Eto ampitandrano eto aho...

1. hery ( 12/01/2010 09:48)
Ity indray hira iray. Tsy mbola henoko fa nisy nampiditra tao amin'ny tononkira. Iza kay ny mpihira azy?

Hery

Eto ampitandrano eto aho
No mibanjina mangina ao antsaina
Ao am-poko manina mahatsiaro anao ry tiana
O ry tiana malahelo anao lalaina

Ao am-poko lalina tsy mety maty
Tsy mety maty na hoviana na hoviana
Nefa mila tsy ahatanty tsy ahatanty
Ny nofinofy anao ry tiana o

Zany endrikao o ry tiana
Soa lahy ka mahasondriana ahy tiako loatra
Eny tiako tsotra izao fa tsy mety rava
Voatahiry tena tiako tiako loatra

Ao am-poko lalina...
2. mignone ( 12/01/2010 12:04)
mahasina lalatsangy
3. mmmhh ( 12/01/2010 14:16)
Efa ela izany hira izany an!!
ahatsiarovako ny fahazazako,

ndryyyy,
4. maeva74 ( 12/01/2010 14:34)
laniko tsianjery koa izay taloha ry mmhhh miaraka @ tahon-kofafa lol :lol: :lol: :lol:
5. ANARIM ( 21/01/2010 12:12)
kisss mignone .....
ô ry tiana aaaaaaaaaa malahelo anao lalainaaaaaaaaaaaaaaa
d toraka tafontrano kely eny andrainarivo eny am panorama eny ....
6. hery ( 22/01/2010 09:15)
misaotra betsaka e
7. Djhamhal ( 17/02/2010 12:38)
le sipa kely mbola tsy vaky feo iny no mihira azy fa tsy tadidiko lôtra hi hi hi !!!!avo feo be izy iny an !!!!
8. mandrindra ( 18/02/2010 20:26)
hira tamin'ny fiatombohan'ny top16 tamin'ny onjan'ny fm vao nanomboka tany madagasikara, hhhmmmmmm. mahatsiaro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8936