Constipation: tamarin na vômadilo ??

1. Rakotofaly ( 08/12/2009 07:32)
Manahoana daholo ny mpiserasera rehetra,
Hono a! mba saika hanontany sy hila hevitra aho, izaho dia constipé matetitetika (indraindray 4 jours vao misy kanefa mbola kely fotsiny ihany sady mijaly ny mamoaka azy) ka nandray fanapahan-kevitra aho tato ho ato, efa ho deux (2) semaines izay, misotro jus de tamarin iray vera isan'andro. Izany hoe lomako @ alina ao anaty iray vera ny tamarin atao hoe tangozany roa (ilay mbola @ akorany no novidiako aloha mba hitsinjovana ny fahadiovana). Tsy asiako siramamy io rehefa sotroiko à jeun fa matahotra diabète aho. Izaho aloha dia nahatsapa hatreto fa nisy fiovana na dia mbola tsy tena régulier isan'andro aza ny manao besoins, kanefa tiako ho tohizana foana io fisotroana tamarin isa-maraina io. Ka mba te hanontany aho hoe: tsy misy fiatraikany @ vatako loatra ve io fisotroako isan'andro tamarin iray vera io? Misy mantsy no milaza fa hoe décalcifiant io e! mampahy io e! Izaho aloha mbola tsy nivalana tamin'io mihintsy e! Misaotra mialoha
novalian'i Ratoa ny 16/12/2009 15:36
2. xxx ( 08/12/2009 10:55)
rano mafàna + tantely koa tsara sotroina vao maraina

dia mazotoa misotro rano sy mihinana legioma sy voankazo mandritra ny tontolo andro
3. Veloo ( 10/12/2009 17:58)
Ny ranona vomadilo dia tsara ho an'ny foie ko mahasitrana mihitsy, Za aloha tsy mahafantatra an'izany hoe décalcifiant zany io e...

Zavatra misy fibre no tena tsara indrindra mba tsy ho constipé, aza mihinana mofo fotsy fa mofo complet alaina, dia leguma sy vokazo arakilay lazain'i io xxx io
4. Ratoa ( 16/12/2009 15:36)
Izay mihitsy: misotro rano vao maraina na mafana na mangatsiaka mety daholo. Mahery omana legumes sy voankazo. Ary indrindra indra, ataovy somary alohaloha ny sakafo maraina dia miandrasy 30 mn vao mandeha ndeha, mipetrapetraka ianao mandritra io 30 minutes io. Izaho koa nitohana taloha dia nasain'ny dokotera naka io 30 mn io fotsiny dia mandeha tsara. Lasa reflexe conditionné.
Ilay ranon'ny vao madiro mantsy mety tsy ho vatra atsy ho atsy ary mety hisy fotoana tsy isiany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.172