RADO, Vavaka.

1. xxx ( 23/01/2010 07:51)
VAVAKA

Tompo ô ! Mafisa fo,
Ka aza omena valiny aho
Na nangataka aza anio !
Fa iangaviako Ianao !

Omeo ho an’ny rahalahiko,
Ary ho azy manontolo,
Izay fangatako isan-andro !
Omeo ho an’ireo mahantra
Izay fitakiko androany.

Omeo ho an’ny maro anaka
Ny sakafo anio tontoloko.
Omeo ho an’ireo sahirana
Izay anjara tsikitsikiko,
Omeo ho an’ireo voazioga.

Ny fahafahako anio,
Avela aho mba hangatsiaka,
Avela aho mba hitofezaka,
Avela aho mba hitomany
Avela aho mba ho voageja

Na anio fotsiny aza !
Sao izay no hanamaivana
Ny am-paham-pahoriana
Entiny mandava taona…
Sy ny masoandro takona

Lolohaviny isan-andro,
Sady koa mba hamantarako
Ny fitiavan-tena disoko,
Fa ny ho ahy hatrany hatrany
No efa niadiako fo,

Rehefa mba mivavaka aho,
Ka hadinoko ny hafa,
Koa italahoako Ianao :
ADINOY AHO ANIO !

RADO, 1961, DINITRA pp.44-45
novalian'i niryna ny 28/01/2010 04:57
2. ANARIM ( 25/01/2010 09:49)
tsaroako tsara tam mbola kely, andro noely, dia nataon'ny zokiko lahy nandritra ny fety tao ampiangonana io !!!
misaotra e! :-*
3. Mirananirina ( 25/01/2010 13:48)
VAVAKA
ADINOY AHO ANIO
amen
4. niryna ( 28/01/2010 04:57)
Misaotra mizara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2424