Nivadika tanteraka Ingahy Monja Roindefo

1. ravatorano ( 27/10/2009 06:09)
http://www.midi-madagasikara.mg/midi/index.php?option=com_content&task=view&id=19033

Miaiky izany izao Ingahy Monja Roindefo fa mbola tsy vita sy nankatoavin'ny rehetra fa Ingahy Andry Rajoelina no filohan'ny Tetezamita.
Ka raha tsy nesorina teo amin 'io toerana naha praim azy io ve Ingahy Monja roindefo sahy niteny sy nametraka izay fanamarihana izay.
Amizao mantsy dia miverina matetika indray na avy amin'ny ankolafikery telo(ravalo,ratsiraka,zafy) fa tsy mbola nosafidiana mihitsy izay hitondra ny tetezamita ary manamafy izany Ingahy Monja Roindefo
Raikitra ny ady eo amin'ny samy mpitolona teny amin'ny 13 mai amizao ary hatraiza no mety hiafaran'izany ?
novalian'i milamm ny 28/10/2009 01:23
2. diloo ( 27/10/2009 07:27)
Mitombona ny arguments lery raha ny fampiarana ny sata Maputo izay miankina amin'ny sonian'ny lehiben'ny mouvances efatra ny fanendrena ny filohan'ny Transition consensuelle sy ny governemanta.Araka izany, raha mbola tsy tanteraka ny sonia efatra, dia governemanta de fait no mitantana provisoirement :dia ny governemeanta tarihan'i Monja R., fa tsy Norohanta akory.
Saingy manina izao i Monja vao tonga saina manoloana ny lanjan'ny lalana constitutionnelle?
I Andry moa dia manao toetra toa ny lelon-jaza: mbetika milza tsy mila GIC e, dia izao indray mi-GICGIC: appelez-moi enfin président. :?
3. xxx ( 27/10/2009 07:43)
mazava anie izany e ,raha tsy nesorin'i roindefo tsy hanaratsy an'i tgv mihitsy .Ampiasao @ izay ny maha tandroy anao roindefo an
hon hon hon hon hon
4. xxx ( 27/10/2009 08:32)
manino anao ny tandroy ??anay angaha olo foka ?
5. xxx ( 27/10/2009 08:54)
io tsy misy fitiavan-tanindrazana zany, tena mibaribary ny fitiavan-tseza sy fitadiavan-tseza, mafy ihany zany mba te ho olona ambony eo @ firenena!
Mijaly enao ry vahoaka!
6. kidoropamba ( 27/10/2009 10:39)
Efa nilaza t@ Rajoelina hoa zà fa aza misary adala hilatsaka ho filoha izany hoa. Io fa mbola miziriziry eo foana. Hajanony hoa io fanambakàna côtier io fa efa fantatry ny pokona ny fikantsika tsalo fetsy ratsy e. Tsy nihaino lery fa dia nanosika an'i Ratsirahonana hakabahana fotsiny ary ato @ voudy laharana ry Hasina mianakavy. Ery @ helatra havia ry Mamy ratovo.

Tsy mandaitra hoa io satria ny an'i Monja dia ny basy sy ny tafondro no ampelatanany. Tsy nihaino ihany TGV fa mitrifatrifana.

Ra8 izany ange efa tsy hody fa tonga dia hamotika an'i TGV foana no ady mazava e. Tsy mahagaga izany.

Izao no hiafaran'ny tantara: Ra8, TGV, Monja, Ratsiraka tsy misy milatsaka eo fa ataonay matavy ny saosy. hi hi hi hi hi

Tsy adalan-dra8 no milalao vouden'ny virjiny ao Swaziland satria manome hery ireto virjiny ireto e.

Alefa alefa alefa à.
7. diloo ( 27/10/2009 11:09)
Hita taratra tokoa ny racisme ny mpitondra tsalo ankehintriny, indrindra moa fa i Ratsirahonana, i Andriamanjato Richard, sy ingahy Ramaroson.
Tsy tahotra tsy henatra dia mamitaka ny samy zareo nanao io tolona 13 mai io.
Ary ny tena olana, dia ireo leader avy any amorontsiraka mihintsy no hitsahana.
Ny tsalo miseo azy ho fetsy fa dia fiatsaram-belatsia no feno.
Aleo aloha azava fa samy hafa ny atao hoe tsalo sy ny merina. Ny tsalo dia ireo merina sasantsasany raciste sy mpanitsaka ny zoan'ny vahoaka malagasy, manoloana indrindra ireo rahalahy sy anabavy mpiray tanindrazana manondidina ny nosintsika. Ny resaka tribalisme, dia miainga avy eto Iarivo noho ny politika ampiarin'ny tsalo.Tena intérét an'ny tsalo ve hivoana amin'izany? Manana responsabilté koa i Norohanta manaiky hanaovana fitaovan'ny tsalo ankehintriny. :? :!: :?:
8. kidoropamba ( 27/10/2009 11:31)
Mipetraka tsara hoa io: Izany ihany ange no mampiziriziry an'ireo miantso an'i Dadany hiverina e? Mba jerevo tsara ireto GTT ireto, f'angaha mba misy olo-kafa ao raha tsy ny havantsika ihany? Soa ihany fa tonga Naika Eliane fa raha tsy izany dia tena lasa vay ankadrina be ilay izy.

Soa ihany hoa Ndefo fa nanana basy sy tafondro fa raha tsy izany dia efa vitandry zalahy saosisa na "mergezy" sy efa tany Tsiafahy.

Triablisma foana no mivohy an'izao rehetra izao.

Izay ilay lazaiko hoe miomana hoa fa isika no hitondra an'io firenena io satria hifanelina ao ry zareo ireo.

Alefa à. Mbola hisy ho tezitra indray? Efa natory aho ka mbola nofohazina ihany. Aza mamoha saka matory é. Io izao fa hagetorako mafy be mihitsy e.
9. Hinagasy ( 27/10/2009 11:34)
Ianareo koa ataon'ireto mpanao politika fitaovana koa!!
Eo dia mifanaratsy ny foko atsy sy ny aroa eo! tsy hainareo angaha ilay hoe zarazarao hanjakana, dia routsksou hozy ny mpanao politika dia indreto ny forumistes sasany dia mifanala vangy amin'ny resaka foko eto indray.
10. kidoropamba ( 27/10/2009 11:59)
Zarazarao hanjakana izany dia efa nisy alohan'ny ahatongavan'ny vazaha.
Resaka foko foana no mibaiko ny sain'ireo mpanao politika hatram'inizao ka hatramin'izao. Hanontanie dada Ra8: novonoin'ny lery mihitsy ny foko hafa e: gadra, sesi-tany, fanapotehana ny kolotsaina sy ny sisa.....jerevo hoa ireto GTT dia efa voavaly ny fanontaniana e. hi hi hi hi hi.

Io indray kosa aloha no hitiavako an'ity Ndefo ity. Raha tsy nisy an'io basy sy tafondro, Noel sy André dia tena nanaovan'ny Ramaroson, ranjeva, rajems, Andriamanjato, Ratsirahonana masaka tao ity Ndefo sy ireo côtier manatavy tena ao @ HAT ireto.

Raha vao nesorina i Ndefo dia:
- Nalefan'ny TGV teny @ RNM, Lahiniriko namely azy (samy zanaka atsimo ka)
- Nelafan'ny TGV teny @ TVM, Maharante namely azy (samy zanaka atsimo ko)

Tratra loatra ilay hafetsena marivo salosana e.

GTT koa torak'izany. Faly ery manositosika an'i Naika Eliane satria iny izao ilay "akoho fotsy" atositosika aloha satria miavaka amin'ny rehetra. Avy any Morondava.

Jerevo fotsiny hoa ireny site, bilaogy mameno tanàna ireny manohana an'i Dadany....tondro tokana ihany. Jerevo ny gazety sy ny forongony....

Izay hoa no hilàna "équilibre" kely amin'ity ataon'ny Ndefo sy ny basy aman-tafondro ity fa raha tsy misy "équilibre" dia lasa lalanan'ny be sandry eto ka matimaty foana ireto pokona any anindrana any.

Aiza indray é? hangetorako hoa raha mitady e.
11. ndotofetsy ( 27/10/2009 11:59)
:^) :^) :^) :^) :^) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
12. ifiona ( 27/10/2009 12:12)
mba mahay miteny ve ty ndotofetsy ty
13. tsimatimanota ( 27/10/2009 14:17)
Frantay no anton 'izany rehetra izany
Aza asiana resaka foko intsony eto fa iray ihany ny Malagasy eto
Jereo eny @ Université dia hitanareo fa mitovy daholo ihany ny fisainan'ny Malagasy rehetra
Amen
14. kidoropamba ( 27/10/2009 14:55)
Ravalo izany tsy franaty rangahy a. tssssss....

Efa kaopy hoa ny kaofy boay ka efa tsy mirimorimo intsony maka voud'omby ho vavanareo a. hi hi hi hi hi hi
15. reeves ( 27/10/2009 15:13)
kidoropamba >>> Vao mijery ny zavatra soratanao dia tonga dia azo an-tsaina hoe olona ohatran`iza ianao ! Saika tsy hiteny ihany aho fa aleo lazaiko ihany !
16. Papoose ( 27/10/2009 15:24)
tsimatimanota:

Frantay no anton 'izany rehetra izany
Aza asiana resaka foko intsony eto fa iray ihany ny Malagasy eto
Jereo eny @ Université dia hitanareo fa mitovy daholo ihany ny fisainan'ny Malagasy rehetra
Amen


hazavao tsara fa tsy azoko hoe?


17. kidoropamba ( 27/10/2009 15:35)
reeves:

kidoropamba >>> Vao mijery ny zavatra soratanao dia tonga dia azo an-tsaina hoe olona ohatran`iza ianao ! Saika tsy hiteny ihany aho fa aleo lazaiko ihany !


"L'habit ne fait pas le moine" hoy ireo vazaha garamaso ireo ka mitandrema ihany manao famintinana maimaika. Ny fahitako azy indray dia toa tianao tsara ilay resako ka nahatonga anao vaky vava niseho vatana nilaza ny tao am-po tao. hi hi hi hi, politika no resahina, ok?

18. xxx ( 27/10/2009 16:32)
ny an'i rakidoro no tena resaka foko foana sady mitifitra merina ,tsy mahagaga satria ireny olon'ny zafy albert rain'ny fanavakavahana tsy tia merina
19. kidoropamba ( 27/10/2009 19:22)
Tsy afaka miaina hoa nareo raha tsy manao adim-poko é. Tsy mahay manao politika raha tsy ny foko no aroso aloha.
Io ny vokany e. Miomana hoa isika fa hitondra an'ity firenena ity rahampitso raha ripaka mifanelina ry zareo mpiady sy mpampiady foko ary tsy mahay hafa tsy politikan'ny foko ireo.
20. fijo ( 27/10/2009 21:46)
ady seza no tena fototra teo,matoa vao misy resaka fizarana rafitra,di atonga ny ady
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1928