Dia niteny malefaka izy....tiako anie hianao e

21. cutie ( 15/11/2009 15:06)
. Mpandefa : xxx [ Valio ] 15-11-2009 12:23:19
Lohateny : Re : Dia niteny malefaka izy....tiako anie hianao e
Ho an'i cutie sy mirananirina

Tsy izay mankany am-piangonana ihany akory no hatao hoe :tia AN'ANDRIAMANITRA na tian'ANDRIAMANITRA misy olona tsy andriny izay nakanesany any am-piAngonana satria izy mila miderA ary mahazo hery @ny toritenin'ny pasitera ,misy olona mankany angamba misy miteny hoe: hampidera haingo fa tsy anjaranatsika ny mitsara satria misy toeran-kafa koa azo hanaovana izany fa misy soa be dia be azo @fankanesana any ampiagonana satria hilaina ny fitaizana ,tsar ny mandeha mivavaka fa ilay ho any @fiangonana angamba efa tsy tokony holazaina intsony satria ilay miangona sy mivory no mitovy dika ,fivoriampokonolona ohatra ,ny tsara angamba dia ny hoe :ho any antranon'ANDRIAMANITRA NY @IZAO.

tsy azoko we in ny idran'ny resaka mankany am-piangonana @ ze voalazako tao ambony tao ???
22. isambo ( 16/11/2009 18:32)
Izao no voalaza ao @ 1jaona.2:3-5 : "3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.

4 Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.

5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika"


Tsy misy porofo ahafantaran'Atra atsika fa tia azy isika raha tsy ny fitandrematsika ny didiny ihany.Mpandainga no ilazan'ny baiboly ny olona izay milaza fa mino sy tia an'i Jesosy nefa tsy mitandrina ny didiny
23. cutie ( 16/11/2009 23:16)
24. niryna ( 22/11/2009 22:57)
xxx:

Ho an'i cutie sy mirananirina

Tsy izay mankany am-piangonana ihany akory no hatao hoe :tia AN'ANDRIAMANITRA na tian'ANDRIAMANITRA misy olona tsy andriny izay nakanesany any am-piAngonana satria izy mila miderA ary mahazo hery @ny toritenin'ny pasitera ,

toy ny fiara io ,mila hafanaina vao alefa ,mila velomina vao mandeha
maro tokoa ny tombontsoantsika mandeha any am-piangonana ,tsy mijery izay eritreritry ny olona,tsy midera olona na misehoseho ho haka cadre .Tonga miangona isika mba hidera an'Atra. isaotra Azy ,anome voninahitra azy ary indrindra indrindra haka vatsim-panahy vaovao indray mba hiatrika fiainana vaovao indray.Hifampahery satria tsy ny salama no mila fanafody fa ny marary,mangetaheta an'Atra ny fontsika ary dia miara miredona miaraka ireo namantsika mitady azy.
Raha toa kosa ka hanandrantena na hanandratra olona no alehantsika any am-piangonana dia ho herimpo very maina fotsiny no ataontsika

misy olona mankany angamba misy miteny hoe: hampidera haingo fa tsy anjaranatsika ny mitsara satria misy toeran-kafa koa azo hanaovana izany
vao nisy ankizy nilaza an'izany ao tamin'ity herinandro ity,asa aloha fa alako ny teniny fa misy fiangonana ao amintsika izay mifampidera haingo fotsiny no ataony hoy izy dia naleonay tsy mandeha miangona intsony.

fa misy soa be dia be azo @fankanesana any ampiagonana satria hilaina ny fitaizana ,tsara ny mandeha mivavaka
tsara tokoa fa misy olona kosa anefa dia tsy maintsy mahita lazaina foana hialana pas ny antony tsy andehanany any am-piangonana,izay ilay fitsaran'olona

:ho any antranon'ANDRIAMANITRA NY @IZAO.
tsy mety intsony hoe andeha hiangona izany ny olona ? ankehitriny dia tsy mila mitondra baiboly intsony fa tonga dia efa misy baiboly sy fihirana ny fiangonana sasany. Mety tsy ahenoina feo intsony hoe ireny fa andeha hivavaka indray ,hi,hi rehefa tsy tiana izay mantsy ilay zavatra dia tsy maintsy ahita lesoka foana ary ahitana teny kely maneso etsy sy eroa




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0815