Na dia kely fotsiny aza ny finoany dia vitany izany

1. niryna ( 01/02/2010 01:55)
Vokatry ny zava-misy eto amin'ny firenentsika dia saika misy famonoan'olona, fangalarana eny na dia andro mazava izao aza dia misitona ny eny an-tanana ireo mpangalatra.Mihamafy ny fiainana mahazo ny firenentsika.Mahazo vahana ireo olon-dratsy satria ny mpitondra mihitsy no nampianatra azy ireo androba
Miditra an-trano ny mpangalatra ary tsy menatra ny manono olona intsony satria maro ireo fitaovam-piadiana ananany ary efatra na dimy isan'andro no trano vaky amin'izao fotoana izao.Mitebiteby ny rehetra ankehitriny.

MItondra basy mihitsy ireo mpandroba,midika izany fa namoaka basy ny mpilaza azy ho mpitandro ny filaminana.Avy aiza ny basy,iza no nivarotra azy ireo?

Nisy zava-misy toa izao omaly:tonga tao an-toerana ireto mpangalatra valo lahy ary nitondra basy ireo ,ny iray ihany no manao mask :satria izy no mety mahafantatra sy mahita ny toerana, >iza koa no mahalala fa mety ho olona mahafantatra ny eo an-toerana ihany no efa nanao fanadiahadiana izay hevitra tokony atao manao asan'ny maizina izao noho ny vokatry ny fitondra misy amin'izao fotoana izao.MIno aho fa olona manambady aman-janaka ireo mpangalatra ,tsy miasa intsony,tsy mihinan-kanina ny fianakaviany,tsy manana safidy intsony noho ny fitondrana misy,noho ny asa very noho ny raharam-pirenena ?

Nofatoran'izy ireo olona tao an-tanana ary ny vady aman-janany kosa dia nofatorany lavitra miaraka ny basy miranirany tsy hihetsika ny fiantso vonjy.Nalainy mialoha aloha ny telecel-izy ireo,ny volamena teny an-tranana ary izay vola kely tao aminy. Nopozinin'ireo olon-dratsy ihany koa ny alika ary dia maty teo noho eo. Naheno korontana anefa ity mpiambina ity ramatoa dia lasa nijery izay nitranga izy kanjo namaha tena ilay ramatoa ary na dia kely fotsiny aza ny finoany sy ny hery tao anatiny hanavotra ny vady aman-janany dia afaka nihoatra ny tamboha izy ary niantso ny fokonolona Nahita fa tsy teo intsony ilay ramatoa dia lasa nirifatra andositra ireo mpangalatra miaraka ny fitoavam-piadiana ary dia toeran-kafa indray no norobany tamin'iny alina iny ary mihoatra ny efatra ny trano vaky .Mampalahelo kanefa izay no zavatra mitranga isan'andro.
Vokatry ny tsy fifankazahoan' ny mpanao politika dia lasa nitatra ny raharaha ka na tsy te angalatra ary ireo vahoaka dia voan'ny tsy fidiny.Asa re raha rahoviana ihany vao tsy hisy intsony ny tebiteby sy ny korontana ary ny fahorian'ny firenentsika ? izay kely nanana mba nahiratra indray no nalain'ny hafa noho ny fahoriana mahazo azy tsy fidiny
Ny mpanao politika no miady mitady voninahitra sy seza ka ny vahoaka sy ny firenena no mahantra tsy fidiny ,tss ! rahoviana no mba hisy ihany ny vahaolana fa mijaly ny vahoaka tsy mandady harona rehetra :x :x
(l) niryna
novalian'i niryna ny 13/03/2010 04:26
2. niryna ( 06/02/2010 03:08)
Miaramila milanja basy navoakan'ny fanjakana ooops
3. niryna ( 06/02/2010 03:09)
Mahagaga fa miaraka maromaro ankehitriny ireo mpangalatra ary mitondra basy,avy taiza ny basin'izy ireo ? Mazava ho azy fa izay tompon'andraikitra mitazona ny basy no mamoaka azy io
4. diloo ( 10/03/2010 00:07)
Sali Niryna,
Kopy ny alahelonao aho.Saingy miteny irery eto ianao.
Heveriko fa tokony hifanakalo hevitra amin'ireo namana ao amin'ny dinika politika ianao, satria ny famelabelaran-kevitrao, ny ankapobeny, dia vokatry ny rivotra politika ankehintriny.
Ny fandraisana anjara ao tsy midika fa mpanao politika ary tsy misy tokony atahorana.Ilaina ihany manaraka ny vaovaon'ireo mpanao politika hafahana mitandrina ny tokony ataon'ny tsirairay mba tsy voatsindrin'ireo mpanao ankasomparana ao amin'ny mpitondra fanjakana.Ary ao antin'ny dinika io no ndraidray ahitana ny votoatin'ny raharaham-pirenentsika, afahana mandanjalanja ny fiantraikan'ny politika tian'ny mpitondro atao.. Koa dia tongava ao.
Mankahery sy mandrapihaona.
Diloo. :) :-*
5. niryna ( 13/03/2010 04:26)
diloo:

Sali Niryna,
Kopy ny alahelonao aho.Saingy miteny irery eto ianao.
Heveriko fa tokony hifanakalo hevitra amin'ireo namana ao amin'ny dinika politika ianao, satria ny famelabelaran-kevitrao, ny ankapobeny, dia vokatry ny rivotra politika ankehintriny.
Ny fandraisana anjara ao tsy midika fa mpanao politika ary tsy misy tokony atahorana.Ilaina ihany manaraka ny vaovaon'ireo mpanao politika hafahana mitandrina ny tokony ataon'ny tsirairay mba tsy voatsindrin'ireo mpanao ankasomparana ao amin'ny mpitondra fanjakana.Ary ao antin'ny dinika io no ndraidray ahitana ny votoatin'ny raharaham-pirenentsika, afahana mandanjalanja ny fiantraikan'ny politika tian'ny mpitondro atao.. Koa dia tongava ao.
Mankahery sy mandrapihaona.
Diloo. :) :-*
manao ahoana Diloo !
Misaotra anao nanome hevitra ahy.
Ilay hery ao anatin'ilay ramatoa no nahatonga ahy hiteny ka,misy hery toa jerena ho kely fa rehefa tonga ao anatintsika ny zavatra tsy maintsy atao dia lasa lehibe iny hery iny ary vitantsika tokoa rehefa mitroatra isika .


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5355