Leo be an'ireo gasy

21. soanja ( 20/10/2009 09:35)
welie:

Manao ahona daholo isika rehetra,

asa ry reto ianareo na ahona na ahona fa izaho dia tena leo be an'ireo gasy témoins de Jehovah izay mandona isam-baravarana rehefa hitany fa misy gasy mipetraka ilay trano.
Fara faha ratsiny dia indray isan-kerin'andro dia mi-sonner ato an-tranoko foana ry zareo ary olona samy hafa isaky ny mihetsika.
T@ voalohany dia mba nilaza azy ireo tsotra aho hoe tsy afaka ny handray azy dia bien sûr fa milaza izy hoe @ manaraka ary e!
Dia avy eo dia tonga indray olona hafa dia lasa leo be aho... :x

Toy izao ny zava-mitranga ohatra refa tonga zareo:

misy mi-sonner @15h izay ora fanaovan'ny papozy sieste tsara iny d lasa mitsikilo aloha hoe iza d kay ry zareo d tsy hamoha nefa henony hoe misy olona d avy izy d manao hoe "manaona enao o" @ varavarana mihidy... lolll...
Vohaina ny varavarana:

Zareo: "manaona enao, i X no anarako, ary izy no Y. Manokana fotoana ho an'ny gasy zahay hiresadresaka " pfff...
Izaho: Miala-tsiny fa tsy afaka ny handray anareo aho.
Zareo: fotoana vitsy monja no angathinay aminao anie.
Izaho: Tsy afaka ny handray anareo aho fa be atao.
Zareo: raha izany d afaka mifanome rdv d @ zay mety (sad mamoaka ny agenda-ny izy @ zany)
Izaho: Non, tsy hanam-potoana mihitsy aho na anio na @ manaraka.
Zareo: Hay, ary mba misy zavatra kely ary ito omenay ho anao! (sady mamoha ny poketrany izy)
Izaho: Misaotra betsaka fa tsy mi-intéresser ahy. veloma!
Zareo: zavatra tsy vidim-bola anie no omena anao ka!
Izaho: veloma ianareo!
Zareo: @manaraka ve afaka miverina izahay?
Izaho: .... grrr... avy d nidiako ny varavarana.... :^)

@ maha gasy azy ngamba no mba namoahana varavarana fa sinon d ngamba hosoratana mihitsy ny varavarana hoe "tsy misy fotoana hiresadresahana @ gasy"... lolllllllllllllllllllll.... tsss....

Tsy hoe seromonina tiana aparitaka akory ny ahy fa mba fahatsapana tiana hizara an! Amiko ny mahaleo anao dia ianao ihany no hijaly amin'izany fa tsy izy ireo. Ilay " grrrr... avy d nidiako ny varavarana" dia atezerana tsy miantefa amin'ireny olona ireny fa ianao no milanja azy.

Sarotra tokoa ny mandray olona tsy vonona hiaino na hanaja ny hafa. Tsotra ny ahy raha izaho no tamin'ny toeranao. Milaza tsotra fotsiny hoe "TSIA Fa Misaotra betsaka o!" dia samy miala sady tsy tezitra no tsy asiana sira. Fitiavana no alehany mankeny aminareo, valio fitiavana koa izy ireo amin'ny fandraisana azy.
Asa anefa manam-petra tokoa ny faharetantsika ka tsy ifanomezantsiny.

22. welie ( 20/10/2009 11:50)
Soanja> ka tsy efa nilaza t@ zareo moa ve aho fa tsy afaka e! Asa ianao na efa notsidihan'ireny na tsia fa ry zareo tsy manaiky mintsy an'izay "TSIA fa misaotra izay" fa tsy maintsy manita-kevitra kely fona! loll... Tsapako efa mba tena "be fitiavana" be aho mamaly azy tsotra fa tsy afaka ny handray azy... ;)
Ka raha vao vita aza ve ilay hoe TSIA io d avy d hidina ny varavarana na mbola miteniteny eo aza ry zareo? :^)
En tout cas, merci pour le conseil! ;)

23. AndriambyII ( 20/10/2009 12:13)
Ala olana vitsivitsy :
Raha misy témoins de jehovas mandom- baravarana dia arahabao @ teny silamo ( tsy fahotana io )
Raha misy scientistes mandom- baravarana dia arahabao @ fiarahabana jiosy .(Tsy fahotana io )
Raha misy adepte de vaudoo mandom- baravarana dia arahabao @ teny malagasy ( tsy fahotana io )
Raha misy adepte ' ny sectes acapicuriens dia arahabaho @ teny occidentaux araka ny fahaizanao , (allemand , français , anglais , espagnol, italien , portugais , wallonie , flamand ,hongrois , greque , ... )

:idea: :idea:
24. ikaretsaka ( 20/10/2009 20:52)
indraindray zareo ireny ry soanja tsy mety miala fotsiny @ "tsia fa misaotra betsaka" an...
de na ny tena tsy ho sorena sy ho tezitra aza
25. Hinagasy ( 20/10/2009 21:10)
Ka eto miverina ilay resaka fahazavana ary aloha sa aoriana ary.
Tsy mamaly mivantana lay tompona adihevitra ny lazaiko fa mba fanamarinana kely fotsiny.

Amin'ny TJ ireo dia mizara hazavana izy, ilay niteny hoe tafika masina, dia tafika masina ho an-drizareo koa ny fandondomana tranon'olona tsirairay.
Ka izay ilay nolazaiko hoe indraindray ange mahatonga fahasorenana ho an'olona ilay atao hoe fizarana sy tafika masina e! Dia ny kristianina manao tafika masina tsy tokony sorena rehefa misy TJ mandondona ao aminy satria samy raha atao ihany io fa tsy hoe rehfa manao tafika masina aho dia mety fa ny TJ mahasorena.
Lalànan'ny fiainana tsotra angamba ny hoe izay tsy tianao atao aminao aza atao aman'olona satria ny fahazavana tsy ny anao ihany fa samy manana ny ataony hoe fahazavana na eritreretinao aza fa fahamaizinana ny fahazavan'ny olona hafa.
26. ikaretsaka ( 20/10/2009 21:17)
ka rehefa mba akaton'ny tompony kos any varavarakely sy pihany ny jirony.... tsary zo-nao tsotry ny mi insiste eo e
27. soanja ( 20/10/2009 22:38)
welie:

Soanja> ka tsy efa nilaza t@ zareo moa ve aho fa tsy afaka e! Asa ianao na efa notsidihan'ireny na tsia fa ry zareo tsy manaiky mintsy an'izay "TSIA fa misaotra izay" fa tsy maintsy manita-kevitra kely fona! loll... Tsapako efa mba tena "be fitiavana" be aho mamaly azy tsotra fa tsy afaka ny handray azy... ;)
Ka raha vao vita aza ve ilay hoe TSIA io d avy d hidina ny varavarana na mbola miteniteny eo aza ry zareo? :^)
En tout cas, merci pour le conseil! ;)

Ny ahy izany ny fahitako ny fiainana dia miezaka aho tsy mba tsy hanjaka amiko ny fihetsem-po tsy mitondra fahasalamana; zany hoe ny hatezerana dia isany. Efa fakafakaiko mialoha raha azo atao ny hahatongavan'io satria efa mba 40 taona ihany izay niainana izay. Marina mihitsy ny tenindry ry Welie hoe efa niteny indry fa ry zareo misisika foana. Ny ahy izany amin'ny toerako dia ny hialako amin'ny hatezerana sy fankahalana ny hafa amin'ny fomba ataony, izay heveriny fa mety nefa tsy mety amin'ny tena no itadiavako taktika. Zany hoe raha misokatra ny varavarana ka miresaka ela aminy eo dia mitombo izay hadisoam-panantenana izay dia miakatra ny fihetsempo maharary. Iza moa anefa no tena voa fa ny tena ihany. Ry zareo efa mahalala ny fihetsiky ny olona momba azy saingy ny finoany no mahatonga azy hisisika sao mba hisokatra ianao. Fitiavana daholo izany aminy.

Ny fitiavana atolotro azy izany satria fantatro fa tsy mpanaja ny safidin'olona ry zareo dia manena ny firesahana aminy nefa tsy atao amphatezerana na ankahalana.

Ny hoe " Tsia fa misaotra" dia tsy misy fankahalana fa filazana ny hevitrao madio. Dia rehefa mamoha varavarana dia hoy ianao hoe " Ahoana izay?" ry zareo manazava dia hoe " azafady fa tapahako ny resaka, tsia fa misaotra veloma tompoko!" dia andrasana izay ataony ka raha vao miteny manohy dia tsy manaja anao izy izany dia ny tohiny dia manidy varavarana moramora. Tsy mahadiso izany satria izy tsy manaja safidy moa ianao efa niteny hoe TSIA. Haverina matetitetika izany ka raha mbola manohy ry zareo dia akory atao fa ratsy vintana izany ianao fa ianjadian'ny hetraketrak'izy ireo. Mety misy fomba hafa azo atao manaraka hoe asiana filazana eo amin'ny varavarana hoe " Raha TJ ianao dia misaotra anao fa tsy afaka mandray izahay." Na koa hoe antsoina ny foibe misy andry zareo dia lazaina hoe ity adiresy ity dia tsy vonona ny handray anareo fa raha toa ka mbola mitohy dia voatery tsy maintsy hitory izahay. sns sns... Ny hanaratsy azy ireo kosa amiko dia tsy ho isan'ny safidiko satria izay ny momba azy ireo. Samy manana ny hazavany ny olona araka ny voalazan'ny namana etsy ambony.

28. soanja ( 20/10/2009 22:45)
ikaretsaka:

ka rehefa mba akaton'ny tompony kos any varavarakely sy pihany ny jirony.... tsary zo-nao tsotry ny mi insiste eo e

Marina izany tsy manan-jo ny hafa hanosihosy ny safidinao fa ny fomba tsara anaovana azy amiko dia ny fahaizana diplomasia mazava hoe " TSIA tsy vonona aho. Misaotra." dia miala ianao. Afaka milaza izay hilaza hoe ratsy fanahy aho na hoe mba manana toetra koa sns fa saingy ianao efa niteny ny hevitrao dia mila mahafantatra koa izy ny vokatry ny hetraketraka ataony.

Toy ireny bandy mikoty ireny ihany io e. Rehefa TSIA dia TSIA tsy asiana hoe halako le bandy iny fa mikoty ahy sns sns.... fa mba tia izy dia nilaza ny heviny dia ianao koa milaza ny hevitrao fa saingy kosa tsy ankalazaina eran'io hoe nikoty ahy le bandy dia nahatezitra ahy ary tena nomeko ny tsy fiheno sns sns... hifosa eo raha mbola mi-insiste indray amin'ilay efa hoe TSIA ka mbola eo izy dia tsaratsara kokoa aminao ny mianatra self defense satria ny ankoatr'izay dia antsoina hoe hetraketraka.

29. ikaretsaka ( 20/10/2009 23:03)
soanja a.... ka izany nge ny nataon'ilay namana nanana olana teo e
30. soanja ( 21/10/2009 03:27)
ikaretsaka:

soanja a.... ka izany nge ny nataon'ilay namana nanana olana teo e

Ny fahitako ny olana eto dia ny fahafantarany fa mpidrikina misisika ireo olona nefa dia avelany hiliba ny fankaleovana ilay olona ny tenany ary mitondra izany hatezerana izany hiparitaka amin'ny hafa. Zany hoe mihevitra ny namana fa manao ezaka fahalalam-pomba sy mandray ary maharitra nefa rehefa avy eo miteraka hatezerana ihany iny ary indrindra fankahalana koa.
Ka iza no lalana tokony izorantsika ara-pahamarinana? hihatsaravelatsihy ve sa atao mazava aminy ny teny ary arahina action mazava koa nefa tsy asiana romoromo!

31. endrika01 ( 21/10/2009 03:53)
Ka maninona ary izy ireny raha mitory an-dalambe e,toy izay hanome hatezerana hoany hafa,izay tsy mitovy firehana aminao.Tantaraiko tantara marina nareo,satry somary nanohina ny foko le izy de nahalasa saina ahy ,ao Antsirabe ( Bira) ao no niseho ny tantara.Mino aho fa raha misy namana avy any ato,de mahita iany kou. Nisy lhl zay katolika,nivadika finoana izy.Any amle maka ny fahafolon-karenanao ireny isaky ny fin de mois.Nanana tokoa rangahy io,fa angamba noho lay raha tsy maintsy atao,dia lasa gotry.Lasa fianakavina tsotra kely.Isaky ny hariva io rangahy io sy ny zanany kely ,tsy tadidiko we 3 mianadahy sa mianadahy,fa dia mijaridina kely hotry ny labozy miaraka aminy rainy izay mamaky ny tenin Atra sy manazava,tsy de misy olona mitangorona eo @le toerana ( raha mahita ny prefet de Vakinakaratra nareo de eo ampitany eo lay toerana,hotry ny zaridaina kely zay,nefa azo lazaina ho karazana rond -point) ndraindray efa maizina somambisamby iny de mbola eo foana izy sy ny zanany,mbola mamaky ny tenin Atra eo,ndraindray atoandro,angamba noho ny fianarany zanany.Sendra nifamaly tamina namana zah,de zah feno ny hatezerana iny no sendra nandalo teo ,de zah mou le tsy mpiraharaha anze miresaka fivavahana amiko zany,....niresaka hatezerana ny toriteny nataony ny fo maloto sns,de somary taitra kely iany zah de niherika,sady mitory no mihira lery an.Fa refa nohadihadiana-namana iray zay lery,de nitantara we,tsy ny pretra iany akory no afaka mitory sy mizara fa ny rehetra iany kou,samy manana ny hetahetapony hizara,de zay no nialany tao @katolika, fa ny mpanenjika tety ivelany kou bobaka,tao @katolika enao nanana harena,zao enao ireny fitafy ireny foana no anaovanao! Hatrany Antsenakely any fona zareo,saiky fotsy foana no akanjo anaovanle vavy kely,hatr@le resaka hatezerana no lasa mitopy kely any foana ny masoko :D ,ny tiko hampita de we maninona kou zareo raha manao hotranio rangahy io,tsy manakotaba ny fiainany hafa fa mitory ankalalahana de zay mandray mandray!.
32. soanja ( 21/10/2009 04:01)
endrika01:

Endrika o, izay no faniriantsika aminy fa tsy izay no momba azy ireo. Ny momba azy dia ny mitory ao anaty trano. Samy manana ny mahamety azy io. Anjarantsika no mahalala ny mahamety antsika manoloana izany. Azo atao koa anie rehefa tsy zaka izany dia manangana lalana (activisma) hoe ndeha hamorona lalana mamehy ny olona tsy hitory any anaty lavatranon'lona. Asa na misy io na tsia fa amiko rehefa mihamaro ny tsy mahazaka dia izay no hitako fa fanafodiny fa ny hanantena azy ireo hiova dia tsy hisy izany satria izay ny azy no fanehoam-pitiavany.

Raha mifidy aho dia aleoko aza ny toy azy ireo mitety trano toy izay mivazavaza eran'io amin'ny mikro dia manimba tanteraka ny tontolon'ny fahanginana izay katsahan'ny be sy ny maro. Asa anefa!

33. xxx ( 21/10/2009 14:27)
ikaretsaka:

indraindray zareo ireny ry soanja tsy mety miala fotsiny @ "tsia fa misaotra betsaka" an...
de na ny tena tsy ho sorena sy ho tezitra aza

Je confirme
34. soanja ( 21/10/2009 15:05)
xxx:

ikaretsaka:

indraindray zareo ireny ry soanja tsy mety miala fotsiny @ "tsia fa misaotra betsaka" an...
de na ny tena tsy ho sorena sy ho tezitra aza

Je confirme

Amiko safidinao no te hosorena sy tezitra amin'izany. Any aminao ny family ny fiainanao. Nahoana no avelanao lalaovin'olon-kafa ny family? izay no tiako ambara.

35. mignone ( 21/10/2009 17:42)
za koa efa tratranio ry welie fa tsy gasy ry zareo , nataoko oé tsy manampotoana za dia ni insiste mbola niverina ... dia tsy vohaiko tsotrizao ny trano ary nataoko fantany fa misy olona ao antrano , mandefa mozika sns...
36. soanja ( 22/10/2009 01:33)
mignone:

za koa efa tratranio ry welie fa tsy gasy ry zareo , nataoko oé tsy manampotoana za dia ni insiste mbola niverina ... dia tsy vohaiko tsotrizao ny trano ary nataoko fantany fa misy olona ao antrano , mandefa mozika sns...

Mety ny anao. Tsy hoe tsy fanajana akory ny tsy hamoahana azy trano, satria efa nisy ny tsy fifanajana ny hafa dia fomba hafa indray hanajana azy ary aoka lalanava ao anaty fo tony sy ampitiavana.

37. fijo ( 17/12/2009 22:01)
hiantsoy polisy fa tsy miverina eo intsony ireo
38. xxx ( 11/01/2010 23:16)
Tsy ny gasy irery ry reto no manao an'io fa efa politikan'i Témoins eran-tany mihintsy io mi harceler olona io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1637