Ampitapitao hono

1. xxx ( 12/12/2009 06:56)
----- Original Message -----
From: Kasa M/car
To: mpisera
Sent: Wednesday, November 25, 2009 2:41 PM
Subject: : VAVAKA

Aparitao any e !!!

VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy.Misy aho satria misy Andriamanitra.Tsy misy tsy ao aminy, nomeny ahy ny Aina, Fitiavana.Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa.Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino n'iza n'iza ary mijery ny tsirairay.Manampy ahy amin'izay rehetra ataoko Izy.Ao anatiko Izy.Mihaino izay rehetra mivavaka Izy, saingy izaho no tsy manam-paharetana.
Andriamanitra ô!Tsy mendrika Anao aho, kanefa mitalaho Aminao, mba meteza mihaino ahy, ka manampia ary mamelà ahy amin'ny fahotako.Tsy manana afa-tsy Anao aho Andriamanitra ô!Manomboka izao dia hiezaka aho hanara-dia Anao, satria Ianao no Andriamanitra, dia ao amiko mandrakariva.Aza ilaozanao aho.Henoy ny fitarainako mitalaho Aminao.Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr'izay rehetra andalovany.Nofafanao ny ranomasoko, ampio aho Andriamanitra nahary ahy indrindra ô!
AMEN !
Nalefa tamiko ity taratasy ity araka ny fiangaviana ahy dia notohizako ny fielezany.Avy any VENEZUELA no nihavian'ity vavaka ity.
Andriamatoa RAINAU no naharay tamin'ny taona 1993, nanohy azy araka izay nangatahana taminy.9 andro taty aoriana dia nahazo vola 55 tapitrisa tamin'ny loterie iraisam-pirenena izy.
Andriamatoa GETERE dia nahazo ihany koa, saingy nanadino ny fisian'ity taratasy ity, indrisy, voaroaka tamin'ny asany izy.Kanefa, andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita taratasy nalefa taminy izy dia nadika in-29, 9 andro taty aoriana dia nahita asa tsaratsara sy ambony kokoa noho ny teo aloha izy.
Andriamatoa BORI, nahazo ary nadika in-29, 9 andro taty aoriana dia nisondrotra voninahitra tamin'ny asany izy.
Ramatoa iray nahazo ny azy dia nodorany ary dia may ny tranony ary simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary tafiditra hôpitaly ny vadiny.
Andriamatoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsorany izy handika ity taratasy ity in-29 ary nanely azy, andro vitsivitsy taty aoriana, vola 10 tapitrisa dolara no azony.
Noho izany, na inona na inona antony dia tsy tokony hajanona ny fampielezana ity taratasy ity in-29 ary alefaso amin'izay olona tianao handefasana azy, ary 9 andro aty aoriana dia hisy zava-dehibe hitranga eo amin'ny fiainanao
Enga anie hanam-piniavana ianao hanohy ity izay efa im-pito nihodidina teto an-tany.
Ny vitanao ho tsara kokoa ary tsara vitana hatrany ianao ka hahita fitia eo imason' Andriamanitra sy ny olona.Tsy mila mandefa vola, tsotra ny zavatra iangaviana anao: aza mitahiry ity taratasy ity, na dia ilay dika mitovy nataonao.Tokony hiala ao an-tokantranonao ity taratasy ity.Tsy zavatra ataoko foana na dia tsy isan'ireo minomino foana aza ianao dia iezaho hitohy ity taratasy ity.

Misionera any Saint-Augustin no nanoratra azy ity.
Afaka 9 andro dia hahita fahagagana lehibe ianao.
novalian'i niryna ny 17/12/2009 15:22
2. ni81 ( 12/12/2009 15:26)
3. tywa68 ( 12/12/2009 20:39)
zah zay ataon'i Ni ihany no ataoko :D :-D :-D
4. rahery08 ( 14/12/2009 12:10)
Manahoana daholo!
te! hahazo fahasoavana ve Ra xxx, sa matahotra loza no mampitapita!

Zah manokana aloha Ra xxx, tsy miasa amiko io!
taratasy maro toy io no nandalo teo amiko fa tsy noraraharahiko!
maninona aho zao!
satria fantatro fa tsy mitondra finoana! an i Jesosy, sady ilay anaran'ilay Andriamanitra aza tsy napetrany akory.

Ny manana an Jesosy tsy matahotra!

Ny fanontaniana dia izao! efa manana an'JESOSY ve Ra XXX?

Izay manana an Jesosy no manana ny fiainana!
izay tsy manana Azy dia ny fahatezeran'Atra no mitoetra ao aminy!

5. maeva74 ( 14/12/2009 12:20)
akory iaby! zah vao nahazo ohatran'io mihitsy afak'omaly saika hanao ohatran'i xxx aho fa efa fantako ny vokany dia naleo ko nalefako mail tahaka ny mahazatra e! efa hitako nisy fahasoavana kely niditra aloha hatramin'izay nadefasako azy izay e! :-* :-* :-* :-*
6. ni81 ( 14/12/2009 16:59)
zah zay ataon'i Ni ihany no ataoko
mitady hanao mouton de panurge ikalakely ity an! :-D :-D :-D

7. niryna ( 17/12/2009 04:50)
rahery08:

Manahoana daholo!
te! hahazo fahasoavana ve Ra xxx, sa matahotra loza no mampitapita!

Zah manokana aloha Ra xxx, tsy miasa amiko io!
taratasy maro toy io no nandalo teo amiko fa tsy noraraharahiko!
maninona aho zao!
satria fantatro fa tsy mitondra finoana! an i Jesosy, sady ilay anaran'ilay Andriamanitra aza tsy napetrany akory.

Ny manana an Jesosy tsy matahotra!

Ny fanontaniana dia izao! efa manana an'JESOSY ve Ra XXX?

Izay manana an Jesosy no manana ny fiainana!
izay tsy manana Azy dia ny fahatezeran'Atra no mitoetra ao aminy!

:D
8. niryna ( 17/12/2009 05:35)
xxx:

VAVAKA
Andriamanitra no nahary ahy.Misy aho satria misy Andriamanitra.Tsy misy tsy ao aminy, nomeny ahy ny Aina, Fitiavana.Izy no namonjy ny fiainako ka tiako hamonjy ny fiainanao koa.Manampy ny olona rehetra izy, tsy manadino n'iza n'iza ary mijery ny tsirairay.Manampy ahy amin'izay rehetra ataoko Izy.Ao anatiko Izy.Mihaino izay rehetra mivavaka Izy,

Ireo teny ireo dia nozaraiko ao amin'ilay sujet nomeko hoe "
Fisaorana lehibe no atolotra" ho Azy ,dia ilay Atra mahery manafaka antsika amin'ny fahoriana sy ny gejan'ny fanahy maloto,manafaka antsika tsy ho very,manafaka antsika ao anatin'ny loza maro,izy irery ihany tsy anampiana tsy analana

saingy izaho no tsy manam-paharetana.
dia angataho izy anome hery anao amin'izany fa izay mino dia ataony tanteraka koa izany raha mahasoa anao sy mifanaraka ny sitrapony
Andriamanitra ô!Tsy mendrika Anao aho, kanefa mitalaho Aminao, mba meteza mihaino ahy, ka manampia ary mamelà ahy amin'ny fahotako.Tsy manana afa-tsy Anao aho Andriamanitra ô!Manomboka izao dia hiezaka aho hanara-dia Anao, satria Ianao no Andriamanitra, dia ao amiko mandrakariva.Aza ilaozanao aho.Henoy ny fitarainako mitalaho Aminao

Aleloia
Haparitako izao vavaka izao mba ho fantatr'izay rehetra andalovany.Nofafanao ny ranomasoko, ampio aho Andriamanitra nahary ahy indrindra ô!
AMEN !
Atra dia tsy amela antsika ho irery

Nalefa amiko ity taratasy ity araka ny fiangaviana ahy dia notohizako ny fielezany.Avy any VENEZUELA no nihavian'ity vavaka ity.
misaotra anao nizara izany ary na aiza na aiza isika no mivavaka aminy dia ataony tanteraka ny faniriantsika raha mahasoa antsika izany,mety ho goavana ny fahagagana omeny antsika kanefa isan'andro dia omeny fofon'aina isika ary nampitomboina andro iray ny androntsika ka midera aminy ny amin'izany

Andriamatoa RAINAU no naharay tamin'ny taona 1993, nanohy azy araka izay nangatahana taminy.9 andro taty aoriana dia nahazo vola 55 tapitrisa tamin'ny loterie iraisam-pirenena izy.
Andriamatoa GETERE dia nahazo ihany koa, saingy nanadino ny fisian'ity taratasy ity, indrisy, voaroaka tamin'ny asany izy.Kanefa, andro vitsivitsy taty aoriana dia sendra nahita taratasy nalefa taminy izy dia nadika in-29, 9 andro taty aoriana dia nahita asa tsaratsara sy ambony kokoa noho ny teo aloha izy.
Andriamatoa BORI, nahazo ary nadika in-29, 9 andro taty aoriana dia nisondrotra voninahitra tamin'ny asany izy.
Ramatoa iray nahazo ny azy dia nodorany ary dia may ny tranony ary simba tanteraka, maty ny ray aman-dreniny, ary tafiditra hôpitaly ny vadiny.
Andriamatoa BUCHILBAN dia nahazo, niangavy ny mpitan-tsorany izy handika ity taratasy ity in-29 ary nanely azy, andro vitsivitsy taty aoriana, vola 10 tapitrisa dolara no azony.
efa imbetsaka ity tantara ity no nalefan'izay olona mandefa azy toa izao,ary dia misaotra nizara fa averiko indray fa santionan'ny asatanan'Atra izany fa tsy hery avy amin'ilay taratasy hoe amparitaho

Noho izany, na inona na inona antony dia tsy tokony hajanona ny fampielezana ity taratasy ity in-29 ary alefaso amin'izay olona tianao handefasana azy, ary 9 andro aty aoriana dia hisy zava-dehibe hitranga eo amin'ny fiainanao
ngaha,hafa kely indray izany, ny soratra masina ve ahitana izany? sa mampatahotra olona ilay nizara? izany ve tsy hafahafa be,raha izao ora tenenako izao ao no te hivavaka amin'Atra dia mihaino ahy izy fa tsy hoe aparitaho ity in xxx ao anatin'ny xxx ..hafa kely indray izany fivavahana izany
te ahalala ny hery sy ny asan'ny tanany isika? aza mitsahatra manankina ny fiainantsika aminy,ny fizarana na ny tsy fizarana ity hafatra ity dia tsy ampihova zavatra Dia lasa miandry loza daholo izany ny olona mamaky an'ity ka tsy mandefa ? soa ihany fa izaho no nandefa vaovao voalohany ny fitiavan'Atra antsika
Jereo ny tenin'Atra tsy mamela antsika hiloka kanefa ao ambony ao misy resaka loka? ny filokana dia fahotana eo anatrehan'Atra ,toy ny fahotana rehetra ,kanefa eto ilay izy nampiasain'ilay olona.hmm dia omeny ny mahantra sy ny fiangonana na fampiroboroboana amin'ny fanjakan'ny lanitra ve ilay vola ? tss nareo kosa e, aza akambana ny asa mahagaga vitany sy ny asa tian'ny olombelona atao fa mamadika tenin'Atra nareo,avereno aty amiko ny hevitro raha tsy mety :D

Enga anie hanam-piniavana ianao hanohy ity izay efa im-pito nihodidina teto an-tany.
fa maninona no ahodina im-pito ,sa fito isa masina ?

Ny vitanao ho tsara kokoa ary tsara vitana hatrany ianao ka hahita fitia eo imason' Andriamanitra sy ny olona.
lasa mamaky tanana sy mijery vitana indray ilay olona raha izany eto k'ty,Atra no mahafantatra izay mahasoa ny tsirairay fa tsy ny fandefasana io taratasy io no mahatsara vitana sy maharatsy vitana olona kosa e,tandremo,miambena,miambena fa izay manambe no akana be ary izay manana kely ny kely ananany indray no esorina aminy an,mamorona zavatra tsy misy ao anatin'ny baiboly isika dia ho tsaraina antsika koa izany ,mampatahotra olona amin'ny fomba ankolaka isika dia mbola ho tsaraina amin'izany ihany koa .
Fa ahoana izany vitana sy anjara izany? olona izany no nanome izany eto ? raha tsy mandefa ity vavaka ity izany dia ho ratsy vitana ny olona

Tsy mila mandefa vola, tsotra ny zavatra iangaviana anao: aza mitahiry ity taratasy ity, na dia ilay dika mitovy nataonao.Tokony hiala ao an-tokantranonao ity taratasy ity.Tsy zavatra ataoko foana na dia tsy isan'ireo minomino foana aza ianao dia iezaho hitohy ity taratasy ity.
:D
Atra dia manazava ny hafany ao anaty baiboly ary ny fianarana izany,ny fandalinana izany ,ny fametrahana ny fiainantsika aminy irery no tadiaviny fa tsy ny hoe raha tsy manao izao dia izao no mahazo,hafahafa be izy izany fa manjara ampitahorinareo ny olona .Atra izany no atahorana eto sa ny tsy fandefasana ity dia iteraka loza ? lasa misy mpaminany tampoka indray izany eo raha izany ! Fibebahana no tadiaviny amintsika,famelankeloka no anjara tokony ataontsika fa tsy ny hoe raha tsy mandefa ity dia izao no mahazo,tss
Jereo ny asatanan'Atra nalefako fa mahery ny asany ary isaorako azy izany ,tsy mila tambiny izy fa mizara ny fahasoavana nomeny fotsiny no ataon'ny mpino rehetra
Andriamanitra no mitantana ny diantsika tsirairay fa tsy ny fandefasana ttsy no ahatonga ny loza na ny vitana,miambena,miambena fa maro no olona nandefa santionany toa izao ho antsika ary misy aza manafatra ihany koa fa raha tsy manao izao dia tsy tonga any an-danitra ,na raha tsy mandeha miangona amin'izao andro izao dia tsy manana anjara any an-danitra.
Miambena ,miambena ihany no hafatro antsika ,matoa mitranga ny zavatra dia efa lahatra avy amin'Atra izay
misaotra nizara e

Ny fahasoavan'ilay tompo mahery anie ho ao amintsika rehetra

9. dangytsmaty ( 17/12/2009 12:14)
Tsy aleo ve leretsy mba andinin-tsoratra masina no atao tahaka io fa tsy rediredy toy izao, miala tsiny zah raha manafitohina an'i xxx ny fahiintsin'ny firesako fa zavatra tsy possible le lazainy; angamba mba nandray anjara nanoratra fotsiny izy fa tsy tena niantehitra t@ io fomba io an! Raha io no nanjary tsy efa ela ve ny tenanay no mba nanana ny ampy satria efa tany @ 1997 tany zah no nahita an'reny. Zao fotsiny é: A/tra mahalala ny anjara omena ny tsirairay fa ny tsirairay no miezaka manatsara izany; zah tsy mpiloka fa aleokondray ary miheritreritra hoe mi- tenter PMU.
10. niryna ( 17/12/2009 15:22)
dangytsmaty:

=D> =D> ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5875