Didy folo kristiana manoloana ny fahasarotam-piainana
21. bor2lais
(
29/01/2010 10:28)
Mandefitra:
bor2lais> inn tooa mou no tian ny mpanoratra ho lazaina @ io? hehehe
za aza fanina ko.
Otrany tsy nirafitra tsara ilay fehezan teny.
Ndeha hatao hoe aleo mandefitra foana (tsy fola-mandefitra ... ny laferana no tsy fola-mandefitra) fa halavirina ny ady .. aleo manisy soa toy izay manao ratsy na mifandrafy.
-------
Misaotra anao nanazava fa ny mifanohitra tanteraka amin'io lazainao io no noeritreretako azy !
:D
22. rzakarivola
(
29/01/2010 12:46)
niryna:tsy ratsy kosa koa :D
[quote=Mandefitra]
DIDY FOLON'NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA SADY TIA AN'ANDRIAMANITRA :
1/Aza manana Andriamanin-kafa fa Izaho ihany : Andriamanitra Andrinanahary, Ray sy Zanaka Ary Fanahy Masina, Ilay avo fipetraka fa iva fijery. Tsy mitahy anao ny razana
2/Hajao ny maha malagasy anao, rehefa tsy mifanohitra @ sitrapon'Andriamanitra izany. Tiavo ny tenin-drazanao, fehezo koa ny an'ny hafa.
3/Aza fatra-piantso tody, fa aleo mirary soa
4/Miasa mafy, miasa tsara. Ao @ Jesosy Kristy ny fitsaharanao
5/Manaja ny ray aman-dreny, fa aza mitsipa-doha lakanitana
6/Aza fola-mandefitra toy ny laferana, fa ny soa atao levenam-bola, ny ratsy atao loza mihantona.
7/Aza amidy @ vahiny ny tanindrazanao. Madagasikara ho an'ny Malagasy. Malagasy ho ani Madagasikara.
8/Aza tia kely, na faingan-tanana. Aza maka zay tsy nisasarana, aza mangala-tahaka be fahatany fa mba mamorona. Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon'ny loha
9/Aza miray tsikombakomba @ ratsy. Aza fatra-pifosa namana. Ny adala no tsy ambakaina Zanahary matahotra.
10/Aza ory hava-manana
==> Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany : dia Andriamanitra
23. rzakarivola
(
29/01/2010 13:07)
diamondra27:
NIsy resaka tetsy ambony hoe raha manankarena ianao dia zarao amin'ny malahelo
ny fandraisako izany dia izao:
tsy resaka materiely ihany ny fiainana, mety manankarena zavatra hafa ianao, ka raha misy olona tojo fahoriana ohatra dia tokony hizaranao izay zavatra hanananao izy
==> Tsy namaritra Izy hoe materialy ihany.
diamondra27:
Ohatra: raha misy azompahoriana dia mivavaka ho azy, manome vola, mifampahery , presence ho an'ny olona akaiky iny olona iny
==> Ankoatra ilay mivavaka, ireo zavatra ireo dia ataon'ny jentilisa avokoa ka inona no tombony ho anao ?
Mety ho hoy ianao hoe : "fa angaha haka tombony ?" Iza no olona tsy mitady tombony ? Iza no olona tsy mikatsaka mba hitombo izay ananany ? Ny mpiatsara ivelatsihy angamba.
diamondra27:
fa tsy ho ny fanananao rehetra dia zaraina amin'ilay olona ara-bakiteny.
==> rehefa inona no tsy arahina ara-bakiteny ny tenin' Andriamanitra ary rehefa inona no arahina ara-bakiteny ? Raha tsy ara-bakiteny io, ahoana no ahafantarana fa ny interprétation'itsy no marina fa tsy ny an'itsy?
Io tsy manaraka ara-bakiteny io no isan'ny tsy mampiray ny Fiangonana maro, satria nahoana ? Tsy mino fa samy mi-interpréter araka ny fisainany. Izay mandray ara-bakiteny dia mi-interpréter araka ny fisainan' Andriamanitra.
Raha tsy raisina ara-bakiteny ny tenin'ny Tompo dia tsy ho afaka voavonjy mihitsy ny olona tsy nahita fianarana sy ny zaza.
Au contraire, mila arahina ara-bakiteny, fa kosa raisina ara-panahy, satria Izay nidina avy tany ambony dia milaza ny zavatra any ambony fa tsy ny eto ambany. Izay limité @ ara-nofo dia toy ny milevina ao anaty tany. Ny velona kosa, ny tongony ihany no mitehina tany fa ny tenany rehetra dia ao @ atmosphère ka afaka miaina izy.
diamondra27:
ny olona rehetra dia manankarena daholo ny fahalalako azy, ny zavatra hananao mety tsy hananan'ny hafa ary izay no maha-harena azy
ny zavatra hananana na hay rehefa tsy zaraina dia very. Na dia ny kely hananany aza hoy ny Tompo dia alaina aminy.
==> Izay mino an'i Jesoa marina no malahelo, araka ny tenin'i Jesoa. Ary ireny no ambaran'i Jesoa hoe : sambatra ny malahelo am-panahy, fa azy ny fanjakàn'ny lanitra. Tsy manan-karena intsony ireo satria efa mahafantatra izy fa tsy azy intsony na dia izay nomena eo am-pelan-tanany aza. Izany no dikan'ny hoe manaiky an'i Jesosy ho "Tompo sy Mpamonjy".
Ny manaiky Azy ho TOmpo dia mankato rehefa asainy mivarotra ny fananan'ny tena rehetra ka zaraina ho an'ny malahelo, ary ireo no afaka hino Azy ho Mpamonjy, satria amin'izay fahafonganan'ny fananany izay no ahitany indrindra ny famonjen'ny Tompo. Fa ny olona milaza fa mino an'i Jesoa ho Mpamonjy kanefa tsy mankato Azy, dia ho avy ny andro hisian'ny tafio-drivotra, hirodana izay finoany izay.
24. fijo
(
29/01/2010 20:08)
17. Mpandefa : diamondra27 [ Valio ] 29-01-2010 10:09:55
Lohateny : Re : Didy folo kristiana manoloana ny fahasarotam-piainana
le famakiana baiboly dia tsara dia tsara saingy tsy tokony atao ohatry ny famakiana roman le izy angamba."
diams an,bedy eo ndry fa aza miteny an'izany.ny sasany aza eto efa manao tsianjery fa tsy vakiteny intsony

25. diamondra27
(
30/01/2010 15:08)
fijo: le tsianjery be koa aza vao maika tsy mety satria mety lasa ampiasain'ilay ratsy indray amin'izay , mifampitifitra versets eo ny samy kristiana dia faly izy.
rzakarivola: tsy namaritra tokoa hoe materiely ilay olona fa vakio tsara moa e, averiko indray :" raha ny fahazoako azy ,hoy aho"
> Ankoatra ilay mivavaka, ireo zavatra ireo dia ataon'ny jentilisa avokoa ka inona no tombony ho anao ?
Mety ho hoy ianao hoe : "fa angaha haka tombony ?" Iza no olona tsy mitady tombony ? Iza no olona tsy mikatsaka mba hitombo izay ananany ? Ny mpiatsara ivelatsihy angamba.
valiny: Raha tena miray amin'i Jesosy ny olona 1, Jesosy no ataony mandidy amin'ny fiainany dia tsy mitady tombony amin'ny fiainana izanyilay olona satria hoy Izy" ampy anao ny fahasoavako"
Raha mbola variana mikatsaka harena aty an-tany dia tsy hahatanteraka ny
sitrapon'Atra mihintsy fa variana amin'izany , oviana ihany vao hahay hionona raolombelona.
Tsy midika izany hoe raha miasa ianao dia avelao tanteraka ny asanao fa manjary mandeha amin-kafanampo ilay fanarahana ny Tompo.
Fanontaniana kely ho anao: isaky ny manao zavatra ve ianao dia manontany foana hoe inona re no ataoko tsy itovizako amin'ny jentilisa?,
raha ny fahalalako aloha dia tsaratsara kokoa ny manao ity hoe: inona no ataoko mba hanomezam-boninahitra ny Tompo.

26. soanja
(
30/01/2010 15:28)
Mandefitra:
DIDY FOLON'NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA SADY TIA AN'ANDRIAMANITRA :
8/Aza tia kely, na faingan-tanana. Aza maka zay tsy nisasarana, aza mangala-tahaka be fahatany fa mba mamorona. Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon'ny loha
9/Aza miray tsikombakomba @ ratsy. Aza fatra-pifosa namana. Ny adala no tsy ambakaina Zanahary matahotra.
10/Aza ory hava-manana
Ireto telo ireto kosa angamba azo aravona amin'ny iray ny fahitako azy
- Tsinjovy ny hafa. Tiavo izy ireo amin'ny fo madio.
Fa raha tsy izany mantsy ho tafiditra ao anaty didy toy ny hoe " aza manao maloto ao ambadiky ny tranon'ny namanao. sns sns.... "
Raha za no manoratra didy folo zany dia tsy mba tiako ny manisy AZA ny ahy fa aleoko manoro ny tokony atao amin'ilay asa na hevitra atao.
Ohatra raha ny mahazatra amin'ny didy hoe:
- Aza mangalatahaka amin'ny hafa any ampianarana!
dia amboariko hoe
- Alefaso izay hainao fa ny mpampianatra hanitsy sy hanoro izay tsy arakao!
Izay AZA dia manimba tokoa ny fanabeazana ny olona amin'ny fiainany. Ny manoro ny tokony atao kosa dia manome azy hery hioitra hamita izany.
Misaotra nanome ny tsara hitanao ho didy folon'ny Malagasy tia an'Andriamanitra.
27. diamondra27
(
30/01/2010 15:29)
Hoy i diamondra27:
fa tsy ho ny fanananao rehetra dia zaraina amin'ilay olona ara-bakiteny.
==> rehefa inona no tsy arahina ara-bakiteny ny tenin' Andriamanitra ary rehefa inona no arahina ara-bakiteny ? Raha tsy ara-bakiteny io, ahoana no ahafantarana fa ny interprétation'itsy no marina fa tsy ny an'itsy?
Io tsy manaraka ara-bakiteny io no isan'ny tsy mampiray ny Fiangonana maro, satria nahoana ? Tsy mino fa samy mi-interpréter araka ny fisainany. Izay mandray ara-bakiteny dia mi-interpréter araka ny fisainan' Andriamanitra.
Raha tsy raisina ara-bakiteny ny tenin'ny Tompo dia tsy ho afaka voavonjy mihitsy ny olona tsy nahita fianarana sy ny zaza.
Au contraire, mila arahina ara-bakiteny, fa kosa raisina ara-panahy, satria Izay nidina avy tany ambony dia milaza ny zavatra any ambony fa tsy ny eto ambany. Izay limité @ ara-nofo dia toy ny milevina ao anaty tany. Ny velona kosa, ny tongony ihany no mitehina tany fa ny tenany rehetra dia ao @ atmosphère ka afaka miaina izy.
------------------------
Ny hamantarana azy dia tsotra fotsiny. Rehefa hamaky ny teny soratra masina ianao dia mila mivavaka mangataka ny Fanahy Masina hanazava aminao ny tian'Atra ampitaina aminao fa tsy ny hevitrao no atao. Mangataka ihany koa fahendrena fa raha manana fananana ianao dia fahombiazanao izay, asan'ny tananao no nahazoana azy ary ny Tompo nanampy anao tamin'izany. Raha tapitra zarainao amin'olona daholo aza ny entanao fa hoe izany no tenin'Atra, dia ianao indray no tsy manana> Amiko tsy mandeha am-pahendrena izany olona izany fa mamaky baiboly tahaka ny roman, tsy misy fandinihina lalina fa manaonao foana, hany ka rehefa avye hanome tsiny an'Atra hoe nampijaliana sns izy.
Tsy miombon-kevitra aminao aho satria , he izany izy hoe olona tsy nahita fianarana sy zaza izany, donc tsy mahay mamaky teny izany fa miandry interpretation ry zareo.
Aminao izany rehefa mitory teny ny pasitera na pretra dia mitovy daholo ny fiatraikan'iny amin'ny olona manatrika azy eo ve? Tsia , satria samy mahazo izay tandrifiny avy izy ireo na dia zavatra iray aza no nitoriana.
Ny teny azo arahina ara-bakiteny ao amin'ny baiboly amiko dia ireny promesses nataon'Atra ireny , be dia be izy ao, ary ireny no tokony ho tanana mafy
ohatra; malala eo imasoko( Atra)ianao

28. diamondra27
(
30/01/2010 15:39)
Hoy i diamondra27:
ny olona rehetra dia manankarena daholo ny fahalalako azy, ny zavatra hananao mety tsy hananan'ny hafa ary izay no maha-harena azy
ny zavatra hananana na hay rehefa tsy zaraina dia very. Na dia ny kely hananany aza hoy ny Tompo dia alaina aminy.
==> Izay mino an'i Jesoa marina no malahelo, araka ny tenin'i Jesoa. Ary ireny no ambaran'i Jesoa hoe : sambatra ny malahelo am-panahy, fa azy ny fanjakàn'ny lanitra. Tsy manan-karena intsony ireo satria efa mahafantatra izy fa tsy azy intsony na dia izay nomena eo am-pelan-tanany aza. Izany no dikan'ny hoe manaiky an'i Jesosy ho "Tompo sy Mpamonjy".
Ny manaiky Azy ho TOmpo dia mankato rehefa asainy mivarotra ny fananan'ny tena rehetra ka zaraina ho an'ny malahelo, ary ireo no afaka hino Azy ho Mpamonjy, satria amin'izay fahafonganan'ny fananany izay no ahitany indrindra ny famonjen'ny Tompo. Fa ny olona milaza fa mino an'i Jesoa ho Mpamonjy kanefa tsy mankato Azy, dia ho avy ny andro hisian'ny tafio-drivotra, hirodana izay finoany izay.
------------------------------
Mety mitovy hevitra ihany angamba isika fa samy hafa ny fanehoana azy fa tsy ekeko kosa aloha izany hoe ianao no te hizara ny fanananao fa tsy hevitra avy tamin'i Tompo e!
Ho an'izay tsy manana (materiely)atolotra dia tsy kaony ve? manana hevitra izy , manana fampaherezana, manana hery hanampiany ny hafa fa tsy voatery hanana materiely daholo ny olona.
Raha tena mino ilay olona ry rzaka dia tsy hiala amin'Atra na inona na inona hanjo azy a. Mbola mila mandini-tena izy izany.
Tsy hisy zioga hanjo antsika mihoatra noho izay zakantsika.
Raha mandinika ianao samy manana olana daholo ny olona, fa maninona aza no tsy mitovy ?

29. diamondra27
(
30/01/2010 15:47)
rzakarivola: hofamaranako azy ngamba dia izao hoe: tsy misy tokony atao rehareha afa-tsy Jesosy irery ihany
nahay zavatra ianao, tafita tamin'ny asa ianao, misaora Azy
Matahotra ny tsy hanana na inona na inona intsony ve ianao?
Tsy misy afa-tsy ny fitiavan'i Kristy ihany no zava-dehibe eo amin'ny fiainana.
Ho fampaherezana amin'izany dia voalaza ao am baiboly hoe: tsy misy hahasaraka ahy amin'ny fitiavan'i Kristy fa na fahafatesana na loza na rehaka izao fiainana izao aza.
Ary koa hoe ny fahafatesana no fahavalo farany horesena

30. fijo
(
30/01/2010 22:20)
diams an,ka efa izay mifampitifitra andalana baiboly izay izao no misy eto
31. niryna
(
01/02/2010 06:29)
diamondra27:miombokevitra aminao koa aho,misaotra aky diamondra a
Ny ahafantarana azy dia tsotra fotsiny. Rehefa hamaky ny teny soratra masina ianao dia mila mivavaka mangataka ny Fanahy Masina hanazava aminao ny tian'Atra ampitaina aminao fa tsy ny hevitrao no atao. Mangataka ihany koa fahendrena fa raha manana fananana ianao dia fahombiazanao izay, asan'ny tananao no nahazoana azy ary ny Tompo nanampy anao tamin'izany.
:-*
32. rzakarivola
(
01/02/2010 11:39)
diamondra27:
Raha tena miray amin'i Jesosy ny olona 1, Jesosy no ataony mandidy amin'ny fiainany dia tsy mitady tombony amin'ny fiainana izanyilay olona satria hoy Izy" ampy anao ny fahasoavako"
==> Marina izany ho an'izay mandre an'i Jesosy miteny aminy, fa ataon'izay olona tsy mandre an'i Jesosy ahoana no fino fa ampy ho azy ny fahasoavan' Andriamanitra ?
Hoy i Jesosy "Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?".
Raha mikatsaka ny hitombo ny olona iray, ny fahavoazany dia ny fitaka. Tsy mahay ny tena fitomboana marina, tsy mahay ny fomba itomboana.
diamondra27:
Raha mbola variana mikatsaka harena aty an-tany dia tsy hahatanteraka ny
sitrapon'Atra mihintsy fa variana amin'izany , oviana ihany vao hahay hionona raolombelona.
Tsy midika izany hoe raha miasa ianao dia avelao tanteraka ny asanao fa manjary mandeha amin-kafanampo ilay fanarahana ny Tompo.
==> Izay manaraka ny Tompo dia asaiNy mahafoy ny zava-drehetra, hatr@ ainy aza, noho ny aminy sy ny filazantsara. Nisy fotoana ireo nikasa hanaraka ny Tompo nasainy namela na dia ny fandevenana ny rainy aza. Nisy fotoana koa nisy iray saika hanaraka Azy rehefa sitrana, saingy tsy navelaNy, fa nasaiNy nody mba hilaza amin'olona ny asan' Andriamanitra teo amiNy.
Koa tsy ny fialana @ asa na fijanonana, fa ny fandrenesana an'i Jesosy miteny @ tena izay tokony hataon'ny tena no ahafantarana ny marina, sady mampino. "hataony ahoana no fino izay olona tsy reny?"
diamondra27:
Fanontaniana kely ho anao: isaky ny manao zavatra ve ianao dia manontany foana hoe inona re no ataoko tsy itovizako amin'ny jentilisa?,
raha ny fahalalako aloha dia tsaratsara kokoa ny manao ity hoe: inona no ataoko mba hanomezam-boninahitra ny Tompo.
==> Ny jentilisa tsy afaka manome voninahitra an' Andriamanitra. Ny zavatra mila katsahin'ny olona dia ny hiray amin'i Jesosy tanteraka, fa impossible amin'izay miray amin'i Jesosy no tsy hanome voninahitra an' Andriamanitra, satria ny fiainan'i Jesoa, nanomboka t@ fahaterahaNy, ny fitomboaNy, ny fahalehibeazaNy, ny asaNY, hatr@ fahafatesaNy dia fanomezam-boninahitra an' Andriamanitra, ary ny fitsanganaNy tamin'ny maty no porofon'izany fiainaNy rehetra izany.
33. rzakarivola
(
01/02/2010 12:58)
diamondra27:
Ny hamantarana azy dia tsotra fotsiny. Rehefa hamaky ny teny soratra masina ianao dia mila mivavaka mangataka ny Fanahy Masina hanazava aminao ny tian'Atra ampitaina aminao fa tsy ny hevitrao no atao.
==> Ekeko, ary ny Fanahy Masina, dia hoy i Jesosy hoe :
- Fanahin'ny fahamarinana : hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra.
- Hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko.
- Ho vavolombeloko, ary ianareo koa ho vavolombeloko.
Izay tsy manana ny Fanahy Masina dia mila mangataka ny Fanahy Masina, fa izay efa nomena kosa nefa mbola mangataka ihany, inona intsony no Fanahy Masina vaovao homen' Andriamanitra azy eo ? Mampalahelo ihany ny kristiana fa tsy mahafantatra akory fa ny Fanahy Masina dia efa nomen' Andriamanitra azy, raha mino tokoa izy fa Jesosy no Kristy zanak' Andriamanitra velona.
Ny Apostoly Paoly dia niteny tamin'ny Fiangonana tao Korinto hoe : "tsy fantatrareo va ... ?", satria toa tsy nahafantatra ngamba izy ireo ?
Mila mino an'i Jesoa, tsy ny tantaraNy ara-nofo fotsiny, na ny faminanian'ny mpaminany taloha ny @ izany tantarany ara-nofo izany, fa indrindra indrindra ny teniNy. Fa ny nofoNy tsy mitoetra ety intsony, fa ny teniNy kosa no "Izy" izay mila tsarovana (izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy).
diamondra27:
Mangataka ihany koa fahendrena fa raha manana fananana ianao dia fahombiazanao izay, asan'ny tananao no nahazoana azy ary ny Tompo nanampy anao tamin'izany.
==> Izany koa no teniko taloha. Hatrizay niainako aho dia tsy mba nangataka na inona na inona t@ Andriamanitra raha tsy ilay narary kibo indray andro izay. Kanefa nomeNy ahy daholo izay nilaiko rehetra.
Ankehitriny aho tsy hilaza fa fahombiazako na asan'ny tanako ka nampian'ny Tompo fotsiny aho. Tsia, fa ny zava-drehetra izay ananako dia fanomezan' Andriamanitra maimaim-poana. Koa raha miteny ny Tompo hoe "izay nomena maimaim-poana dia aoka hanome maimaim-poana", dia tsy mba heveriko fa izay nomen'olona maimaim-poana izany, fa izay nomen' Andriamanitra maimaim-poana.
diamondra27:
Raha tapitra zarainao amin'olona daholo aza ny entanao ...
==> Izao no tenin'i Jesoa voasoratra ao amin'ny Baiboly : "amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao;"
diamondra27:
... fa hoe izany no tenin'Atra, dia ianao indray no tsy manana> Amiko tsy mandeha am-pahendrena izany olona izany fa mamaky baiboly tahaka ny roman, tsy misy fandinihina lalina fa manaonao foana, hany ka rehefa avye hanome tsiny an'Atra hoe nampijaliana sns izy.
==> "Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena". Ny olona tsy mandray ny tenin' Andriamanitra ho sérieux, tsy mandray izany @ fahatahorana no olona tsy hendry.
Rehefa mbola zaza ara-panahy ny mpino dia mety hanao tahaka ny fanaon'ny zaza.
Manan-janaka mbola zaza aho, misy fotoana izy manimba zavatra fotsiny, omeko sakafo izy kanefa ariariany na lalaoviny ... saingy tsy mahasakana ahy tsy hanome azy izany rehefa noana izy na mitady, eny fa na dia tsy noho ny fanarahany ny teniko aza no nanariany izany.
Andriamanitra mihoatra lavitra noho izaho amin'ny zanaNy, ary ny zanaNy dia izay nateraNy, dia ireo izay mino fa i Jesoa no Kristy Zanak' Andriamanitra velona.
Matetika raha namaky roman dia noho ny fahafinaretan'ny saina (fialam-boly), fa raha mamaky Baiboly, na dia misy zava-mahafinaritra ny saina ihany aza ao, dia ny mitady hahafantatra an' Andriamanitra sy Jesosy no tena izy.
diamondra27:
Tsy miombon-kevitra aminao aho satria , he izany izy hoe olona tsy nahita fianarana sy zaza izany, donc tsy mahay mamaky teny izany fa miandry interpretation ry zareo.
==> Tsy miombon-kevitra amiko ianao.
Ny firaisana amin'i Jesoa dia mahatonga ny tena hiombon-kevitra aminy.
Izao no voasoratra : "Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.
Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. "
diamondra27:
Aminao izany rehefa mitory teny ny pasitera na pretra dia mitovy daholo ny fiatraikan'iny amin'ny olona manatrika azy eo ve? Tsia , satria samy mahazo izay tandrifiny avy izy ireo na dia zavatra iray aza no nitoriana.
==> Tsy mitovy ka, misy ny olona mihaino ny mpitory, misy ny olona mitady izay hihainoana an' Andriamanitra @ alalan'ilay mpitory, misy ny olona tsy mihaino na inona na inona koa fa mijerijery, mitendritendry, milalao, lasa saina, ... sns. Raha milaza ireo aho dia satria samy efa nandalovako daholo ireo toe-panahy sy saina eo am-pihainoana toriteny ireo.
Ny sambatra dia izay mandre ny feon' Andriamanitra marina ka mahalala.
diamondra27:
Ny teny azo arahina ara-bakiteny ao amin'ny baiboly amiko dia ireny promesses nataon'Atra ireny , be dia be izy ao, ary ireny no tokony ho tanana mafy
ohatra; malala eo imasoko( Atra)ianao
==> Marina izany.
Ho an'izay itenenan' Andriamanitra hoe : malala eo imasoko ianao, dia mila raisina ara-bakiteny io. Ho an'izay mandre ny teny dia aoka hamantatra na Andriamanitra no miteny aminy na ny fisainany.
I Jesosy miteny amin'izay madio noho ny teniNy hoe : "Tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa. Tomoera amin'ny fitiavako. Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny itandremako ny didin'ny Raiko ka itoerako amin'ny fitiavaNy".
Ny mahasamy hafa kely azy, eto ny tenin'i Jesosy dia tsy promesse intsony fa efa notanterahiNy, sady tanterahiNy, fa asaiNy "tanana" foana, sady atoroNy ny fomba hitanana izany.
34. rzakarivola
(
01/02/2010 13:42)
diamondra27:
Mety mitovy hevitra ihany angamba isika fa samy hafa ny fanehoana azy fa tsy ekeko kosa aloha izany hoe ianao no te hizara ny fanananao fa tsy hevitra avy tamin\'i Tompo e!
==> Indrisy ry Diams fa fianako taloha ary fiainan\'ny kristiana marobe mandraka ankehitriny izany hoe te-hizara ny (sombiny @) fananany nefa tsy hevitra avy amin\'ny Tompo. Ny hevitry avy amin\'ny Tompo dia araka ny teni\'i Jesosy ihany. Ary efa lazaiNy amintsika mino Azy mazava izany.
diamondra27:
Ho an\'izay tsy manana (materiely)atolotra dia tsy kaony ve? manana hevitra izy , manana fampaherezana, manana hery hanampiany ny hafa fa tsy voatery hanana materiely daholo ny olona.
==> Tsy niteny materialy ny Tompo, ny tena marina, Jesosy raha tonga tety an-tany, ary hatramin\'izao, na dia nampiasa fanoharana amin\'ny zavatra hita ety aza dia tsy milaza ny zavatra ara-materialy fa ny zava-panahy. Ny hevitra na fampaherezana na tanjaka na saina ... dia asain\'ny Tompo \"hamidy ka ny vidiny dia zaraina ho an\'ny malahelo\". Tsy hevitro izany fa an\'i Jesoa, koa raha manatanteraka an\'izany aho, dia tsy ny hevitro intsony no tanterahiko fa ny hevitr\' Andriamanitra.
diamondra27:
Raha tena mino ilay olona ry rzaka dia tsy hiala amin\'Atra na inona na inona hanjo azy a. Mbola mila mandini-tena izy izany.
==> Mbola mila mahita an\' Andriamanitra izy aloha, dia afaka hahita ny tenany koa.
I Joba dia voalaza fa lehilahy marina, ary tsy nisy olo-marina tahaka azy teo @ tany sy ny firenena nisy azy.
Tsy niala tamin\' Andriamanitra izy. Rehefa nandinika ny tenany izy dia izao no hitany : \"olo-marina aho kanefa ataon\' Andriamanitra iharan\'ny tsy rariny\".
Rehefa nahita an\' Andriamanitra izy dia izao no teniny :
\"Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, Ary tsy azo ferana ny fisainanao.
Iza no mahatakona ny fisainanao amin\'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, Dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
Fandrenesan\'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin\'ny vovoka sy ny lavenona aho. \"[Joba 42:2-7]
Mivavaka aho mba samy hahita an\' Andriamanitra daholo ny kristiana rehetra tahaka an\'i Joba.
diamondra27:
Raha mandinika ianao samy manana olana daholo ny olona, fa maninona aza no tsy mitovy ?
==> Mandinika aho fa misy karazany roa ny olona : kristiana sy tsy kristiana. Ary misy karazany roa na telo ny kristiana : olo-marina tahaka an\'i Joba, olon-kendry tahaka ireo namany telolahy, mpilaza marina ny amin\' Andriamanitra tahaka an\'i Eliho.
Nanana olana i Joba, nanana olana koa ireo telo lahy namany. Ny vahaolana iray anefa no ho azy rehetra ireo : ny fifandraisana amin\' Andriamanitra.
I Joba rehefa nahita an\' Andriamanitra dia nilaza marina momba an\' Andriamanitra.
Ireo namany telolahy tsy nahita an\' Andriamanitra, fa rehefa nandre an\' Andriamanitra ka nankato ny teniNy, tahaka an\'i Joba koa izay nankato, dia afaka ny olan\'izy rehetra.
Koa na inona na inona olan\'ny olona, ny fototry ny olana dia ny fisarahana amin\' Andriamanitra, ary ny vahaolana dia ny fiverenana amin\' Andriamanitra.
Ary mba hahaizany miverina amin\' Andriamanitra, dia mila :
- miteny marina momba an\' Andriamanitra ny mpaminaniNy,
- mahita an\' Andriamanitra ny mpino an\'i Jesosy kristy ka miaiky,
- mandre an\'Andriaamnitra ireo kristiana karazany hafa, ka mankato ny teniNy
Fa raha izany no tanteraka, dia tanteraka ny vavaka nataon\'i Jesosy hoe : \"mba ho iray ihany izy rehetra, ka ho fantatr\'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy\". Ary rehefa mahafantatra izao tontolo izao fa i Jesosy no nirahin\'Andriamanitra, dia ho voavonjy izay rehetra mino Azy.
35. rzakarivola
(
01/02/2010 13:50)
diamondra27:
rzakarivola: hofamaranako azy ngamba dia izao hoe: tsy misy tokony atao rehareha afa-tsy Jesosy irery ihany
nahay zavatra ianao, tafita tamin'ny asa ianao, misaora Azy
==> Tsy mbola haiko aho izao na tafita tamin'ny asa na tsia, matoa aho tsy mahay dia mbola eo amerin'asa. Fa hoy Izy : "Izay mino ahy, ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe lavitra noho izany aza izy".
diamondra27:
Matahotra ny tsy hanana na inona na inona intsony ve ianao?
Tsy misy afa-tsy ny fitiavan'i Kristy ihany no zava-dehibe eo amin'ny fiainana.
==> Tena marina izany, satria hoy i Jesosy amin'izay madio noho ny teniNy hoe : "Tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa", ary : "Ny Ray tia ny Zanaka ka manolotra eo an-tanany ny zavatra rehetra", sy hoe "ny Ray tia ny Zanaka ka maneho aminy ny zavatra rehetra".
Koa marina ny teninao, fa raha misy mitoetra amin'izany fitiavan'i Kristy izany, dia manana ny zavatra rehetra izy, ary mahafantatra ny zavatra rehetra ka tsy matahotra ny tsy hanana na inona na inona intsony, na matahotra ny tsy hahafantatra.
diamondra27:
Ho fampaherezana amin'izany dia voalaza ao am baiboly hoe: tsy misy hahasaraka ahy amin'ny fitiavan'i Kristy fa na fahafatesana na loza na rehaka izao fiainana izao aza.
==> Tenin'i Paoly io, ary afaka hiteny an'io daholo izay rehetra mitandrina ny Didin'i Kristy, satria hoy Izy : "raha mitandrina amin'ny Didiko ianareo dia hitoetra amin'ny fitiavako", fa raha misy tsy mitandrina ny Didin'i Kristy, aoka izy hangataka mba hitoetra amin'ny fitiavan'i Kristy.
diamondra27:
Ary koa hoe ny fahafatesana no fahavalo farany horesena
==> Tena marina io! Isika izao dia mbola tsy natsangana tamin'ny maty, fa mbola maty ao amin'ny ota. Fanantenana no amonjena antsika fa tsy mbola fahitana. Koa mila mifampahery amin'ny tenin'i Kristy isika mba ho tody hatramin'ny farany, ka tsy ho foana ny fanantenana (fa hatsangan'i Jesosy @ andro farany).
36. rakapy
(
01/02/2010 13:58)
Hoy Rzakarivola
Aoka marina ry rahalahy fa toa diso manambony tena nohon'ny tompony izato ianao.
Hoy ny Silamo hoe: Misy karazany roa ny olona dia ny Silamo sy tsy silamo
Dia hoy ny Buddhist hoe misy karazany roa ny olona dia ny Buddhist sy tsy Buddhist
SNS....
Mandinika aho fa misy karazany roa ny olona : kristiana sy tsy kristiana. Ary misy karazany roa na telo ny kristiana
Aoka marina ry rahalahy fa toa diso manambony tena nohon'ny tompony izato ianao.
Hoy ny Silamo hoe: Misy karazany roa ny olona dia ny Silamo sy tsy silamo
Dia hoy ny Buddhist hoe misy karazany roa ny olona dia ny Buddhist sy tsy Buddhist
SNS....
37. ikaretsaka
(
01/02/2010 14:08)
Io letsy rakapy nefa voalaza ao @ le boky iondananay manao hoe aza gaga nareo raha reo olona tsy nampoizinareo no lasa mialoha anareo
38. fijo
(
01/02/2010 23:10)
hihih marina mihintsy lets izany rakapy.de hoy koa ny krispijo hoe misy karazany roa ny olombelona,ny tsy mino sy ny mino.
39. rzakarivola
(
02/02/2010 12:40)
rakapy:
Aoka marina ry rahalahy fa toa diso manambony tena nohon'ny tompony izato ianao.
Hoy ny Silamo hoe: Misy karazany roa ny olona dia ny Silamo sy tsy silamo
Dia hoy ny Buddhist hoe misy karazany roa ny olona dia ny Buddhist sy tsy Buddhist
SNS....
==> Angaha tsy marina ny teniko? Misy karazany roa koa ny olona : tia basket sy tsy tia basket, na tia misakafo sy tsy tia misakafo. Fomba hi-classena izany.
Fa misy ny classement eto amin'izao tontolo izao ihany, toy ny hoe "lahy sy vavy" .... tsy hisy lahy sy vavy intsony ny olona rehefa @ fitsanganana amin'ny maty.
Fa raha manao classement aho hoe kristiana sy tsy kristiana, dia afaka hahalala an'izany ny kristiana.
Ao an-danitra dia tsy misy afa-tsy sokajy roa ihany : very (any @ afobe) sy avotra (ao @ paradisa).
40. rakapy
(
02/02/2010 14:26)
Hoy Rzakarivola
Dia hoe misy karazany roa koa hoe ny olona dia mainty sy fotsy???
De ahoana izany ny zarazara fodirana? tsy olona???
Dia tsy misy ve ny anelanelan'ny tia basket sy tsy tia??? tsy misy ve no tiatia ihany na tsy tena tia???
Ilay fombanao mihintsy no tia mametraka ny extrem eo @ ilay finonao.
Angaha tsy marina ny teniko? Misy karazany roa koa ny olona : tia basket sy tsy tia basket, na tia misakafo sy tsy tia misakafo. Fomba hi-classena izany.
Fa misy ny classement eto amin'izao tontolo izao ihany, toy ny hoe "lahy sy vavy