resaka vavony

1. arialy ( 19/10/2009 15:12)
ony oà ry ireto , iza aminareo izay efa naharary vavony , na efa nahalala olona voan'izany? inona ny vahaolana azo raisina amin'izany? sns...
misaotra :)
novalian'i arialy ny 22/10/2009 13:53
2. niryna ( 20/10/2009 03:54)
arialy:

ony oà ry ireto , iza aminareo izay efa naharary vavony , na efa nahalala olona voan'izany? inona ny vahaolana azo raisina amin'izany? sns...
misaotra :)

izaho aloha tsy marary vavony fa mahafantatra kely fotsiny e
maro no antony mahatonga ny aretina vavony:
mihazakaza-dava amin'ny fiainana
mitaintain-dava
mihinan-kanina aingana
mihinankinanana ireny fakofako tsakafo ireny
tsy ampy toir-maso
MIlelale be toa noana be izany kanefa toa tsy mety voky no fiandohany
mamaivay be ny ao amin'ny toerana akaikin'ny fo,tsy hita hoe aiza
mandrezatra be rehefa tena miha-grave ilay izy
tsy mahalevona sakafo ary rehefa tena grave be dia mandeha ra rehefa mivoaka.
maro ny zavatra tsy tokony ho hanina ary araka ireo kely mba fantatro ireo dia ezahana ny tsy anao ireo ambony ireo ,mila ampy torimaso tokoa aloha

Inona avy ny zavatra tsy tokony ho hanina?
ny laisoa masaka,ny zavatra mavesatra toy ny ravitoto fa raha mihinana dia asiana siramamy kely ilay izy ary tsy mahazo mihinana betsaka
Ny zavatra kiendiendy sy mafy
ny sakay sy ny dipoavatra
ny soda na ireny coca sy ny spirit
ny povron sy ny salade izay sakafo hohanina manta satria tsy mahazaka ny vavony.
inona no mety manampy rehefa marary ny vavony ?
maka ovy manda dia sasana tsara ilay izy ,tsy asorina ny odiny ,totoina miaraka ny laisoa manta(averiko indray fa tsy tsara ny mihinana laisoa masaka) kanefa manampy kosa ny mihinana laisoa manta,asiana persil kely ilay izy ary atao jus ireo,maheno tany rehefa mihinana ilay jus na ovy saingy manampy ny vavony ny fihinana ireo.
izay no mba kely fantatro

:D
3. niryna ( 20/10/2009 03:55)
Raha resaka fanafody indray dia tena mandaitra ilay izy saingy lafobe no tsy fantatro raha misy aty amintsika .Tagamet no anarany ,anontanio ny dokotera fa hoe efa toa misy hono any.Fadiana ny mitezitezitra fa vao maika mampihetsika ny tambaviny ,oops
4. diamondra27 ( 20/10/2009 11:09)
gaviscon na malox akia ny fanafody a

5. mmmhh ( 20/10/2009 12:02)
Rah aretina any anatin'ny vatana ( vavony, aty ...) , dia isan'ny mahatonga azy koa ny fahasimban'ny nify. Anisany hoy aho an,
raha misy nify simba ao anaty vava, dia tsara raha amboarina na esorina reefa tsy avotra intsony.
6. niryna ( 20/10/2009 18:08)
mmmhh:

Rah aretina any anatin'ny vatana ( vavony, aty ...) , dia isan'ny mahatonga azy koa ny fahasimban'ny nify. Anisany hoy aho an,
raha misy nify simba ao anaty vava, dia tsara raha amboarina na esorina reefa tsy avotra intsony.


marina izany satria tsy afaka mitsako tsara ilay olona,noho izany dia ezahina ny mihinana miadana ka mitsako tsara fa tsy mirotoroto saingy ... ra-fiainana e .Ny ahy izao sotrokely no hinanako amin'izay aho afaka mitsako elabe vao maka indray ha,ha
7. xxx ( 20/10/2009 20:20)
Ilay TAGAMET fanafody azo avy @talapetraka ,ravina talapetraka, na manadravasarotra i Ratsimamnga koa mahasitrana vavony.
8. arialy ( 22/10/2009 13:53)
misaotra anareo namaly é
zà aloha de mihazakaza dava é, enjehina daolo babay sy lohavohitra moa?
ndraindray aza hadino ny misakafo raha ts efa tena noana be na koa tsy misy fotoana isakafoanana fa rano no sotroina de lasa izao.
nakany am dentiste, natao radio mihitsy ny nify rehetra fa tsy misy maninn fa tena vavony no voa, hiezaka mafy ato ho ato hanao zay mety fa tena tsy à l'aise ami'ny le izy .
misaotra be dia be an :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5153