Fanotaniana ho an'i Rzakarivola

21. ikaretsaka ( 30/11/2009 20:52)
de sekta izany rzaka izao raha azoko tsara? (azafady fa fitia te hanontany an)
22. rakapy ( 01/12/2009 05:37)
Hoy Rzakarivola
> Destination iray ihany hoy ianao. Fa izay manaiky ny ho any ihany no ho tonga any.

Mazava ho azy! Raha ho any Lavanono ve no tianao aleha nefa Tulear no destination, Tsy aleonao mitady fitanterana hafa?
Tsy izaho ihany no nanana expérience t@ fifandraisana @ Jesosy, fa misy olona hafa finoana ireto azonao jerena :
Moussa Koné (Muslman)
Sundar Singh (Hindou)
Saul de Tarse (juif)
Samy hafa ny fomba nitrangan'izany ho an'ireo tsirairay ireo, fa misy zavatra nitovizany :
- samy nafàna fo t@ finoany,
- samy nandre momba an'i Jesosy ary nankahala Azy sy ny mpanara-dia Azy,
- samy nisehoaNy ary samy tonga mpianaNy.

Tsy manda ny ohatra noraisinao ao. Io no angle nahitanao azy nefa tarovy fa misy angles 4 fara-fahakeliny eo @ maso-panahin'ny olombelona. Ka misy koa ny vis versa -ny voalazanao io.
23. rzakarivola ( 01/12/2009 10:54)
ikaretsaka:

de sekta izany rzaka izao raha azoko tsara? (azafady fa fitia te hanontany an)

==> Rehefa mandre ahy miteny ny Eglise traditionnelle dia mieritreritra avy hatrany fa sekta aho.
Rehefa mifampiresaka amin'ireny antsoina hoe sekta ireny koa dia leo ahy izy ireo.
Misy milaza fa diable, possedé, ... sns.

I Jesoa aza Jiosy nolazain'ny sasany fa Samaritana, Izy no Zanak' Andriamanitra Lahitokana, nolazain'ny sasany fa demoniaka.

Izaho kosa hilaza hoe :
- nafàna fo t@ maha protestanta ahy aho taloha, ankehitriny aho resy lahatra fa i Jesoa tsy mba ni-protester,
- Nankahala mpanaradia an'i Jesoa aho taloha, tsy tia maizina mpitandrina. Ankehitriny izaho no tonga mpanara-dia Azy ary faniriako raha mbola eto an-tany ny ho tonga Mpitandrina tsara (bon Pasteur à l'image du bon Berger).
- Nandre momba an'i Jesoa aho taloha fa tsy nahafantatra ary tsy nino Azy. Ankehitriny aho mifankafantatra amiNy, ka izay fantatro momba azy dia tsy izay reko nolazain'olona intsony, fa Izaho mihitsy no nandre, ka mino aho fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
Tsy maninona izay anarana mety hiantsoan'ny olona ahy, fa mahafaly ahy rehefa tonga mpianaNy aho, ary hoy Izy : "Ny mpianatra tsy lehibe noho ny Mpampianatra azy"
24. rzakarivola ( 01/12/2009 11:03)
rakapy:
Mazava ho azy! Raha ho any Lavanono ve no tianao aleha nefa Tulear no destination, Tsy aleonao mitady fitanterana hafa?

==> Raha misy te ho any Paradisa, efa nasehon' Andriamanitra ny Kaompaniam-pitanterana tokana mitondra any, ary isika ankehitriny sambatra kokoa satria efa be agence izany Kaompania izany, indrindra ho antsika Malagasy.

rakapy:
Tsy manda ny ohatra noraisinao ao. Io no angle nahitanao azy nefa tarovy fa misy angles 4 fara-fahakeliny eo @ maso-panahin'ny olombelona. Ka misy koa ny vis versa -ny voalazanao io.

==> Tsy mbola hitako ny mason'ny fanahy, fa ny maso ara-nofo no efa hitako fa anakiroa : havia sy havanana. Izao no tenin'i Jesoa : "Raha ny masonao havanana no mampanota anao, esory hiala aminao izany, fa tsara kokoa ho anao ny miditra any @ Fiainana toka-maso, toy izay roa ny masonao nefa hariana any amin'ny helo".
Ara-panahy isika dia manana fomba fijery anakiroa : ny momba an'izao tontolo izao (ny nofo) sy ny momba ny tontolon'ny fanahy. Ary manavanana antsika indrindra ny fijery araka an'izao tontolo izao.
Raha mahita fijoroana vavolombelona hafa mifamadika amin'izay nentiko ianao dia fomba tokana ihany no ahafantaranao ny marina : ianao mihitsy no mandre! Na ho havia na ho havanana, sokafy ny fonao handray izay marina, fa ny fanambaranao ny tsy metin'ny hafa tsy hitondra anao amin'ny fahamarinana velively.
25. rakapy ( 01/12/2009 13:50)
Hoy Rzakarivola
Tsy mbola hitako ny mason'ny fanahy, fa ny maso ara-nofo no efa hitako fa anakiroa

Nefa dia hoy ianao indray
Ara-panahy isika dia manana fomba fijery anakiroa : ny momba an'izao tontolo izao (ny nofo) sy ny momba ny tontolon'ny fanahy

Ny ahy aloha ny fijeriko ara-panahy dia misy maro fa tsy voafetra ho toy ny voalazanao io.
Raha mahita fijoroana vavolombelona hafa mifamadika amin'izay nentiko ianao dia fomba tokana ihany no ahafantaranao ny marina : ianao mihitsy no mandre! Na ho havia na ho havanana, sokafy ny fonao handray izay marina

Amiko dia tsy voatery handre ny olona iray vao ahafantatra sy ahita ny marina tokony alehany. Nomeny saina isika handinika sy hamakafaka ny tontolo misy antsika na ara-nofo io na ara-panahy.
fa ny fanambaranao ny tsy metin'ny hafa tsy hitondra anao amin'ny fahamarinana velively.

Nefa dia nahoana no nambaranao fa tsy mety ary tsy marina ny olona tsy mino an'i jesosy ho A/tra?
26. ikaretsaka ( 01/12/2009 14:27)
rzaka> tsy nisy niteny anao hoe miarova tena de mitsimpona hanamarinanao ny tenanao fa fanontaniana tsotra no napetrako ary eny na tsia ny valiny! ze tantarana fariseo sns... anao any aleo ho any.

de tte facon samihafa ny Kristianina sy ny jiosy(fariseo) fa aza alaina ho ohatra mihitsy satria samihafa ny toriany: ny 1 Kristy moa ny 1 Jiosy...
fa ny sekta voanjo alika sy ny tsy sekta no samy "mody hoe Kristy" no toriany !

Za zao Katolika de miteny ahako hoe katolika... tsy menatra @ izany ko inona no mahamenatra anao sy hiarovanao tena raha sekta ianao sanatria?
27. rzakarivola ( 02/12/2009 11:13)
ikaretsaka:

rzaka> tsy nisy niteny anao hoe miarova tena de mitsimpona hanamarinanao ny tenanao fa fanontaniana tsotra no napetrako ary eny na tsia ny valiny! ze tantarana fariseo sns... anao any aleo ho any.

==> Tsy afaka hiaro tena aho, ary tsy afaka hanamarin-tena, fa Jesoa Kristy irery no Tompon'ny fahefana rehetra ka afaka hiaro sy hanamarina ahy na aiza na aiza, indrindra eo anatrehan'ny fitsaràn' Andriamanitra.
Tahaka ny tsy naha Samaritana an'i Jesoa no tsy maha "sekta" ahy. Kanefa na sekta na tsy sekta, samy handalo ny fitsaràn' Andriamanitra.
Avy ny andro, sady efa tonga, tsy any @ eglizy na any amin'ny sekta no hivavahana @ Andriamanitra, fa ny Ray dia Fanahy, ka izay mivavaka amiNy dia mivavaka amin'ny Fanahy sy ny Fahamarinana, na aiza na aiza.

ikaretsaka:
de tte facon samihafa ny Kristianina sy ny jiosy(fariseo) fa aza alaina ho ohatra mihitsy satria samihafa ny toriany: ny 1 Kristy moa ny 1 Jiosy...
fa ny sekta voanjo alika sy ny tsy sekta no samy "mody hoe Kristy" no toriany !

==> Misy ny jiosy araka ny nofo, misy koa ny jiosy araka ny fanahy.

ikaretsaka:
Za zao Katolika de miteny ahako hoe katolika... tsy menatra @ izany ko inona no mahamenatra anao sy hiarovanao tena raha sekta ianao sanatria?

==> Taloha aho fier ny maha protestant FJKM ahy. Fa tsy hahavonjy ahy eo anatrehan'ny fitsaràn' Andriamanitra ny anarana protestant na FJKM.
Tsy menatra ny maha-Katolika anao ianao, hitako eto izany. Izay tsy menatra ny maha an'i Jesoa Kristy azy dia tsy ho menatra azy koa JK eo anatrehan'ireo Anjely sy ny olo-masina.
28. rzakarivola ( 02/12/2009 11:40)
rakapy:

Hoy Rzakarivola
Tsy mbola hitako ny mason'ny fanahy, fa ny maso ara-nofo no efa hitako fa anakiroa

Nefa dia hoy ianao indray
Ara-panahy isika dia manana fomba fijery anakiroa : ny momba an'izao tontolo izao (ny nofo) sy ny momba ny tontolon'ny fanahy

==> Satria tsy dia hita daholo ny zavatra rehetra vao inoana.
Ny hafanana tsy hita, ny rivotra tsy hita, ny etona tsy hita ... kanefa iza no olona vory saina ka hilaza fa tsy misy izany?
Ny atome tsy misy mahita, fa ny expériences no ahafahan'ireo mpandinika nilaza fa ny atome d'oxygène dia manana électrons 16, ny Carbone 12, Ny Azote 14.

[quote=rakapy]Ny ahy aloha ny fijeriko ara-panahy dia misy maro fa tsy voafetra ho toy ny voalazanao io.

==> Araka ilay teninao tetsy aloha dia 4 ilay maro (4 angles hoy ianao). Tsy maninona raha izay, tahaka ny mouvances efatra nefa isaka ny mouvances dia misy antoko politika maro dia maro. Fa tsy maintsy ho iray ihany ny Président, iray ny PM, ary ireo no pouvoir exécutif. Inona no mahatonga blocage @ raharaham-pirenena ? Bloqué tahaka izany koa ny fiainan'ny olona rehefa tsy 1 no manapaka azy.

[quote=rakapy]
Amiko dia tsy voatery handre ny olona iray vao ahafantatra sy ahita ny marina tokony alehany. Nomeny saina isika handinika sy hamakafaka ny tontolo misy antsika na ara-nofo io na ara-panahy.

==> Ny sain'ny olona (cerveau) dia mizara roa : ny mémoire sy ny intelligence. Samy manana ny asany ireo, ny intelligence mpanao ny kajikay rehetra, ny mémoire mpitahiry ny informations ... Izy roa ireo dia samy mandray ny aina avy amin'ny rà, izay diovina ao amin'ny fo, raha tsy izany dia reraka sy simba vetivety ihany.

rakapy:

Nefa dia nahoana no nambaranao fa tsy mety ary tsy marina ny olona tsy mino an'i jesosy ho A/tra?

==> Marina ihany fa manambara izany koa aho, saingy tsy fanambarako izany, fa an'i Jesoa Kristy, ary marina ny fanambarany, satria Izy no tenin' Andriamanitra, ary Izy tsy mila famonjena tahaka ny olona, fa Izy no mamonjy.
Ny finoana an'i Jesosy ho Andriamanitra ... Raha tsy inoanao izay moyen tokana ampahafantaran' Andriamanitra aminao ny tenaNy sy ny heviNy, aiza intsony no ahafantaranao Azy?
Ka ny olona dia tsy marina amin'ny tenany (na ny kristiana aza), fa Andriamanitra no marina, ka fomba tokana hanamarina ny olona dia ny firaisana amin' Andriamanitra ihany, dia ny firaisana hevitra amin' Andriamanitra, ary ny hevitr' Andriamanitra dia ao amin'i Jesosy, ny teniNy. TeniNy izany lazaiko izany fa tsy ahy, heviNy izany fa tsy ahy.
29. ikaretsaka ( 02/12/2009 13:10)
mahagaga ahy ity ianao rzaka: ny zavatra lazainao ho tsy ataonao no mainka ataonao: milaza ianao fa tsary miaro tena nefa vao mainka... fanontaniana mila valiny eny sy tsia no nanontaniako anao dia ampidirinao ny fariseo e, fanahy e, Jesoa e, tsimpona manketsy mankeroa e!
izay nge le mahatonga ny olona hipitsika aminareo e.
efa lazaina foana heo avantano hoa
30. ikaretsaka ( 02/12/2009 13:54)
karaha misy manontany ve hoe "maty ve ny akoho:"? tsy ny akoho maty no lazaina na eny na tsia fa ny momba fahafatesana no velabelarina adiny 2! tsssss
31. rakapy ( 02/12/2009 14:34)
karaha misy manontany ve hoe "maty ve ny akoho:"? tsy ny akoho maty no lazaina na eny na tsia fa ny momba fahafatesana no velabelarina adiny 2! tsssss

:-D :-D :-D
32. fijo ( 10/12/2009 22:29)
ny fanontaniako dia hoe"niteny gasy ve le feo henonao io??????"
33. cutie ( 10/12/2009 23:07)
fijo :-D :-D :-D
34. fijo ( 10/12/2009 23:26)
aleo hanontaniana sao mba tena nisy tokoa koooo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2033