Fanotaniana ho an'i Rzakarivola

1. rakapy ( 27/11/2009 14:58)
Miarahaba anao ny tenako.

Ventesinao sy tanisainao ombieny ombieny eto @ ity dinika ity ilay teninao hoe" Nahare ny feon'i kristy" ianao.

Mba liana ny te ahafantatra ny mombamomba izany ny tenako. Ka ireto misy fanotaniana vitsivitsy tiako apetraka aminao.

1/ Inona no porofo sy nahafantaranao fa i jesosy marina ilay feo renao?
2/ Taiza ary t@ fotoana inona no nandrenesanao ilay feo. Izay no niaraka t@nao tamin'io fotoana io?
3/ Impiry no nandrenesanao ilay feo?

Misaotra mialoha
novalian'i fijo ny 10/12/2009 23:26
2. ikaretsaka ( 27/11/2009 17:48)
rehefa mitsimpona de
"ny maso no miheno...ilay
feo voasoratra" :-D
3. cutie ( 27/11/2009 20:48)
raha tena te hahafantatra i rakapy manin tsy nalefa hafatra manokana le izy :D
4. niryna ( 28/11/2009 04:19)
cutie:

raha tena te hahafantatra i rakapy manin tsy nalefa hafatra manokana le izy :D

:D
iza no m,ahita fa sao mba hanampy azy sy ireo hafa ilay fandefasana azy eto :D
5. niryna ( 28/11/2009 04:19)
cutie:

raha tena te hahafantatra i rakapy manin tsy nalefa hafatra manokana le izy :D

:D
iza no mahita fa sao mba hanampy azy sy ireo hafa ilay fandefasana azy eto :D
6. ravonjison ( 28/11/2009 12:50)
rakapy:

Miarahaba anao ny tenako.

Ventesinao sy tanisainao ombieny ombieny eto @ ity dinika ity ilay teninao hoe" Nahare ny feon'i kristy" ianao.

Mba liana ny te ahafantatra ny mombamomba izany ny tenako. Ka ireto misy fanotaniana vitsivitsy tiako apetraka aminao.

1/ Inona no porofo sy nahafantaranao fa i jesosy marina ilay feo renao?
2/ Taiza ary t@ fotoana inona no nandrenesanao ilay feo. Izay no niaraka t@nao tamin'io fotoana io?
3/ Impiry no nandrenesanao ilay feo?

Misaotra mialoha



Fanontanioana efa nipetra nandritra ny 2000 taona , fa sarotra ahitana valiny.
Ny sasany na miezaka mafy aza ( manokatra maso sy sofina ), dia tsy mety maheno. Ny sasany indray na tsy manao inon'inona aza dia mahare. Ny sasany na dia nahare aza dia mody manao be marenina ary milaza fa tsy naheno. Ary farany , misy ireo izay tsy naheno nefa mody milaza fa naheno, indraindray voafitaky ny eritreriny.

Sarotra ny manavaka ilay ahi-dratsy @ voam-bary.
7. ni81 ( 28/11/2009 13:09)
Sarotra ny manavaka ilay ahi-dratsy @ voam-bary.
zava-manahirana koa io lafiny iray io
8. cutie ( 28/11/2009 14:39)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 28-11-2009 05:19:03
Lohateny : Re : Fanotaniana ho an'i Rzakarivola
Hoy i cutie:

raha tena te hahafantatra i rakapy manin tsy nalefa hafatra manokana le izy



iza no m,ahita fa sao mba hanampy azy sy ireo hafa ilay fandefasana azy eto

hay ............
mampatsiahy ahy hira ndray ty dinika ty :-D
"Reko zao ry tompo izany antsonao
Miantso izany mpanompo
Mba ho irakao............."
9. rakapy ( 29/11/2009 11:35)
Avelao kosa i Rzakarivola hilaza ny zavatra hitany sy reny e! Nareo koa tnga dia mitsaingoka be fahatany. Sady izy raha teo no nametrahako ilay fanotaniana.

Nefa moa amin'ny maha tsy kristianinina ny tenako ary tsy te hanaraka ny xtianisma ny tenako dia tsy voatery hamaly ianao raha toa ka tsy vonona ny hamaly.
10. Mirananirina ( 29/11/2009 13:20)
Izaho koa toa liana hoatra an-drakapy.Valio hoe Rzakarivola.
11. cutie ( 29/11/2009 14:46)
i rakapy koa misen a :-D
12. cutie ( 29/11/2009 14:49)
Avelao kosa i Rzakarivola hilaza ny zavatra hitany sy reny e! Nareo koa tnga dia mitsaingoka be fahatany. Sady izy raha teo no nametrahako ilay fanotaniana

hay ve e ka tsy efa zay ve no nolazaiko ery ambony we manin tsy handefasana hafatra izy raha izy irery ihany no nametrahana fanontaniana, fa matoa natao ato le dinika de mbola afaka mitsaingoka zahay, raha any @ hafatra manko de tsy hitanay :-D
13. rakapy ( 29/11/2009 15:30)
Hoy Cutie
hay ve e ka tsy efa zay ve no nolazaiko ery ambony we manin tsy handefasana hafatra izy raha izy irery ihany no nametrahana fanontaniana, fa matoa natao ato le dinika de mbola afaka mitsaingoka zahay, raha any @ hafatra manko de tsy hitanay

Ka izaho anie tsy mahay resaka ambadika dia izay no nametrahako azy eto e!
i rakapy koa misen a

Misen ahona ary??? Ataovy serieu !!!
14. cutie ( 29/11/2009 20:16)
lol
15. rzakarivola ( 30/11/2009 11:29)
Miarahaba an-drakapy sy ny namana rehetra.
1/ Inona no porofo sy nahafantaranao fa i jesosy marina ilay feo renao?
==> Ny inoako fa i Jesosy marina ilay izy dia izao :
- nangetaheta fahamarinana aho tamin'io fotoana io, ary tsy ampy intsony hisaina na inona na inona fa efa reraka am-panahy loatra. (teniNy voasoratra ao @ Baiboly : "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana")
- Raha hoy aho hoe "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao (zava-midona @ foko izao)" ("Indro izaho mitsangana eo am-baravarana mandondona, raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hidira ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy, ary izy amiko"). Nahazo valiny tsy an-kihambahamba aho hoe : "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika taty amiko", ary tsy izay ihany, fa ny explications rehetra nangatahiko mikasika ny zavatra notanisaiko dia nahazo valiny mazava be toy izany. Koa amiko dia ilay "Jesosy" nantsoiko no namaly, na dia tsy niteny aza Izy hoe : "Izaho no Jesosy" ...
- Raha tsy Izy akory no namaly ahy, hatramin'izao tsy nanome ahy identité quelconque io namaly ahy io, fa na ny fifandraisako amiNy aza dia tahaka izay voasoratra ao @ Baiboly mihitsy momba ny fifandraisan'i Jesoa amin'ireo mpianany, koa izay no ahazoako antoka fa i Jesosy iny niteny tamiko iny.

2/ Taiza ary t@ fotoana inona no nandrenesanao ilay feo. Izay no niaraka t@nao tamin'io fotoana io?
==> Indray Alakamisy alina, 2004 (tsy tadidiko na fin octobre na début novembre, fa ny événements nahatonga ahy tao anaty désespoir tanteraka no tadidiko tsara). tao an'efitranoko io, efi-trano tsy nisy jiro (fa otran grenier), tsy nisy olona tao fa izaho irery. Tsy niloa-bava rahateo aho, fa ny ranomasoko nirotsaka be, tao anatiko ny resaka nataoko rehetra, ary valin-teny tao anatiko ihany koa izany. Ka ho iza no niaraka tamiko tao fa tsy izay namaly ahy na dia tsy hitako aza. Finoako, i Jesosy izany.

3/ Impiry no nandrenesanao ilay feo?
==> Raha ny tamin'io alina io no anontanianao dia isaka ny nanontany aho dia nahazo valiny, soit autant de fois que le nombre de questions.
Raha ny hatr@ anio indray dia hoy aho aminao hoe : mandre ny feon'i Jesosy aho isaka ny mandre ny teniNy : Mamaky Baiboly, mivavaka, miangona, mifanakalo hevitra na miady hevitra @olona mikasika ny finoana,mety ho miresaka tsotra ihany koa fa misy fanahy mibitsika amiko mampahatsiahy ny teniNY ... hoy Izy (Jesosy) hoe "Rehefa tonga ny Mpananatra, Izy no hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko"
16. rakapy ( 30/11/2009 12:14)
Misaotra an'i Rzakarivola namaly ny fanotaniana.

Ary diso izany ny fandraisako ny resakao hatramin'izay satria noheveriko fa nahere FEO mihintsy ianao t@ izay fotoana izay. Hay moa ilay feon'ny fiheritreretana no nibitsika tao aminao. Mazava ny @iny fa misaotra.

Raha ny fomba fijeriko ilay cas-nao dia toy izao:

Tafalatsaka ato anatin'ny depression lalina ianao ary nitady izay hialana tao tamin'io fotoana io. Matetika ny olombelona rehefa tojo fotoana toy izany dia mitodika sy mila hery avy @ olona na zavatra na finoana iray izay inoany fa mahery noho izy. Tsy ny olombelona tojo rehetra tojo olana anefa no mahavaha ny olana mianjady aminy fa arakaran'ny toe-panahy angamba na zavatra hafa no mety ahavonjy azy.

Lehibe sy nobeazina ara-pomba kristianina angamba ianao ka i jesosy no finoana fantatrao fa mahery noho ianao ka dia nadaitra taminao ny finoana azy.

Raha atontsika hoe nobeazina t@ fomba silamo na budhist na rastafarai ianao dia inoako marina fa i mahomet na i budha na i jah no nibitsika tao an-tsainao t@ io andro io.

Ny tiako ambara dia hoe, izay ilay atao hoe FINOANA. Toy ny company fitanterana izy io fa ny destination iray ihany.
17. ikaretsaka ( 30/11/2009 12:41)
izay mihitsy rakapy a, amiko aloha de izay e
za zao zatra posy sy lehibe tany @ tany feno posy fa zany tsy nahasakana ahy handeha fiara hafa....saingy ny posy no "favori" ko satria iny no naha botsabotsa
18. rakapy ( 30/11/2009 12:51)
Hoy Ika
za zao zatra posy sy lehibe tany @ tany feno posy fa zany tsy nahasakana ahy handeha fiara hafa....saingy ny posy no "favori"

Tsy misy maharatsy ilay posy fa sady ela no mampijaly olona no mahavoa ilay izy ko!. Izaho aloha tsy mety mandeha posy fa aleoko ilay mpitarika no tarihiko dia izaho mandoha vola ho azy ihany na dia mitarika aza e! :-D
19. ikaretsaka ( 30/11/2009 13:11)
efa kinga zao fa tsy taritina tsony! :wink: :wink:

Hs out!
20. rzakarivola ( 30/11/2009 20:17)
rakapy:

Ary diso izany ny fandraisako ny resakao hatramin'izay satria noheveriko fa nahere FEO mihintsy ianao t@ izay fotoana izay. Hay moa ilay feon'ny fiheritreretana no nibitsika tao aminao. Mazava ny @iny fa misaotra.

==> Tsy nahare "son" aho, fa "voix". Izaho rahateo tsy namoaka "son", amiko izany, Jesosy niteny tamiko t@ fomba niresahako taminy.

rakapy:

Raha ny fomba fijeriko ilay cas-nao dia toy izao:... Matetika ny olombelona rehefa tojo fotoana toy izany dia mitodika sy mila hery avy @ olona na zavatra na finoana iray izay inoany fa mahery noho izy....
Lehibe sy nobeazina ara-pomba kristianina angamba ianao ka i jesosy no finoana fantatrao fa mahery noho ianao ka dia nadaitra taminao ny finoana azy.

==> Nobeazina t@ finoana kristiana (protestanta) ihany aho, saingy tsy nino an'i Jesosy aho, ny marina, nisalasala aho raha marina ny baiboly na tsia, hoe "sao dia mba ny bouddhisme no marina, na ny islamisme". Izay no nahatonga ahy nanao hoe : "raha misy marina ianao ...". Avant d'étre fort, il faut qu'Il existe.

Tsy izaho ihany no nanana expérience t@ fifandraisana @ Jesosy, fa misy olona hafa finoana ireto azonao jerena :
Moussa Koné (Muslman)
Sundar Singh (Hindou)
Saul de Tarse (juif)
Samy hafa ny fomba nitrangan'izany ho an'ireo tsirairay ireo, fa misy zavatra nitovizany :
- samy nafàna fo t@ finoany,
- samy nandre momba an'i Jesosy ary nankahala Azy sy ny mpanara-dia Azy,
- samy nisehoaNy ary samy tonga mpianaNy.

Ianao koa mety mba notezaina tamin'ny finoana kristiana, saingy tsy mino ianao ankehitriny. Ny vavaka ataoko dia ny handrenesanao Azy, ary tsy ianao irery.

rakapy:
Ny tiako ambara dia hoe, izay ilay atao hoe FINOANA. Toy ny company fitanterana izy io fa ny destination iray ihany.

==> Destination iray ihany hoy ianao. Fa izay manaiky ny ho any ihany no ho tonga any.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0516