tantara marina momba ny herimpamoretana mpitifitra vahoaka

1. milamm ( 03/12/2009 22:11)
ministre ny défense ny professeur zafy t@ 1992no nampitifitra ny federalista teny cemes soanierana ka nahafaty an’i Tompokolahy Laha Gaston ary nahavoatifitra an’i Monja Jaona, dadan’i Monja Roindefo nefa izao indray ireo toa miara-petsapetsa aminy.

loharano La gazette de la grande ile.
Misy andro roa tsy azo fafana amin’ny tantaram-pirenena malagasy koa dia ny 31 martsa 1992 sy ny 1 aprily 1971. Ny 31 martsa dia ilay fihetsiketsehana nataon’ny ankolafin-kery pôlitika tsy nankasitraka ny fihaonambem-pirenena (Forum National) tamin’ny 1992. Nitrangana fahafatesan’olona izay hetsika fanehoana tsy fankasitrahana izay, dia ny Raharaha Cemes Sonierana izany.
Raha teny amin’ny Complexe Scolaire Ampefiloha no nanaovana ny Fihaonambem-pirenena tamin’izany fotoana, dia nifindra teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny mpizaika rehefa hanao fivoriambe iraisan’ny vaomiera isan-tokony. Na teny Ampefiloha na teny Mahamasina dia nisehoana herisetra miharo fihantsiana hatrany, tamin’ny alalan’ny toraka grenady avy amin’ireo ankolafy tsy nankasitraka ireo. Nandray fepetra ny mpikarakara ny fihaonambem-pirenena nony tonga ny andron’ny 31 martsa ka namindra ny toeram-pivoriana teny amin’ny Cemes Soanierana. Ny antony dia hoe mba hisorohana ny fifandonana satria tobin-tafika eny ka tsy azo «tafihina» no sady mora arovana kokoa. Mbola niezaka ny hiakatra teny mba handrava an’izay fivoriana izay ihany ireo ankolafin-kery nitonona ho Federalista tamin’izany. Teo koa ireo nilaza azy ho «Olona Leo Pôlitika» (Olp). Niteraka fifandonana teo amin’ireo mpitandro ny filaminana sy ireto mpanao fihetsiketsehana anefa izany. Nisy ny aina nafoy, ka iray tamin’ireny i Laha Gaston, mpikambana tao amin’ny birao pôlitikan’ny Monima ary isan’ny mpikambana tao amin’ny Fahefana Avom-panjakana (Hae) nandritra ny rafitra tetezamita tamin’izany. Isan’ny voatifitra tamin’izany koa i Dadamonja ka ny tongony no voa, izay nitarika ny fahafatesany moa, roa taona sy tapany taty aoriana. Tsy mahagaga izany satria raha mitaha amin’ny mpikambana Monima manerana ny Nosy dia natanjaka kokoa ny tany atsimon’ny Nosy.

Ny Monima mantsy no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana sy ny fanentanana ary ny fitarihana ny vahoaka hanohitra ny endri-pitondrana jadona tamin’izany. Nahatratra 3000 no maty tamin’izay 1 aprily 1971 izay satria nandefa andian-tafika tany Atsimo ny fitondrana Pisodia. Nambaran’ny mpitondra fanjakana foibe tamin’izany fa «fampandrian-tany» no antony nandefasana an’ireo «herim-pamoretana» tany, nefa dia tena fandripahana ny vahoaka tsy nanan-tsiny nijoro nitaky ny anjara-masoandrony no tena nataon’izy ireo. An-jatony koa ireo voasambotra, saingy nandray ny andraikiny i Dadamonja ka nanatona ny manam-pahefana tany an-toerana, ary nilaza fa «izy ny tompon’andraikitra mitarika ny antoko Monima izay fanoitran’iny hetsi-bahoaka iny ka avotsory avokoa ireo rehetra nosamborina fa izy no aoka hofonjaina». Dia notanana i Dadamonja. Firy amin’ny mpitarika fihetsehana pôlitika amin’izao fotoana no hanana fahasahiana hiantsoroka ny andraikitra toa azy tahaka izany ?
Isan’ny anarana tsy azo fafana ao anatin’izay fitarihana ny herim-pamoretana nandripaka vahoaka tany atsimon’ny Nosy tamin’ny 1971 izay ny anaran’ny Kôlônely Ratsimandrava Richard.De tsy ho lazaina intsony ny 10/08/91nataony ratsy iraka,mbola ho avy @ emmonat sy ny cemgam ny 07/02/09
novalian'i milamm ny 05/12/2009 02:57
2. milamm ( 03/12/2009 23:23)
fampatsiahivana fa tsy mamoha fota-mandry akory momba ny fanonganampanjakana izay tsy vaovao akory fa efa niseho t@ 2006 izay nokasainy gal. fidy,i rajaonarivelo sy ireo ao ambadikany t nahitana an\'i landivola nanao hold-up ny PRM ary nanery ny HCC hanao sonia http://madagascar-evenements-2009.blog4ever.com/blog/photos-288010-1.html
i landivola sy dadapasy anisany nikotrika izany efa ela,niandriandry fihetsehambahoaka fotsiny nefa tsy adino koa ireo mpanoltsainy lavanify elia
ravelomanatsoa,ny hasina( t@ tolona t@ 91 dia nosamborin’i tsaranazy olon-dratsiraka i Itpkv bao andriamanjato ka nidiny tany mantasoa,saika maty 1 mande nisakafo teny iavoloha nihinana sakafo voapozinavoalohany taona. Amizao nefa dia iny i hasina fa miaraka tsara @ olona tohanan-dradidy sy baikony)sy roindefo efa nolazaiko etsy aloha, i frantsa sy ny orinasany Bolloré olona akaiky an\'i sarko ireo chaines mediatiques France Monde ,TV5 monde , France 24 sns izay nanohana tanteraka nyTGV , ny DG mo de ny divany B.kouchner ,
tsotra ny tanjona hanonganana ny filoha voafidimbahoaka nametrapialana Ravalomanana,fanimbana ny fananany sy ireo fandrosoana teo @ fiarahamonina
dorana sy simbaina @ zay Antananarivo(TVM,RNM izay mbola mitahiry vakoka sy ireo porofo haino amanjery momba ireo fitondrana rehetra teo aloha,tsy nisy hafa an,Andafiavaratra mitana ny secret ny afera mode operationelle ratsimandrava,Anatirova hanimbana tanteraka ny symbole ireo mpanjaka tao i deba no tomponkevitra,iramarson no mpanatanteraka @ reo jiolahiny mpikarama an\'ady ao antanana)
Averina ahantra indray toy ny taloha i Madagasikara raha niakatra 7.1% ny PIB
fanantanterahana,mila tsy ampy saina otrany lavanify izay efa maire toa andRavalomanana dia izao iarahamahalala izao
ny vahoakan\'Antananarivo de ampanginina tsotra @ vava basy sy atao sorona teny ambohitsirohitra(@ alalany capsat sy fis izay division manokana ao @ tafika teny Tanjombato avy @ resep sy spadem nisolo toerana ny emmonat,cemgam refa voavidy ireo jeneraly 23 mpitarika andiantafika samihafa nanao sonia ao anatiny io PRM etsy ambony io izy ireo de hitantsika ao ny anarany)
izay aloha no azo ambara fa io farany io de azavina tsara @ olona toa any rapa








3. milamm ( 03/12/2009 23:35)
tony jiolambotony ramarson zany nanampy an'i andry http://madagascar-evenements-2009.blog4ever.com/blog/photos-cat-288010-1948509199-7_fevrier_2009___samedi_rouge_et_sombre_a_madagasc.html

ary averiko eto le adiny landivola tany @ HCC sy sarla.lylison ny fis
http://madagascar-evenements-2009.blog4ever.com/blog/photos-288010-1.html

ary reo nolazaina hoe emmonat nisandoka hay kay kapisaty, fis
http://madagascar-evenements-2009.blog4ever.com/blog/photos-cat-288010-1948509413-maintien_de_l_ordre_par_le_gvt_legal_et_emmonat.html
4. wiwiwi ( 03/12/2009 23:46)
tsotra ny tanjona hanonganana ny filoha voafidimbahoaka nametrapialana Ravalomanana,fanimbana ny fananany sy ireo fandrosoana teo @ fiarahamonina
dorana sy simbaina @ zay Antananarivo

Vitan'i ralavanfy tsara ny fikasana nefa dia ny vahoka no miantoka,aza atao an-kilabao ntsony io ry Vahoaka Mlasasy fa apiriato any ,lera lera lera!!!
5. patrick2002 ( 04/12/2009 13:03)
Raha tena voafidim-bahoaka marina i Ravalo ,tsy tokony hanakatona ny Radio viva ,tsy nanao antsonjay ny Radio don bosco ,Radio antsiva .
Ary raha mbola mamim-bahoaka tsy tokony hialoka any afrika atsimo ,matoa matahotra ny hiverina, ao raha ,mpanao ratsy ,efa fantatry ny vahoaka fa ambodia mitafy zanak`ondry .
6. pikatti ( 04/12/2009 14:05)
tony jiolambotony ramarson zany nanampy an'i andry Jereo eto

ary averiko eto le adiny landivola tany @ HCC sy sarla.lylison ny fis
Jereo eto

ary reo nolazaina hoe emmonat nisandoka hay kay kapisaty, fis
Jereo eto

Misaotra lesy milamm tena mazava be le kombina jiolahimboto mianakavy
7. milamm ( 05/12/2009 02:57)
tsisy koi iny rapika fa hafatro kely fotsiny @ rapa lazao i lavanify fa zay mamafy rivotra hono mbola hijinja tadio...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0398