Leo be an'ireo gasy

1. welie ( 16/10/2009 10:50)
Manao ahona daholo isika rehetra,

asa ry reto ianareo na ahona na ahona fa izaho dia tena leo be an'ireo gasy témoins de Jehovah izay mandona isam-baravarana rehefa hitany fa misy gasy mipetraka ilay trano.
Fara faha ratsiny dia indray isan-kerin'andro dia mi-sonner ato an-tranoko foana ry zareo ary olona samy hafa isaky ny mihetsika.
T@ voalohany dia mba nilaza azy ireo tsotra aho hoe tsy afaka ny handray azy dia bien sûr fa milaza izy hoe @ manaraka ary e!
Dia avy eo dia tonga indray olona hafa dia lasa leo be aho... :x

Toy izao ny zava-mitranga ohatra refa tonga zareo:

misy mi-sonner @15h izay ora fanaovan'ny papozy sieste tsara iny d lasa mitsikilo aloha hoe iza d kay ry zareo d tsy hamoha nefa henony hoe misy olona d avy izy d manao hoe "manaona enao o" @ varavarana mihidy... lolll...
Vohaina ny varavarana:

Zareo: "manaona enao, i X no anarako, ary izy no Y. Manokana fotoana ho an'ny gasy zahay hiresadresaka " pfff...
Izaho: Miala-tsiny fa tsy afaka ny handray anareo aho.
Zareo: fotoana vitsy monja no angathinay aminao anie.
Izaho: Tsy afaka ny handray anareo aho fa be atao.
Zareo: raha izany d afaka mifanome rdv d @ zay mety (sad mamoaka ny agenda-ny izy @ zany)
Izaho: Non, tsy hanam-potoana mihitsy aho na anio na @ manaraka.
Zareo: Hay, ary mba misy zavatra kely ary ito omenay ho anao! (sady mamoha ny poketrany izy)
Izaho: Misaotra betsaka fa tsy mi-intéresser ahy. veloma!
Zareo: zavatra tsy vidim-bola anie no omena anao ka!
Izaho: veloma ianareo!
Zareo: @manaraka ve afaka miverina izahay?
Izaho: .... grrr... avy d nidiako ny varavarana.... :^)

@ maha gasy azy ngamba no mba namoahana varavarana fa sinon d ngamba hosoratana mihitsy ny varavarana hoe "tsy misy fotoana hiresadresahana @ gasy"... lolllllllllllllllllllll.... tsss....
novalian'i xxx ny 11/01/2010 23:16
2. welie ( 16/10/2009 10:52)
tena tsy voasoratra daholo ilay looha-teny fa hoe "leo be an'ireo gasy témoins de Jehovah mandona isam-baravarana"... hihi.. tsy leo gasy tsotra ka!!!! lollll...
3. ni81 ( 16/10/2009 11:12)
@ maha gasy azy ngamba no mba namoahana varavarana fa sinon d ngamba hosoratana mihitsy ny varavarana hoe "tsy misy fotoana hiresadresahana @ gasy"... lolllllllllllllllllllll.... tsss....
:lol: :lol:
4. ikaretsaka ( 16/10/2009 12:09)
ka le olona nandondona koa aza tsy nilaza ny tena tena antondia fa "resadresaka samy gasy" no mody haroso.... nefa...
rehefa ohatran ireny arosoy ny pi sns...
gasy samy an-tanin'olona mifankahita letyia a
5. fidinirina ( 16/10/2009 12:48)
Vahaolana iray azoko atoro anao ity. Vakio fa aza matahotra ary misy toro-làlana ao hamalianao ireny olona ireny :
http://www.info-sectes.org
6. Veloo ( 16/10/2009 13:06)
1. Mpandefa : welie [ Valio ] 16-10-2009 12:52:06
Lohateny : Re : Leo be an'ireo gasy
tena tsy voasoratra daholo ilay looha-teny fa hoe "leo be an'ireo gasy témoins de Jehovah mandona isam-baravarana"... hihi.. tsy leo gasy tsotra ka!!!! lollll...


saika hiteny aho nahita an'ilay titre eo fa ahona ndray izany tsy tia gasy izany? hihihihih
7. simplex ( 16/10/2009 13:57)

ny anah rehefa otran'ireny dia raisiko soa aman-tsara mintsy fa refa manomboka ny blabla any izy dia avy koa ah mametraka ny ecouteur-ko :lol:
hendry tsara @ zay ;-)

^:^
8. ikaretsaka ( 16/10/2009 14:12)
le sasinteny fampidirana hoe "hanao valandresaka samby gasy" no tsy mety azoko amin'ilay izy ity ka daaaa
mampaninona zao raha miteny mitsotra ( fa tsy miolakolaka) hoe "Temoins anay de mba saika hizara ny finoanay aminareo , sy handresy lahatra anareo raha poinssa"
sa tsy tafa ? :�)
9. xxx ( 16/10/2009 15:02)
Tokony hisy tokoa ny fifanajana aloha eo amin'ny mpino e! Raha tonga ny témoin gasy dia tokony hahafantatra fa tsy izy irery ihany no nandinika ny Soratra fa ny gasy kely koa mety mamaky Baiboly tsy misy mpampianatra afa-tsy Jesosy irery ihany.
Raha nandinika lalina aho dia zary ireo fomba fanao atoron'ny hafa amin'ny fandinihana ny Soratra Masina no mibaiko ny ao an-tsain'ny tsirairay avy ka zary lasa misy rindrim-by raha vao tsy mitovy amin'ilay fomba fijerin'iny mpitarika iny ny fijerin'ny mpampianatra hafa. Aoka angamba ilazana ireny olona ireny hoe : Tompo Iray ihany va no entinao mampianatra eto sa lovan-tsofina avy amin-dRanona?
Ny tena mahazendana aloha dia misy zavatra tsotra dia tsotra dia ahafahana mahafantatra ny zavatra tian'ny Tompo hampitaina, nefa zary lasa be loatra ny teny izay hanazavan'ny tsirairay azy ka very an-javony ery ny vontoatin-kevitra tsotra sy mazava entin'Ilay Mazava.
10. endrika01 ( 16/10/2009 17:03)
Raha misy namana temoin de Jehovah ,mitsidika ty dinika ty,de mba azony hazavaina ve we fa maninona kay zareo no tsy mifidy filoham-pirenena( zany we refa misy fifidianana) sendra tafaresaka kely fotsiny tamina-namana temoin mantsy zah,de tsy tapitra akory ny fanontaniako,de tafa-saraka zahay de zah tsy nitady azy hanohy le resaka,na atao we,namako aza izy ( Catholique nivadika temoin ,de na aty ampitan-dranomasina aty aza,de misy tera-tany vahiny tonga de mandray azy @maha temoin azy, de raha makany Amerika,na eranizao tontolo zao wé zareo,tonga d mitohy fonafona,le fampianarana....)
11. niryna ( 17/10/2009 04:19)
endrika01:

Raha misy namana temoin de Jehovah ,mitsidika ty dinika ty,de mba azony hazavaina ve we fa maninona kay zareo no tsy mifidy filoham-pirenena( zany we refa misy fifidianana) sendra tafaresaka kely fotsiny tamina-namana temoin mantsy zah,de tsy tapitra akory ny fanontaniako,de tafa-saraka zahay de zah tsy nitady azy hanohy le resaka,na atao we,namako aza izy ( Catholique nivadika temoin ,de na aty ampitan-dranomasina aty aza,de misy tera-tany vahiny tonga de mandray azy @maha temoin azy, de raha makany Amerika,na eranizao tontolo zao wé zareo,tonga d mitohy fonafona,le fampianarana....)

endrika .manao ahoana indry
feno azy eran-tany,fa ny manahirana azy dia milaza izy fa tsy maintsy mitory teny indray mandeha isan-taona ny olona iray,milaza koa ry zareo fa ry zareo ihany no voavonjy amin'ilay baiboly nilaza ny 12 tribes an'israely dia lazainy fa hoe izy ireo 12X12,000 ireo.dia milaza koa ry zareo fa raha tsy temoin dia tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra.Tsy manome ra izy fa avelany ho faty mitsitra eo ny havanao,tsy mandeha miady izy na manao miaramila,tsy mino an'i kristy ho Atra izy fa mino azy ho zanak'Atra ,tsy mino ny paradisa koa ry zareo fa ety an-tany hono no paradisa.Ny zava-doza dia ovainy ny baiboly ary raha be kizitina izy ka tsy mety miala dia sokafy ny baibolinareo ary asehoy azy ny Jaona 1 1-4 fa nasoriny ny tenin'Atra milaza an'i kristy ho ATra ao.
Tsy mankalaza ny anniversaire koa izy ary marina fa tsy teraka tamin'ny krismasy i kristy fa tsy mankalaza ny krismasy koa izy.
Mahay tenin'Atra be ry zareo ary be olona ambony ao aminy ,misy trano ngezabe any amerika Wachtower no anarany,ngezabe izany ary manankarena tokoa ry zareo,mody hoe omena fotsiny izy ireny fa ataony izay ahatafidiranao ao,tsy miresaka an'i kristy mihitsy izy fa any ivelan'ilay tract kely dia maka andininy kely ao amin'ny testamenta vaovao izy.Tsy maharesy dohika azy ny olona rehefa mitoriteny izy fa raha vao resahina io Jaona 1 1-4 io ry zareo dia lasa mitsoaka.
Izay rehetra mino fa kristy dia Atra no kristiana fa izay rehetra tsy mino fa Atra izy dia mitovy ny rehetra ihany.Anjarantsika no mieritreritra raha andray azy na andaha fa raha manoro voana kosa inona na ampidirana azy an-trano?
Tsy manao politika ry zareo ary tsy mety mandeha any amin'ny miaramila ihany koa
Tsy miangona koa ry zareo fa mivory amin'ny toerana iray fotsiny fa araka ny teneniko dia efa mianaka erak'izao tontolo izao ry zareo.
miambena ary ,fantaro ny fahamarinana fa aza mino ny fanahy rehetra


:-*
12. ikaretsaka ( 17/10/2009 11:32)
ETO no resaka r'ianona a
13. welie ( 17/10/2009 13:36)
fidinirina> ie, misaotra @ilay lien nomenao io.

Ikaretsaka> Jamais ry zareo mbola niteny na indray aza hoe Témoins ry zareo fa ny taratasy arotsany ao @ boîte aux lettres rehefa tsy manaiky mandray ilay taratasiny aho no misy soratra kely hoe "témoins de Jehovah"...
Mandreraka be tsss...

14. ikaretsaka ( 17/10/2009 16:03)
Fa izay hoa no tsary mety azoko.... maninona ry zalahy no tsy sahy miteny mivantana hoe izy fa afeniny be any le identit raha tsy jerena be... Fa mody hoe samy gasy sy zavatra sahalasaham zay no itarihandresaka

Ohatra zao hoe za katolika de raha te hiresaka fivavahana aminao za de lazaiko na ataoko hita taratra @ firesako hoe katolika zahako fa ny an jareo efa tafalentika be vo manontany ianao de mihazohazo aloha vao manambara
15. majesty ( 19/10/2009 10:25)
matetika aho no mandray an-dry zareo rehefa tonga ao an-trano izy fa ny zavatra tsikaritro dia rehefa mampianatra ry zareo ,dia miala any koa aho mampianatra dia avy eo rehefa tsy mahita avaly intsony ry zareo dia mangata-dalana fa mbola hiverina hono @ manaraka kanefa tsy hita ntsony izy mandrak'ity ny androany :)
Fa za kosa aloha mandray an-ndry zareo foana e,
16. ikaretsaka ( 19/10/2009 12:45)
ka io le hoe mila "maka sopapa ry zareo" fa tsy mahavaly zavatra hafa ankoatran'ny tsimpona nataony tsianjery...
17. niryna ( 19/10/2009 15:48)
majesty:

matetika aho no mandray an-dry zareo rehefa tonga ao an-trano izy fa ny zavatra tsikaritro dia rehefa mampianatra ry zareo ,dia miala any koa aho mampianatra dia avy eo rehefa tsy mahita avaly intsony ry zareo dia mangata-dalana fa mbola hiverina hono @ manaraka kanefa tsy hita ntsony izy mandrak'ity ny androany :)
Fa za kosa aloha mandray an-ndry zareo foana e,



=D> =D> izay indrindra,azavaina azy ny fahamarinana izay mba noratovina fa maro no tsy mahalala ilay izy ,rehefa miala moramora eo izy dia mety andalina ny tenin'i majesty eo ihany koa ,iza no mahalala fa mety ho majesty no nanafaka azy tamin'ny tsy fahalalana ary nomen'Atra hery ampianatra azy ny fahamarinana :arrow: ny marina mandratra fa izay mandray sy mihaino ary mampiasa izany no ahazo fifaliana sy fahasoavana
18. ikaretsaka ( 19/10/2009 15:58)
Farito aloha ny hoe "fahamarinana" vazavazainao eto....
19. niryna ( 19/10/2009 16:15)
ikaretsaka:

Farito aloha ny hoe "fahamarinana" vazavazainao eto....

aleo adinoko kely amin'ny katesizy hianao,raha misy mpampianatra anao ka milaza hoe Atra dia fahamarinana inona no eritreretinao ho hevitr'izany e ?
lazao ahy araka ny eritreritrao ilay izy dia lazaiko avy eo ny fahamarinana tiako tenenina eto

:D
20. bobone ( 20/10/2009 07:39)
Niryna: tsy JESO KRISTY ve no lalana sy Fahamarinana e!
fa izao nitory teny tao aminay ireny témoin de Jehovah ireny dia nandeha tsara ny resaka dia hoy i Papanay ! mandehana any Ambanivohitra tsy mahalala na inona na inona any ianareo mitory! fa zahay efa mahalala izay lazainareo sady efa marim-pototra @ FIangonananay zahay !!! izahay moa mbola kely t@ izay dia tadidiko tsara mihitsy io teniny io ary tsy niverina intsony ilay témoin de Jehovah!! ny hay teniko dia izao e! na inona Finoana misy anao ! na katolika na aglikana na inona dia izao tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao!!! tsy tian'Atra ny Miovaova finoana ! hafa ny hoe vehivavy nanambady katolika na finoana hafa noho ny azy !

Nisy namako izay koa chef de cÅ“ur -nay io ary mampianatra hira mafana fo be izay ! na chorale na fiangonana na aiza dia mampianatra hira io lahilahy io ! asa anefa izay nahazo azy fa nitorian'ireo témoins izy dia lasa nivadika nivavaka tany ! nifankahita zahay mianadahy dia nolazainy zaho hoe aza mivavaka @ io fiangonanareo io fa tsy hahazo ny lanitra ianao ! very fotoana fotsiny ! aty aminay no tena misy ny fiainana sy fiadanana! miala tao haingana ! dia gaga be zaho sady nangoraka be ny foko nahita azy manery ahy hiala @ finoaka , novaliako tsotra hoe ! eeeee!! tano mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao!!! tsy nahateny izy na kely aza!! tsarovy hoy zaho fa tsy mijery Fiangonana Atra fa mijery ilay Fokelinao ao ! tena ao anatinao ve Jeso! tena baikon'i Jeso ve ny fiainanao sa mandeha @ sinao be sy ny fahaizanao sy ny fahalalanao fotsiny enao ! tsarovy tsara fa na inona zavatra hataonao eto an-tany dia mbola ho tsaraina ianao ! koa dieny mbola tsy tonga ny fotoana andehananao ho vovoka dia hapetrao tsara @ toerana maha izy azy ao anatin'ny fonao JESO hanampaka ny fiainanao manontolo!!! ny feony no henoina fa tsy ny feon'izao tontolo izao , izay matetika misarika hanao @ lavaka tsy hita fiafarany!!!!
hatramin'izao tsy nahasaky nifanena tamiko intsony izy ary tsy namerina io teny io hoe tsy voavonjy anie enao e! maty antoka ianao mivavaka ao snsn!
hoy ny Tenin'ny tOMPO hoe IANAREO MIHEVITRA FA MIJORO TSARA TANDREMO SAO HO LAVO
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1196