Ambroise?

1. fijo ( 27/10/2009 22:02)
ary inona indray hono ity nahazo an'ingahy Ambroise,fa toa voasakana teny amin'ny magro????
2. bozyboleta ( 28/10/2009 11:27)
Tsy dia milamina io ranamana iray io.
Efa fantatry ny mpitarika hafa sy ny mpitolona ny fikan'io fa mpandoto rano ary manao zarazarao hanjakana. Iza anefa no mahazo tombony amin'izany fa tsy ilay mpaniraka azy???
Izao izy mitarika an'ireo fikambanana samihafa mpakeny @ Magro hanaraka an'ity "mouvance légaliste" noforoniny ity.
3. kidoropamba ( 28/10/2009 11:39)
Alain Andriamiseza,
Fetison,
Izao indray Tonton Ambroise....

Sao lahy dia tena ny ataonareo mihitsy no tsy mety ka mahatonga ny mpitaritolona mandositra tsikelikely.

Ny an'i Satrobory aloha efa mazava: "Sakafo" ny azy ny fandehanana eny @ Magro. Raha tsy mandeha any lery dia tsy misy zavatra arapaka. Tadidiko tsara izay nolazainy t@ sabotsy heriny raha niantso an-tarobia Ra8. Dia hoy satrobory hoe: "Nodoran'ny olona hono ny tranony noho ny fanohanany an-dravalo". Kanefa izaho tsy mbola nahita izany tranon'ny satrobory mba nodoran'ny olona izany fa ity ilay hafetsena hakana vola amin-dravalo ity ihany no tena nanosika azy hiteny an'izany.

Ny mahagaga anefa dia Tsy mba misy manakana ny hiditra ao @ Magro akory Satrobory, sady koa ampidirina mihitsy @ delegasiona any Maputo sy addis abeba, satrobory.

Dé satrobory izany no tena "elita hiankinan-dravalo" ao? tssssssssss....sinema hoa io ataon'ny Idi amin "Dada" malagasy io e.
4. terrywui ( 28/10/2009 11:45)
rakido a! zay tsy miova amin'ny heviny ihany no adala hoy i zoky hery izay !

hery :-* :-* :-*
5. fijo ( 28/10/2009 20:53)
tsy hay intsony moa,fa samy mitady ny azy koa ry zalahy ko
6. naritsimba ( 29/10/2009 06:20)
fijo> tsy dia mahagaga ahy loatra raha i Ambroise Ravonison, hanontanio izy ary efa nosoratako teto fa :
-Anti christ iny bandy iny.
-Tsy mahagaga raha toa ka izao no niafaran'ny mpanohana an-dra8einy, tsy afaka manompo Tompo roa ny olona, TSY AFAKA MANOMPO AN'ANDRIAMANITRA SY MAMÔNA IANAREO.
-Mahagaga ahy no tsy hahalalan'ny fijo an'i Ambroise, bandy mipetraka any aminareo any ange iny eh!
-Farany fantatro tsara iny bandy iny, ary anontanio i Jentilisa fa efa nolazaiko azy izay kely fantatro ary tsapany ny fahamarinany.
Averiko indray fa tsy TGV akory aho fa ny olona toa an-dra8 dia tsy mendrika na iza hiteny na iza hilaza,sady mpanompo sampy no mpandainga.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2168