ANDRIAMANITRA MIHAONA AMIN'NY OLONA

1. rahery08 ( 12/01/2010 07:48)
Miarahaba ny namana rehetra ato @ serasera.
Nanaitra ahy ity perikopa tamin'ny Alahady ity ary tsy haiko ny tsy hizara azy aminareo namana ato amin'ny serasera

DEOTERONOMIA 5: 20-24
Eto dia izao no tsapa
Mihorohoro ny Zanak’Israely raha nihaona tamin’Andriamanitra ;
Ary tsy te hiaona intsony izy fa Mosesy no narosony . Manantona ianao hiresaka @ Adriamanitsika ary lazao aminay izay ambarany fa ho tanterahinay.
Eto Andriamanitra dia mbola miseho @ endrika fitiavana na miseho @ voninahiny aza Izy, dia mbola fitivana no antony hisehoany hanome ny didy.
Tsy eto ihany anefa Atra no niseho fa raha teo an-tendrobohitra nitokana Jesosy sy ny mpianany vitsivitsy dia hoy Atra : Ity ny zanako malalako izay sitrako Izy no henoy.
Zao anefa, hoy ny Mpitoriteny hoe mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina ianao amin'izany rehetra izany. » (Mpitoriteny 11:9).

mbola hiaona @ Andriamanitra ianao :
Manahoana ny toe ponao raha hiaona @ Atra Ianao !
Mosesy eto dia toy ny sarin Jesosy, tandindona : Jesosy no afaka mifona ho antsika ary zao : tsy misy fanamelohana an izay ao @ Kristy Jesosy!

Koa dieny mbola miposaka aminao ny masoandro, dia eny mbola andron-pahasoavana izao, dia eny tsy mbola tonga ny andro mahory.
Ndao hiahavana @ Andriamanitra, ndao hibebaka hiala amin’ny ratsy, andeha hankato an Jesosy, anaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy, ary ahatoky Azy. Fa izany no takian’Atra amintsika.
novalian'i niryna ny 01/02/2010 06:13
2. Randria2007 ( 12/01/2010 12:48)
Miarahaba an'i rahery08 @ anaran'i Jesoa Tompo.
Nihorohoro tokoa ny Zanak'Isiraely raha nihaona t@ Andriamanitra. Mbola tokony hihorohoro ve isika?
Ireto roa ireto ny valiny:
1° Raha toa ka tsy manana an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy isika dia mihorohoro toy ny devoly (ny devoly koa mba mino ka matahotra);
2°Raha toy ny Vady kosa Ilay Mpanao antsika (Fa ny Mpanao anao no vadinao, Jehovah Tompon'ny maro no anarany), dia efa MIHAONA AMINAO ISANANDRO IZY, ka tsy ilay andro iray hitsarana anao sy ny tahotra no tokony hibahana ao antsaina, fa efa voavidiny t@ ràny ianao, ary tsy misy maharombaka ny eo ampelatanany.
Hoy ny Daniela 10:19a, entiko hampaherezana anao: "Aza matahotra ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza".
Tsara aloha ny fanairana ny olona amin'ny torimasom-panahiny e! Fa lazao ihany koa fa raha Izy Jesoa no atao Tompo sy Mpamonjy, ny fiadanana mandrakizay no banjinina (Ny Fiadanako no omeko anareo hoy Izy)Bold text. Tsy dia mba toetrany loatra mantsy ny mampitahotra.
Mandra paha samy hotahiana e!
3. bor2lais ( 13/01/2010 13:08)
Miombon-kevitra tanteraka amin'i Randria2007 aho hatreto ! Misaotra indrindra ! :D
4. booboo ( 14/01/2010 12:32)
Fa maninona no hoe " mbola hiaona " ? @ reo zava-boahary boooobaka beee mameno tanana ireo dia misy Azy aby. Sady tsara aby klou ny fahitako an-dreo fa tsy mampitahotra izany e...
5. niryna ( 15/01/2010 05:39)
Randria2007:

Miarahaba an'i rahery08 @ anaran'i Jesoa Tompo.
Nihorohoro tokoa ny Zanak'Isiraely raha nihaona t@ Andriamanitra. Mbola tokony hihorohoro ve isika?

mihorohoro amin'ny inona ry randria ?
Taloha Atra dia niseho tamin'ny olony ary ao anatin'ny jiro manjelatra ka tsy misy mahazaka ny taratry ny jiro asehony,ankehitriny izy efa tonga tety an-tany avy tamin'ny alalan'ny Zanany malalany ary nampiseho zavatra maro miaro fahagagana sy fahasitranana ,fandroahana ny herin'ny maizina sy ny asan'i satana ary fitiavana maro koa no nasehony avy amin'ny alalan'ny tantara rehetra mitranga amin'ny fiainana ary mbola azo tarafana ny fiainantsika izany ka izay rehetra mino azy dia tsy tokony hihorohoro intsony satria manana ilay Atra velona,mpamonjy antsika, ary izay miaraka aminy dia tsy atahotra na anana ahiahy kely akory aza

Ireto roa ireto ny valiny:
1° Raha toa ka tsy manana an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy isika dia mihorohoro toy ny devoly (ny devoly koa mba mino ka matahotra);
angaha vitan'izany ihany fa feno fahabangana ny fiainantsika ka na ananantsika avokoa aza izao rehetra izao mbola hafa ihany ny miaraka sy manana an'ilay Atra hitokina sy tompoina

2°Raha toy ny Vady kosa Ilay Mpanao antsika (Fa ny Mpanao anao no vadinao, Jehovah Tompon'ny maro no anarany), dia efa MIHAONA AMINAO ISANANDRO IZY, ka tsy ilay andro iray hitsarana anao sy ny tahotra no tokony hibahana ao antsaina, fa efa voavidiny t@ ràny ianao, ary tsy misy maharombaka ny eo ampelatanany.
tsy ratsy kosa ilay fanoharana

misaotra nizara e


:-*
6. mandrindra ( 15/01/2010 17:25)
dia mampamangy any rehefa mihaona aminy ianareo an
7. niryna ( 17/01/2010 02:56)
booboo:

Fa maninona no hoe " mbola hiaona " ? @ reo zava-boahary boooobaka beee mameno tanana ireo dia misy Azy aby. Sady tsara aby klou ny fahitako an-dreo fa tsy mampitahotra izany e...

raha ny fahalalako ny tiany ho tenenina dia isika rehetra dia mbola hihaona amin'Atra avokoa na mino na tsy mino azy amin'ny andro farany,.

Mbola ho adinina amintsika avokoa ny zavatra nataontsika tety an-tany,nomen'Atra fahefana isika hizara ny tenin'Atra moa ve nanao izany isika,nomena fahasoavana maro isika mba anehoana ny voninahiny ka moa ve nataontsika izany ,moa ve isika miaraka aminy sa mamafy lainga amin'ireo izay mbola tsy mahalala ny tenin'Atra ka manao izay analavitra ny hafa aminy,moa ve isika manenjika azy ka tsy mino na inona omen'ireo izay miteny ny tenin'Atra sy mizara izany ny hafa ?

izay no fahalalako azy a,avereno aty raha tsy izay ny hevitr'ilay nilaza .
Ny fantatro aloha dia tsy misy takona izay tsy ho hita ary na tsara na ratsy ny zavatra nataontsika tety dia mbola ho adinina isika rehefa tonga ilay fihaonam-be amin'ny ray.
Iza no eo > Satana mitantara ny zavatra nataontsika, i kristy ilay mpanavotra antsika,iza no avocat tsika na mpiharo antsika ka na inona na inona teny ataon'i satana eo dia Kristy no anarona izany helontsika izany satria efa nino azy isika efa nangataka famelana taminy isika ary efa voavdin'ny rany ny fahotantsika rehetra ,
Efa voasoratra fa
Ny kristiana dia tsy hisy fanamelohana " no condemnation for those who believe in Jesus,for those who do not believe are already condemn " fa fizarana ilay satroboninanhitra no hisy hitomany na hitafy ilay satroka na tsia ) ,ary kristy ihany no anambara ny rainy ( Atra) hoe " Efa voavidin'ny rako izy,efa navelako ny helony . Izany no antony iray mahatonga antsika mivavaka amin'Atra avy amin'ny alalan'i kristy satria izay rehetra mino azy dia efa voavonjy fa izay tsy mino ny zanaka kosa dia efa voaheloka sahady

Koa ireo izay rehetra mino an'ilay kristy sy manankina ny fiainany ary manaiky azy ho Tompo sy Mpamonjy izany dia tsy matahotra andalo izany fitsarana izany satria ny tenin'Atra no manambara sy mampianatra antsika izany
Ireo izay tsy mino azy kosa dia efa voaheloka sahady hoy ny tenin'Atra,tsy mora ,sarotra ho an'izay tsy mino saingy Atra dia mitarika antsika rehetra mba tsy ametraka ny fiainantsika amin'ny herin'ny tenantsika fa ametraka izany amiNy irery .Raha misy mbola tsy nandray moa na mbola tsy mino izany dia mangataha aminy mba omeny hery
izay no mba kely fantatro


:-*
8. rijadolly ( 17/01/2010 18:49)
Voaray :-* Misaotra amin'ilay lohateny
9. Randria2007 ( 21/01/2010 12:32)
Miarahaba antsika rehetra @ anaran'i Jesoa Tompo.
Dia misaotra an'i bor2lais mitovy hevitra amiko.
Ireto avy ireo toko sy andininy milaza izay zavatra nambarako.
1° Ny demonia koa mba mino ka mba mangovitra . Jakoba 2:19b
2°Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon'ny maro no anarany . Isaia 54:5
3° Ny Fiadanako no omeko anareo, Fiadanako no avelako ho anareo. Jaona 14:27
Ho an'i nyrina dia tsara raha mamaky hatrany amboalohany izay voalazan'i rahery08 fa misy fihorohoroana voalazany ao ka izay no nahatonga ahy namaly sy nanome an'io Jakoba 2:19b io.
Ho an'i booboo sy mandrindra dia mahafinaritra ahy ny namalian'i nyrina azy ka dia isahiraniko kely ianareo hamaky izay nosoratany. Hanampiko kely azy ny teny voalaza ao @ Jaona 3:18 (efa nolazain'i nyrina rahateo) "Izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo"
Ny tena hevitro raha tianareo ho fantatra dia be itovizana amin'ny hevitr'i nyrina ary ampiako hoe "Tsy misy maharombaka @ tanako (Jesoa na Jehovah no miteny). Jereo Isaia 43:13 sy Jaona 10:28b.
Koa noho izany, rariny ihany aloha raha MIHOROHORO ny DEVOLY sy IZAY TSY MINO E! Izao anefa, " Miomàna fa ho avy tsy ho ela Jesoa Tompo ka ho fifaliana no andraisanao Azy sa ho ranomason'ny nenina?"
Mandra-paha indray aloha e!
10. fijo ( 23/01/2010 23:44)
Mihorohoro ny Zanak’Israely raha nihaona tamin’Andriamanitra ;
le fihaonana teo mivantana sa aratsaina fotsinyyyyy????????
11. soanja ( 01/02/2010 01:57)
booboo:

Fa maninona no hoe " mbola hiaona " ? @ reo zava-boahary boooobaka beee mameno tanana ireo dia misy Azy aby. Sady tsara aby klou ny fahitako an-dreo fa tsy mampitahotra izany e...


Namaste tompoko!

Tsy mihaona akory fa ao aminao ao Izy no karohy ka ampiasao!


12. niryna ( 01/02/2010 06:13)
booboo:

Fa maninona no hoe " mbola hiaona " ? @ reo zava-boahary boooobaka beee mameno tanana ireo dia misy Azy aby. Sady tsara aby klou ny fahitako an-dreo fa tsy mampitahotra izany e...
soanja:


Namaste tompoko!

Tsy mihaona akory fa ao aminao ao Izy no karohy ka ampiasao!



ho an'izy mino fa tsy ny rehetra tompoko .Izay mitady dia ahita, Azy ,izay mandona ny varavaran'ny fony dia hivoha ho azy ilay ATra fa tsy izay tsy mitady sy tsy hino Azy dia ho tonga ao aminy fotsiny amin'izao Matio 7

7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.
7 "Ask, and it will be given you. Seek, and you will find. Knock, and it will be opened to you.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3599