Toy ny zaza folo taona

1. xxx ( 18/11/2009 16:35)
Toy ny zaza folo taona

Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Tsy matotra fa misavoana, mieboebo lava izao;
Te ho lohany hatrany, tsy mahay manetry tena;
Tena latsa-danja ianao amin'ny ara-pahendrena

Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Tsy mba tsara taiza angamba ka manao ny tsy fanao.
Mbola tazana mirintona amin'ny sehatra goavana;
Izany ve no lalan-tokana hanehoanao ny fandavana?

Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Ny mena sofina jereo, manao anao ho kilalao!
Tsofiny toa volom-borona dia iny ianao fa mietaketaka,
Misavoana saingy ho aiza? Vetivety dia hifetaka.

Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Te hitroatra saingy indrisy, tena mbola mpanavao.
Ndeha tefeo aloha ny saina dia vokiso ny fanahy;
Afaka roapolo taona, izay ianao vao "lehilahy"

SEDERA RAVALISON

20 Taona va re ho ampy é?....Manahy aho...

Sady SANS QUALITé
novalian'i milamm ny 19/11/2009 23:52
2. kidoropamba ( 18/11/2009 17:23)
Na folo taona na tsia NAMPIONGANA AN'ILAY MPANAO JADONA RA8, izay NOTOMPOINAREO, ALOHA é.
Izahay mila zavatra "concret". Avereno eo ny dadanareo raha mazana fa hatram'inizao aloha dia hangetoranay ny lohan'ny le8-n-doza é.

"Mpivaro-dronono lasa filoham-pirenena"
"Dé mazava amin'izany fa hangoron-karena"
"Milaza moa izy fa tsy tia politika"
"satria manelingelin'azy @ trafika"
"Mbola matory ve ny ao an-tanana à"
"Mifohaza fa sao voakakitry ny nifin'ny satana à"

3. milamm ( 18/11/2009 18:08)
...moramora ihany aloha ry kidorompamba
diniho tsara ny zavamitranga
fa henatra toy ny adala nanary lamba,
no vidiny ilay fanonganampanjakana tsy ara-dalàna

mazava ny rehetra ny tohiny tantara
vola mitentina 50 millions dolara !
no narantiny renimalala
de roboka i lavanify iadaladala

namidiny ny tanindrazany
sy i ndefo,zay taloha no akamany
...(feb 09 teny ambohitsirohitra)vono olona mikararàna
no nangalarana ilay fahefana

Rà-ny reo anabavy sy rahalahy
ry lavanify no nalatsak\'ialahy
natao tsinotsinona fa ny vola no maha-rangahy
ny todin\'aina manodiava,iriako ho lasa fonenany i tsiafahy














4. fijo ( 18/11/2009 20:53)
folo taona aza mbola misaina ko
5. ANGILETERA ( 19/11/2009 08:26)
Tsy noheverinay ho nisy
Ny mpanao tonkalo toa anao
raha omena note dia indrisy
dia zéro lava izao

kinga éry hitsara ny hafa
nefa ny ao an-dohanao
ambàny noho ny kifafa
miseho be qualité lava izao

Mbà olona 80 taona hono
manaantitra ny tenany
kanefa ny saina bobongolo
tsy mitombina ny tsikerany


Tsaboy aloha ny saina
Dia azavao ny fanahy
Fa raha tsy izany tsy ho tonga saina
Dia ho antitra very fanahy

Zaza 10 taona


6. papala ( 19/11/2009 12:41)
aleo hiverina iDADA
mba ho feno omby be ronono
fa tsy gana mihanahana
sady be fika higagana!

Leo antenisany zao ny vahoaka,
sady mpamoritra maimbo toaka
be vinany sady mpandainga,alika maty
de mody amafisina ny mpiaro ny défensy.

:evil: :evil: :evil: :evil: :evil: le andry TGV
7. fijo ( 19/11/2009 22:35)
nen'i papala kosa tsy miady rima e
8. xxx ( 19/11/2009 22:46)
i papala =pepelahy izany hoe fozalahy be=
9. milamm ( 19/11/2009 23:52)
ny zaza atao oe tsy ampy taona
dia toy ny zaza folo taona
saina mbola babangoana
tsy feno lava eny foana

ny fanjakana ara-dalàna
de tsy fanonganampanjakana
tsindry hazo lena sy ramatahora
raha tsy tsiafahy de antanimora

Aleo ny zavabita no ifampitsarana
dia hiavaka tsotra ny ratsy sy tsara
nihanisokatra ny nosy nitombo ny kandra
reo mpianatra any zamerika porofo mazava

hiaro aho ilay Malagasy sahy niady ,sahy niantsy
namongotra ireo mpanjanaka mpiavy,tena galifantsy
mandia tany tsy maintsy solafaka, miloloha lanitra tsy maintsy lena,
ilay firenentsika tsy mbola afaka,mitaky ny fahaleovantena

satria Malagasy izy toa ahy sy ianao
manana kilema izay tsy mety tsy fanao
hiady indray @ reo fahavalo iombonana
ny frantsay nanankorotana,nangorona

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5081