lehilahy mahery

21. Veloo ( 06/11/2009 20:37)
1. Mpandefa : besandry [ Valio ] 04-11-2009 14:23:15
Lohateny : Re : lehilahy mahery


Natao hifameno ny vavy sy ny lahy , fa raha manana complexe d'infériorité ianao dia aza manambady satria tsy miaina amin'ny andron'ny fahiny intsony amin'izao fotoana izao .


ity tena valin-teny tsara indrindra. :-*
22. jarifa ( 09/11/2009 11:02)
Aza dia manao izany ianao fa efa taloha be angamba ingahy no nisora-panambadina, fa @ izao fotoana izao efa mitovy zoa ny lahy sy ny vavy ary efa miara madidy miara manapaka ny lahy sy ny vavy, satria @ izao fotoana izao efa miara-mitady vola koa ny lahy sy ny vavy. Tsy ho azonao @izany intsony izy
23. xxx ( 10/11/2009 07:39)
ny vavy no lohan'ny fianakaviana e ! zé tsy tafintohana ny amin'izany dia aza manao mariazy
24. Papoose ( 10/11/2009 20:58)
toa mitady hitovitovy ihany le fisainan'ny sasany @ lafiny politika sy fitiavana....fa toa samy fiadiana seza..mitady zay ho lohany aby :lol:
25. milamm ( 11/11/2009 00:44)
:-D seza tsy azo edivana zany ry papoose fa zaraina foana a :-D tsy manin mintsiny fa mifapitsotso tsara eny ambony seza ra toerana no olana e :-D
26. milamm ( 12/11/2009 00:29)
aza tezitra enao fa somonga ny ahy ry papoose a , :lol: ,ra diso toerana de elatsiny :wink:

namanabe > tsy naharitra za de namaly ny tiko lazaina teo zany de oe olana tsy ilaina apetraka ny fiheverana fa olona eo ambany fifehezana ka omena baiko sy manatanteraka fotsiny izay ilavana azy(na lahy na vavy) eo @ fitiavan'ol 2,samy manana ny zo-ny mitovy oh,samihafa toetra sy fisainana nefa tsy maintsy mahay mifanaraka,mifandefitra sns e,samy manana ny mahatsara azy de ampifamenona ,in mo no efarany tsy mifanaraka fa tsy misaraka ihany,tsy moral akory no tanjoko fa saino fanindroany saode marina tampoka :lohevitro manokana io fa ra mahasoa de raiso ho torohevitra
27. xxx ( 12/11/2009 08:53)
shiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii samy lohampianakaviana na ny lahy na ny vavy fa zany oe ! ny vavy no tsy mantsy farateny fona
28. milamm ( 14/11/2009 16:07)
xxx > in ary zany resaka mifanipaka lazainao zany,eo milaza oe samy lohany de avy eo oe ny vhv no tsy maintsy tompony farateny ... i namanabe efa nilaza fa ny lahy no lohany ra ny vhv no tompony farateny :lol:
le tena izy ngambany de tokantrano iaraha manapaka ka samy manana hevitra tsara ampifamenoana e,nefa arakaraky nt ts1/1 ihany ko
29. Papoose ( 18/11/2009 17:55)
milamm:

:-D seza tsy azo edivana zany ry papoose fa zaraina foana a :-D tsy manin mintsiny fa mifapitsotso tsara eny ambony seza ra toerana no olana e :-D


ka samy te ho lohany kooo!!
:lol:
30. arialy ( 20/11/2009 17:20)
:-D :-D :-D :-D mapmé koa zany, ngah moa de itovy andraikitra ny lahy sy ny vavy ao antokatrano é!?!
raha lehilahy te hitarika irery fianakaviana izany tsy ho ela dia ho stressé sns , raha tsy oe tena miaraka am vhv soumise tanteraka ka hanome ordre fotsony.
nefa ny aina sy ny sain'ilay vhv koa tsy aharaka izany ela be fa na ela na ho aingana hiparitaka ilay tokantrano donc tsy ho possible intsony izany amzao
toe-trandro izao na dia mbola misy aza ny lhl manana saina izany.
milaza anio aho satri efa nahalala namana toy izany, ny vhv hono ny azy miasa ao antrano, mikarakara vady sy zanaka, tsy mivoaka raha tsy miaraka aminy sns ...
principe diso io hoy aho mantsy azy, nolaviny ny hevitro anefa izy amizao efa
43ans, mbola irery satria tsy misy vhv mahazaka io principe io, ary metyho irery foana ranamana satria tsy ahita vady mihitsy raha tsy miova principe, anefa am io taonany io sarotra be ny miova. raha tsy oe hody haka vady any ambanivohitra araka ny filazany, zay ndray no tsy aiko aloha :roll: :^)
nefa ny indrokely amin'io raha misy différence be ny fahalalana tsy aharitra koa ny tokatrano satri misy foana ny tsy fifankazahoan-kevitra.
31. naritsimba ( 26/11/2009 07:42)
Raha ny voasoratra ao @ Baiboly no jerena dia io tokoa no voalaza, ary samy manana ny handraisana azy.
Raha ny zava-misy @ izao fotoana anefa no jerena dia takon'ny fanatontoloana ny tenin'Andriamanitra ka lasa zary tsianjery ka rehefa mety @ olona mampiasa azy dia ampiasainy fa rehefa hitany fa mahavoa azy dia tsy ampiasainy fa lazainy fa taloha izany.
Raha ny hevitro no omeko dia marina tsy misy azo kianina izany hoe: Ny lahy no lohan'ny vavy na io ara-tsoratra masina na ara-pomba malagasy.
Ny fandraisana azy anefa dia tsy ara-bakiteny fa dinihana tsara @ saina milamina mba tsy hiteraka didy jadona, tsy maintsy misy ny fifanakalozan-kevitra, ary izay no niteraka ny atao hoe fifandresen-dahatra, io ilay adika @ teny vahiny hoe "Technique de negociation", tsy atao amboletra fa tsy maintsy manana hevitra maharesy lahatra ianao vao mitombina io hoe : Ny lahy no lohan'ny vavy, mba tsy ho tonga @ ilay fiteny hoe: natianao na tsy tianao dia izaho no mandidy, noho izany dia mila lehilahy mahavita ny zavatra rehetra raha te ho lohany: mahay manasa lamba, mahandro sakafo, miasa ara-dalana, mahay manadio trano sns.

32. fijo ( 10/12/2009 22:21)
ndraindray ilaina le amboletra ka,fa tsy isanandro kosa aloha e
33. irihat ( 15/12/2009 12:40)
1. ny Baiboly ry namanabe de arifanina ho antsika, ka rehefa mamaky azy io koa de mila jerena ny taona nanoratana azy, oh zao taloha ny lhl de manao akanjo lava sy kapa jiosy, ka raha oha enao manaraka be ny Baiboly de tsy tokony hi-tennis sy hi-jean sns fa tokony hanao akanjo lava be oh ny an'ny kômôrianina ireny.
2. hoy koa ny Baiboly hoe "Tsy tsara raha irery ra-lhl ka de nanaovany namana ho azy, ka nampatoriany ary nangalany ny taola-tehezany". Atra zany tsy miteny amnao oe alikao ny vadinao (fa izany manko no tianao hatao) fa ho namanao no nanomezany azy anao.
3. ny tena izy de MPITADY VOLA FOTSN NY LHL fa tsy mahay ny mi-géré an'iny akory hany ka mitrerotrerona fotsn. Vitanao ve ry namanabe ny mizarazara ny vola ao an-otkantrano : jirama, sakafo, hofan-trano, akanjo, kraro, ny revy madinika2. resaka fotsn ra hoe vitanao fa na ny mieritreritra sakafo isan'andro aza de tsy vitanao mihitsy.
4. efa tsy andron'ny fanandevozana intsony isika, sa enao musulman de manana izany eritreritra izany. De @ zay fotoana izay de tena mety mitsy le hoe ny lh no lohan'ny vavy ary enareo vevavy maneke ny vadinareo : tsy miara-misakafo alo fa izay sisa tsy laninao no hohaniny (sahala @ alika zany izy eo alo), tsy mahazo mteny ko rmataoa ninona mitranga ao an-trano. ARY ENAO IO METY LE MPAMONO VADY IRENY satria be principe ka refa manohitra ravevavy de vonoina.
5. efa mivoatra isika zao ra-namanabe faza manao izany toe-tsaina izany a, sa ny bainanreo sy ny bofnareo ohatrizay de tianao hatao @ vadinao?!
34. milix ( 15/12/2009 15:33)
Ny tena tsara dia miara-manapa-kevitra, alaina ambony alaina ambany ny hevitry ny lahy sy ny vavy dia atao ny marimaritra iraisana fa tsy ny iray foana no arahina, na koa hoe tsinotsiniavina ny iray, dia mahareta hatramin'ny farany o
35. xxx ( 20/01/2010 19:20)
Ianareo Vehivavy mantsy matetika dia tsy manaiky raha tsy nyhevitrareo no ekena sy arahina ao an-tokantrano, aza adino anefa fa vao teo amin'ny fanaovana ny fisoratam-panambadiana dia napetraky ny maire tsara mihitsy hoe : Ny lahy no lohan'ny vavy, mazava tsy mila hazavaina intsony angamba iny. Ao amin'ny Baiboly koa dia voalaza hoe: Ianareo Vehivavy maneke ny vadinareo. Angamba tsy mila fanazavana intsony koa io fa dia hafatra homena anareo vehivavy. Izaho aloha olona vao hiroso amin'ny tokantrano fa ny ahy ireo kaozy anakiroa ireo dia principe fondamentale ao an-tokantranoko eh

Options: Répondre
andraso kely aloha fa tsy mazava tsara ity resakao ity.ekena fa samy manana ny toerana misy azy ny vhv sy ny lhlh ao antokantrano,tsy midika akory io fa ra i madama no miteny voalohany ! dia midika izay fa ambany ramosé!non! tsy marina io. raha ilay teny nalainao tao @ baiboly oe ianareo vhv maneke ny vadinareo! raha tsy diso aho toa tokony mbola nisy tohiny izy io oe! ianareo lhl manajà ny vadinareo! ka rha ireo zvt 2 ireo no arahinndramosé! dia minoa ahy! fa tokantrano sambatra no miandry anareo.ka firy zany ny akama hasainareo @ marigenareo ato @ sera2!!!!toa maro2 ihany mantsy tsika ato
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4799