Aiza ilay finoana??

1. fetrakens ( 16/10/2009 06:17)
Teto dago no niseho ity tantara ity: "Andeha haka fahefana ireto olona maro be, natao avokoa ny fomba rehetra, nadeha avokoa ny karazan-kira: fifohazana sy zafindraony isan-karazany (iny lalàna iny...)sns...", tampoka avy eo nirefotra ny basy sy grenade, nivadika ompa sy tenin-dratsy tsy fampiseho masoandro ilay hira!! Aiza ilay finoana e!??? :?:
2. ni81 ( 16/10/2009 06:30)
Teto dago no niseho ity tantara ity: "Andeha haka fahefana ireto olona maro be, natao avokoa ny fomba rehetra, nadeha avokoa ny karazan-kira: fifohazana sy zafindraony isan-karazany (iny lalàna iny...)sns...", tampoka avy eo nirefotra ny basy sy grenade, nivadika ompa sy tenin-dratsy tsy fampiseho masoandro ilay hira!! Aiza ilay finoana e!???
ka mety ho eo imolotra fotsiny ange ilay an'ny sasany tao e!
3. bichette ( 16/10/2009 07:25)
aza adino fa olombelona daholo ary tsy misy tanteraka anie ny olona e ! ;-)
4. ravonjison ( 16/10/2009 08:12)
fetrakens:

Teto dago no niseho ity tantara ity: "Andeha haka fahefana ireto olona maro be, natao avokoa ny fomba rehetra, nadeha avokoa ny karazan-kira: fifohazana sy zafindraony isan-karazany (iny lalàna iny...)sns...", tampoka avy eo nirefotra ny basy sy grenade, nivadika ompa sy tenin-dratsy tsy fampiseho masoandro ilay hira!! Aiza ilay finoana e!??? :?:

Mahafinaritra dia mahafinaritra ahy ilay tantaranao!!!!
5. xxx ( 16/10/2009 09:54)
Nadeha naka fitondrana @HIRAMPIVAVAHANA dia avy eo alefa le MPIANDRY aza hadino i RA8 no natao copie conforme @io ,dia avy eo ny tsy nampitovy azy @ RA8 lany DIA NAHAZO fitondrana fa ireto DEVOLY HAT NAHITA TETIKA MALOTO ,NANAKARAMA MIARAMILA refa hitany fa tsy ho azo le fitondrana dia avy eo notrongisina ny vavahadin'AMBOHITSOROHITRA dia TONGA A@NY FITONDRANA NAGALARINA REFA avy nagalatra !dIA LE MPIANDRY NALAINA KOA OLONA NOTSIPONINA tetsy sy eroa!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

Efa miseho MIHARIHARY be eto AMINTSIKA NY DEVOLY KA dia HATAO MAFY NY VAVAKA handresena ireo DEVOLY IREO ,fa tsy misy zavatra tsy hain'ANDRIAMANITRA dia any sisa no hametrahana fahatokisana.

iZAO ETO MCAR izao no ENDRIKY SATANA MIBARIBARY!!!
6. ikaretsaka ( 16/10/2009 12:12)
ka io tsy misy hafa @ le hoe asiana fotoam-pivavahana hono le meeting... avy eo mi traiter ilay adversan'ny tena tahakan'ny fakofakon'olona ...
asa nankaia angaha le fivavahana teo... "tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay"
7. niryna ( 17/10/2009 04:24)
xxx:

Nadeha naka fitondrana @HIRAMPIVAVAHANA dia avy eo alefa le MPIANDRY aza hadino i RA8 no natao copie conforme @io ,dia avy eo ny tsy nampitovy azy @ RA8 lany DIA NAHAZO fitondrana fa ireto DEVOLY HAT NAHITA TETIKA MALOTO ,NANAKARAMA MIARAMILA refa hitany fa tsy ho azo le fitondrana dia avy eo notrongisina ny vavahadin'AMBOHITSOROHITRA dia TONGA A@NY FITONDRANA NAGALARINA REFA avy nagalatra !dIA LE MPIANDRY NALAINA KOA OLONA NOTSIPONINA tetsy sy eroa!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

Efa miseho MIHARIHARY be eto AMINTSIKA NY DEVOLY KA dia HATAO MAFY NY VAVAKA handresena ireo DEVOLY IREO ,fa tsy misy zavatra tsy hain'ANDRIAMANITRA dia any sisa no hametrahana fahatokisana.

iZAO ETO MCAR izao no ENDRIKY SATANA MIBARIBARY!!!

:roll: izay ilay hoe tazomy mafy ny finoantsika
santionany fotsiny ireo fa maro ny olona no sady mino an'Atra no mino ny fanahy efa maty ,no mino fa mitahy ireny maty ireny no miampy ny fanambadiana maro sy ny dada rabe ny fanompoantsampy ary ny fijerena ny ho avy.Efa voalazan'ny baiboly izany fa hisy ampianatra diso ka mitandrema isika tsy ho voafitaka.Mivavaha koa ho azy ireny fa mbola ao anatin'ny maizina tanteraka izy ka tsy fantany izay lalankombany :cry: :cry:
8. xxx ( 17/10/2009 06:13)
Mila fantarina aloha ny zava-drehetra vao afaka isika hiteny hoe aiza no aleha ary inona ny Finoana?

Ireo voalazan'i niryna rehetra ireo ohatra dia zavatra misy sy palpable eo amin'ireo olona izay sendra azy. Rehefa ao anatiny izy dia mahita tsara hoe mitana ny teniny ve ilay razana niresahany sa tsia? Aleo angaha ireo olona mpimasy sy ombiasy ary mpisikidy nampahafantarin'i Jesoa ny Tenany no hanao témoignage amin"izany (Nenilava ohatra, na Neny Ravelonjanahary ho an'ny gasy, satria misy koa ireo vazaha maro be mpanao spiritisme no mahalala fa mamaly azy ny razany sy ny fanahy avy any amin'ny planeta isankarazany, dia rehefa midona amin'i Jesoa izy dia izay vao miaiky fa hay tsy izy ilay nanome azy pouvoir magique).
Ny fivavahana koa dia aoka ho fantantsika fa ny vazaha no nampita azy teto amintsika miaraka amin'ny fombafomba izay noheveriny fa nahafahany nitombo tao amin'ny Tompo.
Tsara raha manao dia mihanotra kely isika aloha hoe inona no nitranga teto amin'ity tanintsika ity talohan'ny nahatongavan'ny Tenin'Andriamanitra dia mety hanasitrana antsika kokoa sy hananantsika finoana bebe kokoa izany.
Ny Malagasy dia efa nanana fivavahana tandra vadin-koditra taminy. Ny Merina ohatra dia rehefa manao trano dia manangana ny vato fehizoro eo avaratra atsinanana aloha vao mamita ny ambiny rehetra. Io ilay zoro firarazana na zoro itodihana raha hivavaka. Ny mpanasina dia manangana vatolahy hihaonan'ny rehetra ho amin'ny fanamasinana. Ny ambaratongam-pahamasinana teo amin'ny Malagasy dia notoavina tokoa. Ny zava-drehetra mitondra any amin'io fahamasinana io dia nekeny avokoa na iza na iza no nitondra azy teo aminy.
Izay indrindra no nahamora azony ny Baiboly sy izay voalaza tao anatiny ka nahatonga ny voaloham-bokatra Kristiana ho faty maritiora.
Raha tena gasy isika dia tsy hatahotra izany hoe fahafatesan'ny nofo izany satria efa mahalala fa velona ny fanahy ary tsy mety maty.
Ny lalana entin'ny Malagasy mitady an'Andriamanitra dia io fitodihana mankany amin'ny loharano nipoirana io hatrany. Fitadiavana ny fitohizan'ny fiainan'ny fanahy. Hany ka tsy sarotra taminy ny nandray ny fivavahana rehetra izay mtodika amin'ny firesahana amin'ny fanahy indrindra fa ny fikatsahana ny FANAHY AMBONY INDRINDRA. Zary fifaninana no nisy teto amintsika ka izany indrindra no nisian'ny ady varatra sy ny démonstration de forces rehetra, ka niteraka fifaminganana satria samy manao izay saim-pantany sy te-hanjaka avy izy rehetra. Dia mivaly eo amin'ny karazam-piangonana ankehitriny koa izany ka zary ilay fonon'ny Fiangonana (fombafomba fanao) no tohantohanana tsy ho rava fa tsy ny Fototra dia Jesoa Vatolampy.

Ny mety dia fantarina IZY dia miara-mibanjina AZY dia miara-mampandroso Azy ao anatin'ny tsirairay avy dia ny Fanahiny Masina izany mba ho tena iray Aminy koa isika olona noforoniny toy ny endriny.

Rehefa tonga amin'izay tanjona izay isika dia mitombina ny finoantsika. Dia mazava ny saina dia tsy miady manao politika maloto ary tsy manaiky ataon'i Satana fitaovana intsony fa mandeha am-pahatsorana sy hentitra.
9. niryna ( 19/10/2009 16:03)

:D
10. soanja ( 20/10/2009 09:19)
fetrakens:

Teto dago no niseho ity tantara ity: "Andeha haka fahefana ireto olona maro be, natao avokoa ny fomba rehetra, nadeha avokoa ny karazan-kira: fifohazana sy zafindraony isan-karazany (iny lalàna iny...)sns...", tampoka avy eo nirefotra ny basy sy grenade, nivadika ompa sy tenin-dratsy tsy fampiseho masoandro ilay hira!! Aiza ilay finoana e!??? :?:

Ny finoana koa anefa amiko dia tsy tokony hampifangidorana amin'ny politika sy ny fakana fahefana eto an-tany. Ny fahefana eto an-tany dia hisy lalandava fidiran'ny herisetra. Raha tsy mbola vonona hisaina izany ny Mpino dia mbola lavitra ny lalany.
Ny manao ny asan'Andriamanitra dia miaina ao anatin'ny fitaritan'ny fanahy lalandava. Zavatra tsy hitondra amin'ny herisetra na fitakiana lavareny.

11. ikaretsaka ( 20/10/2009 12:37)
Ny fahefana eto an-tany dia hisy lalandava fidiran'ny herisetra.

namaste
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.8942