ody havandra ... vavaka
21. soanja
(
09/10/2009 01:46)
soanja:
rakaroka:
ikaretsaka:
Ny vavaka rzaka tolona fa tsy sento a
"Ity antsoina hoe vavaka ity mihitsy" no mila "dinihina angamba!" =>
1- Ary mety ho "interesanty 'lé izy raha toa ...
2- Anefa mety ho "fandaniam-potoana" ihany koa!...
Inona tokoa moa no atao hoe " vavaka" ? ndeha horesahina izany rehefa malalaka.
:)
Ny vavaka amiko dia aingam-panahy ao am-po entina hametrahana ny hasin'ny fifandraisana eo amin'ny mpiarabelona sy ny tontolo misy, ka na an-kira sy antsa io na teny na asa dia ilay mivavaka no mahatsapa ny alaliny ao anatiny sy ny ahavon'ny toerana iantefan'ny vetsompony. Io hasin'ny fifandraisana io dia Andriamanitra.
Afaka mifandray ny mpivavaka isanisany avy amin'ny alalan'io ventsompo sy asa io ka ny fifanojoana itambarana na fifandraisana izay no Andriamanitra.
Raha hivavaka aho ny tsy hisian'ny havandra dia ny fifandraisanay rehetra vonona hiantefa amin'ny tsy hilatsahan'ny havandra no ifikiran'ny fifantohana ary isan'ny goavana indrindra amin'izany ny fihainona radio hoe ahoana ny toetrandro RAHALINA ary iza avy no afaka hiara hanao donakafo sy antsa ary hira tsy hatoriana amin'ny alina fa hanafana ilay toerana. Iza avy no afaka hanome fanampiana hatao pilisy pilisy hividianana zavatra mampafana ny mpiary tory sy sakafo ary iza no manana kipantsona sy ny dobokamponga hampafana ny lanonana.
Ny havandra milatsaka dia asan'Andriamanitra amin'ny natiora. Rehefa hilatsaka izy dia tsy hisy hahasakana izany. Fa ny filatsahany kosa dia azontsika tanteraka iaraha-mandemy ny heriny raha toa ka manana hery sy tanjaka ary fifantohana ho tafita ny rehetra amin'ny ezaka atao, izay tsy inona fa ny firaisan-kina. Fahendrena Malagasy!
22. rzakarivola
(
09/10/2009 10:11)
[quote=niryna]
==> Mety tsy azoko ny fanontanianao, nefa aho hamaly araka ny fahazoako ny resaka ihany.
Horaisiko ny tenin'i Rakapy, izay inoako fa tsy avy aminy fa avy amin' Andriamanitra, satria "ny fikasan'ny fo amin'ny olona, fa ny famalian'ny lela dia avy amin' Andriamanitra", ary koa "Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity;".
Maro ny fambolena voaloboka, fa ny iantefan'ny teny eto dia izay nolazain'i klitika.
Maro koa ny loza voajanahary, ary manerana an'i Madagasikara samy mety hisy havandra, saingy izay nolazain'i klitika no iantefan'ny resaka eto.
Iza izao mpamboly voaloboka izao iaram-boina ao izao?
Iza no miferotra aina @ny fihavian'ny havandra manimba ny voly ary mitady ody havandra ? Iza no tsy matoky ny teny nolazain'i Jesoa hoe : "tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa" ?
Inona izany fitiavana izany ? Moa ve tsy fanolorana ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra hoe : "Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy;"
Tao Fianar tokoa no nisy Apostoly Malagasy voalohany voarakitra ara-tantara, nitory t@ teny sy ny faherezana izy ireo, namboly voaloboka ara-panahy (Jesoa no tena voaloboka). Nahoana no mivarina any amin'ny voaloboka ara-nofo ny fikatsahan'ny fo sy ny fiahiahiana ?
Izay no fanazavana ilay teny ry Niryna.
Izao ilay fanontaniana mipetraka hoe : inona no atao hampitsahatra ny havandra (hahavokatra ny voaloboka)? Dia io ny valiny :
"Katsaho aloha ny fanjakàn' Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany"
Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino ...
Inona ary no hatao e?mba azavao hoe ny tena hevin'io rzaka azafady
"katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ... izany rehetra izany." [Matio 6:32]
==> Mety tsy azoko ny fanontanianao, nefa aho hamaly araka ny fahazoako ny resaka ihany.
Horaisiko ny tenin'i Rakapy, izay inoako fa tsy avy aminy fa avy amin' Andriamanitra, satria "ny fikasan'ny fo amin'ny olona, fa ny famalian'ny lela dia avy amin' Andriamanitra", ary koa "Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity;".
Maro ny fambolena voaloboka, fa ny iantefan'ny teny eto dia izay nolazain'i klitika.
Maro koa ny loza voajanahary, ary manerana an'i Madagasikara samy mety hisy havandra, saingy izay nolazain'i klitika no iantefan'ny resaka eto.
Iza izao mpamboly voaloboka izao iaram-boina ao izao?
Iza no miferotra aina @ny fihavian'ny havandra manimba ny voly ary mitady ody havandra ? Iza no tsy matoky ny teny nolazain'i Jesoa hoe : "tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa" ?
Inona izany fitiavana izany ? Moa ve tsy fanolorana ny zavatra rehetra, araka ny voasoratra hoe : "Ny zavatra rehetra dia efa natolotry ny Raiko Ahy;"
Tao Fianar tokoa no nisy Apostoly Malagasy voalohany voarakitra ara-tantara, nitory t@ teny sy ny faherezana izy ireo, namboly voaloboka ara-panahy (Jesoa no tena voaloboka). Nahoana no mivarina any amin'ny voaloboka ara-nofo ny fikatsahan'ny fo sy ny fiahiahiana ?
Izay no fanazavana ilay teny ry Niryna.
Izao ilay fanontaniana mipetraka hoe : inona no atao hampitsahatra ny havandra (hahavokatra ny voaloboka)? Dia io ny valiny :
"Katsaho aloha ny fanjakàn' Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany"
Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino ...
23. rzakarivola
(
09/10/2009 10:20)
rakapy:
Rzakarivola> Tsy manda ilay hevitrao aho raha izay no hitanao fa vahaolana.
==> Raha hevitro fotsiny iny dia tsy mahasoa, fa raha hevitr'Andriamanitra dia azo antoka fa "hitondra fiadanana fa tsy loza".
rakapy:Aza manahy na amin'inona na inona, fa aoka ny fivavahana sy fifonana ary fisaorana no entinareo manambara ny fangatahanareo amin' Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra". Koa ndeh atomboka amin'ny fivavahana izany
...
Vavaka hoy ianao> Tsy hoatra ny milaza ve izany fa tsy mivavaka na tsy mahay mivavaka na tsy ampy vavaka ireo Apostoly ao Soatanana (Fianar) satria dia efa 100 taona izy ireo no nanorom-ponenana tany @ iny faritra iny ary vavaka andro aman'alina no fiainan'izy ireo. Ary ataoko fa tsy maintsy efa nisy vavaka maro nataon'izy ireo mba hampitsahatra ny avandra tany @ iny faritra iny nefa dia mbola misy isan-taona izy io.
Amiko ,ny zavatra toa itony dia tsy vitany vavaka fotsiny fa mila mampiasa ilay SAINA izay nomena antsika isika. Ny vavaka dia azo atao fanampiny ho an'izay mila azy.
==> Marina daholo ny teninao, :
1- Fanampiny tokoa ny vavaka satria : "Ny asan' Andriamanitra dia izao : ny hinoanareo izay nirahiNy". Ny finoana an'i Jesoa dia toy ny fihinana sakafo mahavelona, ary ny vavaka dia toy ny fifohana rivotra.
2- Mila ampiasaina ny saina nomen' Andriamanitra hahafantarana ny hevitr' Andriamanitra ao anatin'ny vavaka, ary hankatoavana ny baikoNy. Izany no nitenenan'ny Apostoly Paoly hoe "Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho;".
24. rzakarivola
(
09/10/2009 10:22)
Mirananirina:
Nataoko lohahevitra vaovao ity satria feno resaka HS loatra tatsy ambadikaka ny anareo anie baiboly no soratanareo eto,dia lava loatra tsy voavaky intsony e
==> "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana"
25. rakapy
(
09/10/2009 10:32)
Hoy Rzakarivola
Ka Izao anie Rzakarivola no mahagaga e!
@ maha olombelona antsika dia sarotra dia sarotra ny fikatsahana izany fanjakan'A/tra izany. "Moramora ho an'ny rameva ozy ny miditra @ vodi-panjaitra...." Midika izany raha tena mandinika ianao fa tena sarotra be ary mety ho impossible mihintsy aza.
Koa raha sarotra sy mety impossible ilay izy. nahoana moa raha ny eto an-tany sy manodidina antsika aloha no atsaraina ?
Ny tena marina dia izao.
TSY HO FANATATRAO MIHINTSY NY ANY ANKOATRA, TOY NY TSY FAHAFANATARANAO HOE AVY TAIZA IANAO TALOHAN'NY NIAVIANAO TETO AN-TANY. Mistery io ry nama ary maro no matahotra azy.
Ary noho izay TAHOTRA ny ho avy izay no anisany antony iray niforonan'ny finoana teo @ zanak'olombelona .Amin'izay mba tsy ho lasa tahotra ilay fahafatesana fa mba ho FANANTENANA.
"Katsaho aloha ny fanjakàn' Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo izany rehetra izany
Ka Izao anie Rzakarivola no mahagaga e!
@ maha olombelona antsika dia sarotra dia sarotra ny fikatsahana izany fanjakan'A/tra izany. "Moramora ho an'ny rameva ozy ny miditra @ vodi-panjaitra...." Midika izany raha tena mandinika ianao fa tena sarotra be ary mety ho impossible mihintsy aza.
Koa raha sarotra sy mety impossible ilay izy. nahoana moa raha ny eto an-tany sy manodidina antsika aloha no atsaraina ?
Ny tena marina dia izao.
TSY HO FANATATRAO MIHINTSY NY ANY ANKOATRA, TOY NY TSY FAHAFANATARANAO HOE AVY TAIZA IANAO TALOHAN'NY NIAVIANAO TETO AN-TANY. Mistery io ry nama ary maro no matahotra azy.
Ary noho izay TAHOTRA ny ho avy izay no anisany antony iray niforonan'ny finoana teo @ zanak'olombelona .Amin'izay mba tsy ho lasa tahotra ilay fahafatesana fa mba ho FANANTENANA.
26. ikaretsaka
(
09/10/2009 21:39)
efa lazaina heo ny olona tsisy atao @ ity fiainana ity no mitapitapy te hamantatra sahady izany any ankoatra izany!
Lasa Augustinian zaza ty le!
Ary noho izay TAHOTRA ny ho avy izay no anisany antony iray niforonan'ny finoana teo @ zanak'olombelona .Amin'izay mba tsy ho lasa tahotra ilay fahafatesana fa mba ho FANANTENANA:-D
Lasa Augustinian zaza ty le!
27. cutie
(
09/10/2009 23:50)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 09-10-2009 23:39:17:-D :-D :-D :-D
Lohateny : Re : ody havandra ... vavaka
efa lazaina heo ny olona tsisy atao @ ity fiainana ity no mitapitapy te hamantatra sahady izany any ankoatra izany!
Voalaza teo :
Ary noho izay TAHOTRA ny ho avy izay no anisany antony iray niforonan'ny finoana teo @ zanak'olombelona .Amin'izay mba tsy ho lasa tahotra ilay fahafatesana fa mba ho FANANTENANA
Lasa Augustinian zaza ty le!
29. ikaretsaka
(
10/10/2009 14:57)
Voalaza teo :
Ary noho izay TAHOTRA ny ho avy izay no anisany antony iray niforonan'ny finoana teo @ zanak'olombelona .Amin'izay mba tsy ho lasa tahotra ilay fahafatesana fa mba ho FANANTENANA
Filozofian'i Md Augustin io
Augustinian=manaraka ny filozofian'i Md Augustin!
32. rzakarivola
(
12/10/2009 10:19)
rakapy:
Ka Izao anie Rzakarivola no mahagaga e!
@ maha olombelona antsika dia sarotra dia sarotra ny fikatsahana izany fanjakan'A/tra izany. "Moramora ho an'ny rameva ozy ny miditra @ vodi-panjaitra...." Midika izany raha tena mandinika ianao fa tena sarotra be ary mety ho impossible mihintsy aza.
Koa raha sarotra sy mety impossible ilay izy.
==> Tena mandinika tokoa ianao, ary marina ny fandinihinao fa "Aux hommes c'est impossible, mais non à Dieu. Car tout est possible à Dieu.".[Marc 10:27]
rakapy:
nahoana moa raha ny eto an-tany sy manodidina antsika aloha no atsaraina ?
==> Tsy misy olana ny fanatsarana ny eto an-tany, à condition que tsy manakana ny fidirana ao @ fanjakàn'ny lanitra. Nefa izao no tenin'i Jesoa : "Vraiment, je vous l'assure : si quelqu'un quitte, à cause de moi et de l'Évangile, sa maison, ses frères, ses soeurs, sa mère, son père, ses enfants ou ses terres, il recevra cent fois plus dès à présent : des maisons, des frères, des soeurs, des mères, des enfants, des terres, avec des persécutions ; et, dans le monde à venir, la vie éternelle.". [Marc 10:29-30]
Assurance izany ry namako, ary inoako izany noho ny antony anakiroa :
1- Satria izaho no nandre an'i Jesoa namaly ny fanontaniako, koa velona Izy, ary marina Izy, araka ny anambaran'ny Baiboly sy ny mpino Azy.
2- Iainako izany promesse-ny izany isanandro isanandro.
rakapy:
Ny tena marina dia izao.
TSY HO FANATATRAO MIHINTSY NY ANY ANKOATRA, TOY NY TSY FAHAFANATARANAO HOE AVY TAIZA IANAO TALOHAN'NY NIAVIANAO TETO AN-TANY.
==> Fahiny tokoa aho tsy nahafantatra tahaka anao satria : "Le vent souffle où il veut, tu en entends le bruit, mais tu ne sais ni d'où il vient ni où il va. Il en est ainsi pour quiconque est né de l'Esprit." [Jean 3:3]
rakapy:
Mistery io ry nama ary maro no matahotra azy.
Ary noho izay TAHOTRA ny ho avy izay no anisany antony iray niforonan'ny finoana teo @ zanak'olombelona .Amin'izay mba tsy ho lasa tahotra ilay fahafatesana fa mba ho FANANTENANA.
==> Tsy hoe raha tsy matahotra ianao dia tsy hiharan'ny loza. Fa rehefa fantatrao ny marina ka manana fiarovana ianao dia azo antoka fa na hisy loza na tsy hisy, ianao voavonjy.
Taloha dia mistery tamiko tokoa na misy izany afobe sy paradisa izany na tsy misy ka nanao ny tenako ho nino (an'i Kristy) aho satria, au cas où misy ilay izy, dia mba voavonjy aho, raha tsisy, dia tsy matiantoka mihitsy na dia nino aza. Fa hatramin'ilay Alakamisy alina izay, dia foana ny fisalasalako, satria ny fanontaniako, izay avy tao am-poko tanteraka dia tsotra sady nazava : "Raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao", nahazo valiny aho teo no ho eo manao hoe : "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko". Tsy nisy tamingan'olona nanodidina ahy teo, sady tsy son rahateo no reko namaly ahy fa tao am-poko ny valin-teny. Tsy possible ho ny saiko no namorona valin-teny satria na ny problemako aza efa nanahiran-tsaina ahy ny nikaroka valiny taminy, olona very hevitra aho tamin'io.
Taomako anao izay mamaky an'ity, aza miahotra na miavona, fa manontania an'i Jesoa amin'ny fonao, fa hamaly anao Izy!
33. rakapy
(
12/10/2009 10:44)
Rzakarivola> Fanatatro sy mazava amiko ny tianao ahatongavana. Ary tsy ianao no voalohany ary tsy ho ianao koa no ho farany. Tena maro be tokoa ireo olona izay malahelo sy mitsetra ahy rehefa ilazako fa tsy mino an'i jesosy ho A/tra aho ary tsy ho voarebirebin'ny olona @ izany resaka izany aho.
Mihevitra sy mitsara izy ireo fa devoly aho ,nefa rehefa mandinika izy ireo dia mahita sy mahatsapa fa tsy mpanao ratsy ny tenako, ary mpanao fanasoavana no ahafantaran'ny olona ny tenako. Nefa tsy @ anaran'ni kristy akory ary tsy ho @ anarany mandrakizay. Tsy voatery ho kristianina akory vao afaka ny hanao soa.
Raha toa ka niteny taminao i jesosy dia anao irery izany fa tsy voatery hiteny amiko akory izy.

34. xxx
(
12/10/2009 11:23)
Misy zavatra somary manitikitika ahy ireto , ka mba lazaiko aminareo.
Misy fitenenan\' ny mpitory teny ireny manao hoe ,\" en dehors de l\'eglise , il n\' y a point de salut \",nefa @ protestanta dia mivoy ny hevitra hoe \"mivavaha andro aman\'alina hisian\' ny mazava eo @ fiainanao \".
Ny mahasadaikatra ahy dia ny hoe , ireo rehetra tsy miditra am-piangonana ve dia azo lazaina izany fa tsy Xtiana ? ary tsy hisy valiny na oviana na oviana ny vavaka ataon\'izy ireny ?
Faharoa , ireo malagasy mivavaka @ Razana sy ny Zanahary ve diso làlana hatr\'izay ?
Misy koa ny fanehoana ny fivavahana somary mibolila any @ tsy tokony halehany indraindray , toa ireo izay mivavaka @ baolina kitra (fomba fitenenan\' ny tanora sasany ) ohatra ho an\'ireo sportif , mivavaka @ i Brahmah ,mivavaka @ i Ganesh , mivavaka @ Krishnah ,etsetra ,ahoana no mety ho fomba fivavahana marina araka ny lahatra (raha nisy )napetraky ny lanitra ? Tsy ananan\' ny fanahy tsiny manoloana an\' A/tra ve ny fandresen-dahatra @ vavaka tokony hataony izay mety ho tsy marim-pototra na tsy ampy ventiny ?
Mila ny fahazavana rehetra ny zava-boahary araka ny hevitro .
\"Les preuves ne sont pas nécéssaires pour ceux qui croient , et sont impossibles pour les athés .\"
:?: :?: :?: :?:

35. rakapy
(
12/10/2009 11:44)
Amiko,ny finoana dia azo oharina @ sakafo izay ilain'ny vatan'olombelona fa saingy kosa ara-panahy izy. Ary ny vavaka dia ny fihinana sy fandevonana ary famoahana ilay sakafo izay nohanina ka mbola mahavelona anao eny fa na dia tsy complet aza.
Noho izany dia tsy voatery hitovy ny sakafo tian'ny olona tsy1/1 avy. Tsy voatery hitovy koa ny tsiro tadiavin'ny tsy 1/1 ary tsy voatery ahita ny sakafo izay ilain'ny tsy 1/1 avy koa araka ny toerana misy avy azy.
Nefa ny ankamaroan'ny sakafo dia mahavelona ny olombelona avokoa eny fa na dia ireo izay monina any @ tany karakaina aza dia mahita ny mahavelona azy izy ireo.
Ny vavaka dia toy izany. Tsy voatery hoe ny Islam na brahmah na kristianina na budhist sns... vao azo lazaina fa vavaka. Satria ny vavaka dia ao antinao ary fiainanao fa tsy entina ampideraina sy hitaritana olona.

36. ikaretsaka
(
12/10/2009 15:30)
Satria ny vavaka dia ao antinao ary fiainanao fa tsy entina ampideraina sy hitaritana olona.
^:^ namaste
37. soanja
(
12/10/2009 16:31)
rakapy:
Amiko,ny finoana dia azo oharina @ sakafo izay ilain'ny vatan'olombelona fa saingy kosa ara-panahy izy. Ary ny vavaka dia ny fihinana sy fandevonana ary famoahana ilay sakafo izay nohanina ka mbola mahavelona anao eny fa na dia tsy complet aza.
Noho izany dia tsy voatery hitovy ny sakafo tian'ny olona tsy1/1 avy. Tsy voatery hitovy koa ny tsiro tadiavin'ny tsy 1/1 ary tsy voatery ahita ny sakafo izay ilain'ny tsy 1/1 avy koa araka ny toerana misy avy azy.
Nefa ny ankamaroan'ny sakafo dia mahavelona ny olombelona avokoa eny fa na dia ireo izay monina any @ tany karakaina aza dia mahita ny mahavelona azy izy ireo.
Ny vavaka dia toy izany. Tsy voatery hoe ny Islam na brahmah na kristianina na budhist sns... vao azo lazaina fa vavaka. Satria ny vavaka dia ao antinao ary fiainanao fa tsy entina ampideraina sy hitaritana olona.
namaste namaste tompoko o! Ary sao dia tokony ho Rafahendrena (l) tokony iantsoantsika an'i Rakapy??? Sa Rakapitenintsambo mahatoky!
38. rakapy
(
12/10/2009 17:29)
Hoy Soanja
Aoka marina fa tsy mendrika ny ho antsoina ho tompoko aho RaSoanja! Ary mety tsy ho kapitenitsambo akory aza fa mety ho jiolahitsambo no mendrika ahy! :-D :-D :-D
namaste namaste tompoko o! Ary sao dia tokony ho Rafahendrena tokony iantsoantsika an'i Rakapy??? Sa Rakapitenintsambo mahatoky!

40. soanja
(
13/10/2009 00:13)

Sa ve antsoiko hoe dahalon'i Horombe nareo sy Ika?