andohalika ny ranombary

1. itaramasoandro ( 11/01/2010 13:08)
hevitra noentiko teo @ tontolo iainana saingy mifandringitra mafy 2 fiaraha monina ka arosoko eto.

tsy nisy nanohy ity hevitra momban'ny fandripahana ny alan'ny nosy ity ny namana teto @ serasera. sady mahatezitra no mampalaelo ny tsy fisian'ny hevitra mitohy momba io ary indrindra manoloana ny zava miseo anivon'ny atao hoe harenan'ny madagasikara iombonan'ny izao tontolo izao @-ntsika, satria tafiditra ho reharehan'ny fikambanam-be ny unesco ny alan'ny marojejy.

moa va re tsy misy mandraharaha mihitsy ny ho avy ny tontolo iainantsika ny namana etoana? @ fomba ahoana ny hanoizana ny fiainana eto @ nosy raha ripaka tsirairay ny ala fototry ny fiainana????

meteza re mamaky ity rohy manaraka ity ary miangavy anareo hieritreritra kely momba io ka amparitaka ny vaovao, izay indrisy tsy vaovao intsony, fa andohalika ny ranombary.

http://www.youtube.com/watch?v=rHYYhhLHeQw

8)
novalian'i milamm ny 15/02/2010 21:02
2. jarifa ( 13/01/2010 05:42)
???????????? :?: :?: :?: :?: :?:
3. xxx ( 19/01/2010 19:31)
on s'enfout!
4. arialy ( 23/01/2010 09:11)
aiza kosa de oe on s'en fout ry xxx à!!
le izy aloha sarotra be ny hapiharana ny sosokevitra misy aty ivelany ho an'ny tany mahantra satria tsy mitovy ny laharampahamehana eo amin'ny fiainana, raha tsy oe misy fanampiana goavana be mihitsy ary misy fitohizan'ny fanaraha-maso sns
5. xxx ( 23/01/2010 14:15)
tena on s'en fout toa ilay xxx tetsy ambony koa fa ny tany efa ela rizareo no nanao au bruli hoatran'io ary tsy nisy nahasakana satria @ alina no velominy ny afo, tena mety tokoa satria mitsimoka eo ny bozaka malefaka kely ireny avy eo, azo hambolena ny tany fa saingy tsy maharitra fa @ herintaona dia lasa izao. Noho izany , efa naseho teny @ gazety, ny timbre, nabeazina ny antony tsy tokony hanaovana izany! :arrow: On s'en fout! Azy ny azy fa efa elabe ny tontolo no maloto ka tsy handaniako andro ny hanao lesona indray!
Ireo teo aloha ireo no tokony hanontaniana @ ity hafanana e! eco e! sns....
IZY ANGAHA NIHEVITRA NY HOE HO AIZA NY TARANAKO!!!
Ka mann no izaho no hanao ny asa tsy tiany hatao???
Eisssy aho e!!!
6. soanja ( 23/01/2010 15:16)
itaramasoandro:

hevitra noentiko teo @ tontolo iainana saingy mifandringitra mafy 2 fiaraha monina ka arosoko eto.

tsy nisy nanohy ity hevitra momban'ny fandripahana ny alan'ny nosy ity ny namana teto @ serasera. sady mahatezitra no mampalaelo ny tsy fisian'ny hevitra mitohy momba io ary indrindra manoloana ny zava miseo anivon'ny atao hoe harenan'ny madagasikara iombonan'ny izao tontolo izao @-ntsika, satria tafiditra ho reharehan'ny fikambanam-be ny unesco ny alan'ny marojejy.

moa va re tsy misy mandraharaha mihitsy ny ho avy ny tontolo iainantsika ny namana etoana? @ fomba ahoana ny hanoizana ny fiainana eto @ nosy raha ripaka tsirairay ny ala fototry ny fiainana????

meteza re mamaky ity rohy manaraka ity ary miangavy anareo hieritreritra kely momba io ka amparitaka ny vaovao, izay indrisy tsy vaovao intsony, fa andohalika ny ranombary.

http://www.youtube.com/watch?v=rHYYhhLHeQw

8)


Ny fahitako azy aloha dia aoka samy hanao izay tandrify azy avy amin'ny fikarakarana ny tontolo iainana ka na any Australia ianao na any Mada na any Fiji dia iray ny planeta iatrehantsika ny fiainana, izay ataonao androany dia hisy vokany rahampitso satria mifandray isika sy ny tontolo iainantsika. Ny olantsika Madagasikara dia tsy io ala io ihany fa mbola mihoatra lavitra noho io, mbola lalindalina noho io ny aretina. Aoka hijery akaiky izany izay manana fahafahana manao izany. Aoka hampianatra ny zanantsika isika hahalala hijery ny ho aviny amin'ny fomba azo tsapain-tanana fa handaitra satria mpindrana amin'izy ireo isika amin'ity tany ity fa tsy nandova akory.


7. itaramasoandro ( 23/01/2010 15:36)
hoy soanja
Ny fahitako azy aloha dia aoka samy hanao izay tandrify azy avy amin'ny fikarakarana ny tontolo iainana ka na any Australia ianao na any Mada na any Fiji dia iray ny planeta iatrehantsika ny fiainana, izay ataonao androany dia hisy vokany rahampitso satria mifandray isika sy ny tontolo iainantsika.

miampy hoe
Aoka hijery akaiky izany izay manana fahafahana manao izany. Aoka hampianatra ny zanantsika isika hahalala hijery ny ho aviny amin'ny fomba azo tsapain-tanana fa handaitra satria mpindrana amin'izy ireo isika amin'ity tany ity fa tsy nandova akory


raha miombo-kevitra @o io ny ankamaroan'ny mpiserasera eto dia efa tafiditra @ dingana iray ny fahamelaran-tsain'izy ireo.
andao hatao hoe mbola misy ny fanantenana satria any ho any dia mino aho fa misy maro ny toa ny hevitrao, mahalala ny andraikiny @ fiaraha monina sy ny tontolo.

hoy koa ianao hoe
satria mpindrana amin'izy ireo isika amin'ity tany ity fa tsy nandova akory

mifandimby hatrany ny toerantsika eto an-tany: nisy ny nametraka holovain'ny manaraka, izay mametraka ho lovain'ny manaraka sns hatrany. ny lova tsy mipetraka fa mifandimby eo @ taranaka. ary hatao izay tsy maha potika na very azy.
8)

8. ANARIM ( 26/01/2010 08:51)
marina mihitsy ilay hoe atomboka amin'ny isam-batan'olona ny fiezahana sy ny fandraisana andraikitra e! fa raha hiandry lava izao ny hafa efa hay loatra ny mpitari-bato vilam-bava tsy eto dago iany fa eran-tany ... eo imason'ny rehetra zareo mody oe vaindohandraharaha ity olana ity, fa rehefa mikatona ny rideau ka zareo samy zareo rery sisa no ao ambadika ao dia ny paosiny, ny paosiny, ny paosiny, tsy misy afa tsy izay no vaindohandraharaha ...

zà manokana izao raha sendra mahita olona manipy fonona biscuit na hoditr'akondro na bôrka sigara eny am arabe eny ka sendra ahy, dia teneniko moramora izy hoe : tena sur v enao fa fanariam-pako eo???? d ra mba tsara ilay olona dia tonga saina ary mandraoka an'iny (tazominy mandrapahitany fanariampako sns sns), raha ratsy fanahy ilay olona dia zà ndray no mahazo ompa, dia misaotra betsaka aza oa, dia raofiko dia zà ndray no manary azy eny am fitoeram-pako.
9. naritsimba ( 05/02/2010 06:19)
Io amiko dia tsy asiako olana, atomboy ao @ tokantrano misy anao aloha.
1- Ampianaro ny iray trano aminao hahay hanaja ny ao an-trano, ny tsapa dia ny fahazarana ao an-tokantrano sy ny fitaizana azy t@ fahazazany no entiny mandra-maty, ny fanaon'ny olon-dehibe no ianaran'ny zaza ka dia tsy atao mahataitra e!
2- Io ihany koa dia rehefa ahitan'ilay olona tombotsoa dia tsy raharahiny na dia voataiza t@ fanajana ny tontolo iainana aza izy.
10. itaramasoandro ( 06/02/2010 00:55)
ka ny tombontsoa voalohany anie dia ny an'ny tena-miaraka @ manodidina é

sarotra sainana @ ahoana io hevitra io??? raha mifaningotra lalina ny fianan'olombelona sy ny zava boary, @ fomba ahoana no tsy hetezana hahazahoana fa ny tombontsoan'olombelona dia miankina @ zava-boary ary ny zava-boary @ ny an'olombelona???
8)

11. Djhamhal ( 12/02/2010 11:50)
tontolo iainana ; za dia sarotiny @ io fa mbola ho ezaka be ny antsika eto ma/kara ny momba azy io ! ny ahy ny tena tsy zakako dia ny mahita ireto harona sachet sy tavoahangy plastika eran'ny tanana reto ! io aloha no tokony ho foanana 1 kou !
12. milamm ( 15/02/2010 21:02)
fanabeazana eo anivony fiarahamonina isambatan'olona izay tsy nasiana lanjany intsony no fototra ialana @ zany ,fitsinjovana ny hafa sy ny manodidina atr@ sekoly ,isam-paritra,ary mivelatra @ reo reo sehatra maro hafa
ny oh.navoakany Anarim no hitako mafonja eo @ fifampitaizana ialana @ fahazaran-dratsy nefa eo koa ny fanjakana manana anjara biriky hanolokolo ny fiarovana ny tontolo iainana sy manodidin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7242