Ilaintsika koa ny ratsy fa tsy ny tsara avao!

1. soanja ( 13/10/2009 00:34)
Ny tsara sy ny ratsy dia mifaningotra ao anaty fiainana. Ao anaty tsara no misy ny ratsy indraindray ary ao anaty ratsy no ahitana ny tsara koa. Mifanila koa izy ireo indraindray ka tsy hita aza hoe iza no iza satria sady manangoly no manafosafo. Hoy aho zany hoe ilaiko aby izy roa ireo satria io na ahafahako miaina. Sa akory hozy nareo?




novalian'i soanja ny 22/10/2009 01:31
2. majesty ( 13/10/2009 04:28)
Inona no atao hoe tsara amin'i soanja dia inona no atao hoe ratsy ???
miankina amin'izay ny ho valiny.
3. xxx ( 13/10/2009 11:58)
Trivial be izany nenitoa soanja a, aiza no hahafantaranao fa misy ny tsara raha fantatrao ny ratsy ? Izay fotsiny ihany

4. cutie ( 13/10/2009 12:54)
tsy we ilaina ny tsara na we ilaina ny ratsy fa samy misy eo @ fiainana izy roa de anjaranao ny mampihatra azy @ ze fiainanao mahamety azy any :)
5. AndriambyII ( 13/10/2009 13:41)
Raha raisina ny natiora , dia misy fotoana mampiseho ny hatsaran' ny zava-boahary arakaraky ny vaim-potoana , ny ririnina , ny fahavaratra , ny lohataona , ny fararano.
Rehefa halalinina @ farafahakeliny koa dia hita fa ny zava-manan' aina rehetra dia manaraka cycle de désintegration continu @ fotoana hisehoany eo @ natiora .Raha vao miforona ireo zava- manan' aina dia mahafinaritra foana , rehefa mitombo ny fotoana hiainany dia mivelatra sy mibaliaka ny fisehony .
Ary rehefa tonga ny fotoana hilofisany dia miha- malazo ary mihamatroka ny fisiany , ary miafara @ fahafatesana izany.
Dia ohatr'izany koa ny olombelona ,tsy azo tsarai- ko ratsy na ho tsara ,fa arakaraky ny contenu nanomezan' ny natiora ny fisiany no mampiseho azy ny maha izy azy eo anivon' ny tontolo.
6. cutie ( 13/10/2009 13:55)
Dia ohatr'izany koa ny olombelona ,tsy azo tsarai- ko ratsy na ho tsara ,fa arakaraky ny contenu nanomezan' ny natiora ny fisiany no mampiseho azy ny maha izy azy eo anivon' ny tontolo.

miampy 1 :)
7. rijadolly ( 13/10/2009 16:26)
Misy tsy azoka tsara, hatrany amin'toetra ve izany sa hoe ferana ny zavatra mihatra ny tena...,ohatra?
8. soanja ( 13/10/2009 16:35)
majesty:

Inona no atao hoe tsara amin'i soanja dia inona no atao hoe ratsy ???
miankina amin'izay ny ho valiny.


Ny tsara amiko dia ny zavatra rehetra mifandraika amiko ka manampy ahy sy mahamety ny fahafahako mamita ny adidiko eo amin'ny fiainana ary heveriko fa ahitako vokatsoa amiko sy amin'ny manodidina ahy. Tafiditra ao anatin'io zany na ny ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy rehetra. Tsy manan-kolazaina kosa aho ho an'ireo zavatra tsy misy ifandraisana amiko nefa hitako ny fisiany eto an-tany.

Ny ratsy amiko dia ireo zavatra rehetra mifandraika amiko nefa ahitako fa tsy mitondra ahy hijery mazava ny fiainana fa zary hamily ahy amin'ny lalana heveriko fa tsy isan'ny tanjoko ary mety tokoa hanapotika ny momba ahy manontolo raha ny fahitako azy ary tsy hahatsara ny rehetra sy ny taranaka any aoriana.

Fa misy anefa " Ilay Hazo fahalalana ny tsara sy ratsy" voalaza ao anaty baiboly. Matoa misy io teny io dia misy antony tokoa ary goavana.

Hoy ny Ntaolo koa hoe " Ao anatin'ny mangidy no ahitana ny mamy." Moa va tsy fahendrena tokoa izany!


9. soanja ( 13/10/2009 16:41)
xxx:

Trivial be izany nenitoa soanja a, aiza no hahafantaranao fa misy ny tsara raha fantatrao ny ratsy ? Izay fotsiny ihany




Tsy maninona izay handrasainao azy Radadatoa fa ny hevitra dia entina etoana amiko hijerevantsika ny fiainana amin'ny lafiny rehetra.

Misy an'izay fitenenan'i Ntaolo zay hoe " Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao hokambana."

Ny tsy fahafantarana ny fiainana amin'ny 100% amintsika olombelona no ametrahana fa tsy izay heverintsika fa ratsy akory dia ratsy fa miankina amin'ny tsirairay ny faharatsiana heveriny fa mihatra aminy na hitany fa miala any ho an'ny fiainany na ny fireneny .

Amiko Andriamanitra dia tsy manana ny tsara sy ratsy fa aminy dia IRAY izao fiainana izao ary ao anatiny Izy miasa amin'ny lafiny rehetra, izay tsy mitondra afa tsy amin'ny mahasoa sy mampitony.


10. soanja ( 13/10/2009 16:44)
cutie:

tsy we ilaina ny tsara na we ilaina ny ratsy fa samy misy eo @ fiainana izy roa de anjaranao ny mampihatra azy @ ze fiainanao mahamety azy any :)


isan'ny zavatra mahaolombelona antsika " Ny Filana " io dia hita hatrany amin'ny mahatonga antsika hiodina hiasa na tsia eo amin'ny fiainana raha tsy hoe misy tsy fifandanjana ao anaty saintsika dia voatery isika ny olona no maka izany fanapahan-kevitra izany ho antsika. Io Filana io anefa dia betsaka no mihevitra na mitsara azy amin'ny lafiny hoe tsara sy ratsy. Dia eo ny resantsika aloha.


11. rakaroka ( 13/10/2009 18:08)
Fa 'zao, izay tandremana indrindra dia ny "exclusion" ateraky ny jery vilana, na fijery "reletif" ihany ! Ohatra fandre ity: "ratsy izao tontolo izao sy ny filany! :-D :-D :-D " . Anefa ilay olona manely io tena mila ary tsy azo sarahina @ ity zavatra haratsiany! :wink:
12. soanja ( 13/10/2009 19:04)
rakaroka:

Fa 'zao, izay tandremana indrindra dia ny "exclusion" ateraky ny jery vilana, na fijery "reletif" ihany ! Ohatra fandre ity: "ratsy izao tontolo izao sy ny filany! :-D :-D :-D " . Anefa ilay olona manely io tena mila ary tsy azo sarahina @ ity zavatra haratsiany! :wink:


Faheno mahazatra tokoa io ary makandrenin-tsofina indraindray. Akory atao izay aby le olombelo.


13. cutie ( 13/10/2009 22:23)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 13-10-2009 18:44:04
Lohateny : Re : Ilaintsika koa ny ratsy fa tsy ny tsara avao!
Hoy i cutie:

tsy we ilaina ny tsara na we ilaina ny ratsy fa samy misy eo @ fiainana izy roa de anjaranao ny mampihatra azy @ ze fiainanao mahamety azy any



isan'ny zavatra mahaolombelona antsika " Ny Filana " io dia hita hatrany amin'ny mahatonga antsika hiodina hiasa na tsia eo amin'ny fiainana raha tsy hoe misy tsy fifandanjana ao anaty saintsika dia voatery isika ny olona no maka izany fanapahan-kevitra izany ho antsika. Io Filana io anefa dia betsaka no mihevitra na mitsara azy amin'ny lafiny hoe tsara sy ratsy. Dia eo ny resantsika aloha

omeo ohatra fa tsy mazava :)
14. soanja ( 13/10/2009 22:24)
ok alao rahariva njay ary. Bisous
15. cutie ( 13/10/2009 22:34)
ok akia, hay ve mbola tsy ariva any e :)
16. AndriambyII ( 13/10/2009 23:07)
rijadolly:

Misy tsy azoka tsara, hatrany amin'toetra ve izany sa hoe ferana ny zavatra mihatra ny tena...,ohatra?

NY voary iray manontolo raha tsy mahadiso !

17. cutie ( 13/10/2009 23:44)
11. Mpandefa : soanja [ Valio ] 13-10-2009 21:04:55
Lohateny : Re : Ilaintsika koa ny ratsy fa tsy ny tsara avao!
Hoy i rakaroka:

Fa 'zao, izay tandremana indrindra dia ny "exclusion" ateraky ny jery vilana, na fijery "reletif" ihany ! Ohatra fandre ity: "ratsy izao tontolo izao sy ny filany! " . Anefa ilay olona manely io tena mila ary tsy azo sarahina @ ity zavatra haratsiany!



Faheno mahazatra tokoa io ary makandrenin-tsofina indraindray. Akory atao izay aby le olombelo.

nga koa moa ny olombelona afa-misaraka @ zao tontolo zao raha mbola velona e lol
18. soanja ( 14/10/2009 04:27)
cutie:

Mpandefa : soanja [ Valio ] 13-10-2009 18:44:04
Lohateny : Re : Ilaintsika koa ny ratsy fa tsy ny tsara avao!
Hoy i cutie:

tsy we ilaina ny tsara na we ilaina ny ratsy fa samy misy eo @ fiainana izy roa de anjaranao ny mampihatra azy @ ze fiainanao mahamety azy any



isan'ny zavatra mahaolombelona antsika " Ny Filana " io dia hita hatrany amin'ny mahatonga antsika hiodina hiasa na tsia eo amin'ny fiainana raha tsy hoe misy tsy fifandanjana ao anaty saintsika dia voatery isika ny olona no maka izany fanapahan-kevitra izany ho antsika. Io Filana io anefa dia betsaka no mihevitra na mitsara azy amin'ny lafiny hoe tsara sy ratsy. Dia eo ny resantsika aloha

omeo ohatra fa tsy mazava :)


Raisiko izao ny ohatra hoe " ny filana ara-bola" izay iatrehantsika olombelona amin'izao fotoana izao. Be ny hilaza fa ratsy ny vola noho ny antony maro samihafa ary ao koa ny hiteny fa tsara ny vola. Ny zavamisy anefa dia tsy afa-miala isika raha momban'ny vola fa tsy maintsy hiodina amin'ny alalan'io ny fiainantsika. Ao anatin'io firiariavana amin'ny vola io na manana azy ianao na tsy manana dia ahitanao avokoa fahamamiana sy fangirifiriana izany. Ka io dia miankina amin'ny tsirairay ny fahatsapana izany. Misy ny filana ny vola noho ny ara-batana , ao ny ara-tsaina ary ao ny ara-panahy. Hatraiza no ahitantsika fa tsara ny fananana azy ary hatraiza ny maharatsy ny fananana azy sy ny tsy fananana azy?

Ny saina izany amiko no hanome io fijery mifandanja io hoe n'inona n'inona zavamitranga dia ny filana an-dravola dia tsy maintsy hisy ary ny tsara sy ny ratsy mifangia no manome ahy torolalana ny tokony arahiko sy ny iantefako. Raha tsy fantatro ny fahalemeko eo anatrehan'ny vola dia tsy afaka hahafantatra aho, izay mahasoa, hoe hatraiza ny fahafahako mampiasa azy amin'ny lafiny hampitombo saina sy fahendrena ahy. Io dia adiny samy olombelona isanisany fa tsy afaka atao mbambaray na lasitra iray ary izay no ijerena hoe aiza ny tsara ary aiza ny ratsy aminao ary ahoana ny handanjalanjanao izany ho hery mampiodina ny fiainanao amin'izay imatimatesanao.

19. soanja ( 14/10/2009 04:30)
AndriambyII:

Raha raisina ny natiora , dia misy fotoana mampiseho ny hatsaran' ny zava-boahary arakaraky ny vaim-potoana , ny ririnina , ny fahavaratra , ny lohataona , ny fararano.
Rehefa halalinina @ farafahakeliny koa dia hita fa ny zava-manan' aina rehetra dia manaraka cycle de désintegration continu @ fotoana hisehoany eo @ natiora .Raha vao miforona ireo zava- manan' aina dia mahafinaritra foana , rehefa mitombo ny fotoana hiainany dia mivelatra sy mibaliaka ny fisehony .
Ary rehefa tonga ny fotoana hilofisany dia miha- malazo ary mihamatroka ny fisiany , ary miafara @ fahafatesana izany.
Dia ohatr'izany koa ny olombelona ,tsy azo tsarai- ko ratsy na ho tsara ,fa arakaraky ny contenu nanomezan' ny natiora ny fisiany no mampiseho azy ny maha izy azy eo anivon' ny tontolo.


Marina tanteraka izany. Amin'ny mahaolombelona isan'ny natiora antsika dia miodina tahak'io ny fiainantsika ary tsy azo lazaina hoe tsara sy ratsy fa izay ny momba antsika.



20. soanja ( 14/10/2009 04:32)
rijadolly:

Misy tsy azoka tsara, hatrany amin'toetra ve izany sa hoe ferana ny zavatra mihatra ny tena...,ohatra?


Efa novaliako etsy ambony izany fa raha mbola tsy mazava dia afaka alaliniko hatrany ny lohahevitra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0548