Hiverina aminy ve aho e....
41. niryna
(
02/11/2009 05:10)
cutie:amiko tsy hoe raciste indray ilay izy fa tsy manana finoana ilay ramatoa fa toy ny kristiana anarany fotsiny ,raha mahafantatra ny tenin'Atra izy hoe izay nakamban'Atra dia aoka tsy ho sarahan'ny olombelona dia tsy nisaraka ny vadiny izy ,firifiry ny olona no nitondra fahoriana noentin'ny olona tao anatin'ny tokan-trano saingy Atra manova zavatra ary ny fivavahana koa manova zavatra ary niova ho mpino avokoa ny ankabeazany ,tsy mbola manana fo mamela izy ary mety tsy nampihatra ny tenin'Atra tamin'ny fiainany fa niantehitra ny herin'ny tenany samy irery fa raha tena ao anatiny ny tenin'Atra dia niova tsikelikely ny fony . asa aloha fa izay no mba hevitro
lasa raciste :-D
42. rzakarivola
(
02/11/2009 11:31)
ikaretsaka:
Tsy misy manda nyTompo iraisana ange e...fa le hoe ianao tsy Paoly de ny vahoakan'ny serasera tsy any Korinto intsony.
Aiza ho aiza @ zay no tsy mbola azon-drangahy sy/na odianao fanina?
==> Raha ny fahazoako ny hevitrao dia hoe, ny vaksiny fanefitry ny haromontana t@ taona 1925 dia tsy mety ampiasaina amin'izao vanim-potoana izao intsony. Na koa hoe, ny Fanafody tazo miasa any Toamasina dia tsy mety hitsaboana ny tazo eto Antananarivo.
Eto anefa dia misy fanefitra lehibe noho ny anti-rabique, ary misy fanafody lehibe noho ny quinimax. Lehibe lavitra satria fanafody amin'ny lafiny rehetra ny tenin' Andriamanitra ...
But for a medicine to be efficient, we necessarily need to apply.
43. rzakarivola
(
02/11/2009 11:39)
niryna:
ikaretsaka:
za mbo gaga...amiko koa aloha le ramatoa no diso e
marina izany,diso izy ary tsy fo kristiana mahay mamela heloka,izy no tokony hivavaka ny vadiny fa tsy hisitaka
==> Raha ny tenin'ny Tompo no manambara fa diso izy, dia ny Tompo izany no mitsara azy. Raha tenin'olona no milaza fa diso izy, dia ny olona no mitsara.
Raha ny Tompo no mitsara, dia marina ny fitsaraNy, satria Izy manao ny sitrapon'ny Ray.
Raha ny olona no mitsara, dia mba ho voatsara tahaka izay nitsarany koa izy.
"Fa ny Zanak'olona tsy tonga tamin'izao tontolo izao hanameloka (hitsara) azy, fa ny hamonjeny azy"
44. rzakarivola
(
02/11/2009 11:55)
niryna:
ny tenin'Atra tsy mahamamo velively raha mitoetra ao anatintsika ny fanahy masina vao maika aza manampy ny hafa satria mitaratra ireo izay mbola ao anatin'ny maloka sy maizina
==> Miresaka mamo ianao dia mahatsiaro teny vitsivitsy aho :
- "Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka". Impiry aho no nitabataba sy naniratsira noho ny "fahaizako" Baiboly ?
- "Aza ho mamon-divay fa aoka ho fenoina ny Fanahy". Ny toerana misy ny divay ve no afaka itoeran'ny Fanahy koa ?
- "Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny FanahiNy no nentiNy nandrotsaka tao anatintsika ny fitiavan' Andriamanitra".
Inty tantara niainako : Fony aho Vao nifankatia tamina tovovavy iray, tena tiako anie izany e! Izaho mpaniratsira, nino ihany ny fisian' Andriamanitra aho saingy ny hoe Baiboly aloha dia ... nosesefako karazan-kevitra sy fanontaniana izay tsy hainy novaliana ilay olon-tiako. Izy moa sabatista ka io no tena anisan'ny adihevitra be. Izy nefa tsy nety niady hevitra tamiko velively, namaly kely ihany ny fanontaniako izy tsindraindray
(
Ohatra hoe, maninona ny Baiboly no milaza fa vao 6000 taona no nanamboarana olombelona, kanefa izao nahita an-dry lucie sy ny tariny dia efa amina millions d'années ? Dia izao no navaliny tamiko tam-pitiavana :
Ny olona anie manana ny kajiny e, fa ohatra hoe nisy ny safo-drano, ka izany no mety ho nahadiso ny calcul par carbone 14.
)
Azoko antoka kosa fa nivavaka ho ahy isanandro io tovovavy io. Ny zavatra iray kosa izay hitako teny aminy ary nambabo ahy tanteraka dia ny fitiavany, izay nanana endrika tsy fahitako teo @ fianakaviako sy nitaizana ahy. Izahay dia olona nozarina hitsakaraka, tsy hiankin-doha amin'ny hafa ary ho sarotiny mba tsy hifampiankinankindoha koa. Izy kosa dia nanome foana rehefa nisy nangataka, indrindra ny tao amin'ny fianakaviany, tsy nisy hoe "ny anareo anaovanareo an'izao fotsiny ka izaho tsy hanome", fa na dia iny aza no sisa mba volany dia nanome izy.
Ny niarahako tamin'io vehivavy io no fitaovana nahitako an'i Kristy ka nahatonga ahy hino sy hanambara Azy amin'ny rehetra hatramin'izao.
Tsy tonga sabatista tahaka azy aho, ary izy aza tsy lasa vadiko akory, saingy fitaovan' Andriamanitra kosa izy nahafantarako an'i Jesoa Kristy. Inoako fa niaritra mafy izy tamin'izany, saingy ilay fiaretany nahazoako fiainana ary hiderako an' Andriamanitra mandraka ankehitriny.
Hoy ny Apostoly Paoly hoe "Raha tsy misy teny manokana avy amin'ny Tompo, dia izao no holazaiko ...". Izaho mino, fa Andriamanitra tsy mamela zavatra hitranga raha manohitra ny sitrapoNy. Koa inoako fa efa nankasitrahan' Andriamanitra matoa nisaraka tamin'ny vadiny io Ramatoa io. Kanefa, ankehitriny, anjarany (ilay ramatoa) no mivavaka ndrao mba tian' Andriamanitra hiverina amin'izay izy, haneho bebe kokoa an'i Kristy eo anatrehan'izany vadiny izany, hanolo-tena bebe kokoa. Mba tsy ho izy no hotompoin'ny vadiny ka hahatonga io hirehareha, fa mba izy no hanompo araka ny ohatra nomen'i Kristy.
45. rzakarivola
(
02/11/2009 12:07)
niryna:
rzaka a, mba azavao hoe io ? inona no ifandraisany ahoana no anazavana izany amin'ilay ramatoa raha io tsimpona io no omenao ahy ka ilazako azy ? misaotra mialoha
==> Baiko anakitelo no nomen'i Jesosy :
1- ataovy mpianatro ny firenena rehetra.
2- manao batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
3- mampianatra azy hitandrina izay nandidiako anareo.
Ny kristiana marina dia tokony hanao ny fiainany rehetra ho fanatanterahana ireo baiko ireo (izay tokana ihany fa misy dingana telo fotsiny).
Mino aho fa izany ramatoa izany, tahaka ahy dia mazot handeha hitory filazantsara etsy sy eroa. Mazoto handeha "hanambara ny hatsaran'ilay niantso antsika ho amin'ny voninahiny mahagaga", ka hitety olona isan-karazany, ny tsy mino ho tonga mino an'i Kristy. Kanefa izy dia nomen' Andriamanitra olona anakiray hitoriana eo aminy, tokony ho fifaliana be ho azy izany ary tolona isanandro, fa sitrak' Andriamanitra izy mba ho vavolombelona marina hilanja hazo fijaliana.
Tadidiko fa tamin'izaho mbola nisaritaka ny amin'izay halaiko vady (hoe i anona sa i anona? Ilay tian'ny foko sa ilay anakiray izay tsy handrian'ny foko akory?), tena tsaroako ho vaky loatra ny fanahiko indray atoandro noho ny alahelo, ka hira anakiray no tao anatiko tao mandrapaharivan'ny andro :
"Tsy olona iray hahasambatra ahy, no tena iriako Tompo
Fa olona iray hotiaviko mandritra ny fiainako"
Toa tao amin'ny situation-ko mihitsy kay ilay izy. Ary io Ramatoa io ve rehefa nanambady nitady olona hahasambatra azy sa olona iray hotiaviny ? Raha ilay faharoa mantsy dia izao, mila esoriny ao an-tsaina aloha ny fahasambarana isan-karazany, fa ny fitiavana no ifotorany.
"Ary izao ny fitiavana, tsy ny nitiavantsika an' Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka maty hamonjy antsika Kristy"
Fa raha tanterahin'io Ramatoa io izany (baikon'i Jesosy) izany, dia "homba azy mandrakariva Izy ... mandrapahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao".
Rahoviana no ho tapitra izao tontolo izao? Na Jesosy miverina ety an-tany ... na izy no maty alohan'izany.
46. rzakarivola
(
02/11/2009 12:11)
niryna:
misaotra betsaka rzaka a
:-* :-*
Ny fahasoavan'ny Tompo anie ho ao aminao mandrakariva,misaotra nizara ny tenin'Atra teto amin'ny serasera :-* =D> =D> ^:^
==> Izaho koa misaotra an' Andriamanitra ary misaotra an'i Niryna ny amin'ity lohahevitra anakiray ity, fa atrehiko amin'ny olona entiko izy io izao ka ataoko fa fomba entin' Andriamanitra hanoroana hevitra ahy koa.
Farany, mangataka aho ho an'ilay ramatoa, mba hahery izy amin'ny fahafoizany ny ainy hahazoan'ny ankohonany an'i Kristy
47. rzakarivola
(
02/11/2009 12:16)
amiko tsy hoe raciste indray ilay izy fa tsy manana finoana ilay ramatoa fa toy ny kristiana anarany fotsiny ,raha mahafantatra ny tenin'Atra izy hoe izay nakamban'Atra dia aoka tsy ho sarahan'ny olombelona dia tsy nisaraka ny vadiny izy
==> Amiko dia tsy nanana hery nanatanterahana izy. Efa mba nahazo ahy imbetsaka koa izany, izaho izay mpitory. Koa hitako tsara ny hampaherezana azy hitoky amin'ny Tompo, amin'ny fampanantenan' Andriamanitra tamin'ny alalan'i Jesosy hoe : "Tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa", raha mino marina izy dia ho azy izany, nefa na dia tsy tena nino aza izy, raha mety handray ny tenin'i Jesosy izy dia ho azy koa izany.
48. ikaretsaka
(
02/11/2009 13:10)
ikaretsaka:
za mbo gaga...amiko koa aloha le ramatoa no diso e
marina izany,diso izy ary tsy fo kristiana mahay mamela heloka,izy no tokony hivavaka ny vadiny fa tsy hisitaka
[/quote]
==> Raha ny tenin'ny Tompo no manambara fa diso izy, dia ny Tompo izany no mitsara azy. Raha tenin'olona no milaza fa diso izy, dia ny olona no mitsara.
Raha ny Tompo no mitsara, dia marina ny fitsaraNy, satria Izy manao ny sitrapon'ny Ray.
Raha ny olona no mitsara, dia mba ho voatsara tahaka izay nitsarany koa izy.
"Fa ny Zanak'olona tsy tonga tamin'izao tontolo izao hanameloka (hitsara) azy, fa ny hamonjeny azy"
[/quote]
Bedebe koa ny tenin'n yTompo afaka manaporofo ny maha diso azy ka: toy ny hoe izay natambatrAtra aoka tsy hosarahin'ny olombelona...sy ny tantara maro samihafan'i Jesoa nanampy ireo mpiara belona taminy (ny romanina,ireo jiosy manarak lalanan'i moizy,ny samaritanina) sy niara niaina teo ambany lalanan'ny tsy nitovy firehena taminy
Izay no ilazako hoe tsy ze tsimponinao ihany no tenin'ny tompo fa raiso ara contexte le izy
49. cutie
(
04/11/2009 14:38)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 02-11-2009 06:03:53
Lohateny : Re : Hiverina aminy ve aho e....
Hoy i cutie:
ka we tsy xstiana le vadiny de tsy zakany de nosarahiny, fa in no nataon'le lhl no nampiala an''le ramatoa????
ka araka ny tenin'ny ankizy anie cutie dia diso ilay ramatoa e,tsy vitan'ny tenin'ny ankizy ihany fa raha ny teny ao amin'ny baiboly dia izy no tokony hivavaka an'ilay rangahy fa tsy hiala na dia hoe tsy nitovy ny tady lokanga
hay moa zany izy io :)
50. cutie
(
04/11/2009 14:47)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 02-11-2009 06:10:06
Lohateny : Re : Hiverina aminy ve aho e....
Hoy i cutie:
lasa raciste
amiko tsy hoe raciste indray ilay izy fa tsy manana finoana ilay ramatoa fa toy ny kristiana anarany fotsiny ,raha mahafantatra ny tenin'Atra izy hoe izay nakamban'Atra dia aoka tsy ho sarahan'ny olombelona dia tsy nisaraka ny vadiny izy ,firifiry ny olona no nitondra fahoriana noentin'ny olona tao anatin'ny tokan-trano saingy Atra manova zavatra ary ny fivavahana koa manova zavatra ary niova ho mpino avokoa ny ankabeazany ,tsy mbola manana fo mamela izy ary mety tsy nampihatra ny tenin'Atra tamin'ny fiainany fa niantehitra ny herin'ny tenany samy irery fa raha tena ao anatiny ny tenin'Atra dia niova tsikelikely ny fony . asa aloha fa izay no mba hevitro
zay zany koa :)
51. niryna
(
07/11/2009 20:26)
ikaretsaka:
za mbo gaga...amiko koa aloha le ramatoa no diso e
marina izany,diso izy ary tsy fo kristiana mahay mamela heloka,izy no tokony hivavaka ny vadiny fa tsy hisitaka
[/quote]
==> Raha ny tenin'ny Tompo no manambara fa diso izy, dia ny Tompo izany no mitsara azy. Raha tenin'olona no milaza fa diso izy, dia ny olona no mitsara.
Raha ny Tompo no mitsara, dia marina ny fitsaraNy, satria Izy manao ny sitrapon'ny Ray.
Raha ny olona no mitsara, dia mba ho voatsara tahaka izay nitsarany koa izy.
"Fa ny Zanak'olona tsy tonga tamin'izao tontolo izao hanameloka (hitsara) azy, fa ny hamonjeny azy"
[/quote]
ikaretsaka:ho tohiny dia tsy mijery fotsiny hoe diso izy na tsia fa ny tantara iray dia mampianatra antsika mba hihaino sy ampihatra ny tenin'Atra koa .fianarana lesona ho antsika avokoa izany fa tsy ho an'ilay ramatoa irery
Bedebe koa ny tenin'n yTompo afaka manaporofo ny maha diso azy ka: toy ny hoe izay natambatrAtra aoka tsy hosarahin'ny olombelona...sy ny tantara maro samihafan'i Jesoa nanampy ireo mpiara belona taminy (ny romanina,ireo jiosy manarak lalanan'i moizy,ny samaritanina) sy niara niaina teo ambany lalanan'ny tsy nitovy firehena taminy
Izay no ilazako hoe tsy ze tsimponinao ihany no tenin'ny tompo fa raiso ara contexte le izy
52. niryna
(
07/11/2009 20:51)
Hoy mmmh
Amiko ny dikan'io aza manao ny fanaon'ny tsy mpino, aza manaiky hotaritiny @ lalana tsy izy .... fa kosa anjaranao (izay kristianina) no mitarika azy mba ho lasa mpino izy.misy fahamarinana izany ary dia mivavaka azy mba ho tarihanan'ny fanahy masina izy,tsy afaka ny anery azy ho hino anefa ny kristiana saingy Atra mahalala izay ao am-pon'ny tsirairay ary izy irery no afaka anova izany fo izany ho hino na tsia
rakapy:
Amiko indray dia tsy tokony hifampitarika na ny xana na ny tsy xana.hay ve e,fa ahoana ? raha mahafantatra zavatra aho ohatra ka nahasoa ahy dia zaraiko ho an'ireo izay tsy mahalala izany,tsy antery anefa io fa fahasoavana efa nomena saingy misy ny tsy mahalala fa hoe nomena izy dia izay,mizara aho aloha fa tsy maintsy misy mandray foana iodia afaka mizara koa izy ka ,tongava fa malalaka ny varavarana
rakapy:aleloia, misaotra rakapy an ..
Ny xana dia mino fa i kristy no lalana .
marina tanteraka izany ary tsy resaka blabla fotsiny fa ny tenin'Atra no mananporofo izany,tsy misy na iray aza,raha misy mahita dia afaka mijoro eto koa izy fa io aloha no fantatro
[quote=rakapy] Ary ho an'ny tsy xana indray dia mino izay inoany izy koa ireo .
rakapy:
Noho izany dia tokony hifanaja ny roa tonta.rakapy:mitombona izany tsy misy afaka anova ny toetra na iza na iza afatsy Atra irery ihany,mety misy toetra tsy tianao koa ao ka, fa anjaranao mivady no mifampiresaka raha mbola misy chance ihany ,tsy niaraka noalebiazina mantsy dia mazava ho azy fa tsy hitovy velively ny toetra .Raha toa kosa ka mbola tsy nandray ny tompo ny olona iray ,na havana io na vady na zanaka dia anjarantsika no mivavaka ho azy fa Atra manova zavatra amin'ny finoana azy izay mivavaka ilay olona no atao amin'izany
Matoa ianao nanambady olona iray dia tsy tokony hievitra ny hanova azy. Fa tinao izy amin'ny maha izy azy.
Maro be ny tantara efa niseho momba io fitaritana olon-tiana ho any @ tsy sitraky ny fony io. Raha te hiova xana na te hiala xana izy dia sitraky ny fony izany ary malalaka.
Hoy Bor2laisRaha tsy notenenin'i Niryna t@ voalohany hoe iza no Kristiana @ izy roa, dia mety maro angamba no niteny hoe : ilay rangahy an !
Izay ilay stereotype sy tantara classic eo xana
. :-D :-D :-D
53. niryna
(
07/11/2009 21:07)
mmmhh:ka noheverina fa hoe mety ity tokantrano k'nou
Amiko le Ramatoa no diso be, angaha tsy fantany hatrany am-boalohany hoe tsy Kristianina anie ity vady iarahana, koa no 45 taona aty aoriana vao andeha fa tsy Xna ny vady?
misy pasitera ireny izao rehefa miresaka fanambadiana ny olona dia anontaniany hoe kristiana sa tsia ilay olona? dia matetika moa miteny ilay olona hoe tsy izy dia miteny tsotra ilay pasitera hoe anjaranao no mieritreritra raha toa ka mbola tsy latsam-paka tsara ny fitiavanao satria tsy afaka ny hanova azy hianao rehefa tafiditra ao izy .Misy moa no miditra dia azy ny azy,misy moa ny misaina sy mivavaka dia miala tokoa ilay olona rehefa tsy mbola tafiditra ao
mety nitaona fotsiny angamba izy fa tsy nivavaka ho azy ka,raha taona marobe izay ve dia efa tsy nanova ny fony Atra ?
Dia hilaza izy hoe " efa niezaka nitaona azy aho fa tsy mety mintsy de farany niala"
izay ilay hoe fianarana ho antsika ilay tantara indrindra ho an'ireo izay mbola tsy miditra amin'ny tokantrano fa na dia finoana fotsiny ihany aza dia mampiova ilay tokantrano amin'ny farany ,asa aloha e,fa zavatra mitranga io alaiko ohatra io
Koa nga ny Kristianina mba mora kivy zany? @ asa napetrak'i Tompo ho azy?
De raha hanao ohatr'io Ramatoa io daholo ny olona miaraka @ tsy mpino de hanao ahoana ny hiafaran'ny zanak'olombelona? tsy mba hisy hanitsy ny lalan'ny tsy kristianina mintsy zany fa vao tsy kristianina no miaraka aminao dia ialana any,
raha nahalala mialoha angamba izy mety tsy niditra e?
Sa de hiteny indray izy satria ny baiboly milaza fa :
«Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino"
I Korint. 6:14
itakou
De noraisina ara-bakiteny, nefa nitambatra teo ihany 45 ans!?
Amiko ny dikan'io aza manao ny fanaon'ny tsy mpino, aza manaiky hotaritiny @ lalana tsy izy .... fa kosa anjaranao (izay kristianina) no mitarika azy mba ho lasa mpino izy. Fa tsy hoe tsy hikambakambana @ tsy mpino.ilay teninao voalohany dia misy fanambarana izany ao anatin'ny baiboly hoe inona no hifandraisan'ny mpino amin'ny tsy mpino? ny iray mino an'Atra ny iray mino an'i baala ? samy manana tompo hafa ?
tsy mitsara isika fa izay no voasoratra satria samy manana ny finoany koa noho izany dia tsy maintsy misy iray manaraka izay finoana na tsy finoana eo sa ?
Fa raha izay no izy dia .... ho very daholo ny tsy mahalala an'Andriamanitra fa tsy hiaraka @ tsy Kristianina ny Kristianina,
izay tokoa saingy ilay ramatoa tsy nisy finoana angamba satria tsy nahay namela ilay rangahy izy no tsy nivavaka ilay vadiny koa fa dia nanatena hoe tsara fanahy ka taty aoriana vao tonga saina hoe tsy misy hifandraisanay roa
De iza ary no handrasan'ilay vehivavy kristianina hitarika ny vadiny reefa kivy izy ?
Mety irak' Andriamanitra hamerina indray ny vadiny ao anatin'ny vala anie le Ramatoa e.
54. niryna
(
07/11/2009 21:12)
Matoa ianao nanambady olona iray dia tsy tokony hievitra ny hanova azy. Fa tinao izy amin'ny maha izy azy.
ikaretsaka:raha toa ka fantatra mialoha dia tsy miditra aho ,mandainga koa izy milaza fa tianao ny maha izy azy,misy zavatra tsy hitoviana ao fa anjaran'ny rehetra no mifanampy sy manamboatra ny tsy mety fa tsy tonga dia hoe iny aho no hi-pas .Tsara ho fantatra fa niharitra ilay ramatoa matoa izy nijanona tao,ny iray mivavaka alohan'ny andeha ihinan-kanina,ny iray tonga dia mandrapaka,ny zaza etsy variana ,tsy mahita hoe iza no arahana,santionany fotsiny ireo
izay mihitsy e
55. ikaretsaka
(
08/11/2009 01:24)
ny tsy azoko de maninona ny maha anao anao (Xtianina) najainy de ny maha izy azy (tsy Xtianinanina) tsy najainao!
Toetra Xtianina ve izany?
Toetra Xtianina ve izany?
56. niryna
(
13/11/2009 06:00)
ikaretsaka:io indray ika fa hs
ny tsy azoko de maninona ny maha anao anao (Xtianina) najainy de ny maha izy azy (tsy Xtianinanina) tsy najainao!
Toetra Xtianina ve izany?
tsy misy idiran'ny hoe hajaina fa izao na izao ,tss
