay fotoana izay?
Tsy zoo 1 ihany no nisy io fa maromaro ary tsy honohono an!

2. remahity ( 09/02/2010 12:18)
essayer de bien recadrer ton histoire ma choupette, ça se passe où your story, aia le toera misy an'io, sinon we can't respond you like this

laha tsy hoe angamba tsy teanao hambara olo le raha, satria iha kea mitadia halaka an'le parata akao
3. soanja ( 09/02/2010 13:46)
diamondra27:

sendra mba nandehandeha teny ho eny aho ary nahatsikaritra fa any amin'ireny zoo ireny dia ahitana toerana misy voay, dia lasa ny saiko hoe: maninona aza misy vola madinika ao amin'ilayrano ipetrahan'ilay voay. Raha resaka finoana dia inona no inoana amin'izany ary inona no antenaina.
Rahaohatra ka efa ela no ni-existe io parc zoo io dia efa vola be dia be izany no azo tao, ka hoy ahohoe ilay vola atsipin'olona ao ve tsy ilay mpikarakara azy no maka azy dia ahoana ny fipetrak'ilay finoana @izay fotoana izay?
Tsy zoo 1 ihany no nisy io fa maromaro ary tsy honohono an!




Aty feno an'ireny mihitsy ry Diam, zany hoe raha vao misy rano miboiboika dia misy manipy vola foana ao anatiny. Tsy ilay izy misy voay akory fa ilay rano miboiboika no anaovany izany. Finoana tokoa io. Matetika dia sakaina tao ireo vola ireo rehefa feno dia lasan'ilay orinasa na ny olona tompon'ilay toerana/rano. Tsy dia olan'ny mpanipy vola izay matetika fa ny azy dia toy ny mivavaka io mihitsy, atolotra an'Andriamanitra ny vola rakitra fa tsy ho an-dry mopera na ny hafa maro samihafa hanasoavana ny zavamisy eo. Dia izay alehan'iny indray tsy azy intsony fa ny azy dia ny fanolorana sy fangatahana no iriny ary nataony.


4. Mirananirina ( 09/02/2010 14:50)
tsy any amitsika ihany io fa misy firenena hafa koa manao izany,fa tsy rano misy voay fa rano fotsiny.Tsy tsaroako na Farafangana na Vangaindrano,nisy rano niampitanay izay dia nasaina nidina daholo izahay hoe manipy vola ao anaty rano??Gaga ihany aho aloha fa hoe izay no fomba dia natao
5. diamondra27 ( 09/02/2010 16:09)
rehamainty: ianao koa mampime ka, na tanyfrance na tany usa dia nahita an'io aho e

soanja: tena zay tokoa retsy ilay izy a! refa tena vontom-pinoana be loatra dia ilay rituel fotsiny de mahampy fa tsy mila mi-se poser des questions fa manjary tsy manao an'ilay izy.

Dia sady manipy vola no manao voeux hoe fa tanteraka ilay izy ( ka ny fahamarinan'io no tsy haiko aloha)
soanja o: saika mba hanontany kely hoe inona le dikany hoe sakaina, mamisavisa fotsiny za fa sao dia diso an , alaina tao ve ny dikan'izany?

Mirananirina: hay ve nisy an zany koa tany dago e

tena betsaka tokoa ny fomba finoana eto an-tany an, raha samy mitanisa eto angamba dia tsy omby ny page.

ny sasany izao dia hoe rehefa 2 fevrier dia manao crepe ka @iny nahandro voalohany iny dia atsipy ilay crepe ka en meme temps dia manao vola madinika amin'ny tanana havia dia manao voeux, amin'izay hoe dia hambinimbola mandritry ny taona. Fomba frantsay io

Ny sasany indray dia mamangy toerana misy olona efa maty ireny dia mivavaka eo fa hoe mitahy ilay olona maty ao. Ohatra izao hoe le resaka belasiety any tamatave ( ilay fasana ampitan'ny prison io no misy azy). Asa na iza no tena mahalala ny tantara fa feno vilia isankarazany eo , ka na olona hangataka vady na hanala fanadinana sns ka mankany hono ka manatitra vilia dia mi realiser ilay voeux. Izay niafaran'ilay namako aloha tsy haiko satria perdue de vue izy avy teo
Nisy fotoana tokoa aloha za notaritin'ny namako nankany dia mba nijery, fa izy no nanao voeux ary za mbola ados tsy kopy na inona na inona tam zany fa de gaga fotsiny mahita le vilia be dia be

mety hisy namana ny hafa indray hitantara tranga hafa.
6. diamondra27 ( 09/02/2010 16:11)
ny fanontaniana izany dia hoe: fa ny zavatra rehetra ve izany dia mahavonjy daholo rehefa mino e
na olona maty na masoandro na inona rehefa inoana dia izay ve no zavadehibe
7. soanja ( 09/02/2010 23:45)
diamondra27:


soanja: tena zay tokoa retsy ilay izy a! refa tena vontom-pinoana be loatra dia ilay rituel fotsiny de mahampy fa tsy mila mi-se poser des questions fa manjary tsy manao an'ilay izy.

Dia sady manipy vola no manao voeux hoe fa tanteraka ilay izy ( ka ny fahamarinan'io no tsy haiko aloha)
soanja o: saika mba hanontany kely hoe inona le dikany hoe sakaina, mamisavisa fotsiny za fa sao dia diso an , alaina tao ve ny dikan'izany?



Resaka saina fotsiny no manjaka amin'ireny ry Diams fa rehefa ny saina no milamina hoe nanao izao aho dia any iny apetraka amin'iny any. Dia izay fivoarany fa dia miankina amin-javatra isan-karazany ny fahatanterahany ny fahitako azy.

Ny finoako aloha dia tsy maintsy miasa Andriamanitra ao anatin'ilay zavatra heveriko fa hanampy ahy ohatra. Zah tokoa ry Diam dia nanao an'io tsipy vola io ary tena tanteraka ny faniriako izay nangatahiko. Nefa na izany aza dia tsy heveriko fa ilay tsipy vola irery no niasa fa ny tenako koa dia niasa mafy ka nahatanteraka ilay faniriana, izay isaorako an'Andriamanitra satria raha tsy teo Izy dia foana izany rehetra izany. Raha tsorina izany dia Andriamanitra no tena role fa ny ankoatr'izay amiko dia lalao fanamboarantsaina avokoa. Hatramin'izao aho dia mbola manipy vola hatrany rehefa mahita fa madio tsara ilay loharano ary tsy voahitsakitsaka.

Ny misaka dia maka zavatra ao anaty lavaka na lalina na tsia nefa tsy tazana tsara ilay zavatra sy ny rehetra ao ambany ao ary matetika dia misy rano ilay lavaka. Raha misaka izany ianao dia maka ananjony ary tsy mahafantatra ny isan'ilay zavatra ho azo avy ao fa dia manantena zavatra fotsiny. Ilay zavatra anefa matetika sarotra azo ihany fa mila ambesana eo ary mampiasa saina ny manao azy.


:-D :-D Asa anefa sao misy namana afaka manazava akaiky an'io fa fiteninay Betsileo tsinona io raha ny fahazahoako azy.
8. Mirananirina ( 10/02/2010 07:26)
ny fanontaniana izany dia hoe: fa ny zavatra rehetra ve izany dia mahavonjy daholo rehefa mino e
na olona maty na masoandro na inona rehefa inoana dia izay ve no zavadehibe
zany hono eh!!!rehefa mino dia mety..sahala amintsika hoe mino an'Andriamanitra na tsy hita aza izy.Fa ny sinoa koa no tena betsaka mino ohatra an'io an.Tsy adino koa ny fomba gasy betsaka sahala amin'ny hoe nosoran-dreniny menaka,izy io ve tsy hoe maina ny vatana dia hosorana sa fomba???Asa!!
9. niryna ( 12/02/2010 03:58)
diamondra27:

ny fanontaniana izany dia hoe: fa ny zavatra rehetra ve izany dia mahavonjy daholo rehefa mino e
na olona maty na masoandro na inona rehefa inoana dia izay ve no zavadehibe


:D .Kristy irery no mahavonjy ny fanahintsika ka,Mpamonjy koa no anarany
Fa araka ny teneninao hoe raha ny finoana no tanisaina eto dia tsy ampy na 200 pages aza.Misy ny minomino dia misy zavatra mitranga aminy amin'iny finoany iny ary dia lasa mino an'iny koa ny olona.
Misy toerana izao tsy mahazo mihinana omby dia notantarain'ilzy tovolahy izahay,hindu ny ray aman-dreniny fa izy kosa noentina miangona dia mandeha miangona tokoa.Ny anay hoy izy vitsy ny omby tany aloha be tany dia tsy nahazo novonoina intsony ary lasa sorona ilay izy,lasa nisy hasina ilay omby ,hany ka hatramin'izao dia tsy mihinana omby ny rar -nay hoy izy ary feno omby ny tanana.Toa izany koa ny sasany tsy mamono karazana biby hafa ,feno manimba ny tanana ilay izy ary mangalatra sakafo eny amin'ny mpivarotra mihitsy kanefa izay moa ilay fomban'ilay fiirenena dia tsy azo vonoina ilay biby
Ilay rano dia araky ny tenenin'ny olona misy minomino fa ny ahy dia atsipiko ao anaty rano fotsiny ny vola madiniko fa tsy manao teny inona aho ,hoy aho hoe ilay mpikarakara ilay toerana no nametraka vola kely teo dia manao daholo ny olona mba tia ametraka eo koa ho karamany,tsy dia betsaka anie raha angonina e.hi,hi centimes kely iray na roa ve dia ho aiza !
10. bor2lais ( 04/03/2010 15:48)
HS.
ca(z)iman la memy sozy = ka izy io moa "la méme chose" ! Azoko ihany ilay lohateny ny farany ! :D
11. ikaretsaka ( 05/03/2010 15:33)
Ny finoanao no mahavonjy anao hono ry diams a..dia mihitatra @ hoe fantaro ny inoanao de lasa hoe aza minomino be fahatany de teo @ zay no samihafa ny fijery satria. Samy lasa nanana ny 'fijeriny ilay inoany'
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0646