petition

21. falyfenosoa ( 04/02/2010 10:59)
Raha mandinika aho dia ny ankamaroan'ireo namana aty Madagasikara dia tsy misy hita firy intsony, maro ireo namana fantatro teto Tana izay nifanerasera tamiko saingy dia samy manana ny antony tsy hidirany ato intsony ny ankamaroany, asa vokatry ny fanaovan'ny sasany politika ve? ka anomezana tombondahiny ny mpanohana an'i ra8, raha ny fahalalako azy mantsy dia anisan'ireo izay teny @ kianjan'ny 13 mai ny ankamaroan'ireo namana eto tana.
tsy hifanomezan-tsiny anefa izany fa izay no safidiny, maro koa ireo namana any am-pita izay ao anatin'ny GTT, ary misy koa ireo izay tsy momba ny atsy na ny aroa.
Ny hita ihany koa ao @ karajia dia olona manao resa-jaza no betsaka fa tsy toy ny taloha, resa-jaza, mifampikoty, teny ratsy mivadika izany dia resaka heno rehefa sendra mandalo eto iarivo ny tena. Noho izany dia mila manao ezaka lehibe ny tompon'andraikitra mpikarakara ny serasera mba tsy ho lasa laza ratsy no ho azon'ity site ity.
mirary soa hatrany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.623