Ny nihavian'ny farihy mirehitra afo...
23. ikaretsaka
(
08/10/2009 15:58)
ary mino ny purgatory izany nge Rajesoa e...
ary izay izany le "fiainan-tsy hita" vazavazain'ny tsy mino @ fiekem-pinoany!
ary izay izany le "fiainan-tsy hita" vazavazain'ny tsy mino @ fiekem-pinoany!
24. cutie
(
08/10/2009 16:16)
20. Mpandefa : majesty [ Valio ] 08-10-2009 12:15:57
Lohateny : Re : Ny nihavian'ny farihy mirehitra afo...
cutie : itan-ndry amin'zay le toriteny
non tsy nitory teny izy fa nitantara tantara :D
27. fahamarinana
(
10/10/2009 20:46)
fidi:
Ny nihavian’ny helo : farihy mirehitra afo
Isaia 14.12 Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
14.13 Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
14.14 Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
14.15 Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] ho any ampara-vodilavaka ianao.
Ezekiela 28.17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
28.18 Noho ny haben'ny helokao tamin'ny tsi-fahamarinan'ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masina; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin'ny tany ianao eo imason'izay rehetra mijery anao.
Mila vakiana tsara : Hoy Jehovah « Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao ». Raha ampiana fanazavàna io andinin-tsoratra masina io dia izao : Tsy noforonin’Andriamanitra (niainga t@ tsy nisy n’inona n’inona) velively akory ny farihy mirehitra afo. Tsy asa famoronana akory sanatria, fa efa tao @ devoly izany ka navoaka kosa mba handevonana azy.
Efesiana 6.16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
Teny fampitandremana ny @ zana-tsipika mirehitra alefan’ilay ratsy ; izany hoe misy afo ao amin’ny ratsy ary ny finoana an’i Jesoa kristy mafy orina no hany fiarovana mahomby handresena ny devoly sy ny asa ratsiny.
Apokalypsy 21.8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
Apokalypsy 20.10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.
Mitovy ny toerana alehan’ny tsy mino sns sy ny alehan’ny devoly aorian’ny fahafatesana voalohany sy ny fitsarana.
Matio 13.49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,
13.50 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
13.51 Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.
majesty:
misy 2 ny fahafatesana :
* fahafatesana voalohany : io ilay mahazo antsika rehefa maty isika
* dia ity ny fahafatesana faharoa : Apokalypsy 21:8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
Mbola tsy misy izany farihy mirehitra afo izany raha tsy aorian'ny fiverenan'i Kristy fanindroany izany hoe @ aorian'ny fivoahan'ny didim-pitsarana izay anavahany ny ondry ho eo @ ankavanana sy ny osy eo @ ankavia.
Mat 25:31-32 " Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;
ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy; ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany" dia tohizo vakiana io toko io rehefa misy fotoana ianareo fa lavabe raha toko iray manontolo no atao copie collé eto.
niryna:
19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan-andro tamin'ny fahafinaretana.
20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avyka nilelaka ny feriny.
22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hitaizy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.
24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalina aty, ary hianao kosa no fadiranovana.
26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala ety, ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.
27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko

:arrow: Misaotra indrindra anareo telo maiandahy fa misy ho dinihana tokoa e! :-* :-* (l)