Voafetra ve ny fifandraisako amin'i kristy ?

21. niryna ( 06/10/2009 19:50)
niryna:

I Kor 5 :17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.

bobone:


tsy voafetra ny fifandraisana an'i Kristy !!! fa isan'andro isan'ora !! malalaka @ fotoana rehetra ! n'aiza misy anao ! ary aza mamoha ny lasa hono e!

marina tokoa izany

aoka ny lasa homban'ny lasa fa fiainana vaovao no banjinina!!! dia ilay toeran-tsamabtra miaraka @ Ray !!! ety an-tany no manomana izany ! na toetra na fanahy- ny aminao rehetra dia omena voninahitra daholo satria efa vaovao! na fiteny na fihetsika na fomba na fisainana e! ny aminao manontolo
bà njy e! :-* :D
izay indrindra mantsy
hoy izy hoe na dia mivavaka aza hono izy dia hoe misy mbola tavela hi,hi
ahoana hoy Atra tamin'i Adama ? aiza hianao ry Adama ? miafona ny tavanao izahay ....na inona anefa ataontsika dia efa fantatr'Atra avokoa izany eny fa na dia mbola tsy mangataka aminy akory aza isika e :D


22. niryna ( 06/10/2009 19:55)
Hoy i Nirina
Noho ny maha mpanota ahy taloha,
rakapy:

Tsy mpanota intsony izany io namanao io? Ary tsy hanota intsony koa ve?
tsara ho fantatra ry rakapy fa Atra tsy tia ota saingy tiany ny mpanota mibebaka.Efa voasasan'ny ran'i kristy izay rehetra nanota ka nibebaka. Na mpanota aza izy na mpangalatra na mpijangajanga na inona fahotana vitan'ny olona iray dia tsy afaka hitsara ireny intsony isika fa Atra efa nahalala ny tao am-pony,toy izany koa isika fa ny fahotana tsy voavela dia ny fanopana ny fanahy masina

Ataoko fa raha toa ka tena A/tra ilay jesosy dia tsy tokony hiisy fetra ny fifandraisana aminy ary tsy tokony hiisy fanavakavahana izany fifandraisana izany na mpanota na tsia.
raha toa ka tena Atra hoe ,Atra izy ka,fa izay rehetra tsy mino azy ho ATra dia efa mpanohitra azy avokoa
marina izany tsy misy fetra fa mivoha midanadana ny lanitra ho an'izay rehetra mino sy manaiky ny Anarany Masina
Tsy nanavaka izy fa isika no manava tena indraindray na koa misy tsy tenenina amin'ny ny fahotana fa hoe afenina oops, saingy tsy misy tsy takona izay tsy hita ary tsy misy miafina izay tsy ho fantatra hoy ny tsimpona


:-* Minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao
23. niryna ( 06/10/2009 19:56)
ikaretsaka:

A?tra tsy manampetra fa ianao no mametra tena...
-> arakarakao ihany io

misaotra ika a, ataoko tonga any aminy ny hafatra


24. niryna ( 06/10/2009 19:59)
muro:

slt!
Tsy misy tokony atahoranao raha toa ka tena efa nifonanao ireo otanao,A/ta anie tsy mitovy amintsika fa rehefa mamela izy dia mamela.Miezaha manao ny sitrapony.
Courage fa tiany ianao!



=D> ^:^ izany tokoa sady ny tsimpona no efa manome hery antsika milaza sy manambara izany
Avy hifandahatra amiko fa na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala
25. niryna ( 06/10/2009 20:08)
niryna:

Nisy namana nametraka fanontaniana:Noho ny maha mpanota ahy taloha,voafetra arak'izany ve ny fifandraisako an'i kristy amin'izao fotoana izao? na koa hoe vato misakana ny fifandraisako an'i kristy ve ny otako taloha ?
klitika:


Fa nga ianao tsy mpanota intsony izao? sambatra raha samy sambatra ianao...
hi,hi ,izay no teneniny re ry kitika dia mba nozaraiko a,mety ho tsy ainy ny nazava azy e


Sao dia hanao ilay namana iray izay hoe: "Isa-minitra sy segondra aho dia mifandray amin'Atra, raha tsy izany aho tsy velona tahaka izao..." Dia novalian'i Koto hoe: "tokony efa maty izany ianao izao fa ilaozanao miresaka aminay fa tsy mifandray amin'Atra"
afaka misaotra azy isika amin'ny fotoana izay tiana ka tsy misy fetrany kosa io e,sambatra e,sambatra ny manankina ny fiainana amin'Atra ,hevitro io an, fa ahoana? maro ny olana mianjady amin'ny fiainana,hiaraha mahalala izany saingy ny fahafantaranao fa ny tenin'Atra ,tsimpona io an tsy amela anao ho irery aho dia efa fanomezana hery lehibe amin'ny fianani'izay manankina izany aminy.
Misy mitranga amin'ny fiainana? raha mihidy ny varavarana iray,misy iray ho vahany ho ahy ka tsy matahotra aho na inona mitranga .Izay ilay experiences itako aloha ,misy tebiteby kely amin' ny voalohany saingy rehefa arahana ny teniny dia miala ho azy tsikelikely ilay izy
jereo ny voro-manidina fa tsy mba manana mpiahy akory izy ireny ...noho izany aza miahy izay ampitso hianareo fa na dia ny anio aza tsy fantatrareo izany akory tsy midika hoe aza mitsinjo ny vody andro ho merika an :arrow: ilay olona be fanahiana sy tebiteby ny zavatra mbola any an-kibon'ny omby no lazaiko eto,ary tafiditra amin'izany koa aho raha mbola be fanahiana fa tsy manankina ny fiainako aminy :cry: :D
26. niryna ( 06/10/2009 20:09)

klitika:

"Isa-minitra sy segondra aho dia mifandray amin'Atra, raha tsy izany aho tsy velona tahaka izao..." Dia novalian'i Koto hoe: "tokony efa maty izany ianao izao fa ilaozanao miresaka aminay fa tsy mifandray amin'Atra"

rakaroka:


:-D :-D :-D =)) =)) =))
'zareo wà raha hanao be filaza ! :lol: :-D :-D :-D



:-* :-* :-* (l) (l) (l) :-* :-* :-*
27. niryna ( 06/10/2009 20:10)

niryna:

Nisy namana nametraka fanontaniana:Noho ny maha mpanota ahy taloha,voafetra arak'izany ve ny fifandraisako an'i kristy amin'izao fotoana izao? na koa hoe vato misakana ny fifandraisako an'i kristy ve ny otako taloha ?

Dia hoy aho hoe : raha nisy olon-dratsy dia anisan'i Saoly na Paoly kanefa dia izy no fitaovana nampiasain'Atra anatanteraka ny hafany mba ho voavonjy ny olona
Tsimpona : II Kor 5 :17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.

Indraindray tokoa ve hianao mieritreritra izany ?

(l) niryna
xxx:

@ olona mpino dia kapoka avy @ lanitra no tsy maintsy hanjo ireo mpanota ,
hoan' ireo sasany kosa dia tsy misy ny atody fa ny akoho no miverina , toy ireo silamo manao hoe maso ho an' ny maso , nify ho an' ny nify .
Ny sasany indray dia tsy fahitana ny fitadiavana ny làlana tokony nombana taloha no miteraka izany.
Ny an' ny sasany indray dia misy ozona tokony ho diovina amin'ireo mpanota .
Dia etc anie izany é !!



misaotra anao nanazava


:-*
28. niryna ( 06/10/2009 20:21)
soanja:

soanja:
Tsy misy ny fahotana fa naman'ny fiainana daholo ny andalovantsika

mba porofoy hoe izany tsy fisian'ny fahotana izany ,sin hoy ny teny vahiny,aza mitondra anay amin'ny fakampanahy hoy ny teny gasy ,misy fakampanahy ho toerintsika izany ao ka mahatonga ny fahotaka, come on,fa maninona no lavina foana ny tenin'Atra kanefa hianao manazava foana fa ATra dia fitiavana e,izany ve tsy hafahafa be ry soanja ?
eny e,izay no nampianarina anao dia tsy misy izy izany

bobone:

manaitra ahy ihany io satria ahoana no tsy misy ny fahotana!!
aza atao taitra amin'izany ry bobone a,tsy misy izy aminy dia tsy misy izy aminy fa tsy midika ho tsy misy ilay fahotana

tsarovy tsara va vokatry ny fihinanan'i Eva sy Adama ny voankazo voarara no nahatonga ilay fahotana izay noteren'ny satana!!! ary tsarovy koa fa nanomboka teo nihiratra ny mason'izy 2 ka nahatsapa ny tenany izy fa mitanjaka!!! miseho eo izany ilay toetra ratsy ! ary manaraka eny ihany ny tsara !izany hoe ilay fanahy masin'Atra omeny ny olona no mampahatsiahy azy hoe tsy mety io hataonao io na mety io hataonao io!!! samy manana ny fahadisoany avy isika ! tsy misy marina na dia iray aza an fa kosa mbola ao ilay fitiavan'Atra
ka tsy mino ny teny rehetra izay voasoratra ao anatin'ny baiooly milaza izany izy ka hino ny fahotana ve ,ny baiboly hoy ry zareo dia tsy avy amin'Atra fa avy amin'ny olona ,ny satana dia tsy misy ,ny afobe moa dia tsy tsara resahina fa mampatahotra olona hono ny tena dia izao indray fa mibaribary fa tsy misy hono ny fahotana, asakasak'izay mandray ny teny aloha fa samia mifampivavaka isika mba omen'Atra ny tena teniny sy mba andray ary izany ny fahamarinana dia ny tenin'ATRA izany satria izy Fahamarinana ary ny teniny no fahamarinana

Hafa mihitsy ny fitiavan'Atra antsika olombelona ! na tsy tia azy aza isika , na manota be tahaka n'inona aza isika tsy mba manoso-bohon-tanana antsika izy fa mandray raha solafaka, manarina raha lavo ary mampahery raha azo n-java-manahirana , mampionona raha sendra fahoriana!!! tadidio fa tsy azo vazivaziana ihany koa anefa Izy!!!!



=D> =D> Fa toy izao no notiavan'Atra izao tontolo izao,nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino aza fa hanana fiainana mandrakizay Jaona 3:16 ary tohizako ny 17
tsimpona tsy tonga hiantso ny marina izy fa ny mpanota mba hibebaka noho izany izay mandray azy dia ho raisiny tokoa na inona fahotana nataontsika ka mibebaka aminy isika ary tsy ho tsaroany intsony izany
misaotra bobone a :-*
29. ikaretsaka ( 06/10/2009 23:11)
ny atao hoe fahotana de ny tsy fahatsiarovanao tena eo anivon'ny realite
30. cutie ( 06/10/2009 23:25)
amen :)
31. niryna ( 07/10/2009 03:45)
ikaretsaka:

ny atao hoe fahotana de ny tsy fahatsiarovanao tena eo anivon'ny realite


izany ve? mamono olona ,mahatsiaro tena ve izy sa tonga dia mandaroka fotsiny ?
ny mijangajanga fantany ve fa tsy mety ny ataony sa ny filan'ny nofony no mahatonga azy hakafia ka andainga amin'ny vadiny? sa tsy mahatsiaro tena izy ?
ny fahotana dia izay zavatra fantatra fa tsy tokony atao kanefa mbola atao, izay mifanohitra ny tenin'Atra kanefa mbola ataontsika ihany,tsy mahatsiaro tena avokoa izany ireny olona ireny e ? hi,hi raha ny dikany ilay fahotana nomenao ? :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0075