ody havandra ... vavaka

41. ikaretsaka ( 13/10/2009 11:14)
Tsary haiko rakapy ry soanja f'aleoko ahako mijanona ho mpitsoka ovin'i Bira ihany fa tao ro nahabotrabotra rika a
Na toerana "nifohazana". Sy nivelarana teo @ ara panahy sy saina aza ny fiainana tany @ tany hefitr'ihorombe
42. rzakarivola ( 14/10/2009 10:35)
==> Tsy mino an'i Jesosy ho Andriamanitra ianao, loza kokoa ny an'ireo milaza fa mino Azy ho Mpaminany, na Zanak' Andriamanitra, na Andriamanitra nefa tsy mino sy mankato ny teniNy.
Ny tena finoana marina an'i Jesosy ho Andriamanitra, dia finoana fa Andriamanitra dia tia ny hahafantaran'ny olombelona ny tenaNy, koa nitafy nofo aman-dra toy ny olona Izy mba hahitan'ny olona Azy marina, ary izany i Jesoa.

rakapy:
... ,nefa rehefa mandinika izy ireo dia mahita sy mahatsapa fa tsy mpanao ratsy ny tenako, ary mpanao fanasoavana no ahafantaran'ny olona ny tenako. Nefa tsy @ anaran'ni kristy akory ary tsy ho @ anarany mandrakizay. Tsy voatery ho kristianina akory vao afaka ny hanao soa.

==> Azoko.
Ho ahy, i Jesoa no tenin' Andriamanitra velona, ary ny tenin' Andriamanitra no Fitaratra marina (tsy mamitaka) ny fanahy : fony mbola tsy nino an'i Jesoa tahaka izao ankehitriny izao aho dia nihevitra fa ny tenako tsy mpanao ratsy, ary noheverin'ny manodidina ho olona tsara, zanaka hendry, bandy milay, akama bonne, ... sns. Rehefa nino an'i Jesoa aho dia nandinika am-po ny teniNy, ary ny teniNy (ohatra Matio 5) dia maneho marina fa izaho dia mpanao meloka eo anatrehan' Andriamanitra :
- mitovy amin'ny mpamono olona, satria tezitra foana tamin'ny rahalahiko
- mitovy amin'ny mpijangajanga, satria nazoto nijery vehivavy, tamin'ny filàna ratsy tao am-poko, ary ho ahy dia tsy marina ny hoe "maso mijery tsy mitondra mody", fa izay hitako dia namoronako tantara maloto tato am-poko.
Loza kokoa ho ahy satria ny an'ny sasany ny heloka hita miariary, fa ny ahy any am-poko, ka menatra kokoa aho eo anatrehan'ny fitsaran' Andriamanitra!

Marina dia marina tokoa fa tsy voatery kristiana vao afaka hanao asa soa sy fiantrana. Saingy ny asa soa sy fiantrana ataonao ve mahaleo ny fahotanao ? Raiso an-tsaina fotsiny izao, lehialhy iray mpiasa mahafatra-po ny patron-ny, ankoatra ny fahavitany tsara ny anjara-andraikiny dia manampy tsara ireo namany koa izy, ary noho izany ataony izany dia tena mandroso tokoa ny orinasa. Mahatoky tsara izy amin'ny vola sy ny fitandremana fananana rehetra ... ny indro kely ho azy dia efa ela izy no nitsiriritra ny vadin'i patron, ary tsy nahafehy tena fa nijangajanga tamin'ny vadin'i patron indray mandeha. Tratran'i patron izany ary tena tezitra i patron. Ampy hiaro azy eo anatrehan'
ny fahatezeran'i patron ve ny fanaovany asa tsara hatrizay ?

Ity misy tenin'i Jesoa anakiray nahatonga saina ahy anio : "Lozanareo, fa hianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy." [Lioka 11:44].
Ny hoe itsakitsahin'ny olona dia fantatro ihany, fa tsy tao an-tsaiko mihitsy ilay hoe izaho anie ka fasana e! Ny fanahiko ato anatiko ato ka feno faharatsiana sy loton'ny fahotana, noho ny fieritreretana mahemenatra isan-karazany, ary izany no fahafatesan'ny fanahy.
Noho ny nahatongavan' Andriamanitra tety an-tany kosa dia manana antoka aho fa tsy hosazian' Andriamanitra araka ny fahotako be dia be, izany no famelan-keloka, ary hodiovin' Andriamanitra ny fanahiko amin'ireo loto maro ireo, izany no fananganana amin'ny maty. Ananako izany antoka izany noho ny tenin'i Jesoa Kristy hoe : "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.
" [Jaona 11:25-26]. Inoako izany satria izaho no nandre Azy.
43. ikaretsaka ( 14/10/2009 15:45)
Tsy mino an'i Jesosy ho Andriamanitra ianao, loza kokoa ny an'ireo milaza fa mino Azy ho Mpaminany, na Zanak' Andriamanitra, na Andriamanitra nefa tsy mino sy mankato ny teniNy

Aza ny Teniny fotsiny hoa.. fa Izy manontolo... atombohy ao @ Eokaristia
Ny teny tonga nofo... ny nofo tonga Mofo.... ary eo amintsika mandrakariva
efa misy dingana manaraka io fa tsy nijanona teo @ toko voalohany fotsiny ny Evanjelin'i Md Joany fa nofaranany aza ary @ farany ary hoe mbola betsaka Laaaaavitra!!!
44. ni81 ( 14/10/2009 15:55)
45. klitika ( 14/10/2009 15:59)
ikaretsaka:

Tsy mino an'i Jesosy ho Andriamanitra ianao, loza kokoa ny an'ireo milaza fa mino Azy ho Mpaminany, na Zanak' Andriamanitra, na Andriamanitra nefa tsy mino sy mankato ny teniNy

Aza ny Teniny fotsiny hoa.. fa Izy manontolo... atombohy ao @ Eokaristia
Ny teny tonga nofo... ny nofo tonga Mofo.... ary eo amintsika mandrakariva
efa misy dingana manaraka io fa tsy nijanona teo @ toko voalohany fotsiny ny Evanjelin'i Md Joany fa nofaranany aza ary @ farany ary hoe mbola betsaka Laaaaavitra!!!


Taiza tao amin'ny baiboly no nisy hoe Mofo tonga nofo na nofo tonga mofo ry ika? S izay ilay hoe las mihinan'olona ve? Ahahahahhah
46. ikaretsaka ( 14/10/2009 16:02)
Joany 1:16: ny teny tonga nofo
Raha namorona ny eokaristia izy dia nataony hoe "vatako (nofoko) ity"
ary mbola nasiany ao @ toko faha 6 ao manao hoe "izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako"
Mihoatra lavitra nohon'ny "mihaino ny teniNy" izany ra Klitikas a
Hhohohohoh!
47. ikaretsaka ( 14/10/2009 16:06)
izay no ilazako foana hoe vakio tsara aby fa aza tsimponina.. ary tsy mety ny tsimpona ... satria raha tsimponina de ze metimety aminao ihany hotsimponinao!
ka raha ze metimety aminao momban'atra ihany no tsimponinao sy inoanao fa izay tsy azioazonao de odianao fanina na fahany inianao tsy tsimponina; dia tsy Atra intsony no inoanao fa ny tenanao
48. ni81 ( 15/10/2009 09:35)
Joany 1:16: ny teny tonga nofo
Raha namorona ny eokaristia izy dia nataony hoe "vatako (nofoko) ity"
ary mbola nasiany ao @ toko faha 6 ao manao hoe "izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako"
Mihoatra lavitra nohon'ny "mihaino ny teniNy" izany ra Klitikas a
Hhohohohoh!
mihinana fotsiny izany dia ampy?
49. ikaretsaka ( 15/10/2009 12:06)
mila mino sy mihinana... Izay le hoe andramo ka zahao..
tsy vava mipetsopetsona sy maso mamaky teny fotsiny no atao hoe "manandrana sy mizaha"
50. cutie ( 15/10/2009 12:11)
:-D :-D :-D :-D
51. ni81 ( 15/10/2009 16:29)
mila mino sy mihinana... Izay le hoe andramo ka zahao..
tsy vava mipetsopetsona sy maso mamaky teny fotsiny no atao hoe "manandrana sy mizaha"
Ka raha tsy hoe hitanao avokoa ny lavatranon'ny tsirairay koa hoe mipetsopetsona sy mamaky fotsiny =)) =))
52. fahamarinana ( 15/10/2009 17:01)
:arrow: ni :ika ange efa lasa mpaminany e,adinondry angaha ? :-D :-D :-D (l)
53. ni81 ( 15/10/2009 17:48)
ni :ika ange efa lasa mpaminany e,adinondry angaha ?
izany an! :D !
54. ikaretsaka ( 15/10/2009 22:44)
ny lavatsera no hitako de extrapoleko fa tsy misy resaka faminaniana mihitsy zany r'ianona an...
55. ni81 ( 16/10/2009 13:48)
hehehehe
56. ikaretsaka ( 16/10/2009 14:34)
izay le lazaiko lalandava @ hoe mba jereo ny realite fa tsy laozana mivoana any anivon-danitra any
57. bor2lais ( 20/10/2009 08:09)
ikaretsaka:

izay le lazaiko lalandava @ hoe mba jereo ny realite fa tsy laozana mivoana any anivon-danitra any

-----------

Ka avy any ange ry "Ise" no mahatazana tsara kokoa ny réalité e ! :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.01