Tokony hijoro amin'ny heviny tsara i Andry Rajoelina

1. rabaradaka ( 21/10/2009 05:58)
Htramin'ny nisian'ny krizy dia mivadibadika be foana ny hevitra sy fanapahan-kevitra ataon'i Andry TGV, asa na izy zaza vao amin'ny politika sa koa mety ho tsy fahaizana mihitsy. Fa na izany na tsy izany dia mahatsapa ny vahoaka fa manana hevitra tsara izy hialana amin'ny krizy misy, tokony hijoro izy hitazona izay fotokevitra avy aminy hamahana ny krizy fa tsy hihaino intsony an'i Alain Ramaroson izay mpandika vilana, ry Ratsirahonana, ao koa ry Ramakavelo, Lahiniriko, Voninahitsy. Tsy tokony hihaino an'ireo intsony izy fa dia ny feon'ny fieritreretany no ho henoiny, ny feo avy ao amin'ny fanahiny no ho henoiny. Minoa ahy ianareo a raha manao an'izany i Andry Rajoelina dia hivoaka ho mpandresy amin'ny fiainany manokana ary ho modelin'ny tanora, ka na inona vokatry ny fihaonana hatao na inona (mety ho Filoha na tsia) dia ekena satria izay fahasahiana efa tao aminy izay no andrasan'ny vahoaka aminy ary hivoaka ho mpandresy izy satria azo lazaina ho mahay mifandefitra amin'ny raharahm-pirenena
novalian'i swnan ny 22/10/2009 13:00
2. xxx ( 21/10/2009 06:07)
olona tsy manana ny maha izy azy no lazainao,tsy bandy tokony hanao politika mihitsy saingy tonga tonga ho azy teo ,izay le problem
3. ifiona ( 21/10/2009 07:10)
akory jiaby,

tokony androany no mivoaka ny valin'ny requetin'i Roindefo tany @ Conseil d'Etat. Jereo anefa ity nataon-dRajoelina.

Le conseil de ministre en vigueur a désigné Cécile Manorohanta au poste de premier ministre par intérim sans attendre la décision du conseil d'Etat.
4. mathla ( 21/10/2009 07:21)
Eo amin'izay zavatra rehetra atao dia tokony fantarina aloha ny dikan'io zavatra atonao io na farafaharatsiny tanjona tiana hotratrarina izay vao miroso.
Ohatra akaiky: Raha vao miditra anaty taxi enao, ny zavatra tokony ho efa mazava tsara ao an-tsainao sady anontaniana anao voalohany dia ny toerana tianao hahatongavana izay vao mandeha ny fifanarahana sy ny ady varotra isankarazany raha ilaina.
Ny zava-misy nefa eto dia ohatran'ny hoe nosakanana aloha ilay taxi kanefa ilay toerana aleha aza toa tsy voafaritra mazava tsara fa dia ohatran'ny hoe handeha hanao vakansy izy fa nomarihana hoe any Fort-Dauphin no haleha na any Nossy-be. Vokany dia eny an-dalana vao miady hevitra hoe atsy no aleha na aroa, ka indraindray dia ny mpamily no manapa-kevitra dia rehefa diso na be emboutaillage dia mikaroka lalana hafa indray.
Dia eto isika ho lany andro hikaro-dalana eto ary efa nisy fotoana aza moa izy niteny hoe efa tapitra daholo ny lalana azo aleha rehetra fa toa tsy mety tonga mihitsy satria lazainy koa fa maro mpanakana izay lalana halehany. Tsy mety hiaiky izy fa izy no voalohany tsy manana hevitra mazava amin'izay toerana tiany hahatongavana. Ary isika mpijery koa dia mahita hoe ireo manodidina azy no mitondra mankany amin'ny tsy izy.
Ny biby tsy misy lohany tsy mandeha e....
5. xxx ( 21/10/2009 07:34)
Izao ange ny zavatra tsy fantan'ny TIM e, ny hevitr'i andry nirina dia tsotra. Tsy mila an'i marc intsony. Ary mbola tsy niova tamin'io hevitra io izy. Fantany tsara izany ny lalan-kaleha.

Ny mampalahelo dia ity, ianareo TIM mba miana-kendry koa dia mody mialokaloka amin'ity hoe tsy ara-dalàna io e, zao io e, nefa i marc koa dia tsy tia maizina an'i andry nirina. Ka ataon'ny daholy koa izao rehetra tsy fanao izao mba hialan'i andry eo.

Ka dia eo isika mahita izy.

6. ifiona ( 21/10/2009 07:40)
nga vitan'ny hoe tsy mila Ra8 ntsony dia milay ny fiainana?dia ho azo daholo zay iriana ve?
ilay izy zany raha azoko tsara dia hoe: bon, esorina teo Ravalo dia ho hita eo ny tohiny... irresponsabilité anie zany e, ary tsy hoe olona telo na efatra no taritina miaraka aminy any an-kady fa tena firenena iray manontolo mihitsy e!
mazava ilay valinteninao ra xxx4 fa ts misy programme à long terme Mr Rajoelina fa dia hoe: miala alou ra8 dia ho hita eo... dia ho hita eo????

marina ihany ilay lazain'i mathla hoe tena mitsapatsapa ilay boay kely fa tsy fantany akory zay tokony lalan-kalehany.
7. ifiona ( 21/10/2009 07:42)
mathla o! misy zavatra anontaniako kely anao azafady e! any @ hafatra
8. xxx ( 21/10/2009 07:56)
Fiona:
nga vitan'ny hoe tsy mila Ra8 ntsony dia milay ny fiainana?dia ho azo daholo zay iriana ve?
ilay izy zany raha azoko tsara dia hoe: bon, esorina teo Ravalo dia ho hita eo ny tohiny... irresponsabilité anie zany e, ary tsy hoe olona telo na efatra no taritina miaraka aminy any an-kady fa tena firenena iray manontolo mihitsy e!
mazava ilay valinteninao ra xxx4 fa ts misy programme à long terme Mr Rajoelina fa dia hoe: miala alou ra8 dia ho hita eo... dia ho hita eo????


Aza mijery mitanila moa e!

Mba hampazava tsara ny hevitro dia mila jerena koa ny zavatra ataon'i Ravalomanana. Mety hoy aho, mety raha tsy nisy nanakatsakana tahakan'ny ataon'i ravalomanana i andry nirina dia mety mba afaka nisahana zavatra hafa izy, mety mba nikarakara sy mba afaka nampiseho ny tena fahaizany izy. Dia izay isika vao afaka ny hitsara azy. Fa amin'izao dia voatery ny hiaro ny toerana misy azy fotsiny izy mba tsy hiverenan-dravalo.

Fiona:
mathla o! misy zavatra anontaniako kely anao azafady e! any @ hafatra


Ary zà angaha tsy mba handefasanao hafatra, aza manao fijery mitanila moa e! :)

9. ifiona ( 21/10/2009 08:02)
xxx > ka enao ary xxx kou, @ fomba ahoana no andefasako hafatra ho anao

:roll: :roll: :roll:


ka toerana nangalariny ve tsy ho mahana izy e, laozany mandany fotoana miady amin'ny tompon-tseza sy mifikitra mafy, dia adinony ny mikarakara ny fiainam-pirenena.
10. naritsimba ( 21/10/2009 08:35)
zà aloha tsy mila Ra8 e, efa ela no nanazavako an'izany teto.
Aleo andeha dia ho hita eo ny tohiny; zahay nahatanty t@ andron'ny Ra8 na nampijaliana aza, koa rehefa afaka izy dia izay no mahafaly anay, N'iza n'iza nanala an'i Ra8 teo dia notohanako, aleo indray hifampitady @ fifidianana.
Zà manokana dia anti-Ra8.
11. Noue ( 21/10/2009 08:40)
naritsimba:

zà aloha tsy mila Ra8 e, efa ela no nanazavako an'izany teto.
Aleo andeha dia ho hita eo ny tohiny; zahay nahatanty t@ andron'ny Ra8 na nampijaliana aza, koa rehefa afaka izy dia izay no mahafaly anay, N'iza n'iza nanala an'i Ra8 teo dia notohanako, aleo indray hifampitady @ fifidianana.
Zà manokana dia anti-Ra8.
izay ilay nolazaiko oe: na dia hita fa mihosona anaty () aza dia mbola tohanana ihany ve io bandy kely tsy mahavita azy io eee??
aleo marina hisy ny fifidianana ho hitan'ny havany eo ireo FATY ireo fa na dia 1% tsisy ahazo toerana eo akory ee ! oainina be daholo ny havanareo !! entre ny halatra, barbarisme, famonoana, fanaovana sorona ny olona hahazahoana sezam-poza, ny lainga sns !!


12. Noue ( 21/10/2009 08:43)
SANS QUALITé :-D :-D :-D :-D :-D :-D mahamenatra sady mpanalabaraka :^) :^) :^) :^) :^) :^)
13. naritsimba ( 21/10/2009 08:50)
rehefa niala aloha ra8 dia ampy zay, io ange ry Noue mazava ny foto-kevitra e!
Zà manokana tsy mila seza fa rehefa tsy manelingelina ny asa ataoko dia ampy zay, tsy manankavana tao @ fitondrana ny tenako na iray aza hatramin'izay na hatramin'izao ary tsy mitady seza ao ihany koa, fa kosa raha mbola misy ny tsy rariny dia aleo ahongana, iza moa no manakana anareo tsy hanongana raha tena mbola manana olona tokoa? rehefa hitanareo fa tsy mety dia ahongany.
N'iza n'iza mpitondra manao ny tsy mety izany tsy hisy hahavita "mandat" eo izany na iray aza.
Ary Ra8 tsy ho tafaverina eo @ fitondrana na hanao inn na hanao inn. Rehefa tsy Ra8 fotsiny dia ampy ahy.
Zà tsy very fihinanana akory, na miala eo aza ny Prezida Andry Rajoelina, tsotra rehefa mamela ahy hiasa malalaka dia ampy n'iza n'iza tonga eo, fa tsy manao toa an'i RA8 zay te handroso dia potehina nefa ny tena tsy mahaloa hetra, sady @ zay mangalatra tanin'olona fotsiny.
Tanin'ny AKAMASOA aza efa saika ho alainy saingy nahalala menatra.
14. locl ( 21/10/2009 08:58)
Salut naritsimba, za aloha tonga dia tsoriko aminao fa ny nanonganana an'i Rav8 dia nodivianareo mpanongana azy lafo dia lafo ary izao no resultat, na mampalahelo dia ny vahoaka tsy nanantsiny no mizaka ny vokany.

Tsy nisy positive na dia iray ny zavatra ataonareo, jereo ity omaly fa dia nidina any laharana gisitra isika @ libérté de presse, nolazaina fa i Rav8 no dictateur nefa io izy io ny résultat. Tsy ny TIM no namorona an'io fa ny fijeriny ny olona neutre, ka ahoana?
tsy nety ny nataonareo fa tokony mba niandry élection, izao nareo mampiakatra ny popularité Rav8, iza no tsy manina azy amin'izao na dia ny phrase keliny "ho tahian'Andriamanitra" aza.

Ny momba ny Ankamasoa indray, tsy i Rav8 velively no saika haka ny taniny fa ireo tsy vanona izay mitsikombakomba miaraka @ HAT amin'izao fa mody nomen'i andry ny ttsy satria le équipe ao @ Monja Roindefo.

Ka hoy aho hoe DISO TANTERAKA NAREO"
15. mathla ( 21/10/2009 09:27)
xxx:

Izao ange ny zavatra tsy fantan'ny TIM e, ny hevitr'i andry nirina dia tsotra. Tsy mila an'i marc intsony. Ary mbola tsy niova tamin'io hevitra io izy. Fantany tsara izany ny lalan-kaleha.
Ny mampalahelo dia ity, ianareo TIM mba miana-kendry koa dia mody mialokaloka amin'ity hoe tsy ara-dalàna io e, zao io e, nefa i marc koa dia tsy tia maizina an'i andry nirina. Ka ataon'ny daholy koa izao rehetra tsy fanao izao mba hialan'i andry eo.
Ka dia eo isika mahita izy.

Tsy midika ho TIM velively aho raha toa ka nandroso an'io fanakianana teo aloha io. Milaza ny hevitro fotsiny aho, ary na dia olona avy amin-dRa8 aza no teo dia io ihany ny analyse izay narosoko noho ny zava-misy.
Tsy hidirako izay olana manokana eo amin'izy roalahy any hoe iza no tsy tia an'iza. Fa ny zava-misy dia mifanasa vangy isan'andro izy roalahy ireto ary tsy vitan'izany fa maro ireo mpampiady akoho izay mihoraka ka na dia efa tokony hanaiky aza ny iray dia tsy sahy mandray fanapahan-kevitra satria ireo mpanohana tsy mamela azy hanao dia miverina fa mamporisika azy handroso hatrany na dia efa tsy misy lojika intsony aza izay lazaina, na dia efa mifanipaka isanandro aza izay lazaina. Ny lazaina androany dia mifanohitra tanteraka amin'izay voalaza omaly. Sa moa izany no lalànan'ny fifandraisana?
Asa re fa de eto tokoa isika mahita izy e...

16. bazylou ( 21/10/2009 09:42)
hitanareo izany , ny tim and co dia tsy misy objectivite ny azy fa ny halako boka tsy tiako tarehy fotsiny no argumentny. Nefa anie matoa izy votsoka teo dia zefa izy izany e,. dia mitetika ny hisaosy ao ihany ve ?? azafady , ooooooooo :-P :-P
17. pikatti ( 21/10/2009 11:05)
Hatramin'ny nisian'ny krizy dia mivadibadika be foana ny hevitra sy fanapahan-kevitra ataon'i Andry TGV, asa na izy zaza vao amin'ny politika sa koa mety ho tsy fahaizana mihitsy.


Le conseil de ministre en vigueur a désigné Cécile Manorohanta au poste de premier ministre par intérim sans attendre la décision du conseil d'Etat


Porofo io ny tsy fahamatorana ara-politika
Porofo mitohaka hatenda io fa tsy mendrika ny ho président i Andry sy ny ekipany,
Porofo io fa mifanohitra be ny dinika sy ny fanapaha-kevitra avy ao @ Hat

Tsy nisy positive na dia iray ny zavatra ataonareo, jereo ity omaly fa dia nidina any laharana gisitra isika @ libérté de presse

Porofo io fa dictateur ny TGV

Fehiny ,tsy mila an'io tgv Andry io ho président
18. dadabe ( 21/10/2009 12:35)
:�)
19. naritsimba ( 21/10/2009 12:41)
Na iza hilaza na iza hiteny raha misy manana porofo ianareo fa mangalatra ny mpitondra @ izao dia atero aty fa ny tenako vonona hamoaka.
Ny mahagaga ange dia izao e, matoa ny tenako nanakiana an'i Ra8 dia manana porofo mazava ary azo aseho izany.
Efa nolazaiko t@ dinika tany alha izany fa izay manana porofo dia mahazo mitondra raha toa ka matahotra dia be no mahalala ahy ireo Namana serasera eto dago; dia omeo azy ireo fa tonga aty amiko.
Efa maro ireo fitarainana nataonay t@ andron-dra8 fa saingy tsy nivaly, fa nalentika fotsiny. Iza moa no nahasahy nanohitra an-dra8 sy ny olony t@ androny, tadidio ny 24 juillet 2008 nahasiako nanohitra t@ haino aman-jery ny fitondram-panjakana t@ izany ary dia tonga hatramin'ny fandrahonana ireo fianakaviana sy namana akaiky ny tena, ary efa tonga hatramin'ny fitadiavana lalana androahana @ asa, misy ny porofo @ izany ary mbola azo anontaniana an'i zoky ravatorano izany satria izy koa dia mahalala tsara ny tsy rariny ary nahatsapa hoe tsy mety izany. Amiko rehefa sahy mijoro @ marina ianao dia tsy misy ahatohitra anao na dia izay milaza azy ho henjana aza.
Misy ny mihevitra fa manohana be fahatany ny tenako, ho an'izay mahalala tsara ny tenako dia aleo ho tsoriko fa matetika aho no manao fanakianana @ ireo Haino aman-jery misy ary mitondra ny porofo milaza izay zavatra tsy mety @ izao fitondrana izao, ary dia izay fanakianana arahana porofo izay dia nahitam-bokany.
T@ teo aloha anefa raha mitondra fanakianana ianao arahana porofo ianao dia voaenjika.
Ny nampihemotra antsika teo @ fahalalahan'ny fanaovan-gazety dia jereo ny fanazavana fa nanomboka sept 2008-sept2009 no nihemotra isika, ny antony dia mazava satria tao anatin'io fotoana io no nisian'ny fanakatonana ny VIVA sy ny MBS ary ny RAdio MADA, mazava noho izany fa izay no mampihemotra, ary eo no ahitana hoe iza moa no nitarika azy tsy ny mpitondra t@ andron'ny ra8 ve?
@ izao fotoana dia mahazo misokatra ny Radio MBS sy MADA rehefa mahafeno ny taratasy ara-dalana fa tsy hilaza toy ny teo aloha hoe 7 taona dia "essai téchnique" foana.
Ankehitriny koa dia mihodina ny orinasa TIKO ary dia fantapantatra ihany ny manodina azy ankehitriny satria dia "zaodahiko", izay efa nitana ny Tale teknika foana ary tanankavanan-dra8, tsy ho tononiko eto ny anarany fa ny hita dia ireo fianakaviany akaiky no asainy manao livraison, ny tena moa tsy tia risoriso dia tsy manaiky hiara hiasa aminy ary efa hatramin'izay izany, noho ireo fakana tany izay tsy ara-drariny, raha toa kosa ka efa ara dalàna ny fisokafan'ny orinasa TIKO, inona moa no manakana ny hilazana fa efa mihodina ara-dalàna ny orinasa TIKO. Inoana fa mandoa ny volam-panjakana ara-dalana izy izany.
Misy angamba hanontany tena ny ahalalan'ny tena zavatra maro dia aoka hazava fa @ maha mpitarika sendika ny tena no ahazoana vao² ary ireo mpiasa iharan'ny tsindry hazo lena no mitaraina, dia mazava ny resaka rehetra.
Misaotra tompoko.
20. xxx ( 21/10/2009 13:23)
Milaza manana porofo EnAo koa tsy entina eo LAINGA sy fialonana no betsak a,refa ry tavany ny karana no tiko lazaina tsy sarotiny ny Malagasy be fialonana fa refa gasy dia mialona fa tsy tia fandrosoan a nanan ny kilemay toy ny rehetra RA8 fa tsy mbola nisy nahavita asa tsara ohatra zay pdt nifandimby teo
Izao moa di a tonga RAJIOLAHY @basy sy tafondro fa soa fa tsy af-mandroso koa na havia na havanana fa miandry sonian-DRA8?HIHIHI NA WAWAWAWA NAwiwwiwiwi dia MIANDRY é,ny maso efa drodroka be bola maivava ihany ,hataon'olona fangolika manodidina azy FITAOVANA FOTSINY radomelina fa tsy mety tonga saina !!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1156