lehilahy mahery

1. namanabe ( 04/11/2009 13:07)
Par: Lhl Mahery
Date: 03 novembre 2009 - 14:24

Ianareo Vehivavy mantsy matetika dia tsy manaiky raha tsy nyhevitrareo no ekena sy arahina ao an-tokantrano, aza adino anefa fa vao teo amin'ny fanaovana ny fisoratam-panambadiana dia napetraky ny maire tsara mihitsy hoe : Ny lahy no lohan'ny vavy, mazava tsy mila hazavaina intsony angamba iny. Ao amin'ny Baiboly koa dia voalaza hoe: Ianareo Vehivavy maneke ny vadinareo. Angamba tsy mila fanazavana intsony koa io fa dia hafatra homena anareo vehivavy. Izaho aloha olona vao hiroso amin'ny tokantrano fa ny ahy ireo kaozy anakiroa ireo dia principe fondamentale ao an-tokantranoko eh

Options: Répondre
novalian'i xxx ny 20/01/2010 19:20
2. besandry ( 04/11/2009 13:23)


Natao hifameno ny vavy sy ny lahy , fa raha manana complexe d'infériorité ianao dia aza manambady satria tsy miaina amin'ny andron'ny fahiny intsony amin'izao fotoana izao .
3. xxx ( 04/11/2009 13:34)
Ho be kil indray ianao rahery fa ato izy .
4. AndriambyII ( 04/11/2009 13:46)
Ny olana @ ilay "principe" iorirananao dia azo raisina ho archaïque ilay fametrahana ny fisian' ny vehivavy eo @ fiaraha-monina tsy ho anisan' ny mpiara-belona feno,nitarika tsy fahampiana be dia be teo @ société humaine hatramin' izay izany ,satria raha miresaka momba ny fahafantarana ny tontolo iainana fotsiny aza dia ataoko fa hatramin' izay nipoiran' ny olombelona teto an-tany izay dia tsy nandeha ilany ,na koa avy amin- dralehilahy daholo ny vokany,ireny principe ireny no nitarika ny firongatry émancipation feminine eran' izao tontolo izao ankehitriny izay mitady ny olana manoloana ny fahoriana sy fahantrana sns .

5. besandry ( 04/11/2009 14:02)
eo amin'ny fiaraha-monina dia ny principe mipetraka dia hoe manao ahoana loatra re ny lehilahy raha tsy teo ny vehivavy ??? efa nipetra tany aloha tany io fanonataniana io raha vao niandoha izao tontolo izao dia nanamboatra vehivavy izy
kanefa ny vehivavy koa mila lehilahy
noho izany tsy afaka hilaza ianao hoe ny lahy no lohan'ny vavy
6. ktsif ( 04/11/2009 14:38)
NY LAHY TSY LOHAN'NY VAVY FA LOHAM-PIVAVIANA
7. Papoose ( 04/11/2009 16:36)
Ianareo Vehivavy mantsy matetika dia tsy manaiky raha tsy nyhevitrareo no ekena sy arahina ao an-tokantrano,



raha vao zay no abahanao ao an-tsainao voalohany dia tsy ho avotra ilay tokotrananonao ry namanabe!!!

io r'ingahy na "ianareo vhv" dia manketsy na hoe "nareo lhl" dia mankeroa", ianao ihany no tokony mijery zay tokony mety hitondranao ny tokantranonao...mifamarafara @ divanao a!

dia hitako somary contradictoire ilay zvt teneninao satria ianao milaza fa manana principe-nao nefa basenao @ assumption zay no-quoteko etsy ambony
8. xxx ( 04/11/2009 19:14)
Efa nilaozan'ny toe-trandro zany toe-tsaina zany ry baina a :( aiza ary nareo zany. Manala baraka anay bandy zany a!!!! Ny vadinay kosa ranga tsy ataonay anzany klé !
9. Papoose ( 04/11/2009 21:04)
palelo mints :lol:
10. besandry ( 05/11/2009 09:00)
Efa tsy izany intsony ny zavatra mitranga ankehitriny , efa niova ny fiaraha-monina
"mila manaiky ny lehilahy hoe ny vehivavy ???????? fa maninona ?????? resa-dehilahy complexé izany
Efa noraràna ny manofy atoandro sy ny mieritreritra hoe takariko ho anao ny volana sy ny kintana
Ny vehivavy dia vehivavy tsy mandray ordre na avy amin'iza na avy amin'iza !! toa ny lehilahy ihany fa mbola haverina hoe mifameno izy ireny
11. xxx ( 05/11/2009 09:03)
ktsif >> mieritrereta vao mivolagne e!!fa n'inona ny anareo no mamaly ?????????
12. Mirananirina ( 05/11/2009 11:58)
Ianareo Vehivavy mantsy matetika dia tsy manaiky raha tsy nyhevitrareo no ekena sy arahina ao an-tokantrano,
Ary ianareo lehilahy ve manaiky raha ny hevitray foana no atao? :) Tsy misy io ,fa tsy maintsy mifandamina mba ho hita ny harahana sy no tokony tsy harahana.
Ny lahy no lohan'ny vavy
tamin'ny mariaziko na soratra aloha tsy nisy an'io e,fomba taloha angamba io.na arakarak'ilay mpanao mariazy.Marina aloha fa ny lahy no loha ny vavy=mitondra ny anarana,mitondra ny fihaviana,ny finoana izay no izy fa tsy hoe hitondra ny fiainana ao antokatranoohatra:Raha betsileo rangahy,merina ramatoa;tokony ho lasa betsileo koa ramatoa sy ny ankizy.
13. xxx ( 05/11/2009 16:20)
:-D :-D :-D Mapmé beuh , Ny societé dia matriarcale foana fa mody be zesta eo i bainn! Ndana ignahy miasa dia modia haingana manao sakafo fa ingahy no lohany no sady mahay manabe ny zaza no mahay mahandro, miantsena, manadio, miasa ivelan'ny trano, manao ny rehetra , miandry an'ingahy tsy mandray ravin-dena beuh io! Miteraka, manolo zaza, mitondra vola mody koa nefa an!
MBA MENATRA VAO MITENY FA TSY MISY INTSONY IZANY AFA-TSY AO AN-TRANONAO , ary hitsoaka tsy ho ela i madama fa aza taitra! Kalammm fotsiny fa hi-revolta izy ô! :-D :-D :-D
14. xxx ( 05/11/2009 16:21)
namanabe:

Par: Lhl Mahery
Date: 03 novembre 2009 - 14:24

Ianareo Vehivavy mantsy matetika dia tsy manaiky raha tsy nyhevitrareo no ekena sy arahina ao an-tokantrano, aza adino anefa fa vao teo amin'ny fanaovana ny fisoratam-panambadiana dia napetraky ny maire tsara mihitsy hoe : Ny lahy no lohan'ny vavy, mazava tsy mila hazavaina intsony angamba iny. Ao amin'ny Baiboly koa dia voalaza hoe: Ianareo Vehivavy maneke ny vadinareo. Angamba tsy mila fanazavana intsony koa io fa dia hafatra homena anareo vehivavy. Izaho aloha olona vao hiroso amin'ny tokantrano fa ny ahy ireo kaozy anakiroa ireo dia principe fondamentale ao an-tokantranoko eh

Options: Répondre


lehilahy modaka oui! mou hoy ny vazaha!
15. soanja ( 05/11/2009 17:47)
namanabe:

Par: Lhl Mahery
Date: 03 novembre 2009 - 14:24

Ianareo Vehivavy mantsy matetika dia tsy manaiky raha tsy nyhevitrareo no ekena sy arahina ao an-tokantrano,

Options: Répondre


Tsy voatery ka. Miankina amin'ny olona tsiraidray izany ary miankina amin'ny fifandraisan'ny mpivady.

Amiko, tsy mitoetra akory ny olanao satria rehefa mifankatia ny mpivady tsy hisy hoe resaka lohany sy rambony io. Ny fiangonana no manisika an'io ho toe-tsaina fa tsy voatery hipetraka io rehefa mifankatia ny roa tonta ary mifanome lanja.

Amiko raha fantatro hoe intelligent kokoa noho zah ny vadiko dia hoy aho hoe inona moa no tsy mahatsara ny anarahana izany raha hainy mampiseho fa smart/ maranitra io ny heviny amiko. Zah anefa mahafantatra fa tsy hanambady olona tsy afaka handinika zavatra latsaka noho ny tenako. Mila atidoha ny lehilahy sady hozatina.


16. simplex ( 05/11/2009 19:58)

NY LAHY TSY LOHAN'NY VAVY FA LOHAM-PIVAVIANA
=))=))

hivadika vevavy aho :roll: :lol: :lol:
17. rurale ( 06/11/2009 10:47)
Nmanabe: tsy haiko in no mahatonga anao hisaina an'izany nefa enao milaza fa mbola tsy manambady, fa fotsiny ny zvtr tiko hazavaina aminao de izao ny lohany izany de mitarika ka manaraka fotsiny ny ato aoriana, eo @ mariage izany ny dikany de enao irery no handidy sy hanapaka ny toka-tranonareo, kanefa tsy vitan'irery ny fiainana ry zandry fa matoa natao 2 de misy dikany izay "tsara ny 2 nohon'1", na eo @ lafiny fanapahan-kevitra, fitantanam-bola, ny @ zaza sy ny fampandrosoana ny toka-trano... tsy ho arakao irery zany, eny fa na de oe mpanakarena be aza enao ka ny vola no hiasa ao an-tranonao. Zay nge ny mahatonga ny vevavy hiasa ankehitriny e, tsy araky ny vadiny intsony ny ao an-trano.
Aza manao izany fisainana izany, eny e, aleo atao oe mbola sain-jaza ny anao, ka mitady hanao vady karana sy arabo nefa ry zareio reo aza efa miala tsikelikely @ izany.
18. xxx ( 06/11/2009 12:33)
Mila hadondronana tsy voafatra intsony raha amin'izao no milaza fa lahy no lohan'ny vavy ny firongatry émancipation feminine eran' izao tontolo izao ankehitriny izay mitady ny olana manoloana ny fahoriana sy fahantrana sns .
19. Papoose ( 06/11/2009 16:30)
Options: Répondre


réponse: ndana mitsoraka! :-P
20. xxx ( 06/11/2009 18:41)
xxx:

Mila hadondronana tsy voafatra intsony raha amin'izao no milaza fa lahy no lohan'ny vavy ny firongatry émancipation feminine eran' izao tontolo izao ankehitriny izay mitady ny olana manoloana ny fahoriana sy fahantrana sns .



Ny andraxxx koa dia "dondrona" e, ambany saina e! fa i xxx ve dia tena olona ambony indrindra eto an-tany e???
Toa fantatro ianao fa manambany olona toa io foana dia ny olona indray no diso sa ra sa???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8571