Ny olona marina @ finoana...

21. ikaretsaka ( 15/10/2009 14:31)
prime, ilaina ampatsiahivina satria a indraindray toa betsaka ny manadino ny maha important an le "lahasa" normal fa laozany (na heveriny fa) manao "boloky baiboly" fotsiny de mitory teny hono no hoe "asa rehefa mino".. ny tokatrano mihahaka , ny ankohonana tsy voaraka .. ny maha olona adino tanteraka...
22. niryna ( 15/10/2009 20:17)
fidinirina:

Ny olona manam-pinoana mino an’i Jesoa Kristy dia :

Sahy manaiky sy manatanteraka ny tenin’Andriamanitra
Manana hery andresena ny asan’ny ratsy
Miasa ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra
Mijoro vavolombelona
Marina amin’ny finoany



misaotra fidy a,tsy ratsy ilay hoe manana hery andresena ny ratsy


=D>
23. ikaretsaka ( 15/10/2009 20:33)
aza ferana eo @ teniny fotriny madama aaa
24. majesty ( 16/10/2009 04:40)
masiatsiaka mintsy ange ra ika zany tato ho ato e ;)
25. ni81 ( 16/10/2009 05:53)
masiatsiaka mintsy ange ra ika zany tato ho ato e
:lol: :lol:
26. fahamarinana ( 16/10/2009 06:02)
ikaretsaka:

prime, ilaina ampatsiahivina satria a indraindray toa betsaka ny manadino ny maha important an le "lahasa" normal fa laozany (na heveriny fa) manao "boloky baiboly" fotsiny de mitory teny hono no hoe "asa rehefa mino".. ny tokatrano mihahaka , ny ankohonana tsy voaraka .. ny maha olona adino tanteraka...

:arrow: ikaretsaka : Ka tsy misy manakana anao tsy hampahatsishy anie tahaka ny hafa mampatsiahy ny azy koa e (amin'ny alalan'ny Teny Soratra Masina anaty Baiboly )!Fa tsy voatery hifanohitra ireo fa mifameno tokoa araka ny lazainy prime sy efa namafisiko sy namafisin'ny maro teo aloha sy tany anaty dinika any ! Fa rehefa tsy milaza tahaka anao( tsy tia tsimpona )ny hafa ve dia voatery hifanohitra ny voalaza ? Asa nefa!
fidinirina :mankasitraka be r'ise fa tena mazava ilay teny nentinao ! :D (l)
27. fidinirina ( 16/10/2009 08:28)
ikaretsaka:
diso ... tsisy vehicule mitondra tena izany.... ny olona =marchandise ny anarany na hoe chargement... jesia chemin! ....

an an an ka! Ny kristiana tsy mitondra ny tenany izany fa i Jesoa no mitondra azy. Fa kristy no velona ao anaty (Kristiana=manana an'i kristy velona ao anatiny), nandalo ny fahateraham-baovao ary izay sitrapony no atao.
Na i jesoa kristy aza niteny fa tsy ny sitrapony akory no nataony fa ny sitrapon'ny Ray izay naniraka Azy. Toy izany koa ny kristiana.

Tsy misy kristianina marchandise izany ary chargement an'iza izy. Sa heverinao hoe izay tian'i Jesoa entina ihany no entiny (tsia, ny famonjena ho an'ny olombelona rehetra). Na koa toy ny entana amidy @ devoly ka izay tian'ny devoly ho vidiana dia omena azy. Tsy izany ny famonjena sy ny finoana kristiana. Ny olona rehetra no "véhicule" mila mpitondra @ fiainany. Mampalahelo fa misy tokoa ny hoentin'ny devoly na zavatra hafa, fa misy ary tena misy ny entin'i Jesoa kristy ny fiainany.
Nitondra ny tenany ve i Abrahama, Mosesy, Joba, Petera, Paoly... ?
28. ikaretsaka ( 16/10/2009 11:58)
majesty:

masiatsiaka mintsy ange ra ika zany tato ho ato e ;)

Ka nareo sarotra lazain-javatra tsotra sy mazava ko dia ilaina tsindromina kely @ le marina tsy filaza na tsary sahinareo ambara... nefa ataonareo.
Mety par humour sy pince sans rire io
Mety masika ho an'ny mora tohina
Mety mahatezitra ny borne sy ny coince
Fa amiko raha izay no hilentehan'ny hevitra kokoa (na tsy @ le olona asiako mivantana aza fa ireo mamaky azy)..dia tafa....

29. xxx ( 16/10/2009 14:23)
Ny mahagaga hatramin'izao dia ny fahitana fa tsy mety hitovy hevitra ny Kristiana fa samy manana ny fomba fijeriny eo amin'io atao hoe "Lalana" io. Amiko ny tsara dia ny miverina mamaky ny Baiboly manontolo indray dia manitsy izay hevitra diso. Ny mahatonga ny hevitra diso manko dia ny fahitan'ny olona iray izay nahazo nefa tsy nahay nampita araka ny tokony ho izy ny tian'Ilay mpanome fahasoavana ampitainy amin'ny mpiara-belona aminy. Ohatra, ny fifankatiavana no ampitao hoy ny Tompo, dia ny mifanasa vangy amin'ny hafa indray no ataony. Marina mihitsy ny teny nolazain'i Jakoba 3 :7-8 hoe:" fa tsy misy olona mahafolaka ny lela, zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty, izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray, ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona izay natao araka ny endrik'Andriamanitra". Io Teny farany io no fototra hahafahana mahita ny Lalana sy Fahamarinana, dia ilay hoe "natao araka ny endrik'Andriamanitra". Tsy tonga teto i Jesoa raha tsy io Fahamarinana io no hotoriny mba hahatonga ny fifankatiavana, satria raha miresaka amin'ny olombelona tahaka ahy aho amin'izay, dia mahalala fa nataon'Andriamanitra nitovy endrika Aminy io manoloana ahy io. Raha mifankahita amin'ny Kristiana aho izany dia toy ny mifankahita vatana amin'i Jesoa, Andriamanitra tonga nofo, dia miezaka mampifandray ny fomba fieritreretanay ny Lalana mankany an-danitra. Hoy Paoly hoe: Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko. Dia rehefa mahita Kristiana aho dia miara-miteny aminy hoe Kristy no velona ao anatiny.

Tsara tokoa ny mifanitsy sy ny mandini-tena amin'izao fotoana izao satria tsy araka ny tokony ho izy mihitsy ny zava-misy raha vao lasa niakatra Jesoa. Fantany manko fa very ny foto-pahalalan'ny olona ny tenany noho ny fitokiany tamin'ny hafatra hafa izay nolazain'ilay menarana ela tao Edena hoe "tsy ho faty ianareo fa hitovy amin'Andriamanitra raha mihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy". Ny désir teo amin'i Eva no nahalavo azy. Teny feno contradiction io nolazain'i menarana io.

Mba hahatsotra ny logique rehetra, dia ny fitadidiana ny hafatra voalohany ihany no ahafahana miala amin'ny fitaka rehetra. Raha mamaky Baiboly sy mandinika ny zava-misy ankehitriny eo amin'ny fisainan'ny olombelona isika dia hahita fa voafehy ao avokoa ny zava-mitranga rehetra hatramin'izay ka mandrak'izao. Ny fivakisam-pisainana noho ny fanarahana feo roa samihafa no miteraka fahadisoan-dalana. Feo roa hoy aho satria ny feon'ny Tompo eo, dia eo hatrany koa ny feon'ilay manohitra Azy. Dia lasa misy ny bifurcations marobeeee, dia lasa marobeeee ny firehan-kevitra Kristiana. Dia gaga ny mpanompo an'Ikelimalaza sy Ramahavaly sy ny athée hoe nahoana àry no lazainareo fa Tompo Iray ihany no resahanareo nefa anarivony ny hevitrareo? Amin'izay indray ilaozana miady eo am-bavahady amin'izany tsy fitovian-kevitra izany dia tsy tafiditra ny Vavahady izay tokony niaraha-nizotra hidirana. Ny mpitazana moa amin'izany dia lasa tsy mahita ny rariny intsony moa ny samy mpino tsy manana assurance intsony hoe ao anaty lalana ve aho izany?

Mampalahelo ny fahitana ny olona izay ampianarina nefa tsy mahazo izay ampianarina azy. Izany no nahatonga ny Tompo nanontany an'i Petera in-telo ny fahatokisany Azy. Fantany manko fa raha vao dify Izy dia hanao indray toy ilay tsy finoana hitany tamin'ny fahatahorana ny rivo-mahery teny an-tsambokely ireo mpianany ireo.

Raha vao dify aza Izy Tompo dia efa ny fiadiana ho lohany no nataon'ny Mpianatra. Dia tsy misy valaka amin'izao zavatra mitranga ankehitriny izao amin'ireo mitompo teny fantatra amin'ny sombim-pahalalany ny Tompo izao ka sahy manambara an-kitsirano fa ny hafa dia bado avokoa fa izy irery ihany no voavonjy.

Tsara noho izany ny mandinika tsara sy mamantatra ny zavatra rehetra alohan'ny hitenenana fa marina izay sainintsika tsirairay avy. Ny tena fahendrena voalohany dia ny fanentren-tena miaiky fa tsy manana ny marina eo anoloan'Andriamanitra. Avy eo dia manovo hevitra avy Aminy hahafahana mahalala ny didy tsotra dia ny Fitiavana.

Ny olona marina amin'ny Finoana dia ny olona mikatsaka io Fahendrena Lahibe io.
30. ikaretsaka ( 16/10/2009 14:28)
namaste> izay le heo vakio fa aza tsimponina :-P
31. fidinirina ( 17/10/2009 12:30)
Misaotra an'i [xxx].
Marina tokoa ny hoe ataon'ny tsy namaky ahoana moa ny afaka hitsimpona.
32. ikaretsaka ( 17/10/2009 15:14)
fidinirina:

Misaotra an'i [xxx].
Marina tokoa ny hoe ataon'ny tsy namaky ahoana moa ny afaka hitsimpona.

Azony atao tsara mihitsy ka...manao pli vava ny "notsimponin'ny hafa"

33. rakaroka ( 19/10/2009 19:50)
Asa izay hevitrareo @ vécu-ko izao : Haiko sy tsapako tsara ny fimatimatesanareo @ Jesoa 'zao ary nobeazina t@ izany aho, fa nony lehibe aho ity, nalatsaky ny fiainana eto anivon'ny olona sambihafa firenena 'zay samby manana ny "finoany" sy ny fiheverany . Dia lazaiko "MAZAVA" ny réaction'ny maro mba noresahako mikasika izany eto : Soit "tsy mi-interesse andrizareo ny resaka izany ary tsy te handany na minitra iray @ izany izy, na
efa manana ny fiheverany koa ka tsy ilaina ampahatsiahivina izany! Ary maaaaaro no milaza fa "tsy fantatry ny milaza ho xtiana tsara akory ny Christ
arahiny na i Jesoa dradradradrainy! ary "ridicule" eo imasony ny fihetsika "fitoriana ireny! . Miandry "hetsika hafa tsy "fitoriana" araka ny "fombafomba 'zareo!..."
Izay no "FAHATSAPANA eto!" :wink:
34. bor2lais ( 20/10/2009 07:02)
Misaotra an'i xxx28 fa mazava dia mazava (amiko aloha an !) sady tsapa fa feno fahendrena tokoa ny voalaza !
35. fidinirina ( 20/10/2009 10:40)
Azony atao tsara mihitsy ka...manao pli vava ny "notsimponin'ny hafa"

Mety hitovy ihany, toa anao mitsimpona @ izay boky na fahalalàn'olombelona fa ny mahasamy hafa azy ny ahy tenin'Andriamanitra (Baiboly) foana no "source". Ary tsy manao pli-vava aho (fomba fijerinao izany fa tsy ahy). Ny ahy : resy lahatra @ tenin'Andriamanitra toa an'ireo olona nanoratra ireo koa aho ary miaina izany isan'andro isan'andro satria tena tsapako fa Marina avokoa ny zavatra voasortra. Raha tsy marina ny tenin'Andriamanitra tsy ho naharitra sy tsy niova ary mety tsy haharitra saingy hitako fa feno fahamarinana ny teny ary izany mahatonga ahy manovo (mitsimpona) ao isan'andro ahazoako fiaianana.
36. ikaretsaka ( 20/10/2009 13:17)
rakaroka:
. . .
Soit "tsy mi-interesse andrizareo ny resaka izany ary tsy te handany na minitra iray @ izany izy, na
efa manana ny fiheverany koa ka tsy ilaina ampahatsiahivina izany!

Ary maaaaaro no milaza fa "tsy fantatry ny milaza ho xtiana tsara akory ny Christ
arahiny na i Jesoa dradradradrainy!
ary "ridicule" eo imasony ny fihetsika "fitoriana ireny! . Miandry "hetsika hafa tsy "fitoriana" araka ny "fombafomba 'zareo!..."Izay no "FAHATSAPANA eto!" :wink:

Io tanteraka ny "vecu" ko koa ry rakaroka
indrindra le hoe Miandry "hetsika hafa tsy "fitoriana" araka ny "fombafomba 'zareo!.
Marihiko fa io no antony nankahalan'i Pasitera dadabeko ahy mandra -pahafatiny! io fiandrasako hetsika hafa io fa tsy ilaozana manao bolokom-baiboly fotriny
37. xxx ( 20/10/2009 15:19)
Marihiko fa io no antony nankahalan'i Pasitera dadabeko ahy mandra -pahafatiny! io fiandrasako hetsika hafa io fa tsy ilaozana manao bolokom-baiboly fotriny
38. ikaretsaka ( 20/10/2009 15:31)
Satria za nahatsapa sy anisan'ny "maaaaaaro" nilaza fa...

Ary maaaaaro no milaza fa "tsy fantatry ny milaza ho xtiana tsara akory ny Christ
arahiny na i Jesoa dradradradrainy! ary "ridicule" eo imasony ny fihetsika "fitoriana ireny! . Miandry "hetsika hafa tsy "fitoriana" araka ny "fombafomba 'zareo!..."Izay no "FAHATSAPANA eto!"


->de tsy nila blabla tsony za fa le hetsika hafa tsy fitoriana araka ny fombafomba (ilay manao bolokim-baiboly) no nimasoako... ka nahatonga ahy niova tanteraka sy lasa nankasitraka ny fitoriana araka ny ataon-dry Pedro sy ry theresa ssns...
ka nahatonga ny filozofiako hoe "any @ lahasa andavanandro ny hetsika fitoriana"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084